The Guilt Offering
1. Likewise this is the law of the trespass offering: it is most holy.
1. Voici la loi du sacrifice de culpabilité: c`est une chose très sainte.
1. Ary izao no lalàna ny amin' ny fanatitra noho ny fahadisoana: masina indrindra izany.
2. In the place where they kill the burnt offering shall they kill the trespass offering: and the blood thereof shall he sprinkle round about upon the altar.
2. C`est dans le lieu où l`on égorge l`holocauste que sera égorgée la victime pour le sacrifice de culpabilité. On en répandra le sang sur l`autel tout autour.
2. "Eo amin' ny famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanatitra noho ny fahadisoana; ary ny rà dia hatopiny manodidina amin' ny lafin' ny alitara."
3. And he shall offer of it all the fat thereof; the rump, and the fat that covereth the inwards,
3. On en offrira toute la graisse, la queue, la graisse qui couvre les entrailles,
3. "Ary hateriny avokoa ny saborany rehetra; ny hofany ary ny saboran-tsinainy,"
4. And the two kidneys, and the fat that is on them, which is by the flanks, and the caul that is above the liver, with the kidneys, it shall he take away:
4. les deux rognons, et la graisse qui les entoure, qui couvre les flancs, et le grand lobe du foie, qu`on détachera près des rognons.
4. Ary ny voany roa mbamin' ny fonom-boany izay eo amin' ny takibany ary ny saron' atiny dia hoesorina miaraka amin' ny voany.
5. And the priest shall burn them upon the altar for an offering made by fire unto the LORD: it is a trespass offering.
5. Le sacrificateur brûlera cela sur l`autel en sacrifice consumé devant l`Éternel. C`est un sacrifice de culpabilité.
5. Ary hodoran' ny mpisorona eo ambony alitara ho fanatitra atao amin' ny afo ho an' i Jehovah izany: fanatitra noho ny fahadisoana izany.
6. Every male among the priests shall eat thereof: it shall be eaten in the holy place: it is most holy.
6. "Tout mâle parmi les sacrificateurs en mangera; il le mangera dans un lieu saint: c`est une chose très sainte."
6. "Ny lehilahy rehetra amin' ny mpisorona no hihinana izany; eo amin' ny fitoerana masina no hihinanana izany: masina indrindra izany."
7. As the sin offering is, so is the trespass offering: there is one law for them: the priest that maketh atonement therewith shall have it.
7. "Il en est du sacrifice de culpabilité comme du sacrifice d`expiation; la loi est la même pour ces deux sacrifices: la victime sera pour le sacrificateur qui fera l`expiation."
7. "Ho tahaka ny fanatitra noho ny ota ny fanatitra noho ny fahadisoana; lalàna iray no ho amin' izy ireo; ny mpisorona izay manao fanavotana no hanana izany."
8. And the priest that offereth any man's burnt offering, even the priest shall have to himself the skin of the burnt offering which he hath offered.
8. Le sacrificateur qui offrira l`holocauste de quelqu`un aura pour lui la peau de l`holocauste qu`il a offert.
8. Ary ny mpisorona izay manatitra ny fanatitra dorana aterin' ny olona, dia izy no mpisorona hahazo ny hoditr' izany fanatitra dorana izany.
9. And all the meat offering that is baken in the oven, and all that is dressed in the fryingpan, and in the pan, shall be the priest's that offereth it.
9. Toute offrande cuite au four, préparée sur le gril ou à la poêle, sera pour le sacrificateur qui l`a offerte.
9. Ary ny fanatitra hohanina rehetra izay nandrahoina tamin' ny lafaoro sy izay rehetra natao tamin' ny lapoaly sy ny vilany, dia ho an' ny mpisorona izay manatitra azy.
10. And every meat offering, mingled with oil, and dry, shall all the sons of Aaron have, one as much as another.
10. Toute offrande pétrie à l`huile et sèche sera pour tous les fils d`Aaron, pour l`un comme pour l`autre.
10. Ary ny fanatitra hohanina rehetra, voaharo diloilo sy maina, dia ho an' ny zanakalahin' i Arona rehetra, samy hanana mitovy avy.
The Fellowship Offering
11. And this is the law of the sacrifice of peace offerings, which he shall offer unto the LORD.
11. Voici la loi du sacrifice d`actions de grâces, qu`on offrira à l`Éternel.
11. Ary izao no lalàna ny amin' ny fanati-pihavanana izay haterina ho an' i Jehovah:
12. If he offer it for a thanksgiving, then he shall offer with the sacrifice of thanksgiving unleavened cakes mingled with oil, and unleavened wafers anointed with oil, and cakes mingled with oil, of fine flour, fried.
