The Sin Offering

1. And the LORD spake unto Moses, saying,
1. L`Éternel parla à Moïse, et dit:
1. Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe:
2. Speak unto the children of Israel, saying, If a soul shall sin through ignorance against any of the commandments of the LORD concerning things which ought not to be done, and shall do against any of them:
2. "Parle aux enfants d`Israël, et dis: Lorsque quelqu`un péchera involontairement contre l`un des commandements de l`Éternel, en faisant des choses qui ne doivent point se faire;"
2. "Mitenena amin' ny Zanak' Isiraely hoe: Raha misy fanahy manota noho ny tsy fahalalana ka mandika ny anankiray amin' ny didin' i Jehovah ny amin' ny zavatra tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin' ireny;"
3. If the priest that is anointed do sin according to the sin of the people; then let him bring for his sin, which he hath sinned, a young bullock without blemish unto the LORD for a sin offering.
3. Si c`est le sacrificateur ayant reçu l`onction qui a péché et a rendu par là le peuple coupable, il offrira à l`Éternel, pour le péché qu`il a commis, un jeune taureau sans défaut, en sacrifice d`expiation.
3. Raha ny mpisorona izay voahosotra no manota araka ny otan' ny olona, dia aoka izy hitondra vantotr' ombilahy tsy misy kilema ho an' i Jehovah ho fanatitra noho ny ota, noho ny fahotana izay nanotany.
4. And he shall bring the bullock unto the door of the tabernacle of the congregation before the LORD; and shall lay his hand upon the bullock's head, and kill the bullock before the LORD.
4. "Il amènera le taureau à l`entrée de la tente d`assignation, devant l`Éternel; et il posera sa main sur la tête du taureau, qu`il égorgera devant l`Éternel."
4. "Ary hitondra ny vantotr' ombilahy ho eo amin' ny varavaran' ny tranolay fihaonana eo anatrehan' i Jehovah izy; ary hametraka ny tanany amin' ny lohan' ny vantotr' ombilahy izy, ka hamono azy eo anatrehan' i Jehovah."
5. And the priest that is anointed shall take of the bullock's blood, and bring it to the tabernacle of the congregation:
5. "Le sacrificateur ayant reçu l`onction prendra du sang du taureau, et l`apportera dans la tente d`assignation;"
5. "Ary hangalan' ny mpisorona voahosotra ny ràn' ny vantotr' ombilahy ka entiny ho ao amin' ny tranolay fihaonana;"
6. And the priest shall dip his finger in the blood, and sprinkle of the blood seven times before the LORD, before the vail of the sanctuary.
6. il trempera son doigt dans le sang, et il en fera sept fois l`aspersion devant l`Éternel, en face du voile du sanctuaire.
6. Ary hanoboka ny fanondrony eo amin' ny rà ny mpisorona, dia hafafiny impito eo anatrehan' i Jehovah ny rà eo anoloan' ny efitra lamban' ny fitoerana masina.
7. And the priest shall put some of the blood upon the horns of the altar of sweet incense before the LORD, which is in the tabernacle of the congregation; and shall pour all the blood of the bullock at the bottom of the altar of the burnt offering, which is at the door of the tabernacle of the congregation.
7. "Le sacrificateur mettra du sang sur les cornes de l`autel des parfums odoriférants, qui est devant l`Éternel dans la tente d`assignation; et il répandra tout le sang du taureau au pied de l`autel des holocaustes, qui est à l`entrée de la tente d`assignation."
7. "Ary ny sasany amin' ny rà dia hataon' ny mpisorona eo amin' ny tandroky ny alitara ho an' ny ditin-kazo manitra eo anatrehan' i Jehovah izay ao amin' ny tranolay fihaonana; ary ny ràn' ny vantotr' ombilahy sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin' ny alitaran' ny fanatitra dorana izay eo am-baravaran' ny tranolay fihaonana."
8. And he shall take off from it all the fat of the bullock for the sin offering; the fat that covereth the inwards, and all the fat that is upon the inwards,
8. Il enlèvera toute la graisse du taureau expiatoire, la graisse qui couvre les entrailles et toute celle qui y est attachée,
8. Ary halainy avokoa ny saborany rehetra amin' ny vantotr' ombilahy izay atao fanatitra noho ny ota, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy rehetra,
9. And the two kidneys, and the fat that is upon them, which is by the flanks, and the caul above the liver, with the kidneys, it shall he take away,
9. les deux rognons, et la graisse qui les entoure, qui couvre les flancs, et le grand lobe du foie, qu`il détachera près des rognons.
9. Ary ny voany roa mbamin' ny fonom-boany, izay eo amin' ny takibany sy ny saron' atiny dia esoriny miaraka amin' ny voany izany,
10. As it was taken off from the bullock of the sacrifice of peace offerings: and the priest shall burn them upon the altar of the burnt offering.
10. Le sacrificateur enlèvera ces parties comme on les enlève du taureau dans le sacrifice d`actions de grâces, et il les brûlera sur l`autel des holocaustes.
