Admonition for the Priests

1. And now, O ye priests, this commandment is for you.
1. Maintenant, à vous cet ordre, sacrificateurs!
1. Ary ankehitriny, ry mpisorona, ho anareo izao didy izao:
2. If ye will not hear, and if ye will not lay it to heart, to give glory unto my name, saith the LORD of hosts, I will even send a curse upon you, and I will curse your blessings: yea, I have cursed them already, because ye do not lay it to heart.
2. "Si vous n`écoutez pas, si vous ne prenez pas à coeur De donner gloire à mon nom, dit l`Éternel des armées, J`enverrai parmi vous la malédiction, et je maudirai vos bénédictions; Oui, je les maudirai, parce que vous ne l`avez pas à coeur."
2. "Raha tsy hihaino na handatsaka am-po ka hanome voninahitra ny anarako ianareo, hoy Jehovah, Tompon' ny maro, dia halefako hamely anareo ny ozona, ka hozoniko ny tsodrano ataonareo; eny, efa voaozoko sahady izany, satria tsy nandatsaka am-po ianareo."
3. Behold, I will corrupt your seed, and spread dung upon your faces, even the dung of your solemn feasts; and one shall take you away with it.
3. Voici, je détruirai vos semences, Et je vous jetterai des excréments au visage, Les excréments des victimes que vous sacrifiez, Et on vous emportera avec eux.
3. Indro, hosimbako ny voa afafinareo, ary hofafazako tain-droroha ny tavanareo, dia ny tain-droroha avy amin' ny andro firavoravoanareo lehibe sy mahatahotra, ary hailika miaraka aminy ianareo.
4. And ye shall know that I have sent this commandment unto you, that my covenant might be with Levi, saith the LORD of hosts.
4. Vous saurez alors que je vous ai adressé cet ordre, Afin que mon alliance avec Lévi subsiste, Dit l`Éternel des armées.
4. Dia ho fantatrareo fa nampitondra izany didy izany ho aminareo Aho, mba haharetan' ny fanekeko amin' i Levy, hoy Jehovah, Tompon' ny maro.
5. My covenant was with him of life and peace; and I gave them to him for the fear wherewith he feared me, and was afraid before my name.
5. "Mon alliance avec lui était une alliance de vie et de paix, Ce que je lui accordai pour qu`il me craignit; Et il a eu pour moi de la crainte, Il a tremblé devant mon nom."
5. "Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy noho ny fahatahorana izay natahorany Ahy izany, ka natahotra teo anatrehan' ny anarako izy."
6. The law of truth was in his mouth, and iniquity was not found in his lips: he walked with me in peace and equity, and did turn many away from iniquity.
6. "La loi de la vérité était dans sa bouche, Et l`iniquité ne s`est point trouvée sur ses lèvres; Il a marché avec moi dans la paix et dans la droiture, Et il a détourné du mal beaucoup d`hommes."
6. "Ny lalan' ny fahamarinana no teo am-bavany, ary tsy mba nahitana heloka teo amin' ny molony; tamin' ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no nampialainy tamin' ny heloka."
7. For the priest's lips should keep knowledge, and they should seek the law at his mouth: for he is the messenger of the LORD of hosts.
7. Car les lèvres du sacrificateur doivent garder la science, Et c`est à sa bouche qu`on demande la loi, Parce qu`il est un envoyé de l`Éternel des armées.
7. Fa ny molotry ny mpisorona tokony hitahiry fahalalana, ary tokony hotadiavina eo am-bavany ny lalàna, satria irak' i Jehovah, Tompon' ny maro izy.
8. But ye are departed out of the way; ye have caused many to stumble at the law; ye have corrupted the covenant of Levi, saith the LORD of hosts.
8. Mais vous, vous vous êtes écartés de la voie, Vous avez fait de la loi une occasion de chute pour plusieurs, Vous avez violé l`alliance de Lévi, Dit l`Éternel des armées.
8. Fa ianareo kosa dia efa nivily lalana sady nampahatafintohina olona maro ny amin' ny lalàna ary namadika ny fanekena amin' i Levy, hoy Jehovah, Tompon' ny maro.
9. Therefore have I also made you contemptible and base before all the people, according as ye have not kept my ways, but have been partial in the law.
9. Et moi, je vous rendrai méprisables et vils Aux yeux de tout le peuple, Parce que vous n`avez pas gardé mes voies, Et que vous avez égard à l`apparence des personnes Quand vous interprétez la loi.
9. Ary Izaho kosa dia efa nanolotra anareo ho fanazimbazimba sy ho fanao tsinontsinona eo anatrehan' ny vahoaka rehetra, noho ny tsy nitandremanareo ny lalako sy ny nizahanareo tavan' olona ny amin' ny lalàna.