12. Si quelqu`un l`offre par reconnaissance, il offrira, avec le sacrifice d`actions de grâces, des gâteaux sans levain pétris à l`huile, des galettes sans levain arrosées d`huile, et des gâteaux de fleur de farine frite et pétris à l`huile.
12. Raha manatitra izany ho fisaorana izy, dia hanatitra izany miaraka amin' ny fanati-pisaorana: mofo tsy misy lalivay sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy lalivay sady voahosotra diloilo, ary mofo amin' ny koba tsara toto, voaendy sady voaharo diloilo.
13. Besides the cakes, he shall offer for his offering leavened bread with the sacrifice of thanksgiving of his peace offerings.
13. A ces gâteaux il ajoutera du pain levé pour son offrande, avec son sacrifice de reconnaissance et d`actions de grâces.
13. Ankoatra ny mofo, dia hanatitra fanatitra mofo misy lalivay izy miaraka amin' ny fanati-pisaorana ny amin' ny fanati-pihavanany.
14. And of it he shall offer one out of the whole oblation for an heave offering unto the LORD, and it shall be the priest's that sprinkleth the blood of the peace offerings.
14. "On présentera par élévation à l`Éternel une portion de chaque offrande; elle sera pour le sacrificateur qui a répandu le sang de la victime d`actions de grâces."
14. Ary amin' izany dia hanao fanatitra asandratra ho an' i Jehovah iray avy amin' ny fanatitra rehetra izy, ka ho an' ny mpisorona izay manopy ny ràn' ny fanati-pihavanana izany.
15. And the flesh of the sacrifice of his peace offerings for thanksgiving shall be eaten the same day that it is offered; he shall not leave any of it until the morning.
15. "La chair du sacrifice de reconnaissance et d`actions de grâces sera mangée le jour où il est offert; on n`en laissera rien jusqu`au matin."
15. "Ary ny henan' ny fanati-pihavanana izay ataony fanati-pisaorana dia hohanina amin' ny andro anaterana azy; tsy hisy hamelany ho tra-maraina."
16. But if the sacrifice of his offering be a vow, or a voluntary offering, it shall be eaten the same day that he offereth his sacrifice: and on the morrow also the remainder of it shall be eaten:
16. Si quelqu`un offre un sacrifice pour l`accomplissement d`un voeu ou comme offrande volontaire, la victime sera mangée le jour où il l`offrira, et ce qui en restera sera mangé le lendemain.
16. Fa raha fanati-panalamboady na fanati-tsitrapo kosa no ateriny, dia amin' ny andro anaterany ny fanatiny no hihinanana azy, ary ampitson' iny no hihinanana izay ambiny.
17. But the remainder of the flesh of the sacrifice on the third day shall be burnt with fire.
17. Ce qui restera de la chair de la victime sera brûlé au feu le troisième jour.
17. Fa ny sisa amin' ny henan' ny fanatitra dia hodorana amin' ny afo amin' ny andro fahatelo.
18. And if any of the flesh of the sacrifice of his peace offerings be eaten at all on the third day, it shall not be accepted, neither shall it be imputed unto him that offereth it: it shall be an abomination, and the soul that eateth of it shall bear his iniquity.
18. "Dans le cas où l`on mangerait de la chair de son sacrifice d`actions de grâces le troisième jour, le sacrifice ne sera point agréé; il n`en sera pas tenu compte à celui qui l`a offert; ce sera une chose infecte, et quiconque en mangera restera chargé de sa faute."
18. Ary raha tàhiny hihinanana amin' ny andro fahatelo ny henan' ny fanati-pihavanana, dia tsy ekena izany, na hisaina ho an' izay manatitra azy, fa ho fahavetavetana, ary ny fanahy izay mihinana izany dia ho meloka noho ny helony.
19. And the flesh that toucheth any unclean thing shall not be eaten; it shall be burnt with fire: and as for the flesh, all that be clean shall eat thereof.
19. La chair qui a touché quelque chose d`impur ne sera point mangée: elle sera brûlée au feu.
19. "Ary ny hena izay mikasika ny zava-maloto dia tsy hohanina; hodorana amin' ny afo izany; ary ny amin' ny hena, dia izay rehetra madio no hihinana azy."
20. But the soul that eateth of the flesh of the sacrifice of peace offerings, that pertain unto the LORD, having his uncleanness upon him, even that soul shall be cut off from his people.