10. "Tahaka ny fanalana izany amin' ny vantotr' ombilahy izay fanati-pihavanana; ary handoro izany eo ambonin' ny alitaran' ny fanatitra dorana ny mpisorona."
11. And the skin of the bullock, and all his flesh, with his head, and with his legs, and his inwards, and his dung,
11. Mais la peau du taureau, toute sa chair, avec sa tête, ses jambes, ses entrailles et ses excréments,
11. Ary ny hoditry ny vantotr' ombilahy sy ny henany rehetra mbamin' ny lohany sy ny tongony ary ny taovany sy ny tain-drorohany,
12. Even the whole bullock shall he carry forth without the camp unto a clean place, where the ashes are poured out, and burn him on the wood with fire: where the ashes are poured out shall he be burnt.
12. le taureau entier, il l`emportera hors du camp, dans un lieu pur, où l`on jette les cendres, et il le brûlera au feu sur du bois: c`est sur le tas de cendres qu`il sera brûlé.
12. "Dia ny tenan' ny vantotr' ombilahy rehetra, no havoakany eny ivelan' ny toby ho amin' ny fitoerana madio izay anariana ny lavenona, ka handoro izany eo ambonin' ny kitay eo amin' ny afo izy; eo amin' ny fanariana ny lavenona no handoroany izany."
13. And if the whole congregation of Israel sin through ignorance, and the thing be hid from the eyes of the assembly, and they have done somewhat against any of the commandments of the LORD concerning things which should not be done, and are guilty;
13. Si c`est toute l`assemblée d`Israël qui a péché involontairement et sans s`en apercevoir, en faisant contre l`un des commandements de l`Éternel des choses qui ne doivent point se faire et en se rendant ainsi coupable,
13. "Ary raha manota noho ny tsy fahalalana ny fiangonan' ny Isiraely rehetra ka miafina amin' ny mason' ny fiangonana ilay zavatra, ka nandika ny anankiray amin' ny didin' i Jehovah mikasika ny zavatra izay tsy tokony hatao ka meloka;"
14. When the sin, which they have sinned against it, is known, then the congregation shall offer a young bullock for the sin, and bring him before the tabernacle of the congregation.
14. et que le péché qu`on a commis vienne à être découvert, l`assemblée offrira un jeune taureau en sacrifice d`expiation, et on l`amènera devant la tente d`assignation.
14. Rehefa fantatra ny ota izay nanotany, dia hanatitra vantotr' ombilahy noho ny ota ny fiangonana ka hitondra izany eo anoloan' ny tranolay fihaonana.
15. And the elders of the congregation shall lay their hands upon the head of the bullock before the LORD: and the bullock shall be killed before the LORD.
15. Les anciens d`Israël poseront leurs mains sur la tête du taureau devant l`Éternel, et on égorgera le taureau devant l`Éternel.
15. "Ary ny loholon' ny fiangonana hametraka ny tanany amin' ny lohan' ny vantotr' ombilahy eo anatrehan' i Jehovah; ary ny vantotr' ombilahy dia hovonoina eo anatrehan' i Jehovah."
16. And the priest that is anointed shall bring of the bullock's blood to the tabernacle of the congregation:
16. "Le sacrificateur ayant reçu l`onction apportera du sang du taureau dans la tente d`assignation;"
16. "Ary hoentin' ny mpisorona izay voahosotra ho eo amin' ny tranolay fihaonana ny ràn' ny vantotr' ombilahy;"
17. And the priest shall dip his finger in some of the blood, and sprinkle it seven times before the LORD, even before the vail.
17. il trempera son doigt dans le sang, et il en fera sept fois l`aspersion devant l`Éternel, en face du voile.
17. Ary hanoboka ny fanondrony amin' ny rà ny mpisorona, ka hafafiny impito eo anatrehan' i Jehovah izany, dia eo anoloan' ny efitra lamba.
18. And he shall put some of the blood upon the horns of the altar which is before the LORD, that is in the tabernacle of the congregation, and shall pour out all the blood at the bottom of the altar of the burnt offering, which is at the door of the tabernacle of the congregation.
18. "Il mettra du sang sur les cornes de l`autel qui est devant l`Éternel dans la tente d`assignation; et il répandra tout le sang au pied de l`autel des holocaustes, qui est à l`entrée de la tente d`assignation."
18. Ary hametraka ny sasany amin' ny rà eo amin' ny tandroky ny alitara izay eo anatrehan' i Jehovah izy, ao amin' ny tranolay fihaonana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo ambodin' ny alitaran' ny fanatitra dorana, izay eo am-baravaran' ny tranolay fihaonana.
19. And he shall take all his fat from him, and burn it upon the altar.
19. Il enlèvera toute la graisse du taureau, et il la brûlera sur l`autel.
19. Dia hanaisotra ny saborany rehetra izy ka handoro izany eo ambony alitara.
20. And he shall do with the bullock as he did with the bullock for a sin offering, so shall he do with this: and the priest shall make an atonement for them, and it shall be forgiven them.
20. "Il fera de ce taureau comme du taureau expiatoire; il fera de même. C`est ainsi que le sacrificateur fera pour eux l`expiation, et il leur sera pardonné."