Judah Unfaithful

10. Have we not all one father? hath not one God created us? why do we deal treacherously every man against his brother, by profaning the covenant of our fathers?
10. N`avons-nous pas tous un seul père? N`est-ce pas un seul Dieu qui nous a créés? Pourquoi donc sommes-nous infidèles l`un envers l`autre, En profanant l`alliance de nos pères?
10. Tsy mpiombon-dray va isika rehetra? Tsy Andriamanitra iray ihany va no nahary antsika? Koa nahoana no samy mivadika amin' ny rahalahintsika avy isika ka mamadika ny fanekena tamin' ny razantsika?
11. Judah hath dealt treacherously, and an abomination is committed in Israel and in Jerusalem; for Judah hath profaned the holiness of the LORD which he loved, and hath married the daughter of a strange god.
11. "Juda s`est montré infidèle, Et une abomination a été commise en Israël et à Jérusalem; Car Juda a profané ce qui est consacré à l`Éternel, ce qu`aime l`Éternel, Il s`est uni à la fille d`un dieu étranger."
11. "Ny Joda efa namitaka, ary misy fahavetavetana atao ao amin' ny Isiraely sy eto Jerosalema; fa ny Joda efa nandoto ny fahamasinan' i Jehovah izay tiany, ka efa nanambady ny zanakavavin' ny andriamani-kafa."
12. The LORD will cut off the man that doeth this, the master and the scholar, out of the tabernacles of Jacob, and him that offereth an offering unto the LORD of hosts.
12. L`Éternel retranchera l`homme qui fait cela, celui qui veille et qui répond, Il le retranchera des tentes de Jacob, Et il retranchera celui qui présente une offrande A l`Éternel des armées.
12. Hofongoran' i Jehovah hiala amin' ny lain' i Jakoba ny lehilahy izay manao izany, ny mpampianatra sy ny mpianatra, izay manatitra fanatitra ho an' i Jehovah, Tompon' ny maro.
13. And this have ye done again, covering the altar of the LORD with tears, with weeping, and with crying out, insomuch that he regardeth not the offering any more, or receiveth it with good will at your hand.
13. Voici encore ce que vous faites: Vous couvrez de larmes l`autel de l`Éternel, De pleurs et de gémissements, En sorte qu`il n`a plus égard aux offrandes Et qu`il ne peut rien agréer de vos mains.
13. Ary izao no nataonareo indray: saronanareo ranomaso sy fitomaniana ary fisentoana ny alitaran' i Jehovah, ka tsy mba jereny intsony ny fanatitra, sady tsy mandray izany amin' ny fankasitrahana avy amin' ny tananareo Izy.
14. Yet ye say, Wherefore? Because the LORD hath been witness between thee and the wife of thy youth, against whom thou hast dealt treacherously: yet is she thy companion, and the wife of thy covenant.
14. Et vous dites: Pourquoi?... Parce que l`Éternel a été témoin entre toi et la femme de ta jeunesse, A laquelle tu es infidèle, Bien qu`elle soit ta compagne et la femme de ton alliance.
14. Nefa hoy ianareo: nahoana? Satria Jehovah no vavolombelona ny aminao sy ny vadin' ny fahatanoranao izay nofitahinao, na dia namanao sady vady efa vita fanekena taminao aza izy.
15. And did not he make one? Yet had he the residue of the spirit. And wherefore one? That he might seek a godly seed. Therefore take heed to your spirit, and let none deal treacherously against the wife of his youth.
15. Nul n`a fait cela, avec un reste de bon sens. Un seul l`a fait, et pourquoi? Parce qu`il cherchait la postérité que Dieu lui avait promise. Prenez donc garde en votre esprit, Et qu`aucun ne soit infidèle à la femme de sa jeunesse!
15. Moa tsy iray va no nataon’Andriamanitra? Nefa mbola nanana tahirina fanahy Izy. Ary nahoana no iray? Mba hitadiavany taranaka araka an' Andriamanitra. Koa tandremo ny fanahinareo ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin' ny fahatanorany.
16. For the LORD, the God of Israel, saith that he hateth putting away: for one covereth violence with his garment, saith the LORD of hosts: therefore take heed to your spirit, that ye deal not treacherously.
16. Car je hais la répudiation, Dit l`Éternel, le Dieu d`Israël, Et celui qui couvre de violence son vêtement, Dit l`Éternel des armées. Prenez donc garde en votre esprit, Et ne soyez pas infidèles!
16. "Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, fa misy manarona herisetra amin' ny fitafiany, hoy Jehovah, Tompon' ny maro; koa tandremo ny fanahinareo, ary aza mamitaka ianareo."

The Day of Judgment

17. Ye have wearied the LORD with your words. Yet ye say, Wherein have we wearied him? When ye say, Every one that doeth evil is good in the sight of the LORD, and he delighteth in them; or, Where is the God of judgment?
17. Vous fatiguez l`Éternel par vos paroles, Et vous dites: En quoi l`avons-nous fatigué? C`est en disant: Quiconque fait le mal est bon aux yeux de l`Éternel, Et c`est en lui qu`il prend plaisir! Ou bien: Où est le Dieu de la justice?
17. Efa nanasatra an' i Jehovah amin' ny teninareo ianareo. Nefa hoy ianareo: amin' inona moa no anasaranay Azy? Amin' ny fanaovanareo hoe: izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason' i Jehovah ka ankasitrahany, na amin' ny hoe: aiza Andriamanitry ny fitsarana?
<
>