20. "Tout homme pur peut manger de la chair; mais celui qui, se trouvant en état d`impureté, mangera de la chair du sacrifice d`actions de grâces qui appartient à l`Éternel, celui-là sera retranché de son peuple."
20. Fa ny fanahy izay mihinana amin' ny henan' ny fanati-pihavanana izay an' i Jehovah nefa misy fahalotoana eo aminy, dia hofongorana tsy ho amin' ny fireneny.
21. Moreover the soul that shall touch any unclean thing, as the uncleanness of man, or any unclean beast, or any abominable unclean thing, and eat of the flesh of the sacrifice of peace offerings, which pertain unto the LORD, even that soul shall be cut off from his people.
21. Et celui qui touchera quelque chose d`impur, une souillure humaine, un animal impur, ou quoi que ce soit d`impur, et qui mangera de la chair du sacrifice d`actions de grâces qui appartient à l`Éternel, celui-là sera retranché de son peuple.
21. Ary koa ny fanahy izay hikasika zava-maloto, toy ny fahalotoan' ny olona, na ny biby maloto, na zava-betaveta maloto, ka mihinana ny henan' ny fanati-pihavanana izay an' i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin' ny fireneny.
Eating Fat and Blood Forbidden
22. And the LORD spake unto Moses, saying,
22. L`Éternel parla à Moïse, et dit:
22. Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy nanao hoe:
23. Speak unto the children of Israel, saying, Ye shall eat no manner of fat, of ox, or of sheep, or of goat.
23. Parle aux enfants d`Israël, et dis: Vous ne mangerez point de graisse de boeuf, d`agneau ni de chèvre.
23. Mitenena amin' ny Zanak' Isiraely hoe: Aza mihinana ny saboran' ny omby ianareo, na ny an' ny ondry, na ny an' ny osy.
24. And the fat of the beast that dieth of itself, and the fat of that which is torn with beasts, may be used in any other use: but ye shall in no wise eat of it.
24. "La graisse d`une bête morte ou déchirée pourra servir à un usage quelconque; mais vous ne la mangerez point."
24. "Ary ny saboran' ny biby izay maty ho azy sy ny saboran' izay noviraviraim-biby, dia azo ampiasaina amin-java-kafa; fa aza mihinana izany ianareo."
25. For whosoever eateth the fat of the beast, of which men offer an offering made by fire unto the LORD, even the soul that eateth it shall be cut off from his people.
25. Car celui qui mangera de la graisse des animaux dont on offre à l`Éternel des sacrifices consumés par le feu, celui-là sera retranché de son peuple.
25. Fa izay mihinana ny saboran' ny biby izay fanao fanatitra atao amin' ny afo ho an' i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin' ny fireneny.
26. Moreover ye shall eat no manner of blood, whether it be of fowl or of beast, in any of your dwellings.
26. Vous ne mangerez point de sang, ni d`oiseau, ni de bétail, dans tous les lieux où vous habiterez.
26. Ary koa aza mihinana rà ianareo na ny an' ny biby fiompy na ny an' ny biby hafa, eny amin' izay itoeranareo.
27. Whatsoever soul it be that eateth any manner of blood, even that soul shall be cut off from his people.
27. Celui qui mangera du sang d`une espèce quelconque, celui-là sera retranché de son peuple.
27. Ny fanahy rehetra izay mihinana ra, dia hofongorana tsy ho amin' ny fireneny izany fanahy izany.
The Priests' Share
28. And the LORD spake unto Moses, saying,
28. L`Éternel parla à Moïse, et dit:
28. Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy nanao hoe:
29. Speak unto the children of Israel, saying, He that offereth the sacrifice of his peace offerings unto the LORD shall bring his oblation unto the LORD of the sacrifice of his peace offerings.
29. Parle aux enfants d`Israël, et dis: Celui qui offrira à l`Éternel son sacrifice d`actions de grâces apportera son offrande à l`Éternel, prise sur son sacrifice d`actions de grâces.
29. Mitenena amin' ny Zanak' Isiraely hoe: Izay manatitra ny fanati-pihavanany ho an' i Jehovah dia hitondra ny fanatiny ho an' i Jehovah avy amin' ny fanati-pihavanany.
30. His own hands shall bring the offerings of the LORD made by fire, the fat with the breast, it shall he bring, that the breast may be waved for a wave offering before the LORD.
30. "Il apportera de ses propres mains ce qui doit être consumé par le feu devant l`Éternel; il apportera la graisse avec la poitrine, la poitrine pour l`agiter de côté et d`autre devant l`Éternel."
30. "Ny tanany ihany no hitondra ny fanatitra atao amin' ny afo ho an' i Jehovah; ny saborany mbamin' ny tratrany no hoentiny, ka ny tratrany dia ahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan' i Jehovah."
31. And the priest shall burn the fat upon the altar: but the breast shall be Aaron's and his sons'.
31. Le sacrificateur brûlera la graisse sur l`autel, et la poitrine sera pour Aaron et pour ses fils.
31. "Ary hodoran' ny mpisorona eo ambony alitara ny saborany; fa ny tratrany kosa dia ho an' i Arona sy ireo zanany lahy."
32. And the right shoulder shall ye give unto the priest for an heave offering of the sacrifices of your peace offerings.
32. Dans vos sacrifices d`actions de grâces, vous donnerez au sacrificateur l`épaule droite, en la présentant par élévation.
32. Ary ny soroka ankavanana dia homenareo ny mpisorona ho fanatitra asandratra avy amin' ny fanati-pihavananareo.
33. He among the sons of Aaron, that offereth the blood of the peace offerings, and the fat, shall have the right shoulder for his part.
33. Celui des fils d`Aaron qui offrira le sang et la graisse du sacrifice d`actions de grâces aura l`épaule droite pour sa part.
33. Ny anankiray amin' ny zanakalahin' i Arona izay manatitra ny ràn' ny fanati-pihavanana sy ny saborany no hanana ny soroka ankavanana ho anjarany.
34. For the wave breast and the heave shoulder have I taken of the children of Israel from off the sacrifices of their peace offerings, and have given them unto Aaron the priest and unto his sons by a statute for ever from among the children of Israel.
34. Car je prends sur les sacrifices d`actions de grâces offerts par les enfants d`Israël la poitrine qu`on agitera de côté et d`autre et l`épaule qu`on présentera par élévation, et je les donne au sacrificateur Aaron et à ses fils, par une loi perpétuelle qu`observeront les enfants d`Israël.
34. Fa ny tratra ahevaheva sy ny soroka asandratra dia efa nalaiko tamin' ny Zanak' Isiraely avy amin' ny fanati-pihavanana, ary nomeko ho an' i Arona mpisorona sy ny zanany lahy amin' ny lalàna mandrakizay avy teo amin' ny Zanak' Isiraely.
35. This is the portion of the anointing of Aaron, and of the anointing of his sons, out of the offerings of the LORD made by fire, in the day when he presented them to minister unto the LORD in the priest's office;
35. C`est là le droit que l`onction d`Aaron et de ses fils leur donnera sur les sacrifices consumés par le feu devant l`Éternel, depuis le jour où ils seront présentés pour être à mon service dans le sacerdoce.
35. " Izany no anjaran' i Arona amin' ny fanosorana azy sy amin' ny fanosorana ireo zanany lahy, avy amin' ny fanatitra atao amin' ny afo ho an' i Jehovah, amin' ny andro hanolorana azy ireo hanao ny asa fanompoana ho an' i Jehovah amin' ny asan' ny mpisorona;"
36. Which the LORD commanded to be given them of the children of Israel, in the day that he anointed them, by a statute for ever throughout their generations.
36. "C`est ce que l`Éternel ordonne aux enfants d`Israël de leur donner depuis le jour de leur onction; ce sera une loi perpétuelle parmi leurs descendants."
36. Izay nandidian' i Jehovah homena azy ireo avy amin' ny Zanak' Isiraely amin' ny andro anosorana azy, amin' ny lalàna mandrakizay amin' ireo taranany mifandimby.
37. This is the law of the burnt offering, of the meat offering, and of the sin offering, and of the trespass offering, and of the consecrations, and of the sacrifice of the peace offerings;
37. Telle est la loi de l`holocauste, de l`offrande, du sacrifice d`expiation, du sacrifice de culpabilité, de la consécration, et du sacrifice d`actions de grâces.
37. "Izany no lalàna ny amin' ny fanatitra dorana, ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra noho ny fahadisoana, mbamin' ny fanokanana ary ny fanati-pihavanana;"
38. Which the LORD commanded Moses in mount Sinai, in the day that he commanded the children of Israel to offer their oblations unto the LORD, in the wilderness of Sinai.
38. L`Éternel la prescrivit à Moïse sur la montagne de Sinaï, le jour où il ordonna aux enfants d`Israël de présenter leurs offrandes à l`Éternel dans le désert du Sinaï.
38. Izay nandidian' i Jehovah an' i Mosesy tao amin' ny tendrombohitra Sinay, tamin' ny andro izay nandidiany ny Zanak' Isiraely hanatitra ny fanatiny ho an' i Jehovah, tany an' efitr' i Sinay.