20. "Ary ny vantotr' ombilahy dia hataony tahaka ny efa nataony tamin' ny vantotr' ombilahy izay natao fanatitra noho ny ota, dia toy izany no hanaovany azy; ary hanao fanavotana ho azy ireo ny mpisorona, dia havela ny helony."
21. And he shall carry forth the bullock without the camp, and burn him as he burned the first bullock: it is a sin offering for the congregation.
21. Il emportera le taureau hors du camp, et il le brûlera comme le premier taureau. C`est un sacrifice d`expiation pour l`assemblée.
21. "Ary hoentiny eny ivelan' ny toby ny vantotr' ombilahy ka hodorana tahaka ny nandoroany ny vantotr' ombilahy voalohany; fanatitra noho ny ota ho an' ny fiangonana izany."
22. When a ruler hath sinned, and done somewhat through ignorance against any of the commandments of the LORD his God concerning things which should not be done, and is guilty;
22. Si c`est un chef qui a péché, en faisant involontairement contre l`un des commandements de l`Éternel, son Dieu, des choses qui ne doivent point se faire et en se rendant ainsi coupable,
22. "Raha manota ny mpanapaka, ka nandika tamin' ny tsy fahalalana ny anankiray amin' ny didin' i Jehovah Andriamanitra mikasika ny zavatra izay tsy tokony hatao, ka meloka izy;"
23. Or if his sin, wherein he hath sinned, come to his knowledge; he shall bring his offering, a kid of the goats, a male without blemish:
23. et qu`il vienne à découvrir le péché qu`il a commis, il offrira en sacrifice un bouc mâle sans défaut.
23. Na raha misy mampahafantatra azy ny ota izay nanotany, dia hitondra zanak' osilahy tsy misy kilema ho fanatitra izy.
24. And he shall lay his hand upon the head of the goat, and kill it in the place where they kill the burnt offering before the LORD: it is a sin offering.
24. Il posera sa main sur la tête du bouc, qu`il égorgera dans le lieu où l`on égorge les holocaustes devant l`Éternel. C`est un sacrifice d`expiation.
24. "Ary hametraka ny tanany amin' ny lohan' ny osilahy izy, ka hamono izany eo amin' ny toerana izay famonoana ny fanatitra dorana eo anatrehan' i Jehovah; fanatitra noho ny ota izany."
25. And the priest shall take of the blood of the sin offering with his finger, and put it upon the horns of the altar of burnt offering, and shall pour out his blood at the bottom of the altar of burnt offering.
25. Le sacrificateur prendra avec son doigt du sang de la victime expiatoire, il en mettra sur les cornes de l`autel des holocaustes, et il répandra le sang au pied de l`autel des holocaustes.
25. Ary hangalan' ny mpisorona amin' ny fanondrony ny ràn' ny fanatitra noho ny ota, ka hataony eo amin' ny tandroky ny alitaran' ny fanatitra dorana, ary haidiny eo ambodin' ny alitaran' ny fanatitra dorana.
26. And he shall burn all his fat upon the altar, as the fat of the sacrifice of peace offerings: and the priest shall make an atonement for him as concerning his sin, and it shall be forgiven him.
26. Il brûlera toute la graisse sur l`autel, comme la graisse du sacrifice d`actions de grâces. C`est ainsi que le sacrificateur fera pour ce chef l`expiation de son péché, et il lui sera pardonné.
26. "Ary ny saborany rehetra dia hodorany eo ambony alitara, tahaka ny saboran' ny fanati-pihavanana; ary hanao fanavotana ho azy ny mpisorona mikasika ny otany, dia havela ny helony;"
27. And if any one of the common people sin through ignorance, while he doeth somewhat against any of the commandments of the LORD concerning things which ought not to be done, and be guilty;
27. Si c`est quelqu`un du peuple qui a péché involontairement, en faisant contre l`un des commandements de l`Éternel des choses qui ne doivent point se faire et en se rendant ainsi coupable,
27. "Ary raha misy amin' ny vahoaka manota noho ny tsy fahalalana, ka mandika ny anankiray amin' ny didin' i Jehovah mikasika ny zavatra izay tsy tokony hatao, ka meloka;"
28. Or if his sin, which he hath sinned, come to his knowledge: then he shall bring his offering, a kid of the goats, a female without blemish, for his sin which he hath sinned.
28. et qu`il vienne à découvrir le péché qu`il a commis, il offrira en sacrifice une chèvre, une femelle sans défaut, pour le péché qu`il a commis.
28. "Na raha misy mampahafantatra azy ny fahotana izay nanotany; dia hitondra zanak' osivavy tsy misy kilema ho fanatitra izy, noho ny fahotana izay nanotany."
29. And he shall lay his hand upon the head of the sin offering, and slay the sin offering in the place of the burnt offering.
29. Il posera sa main sur la tête de la victime expiatoire, qu`il égorgera dans le lieu où l`on égorge les holocaustes.
29. Ary hametraka ny tanany eo amin' ny lohan' ny fanatitra noho ny ota izy, ka hamono ny fanatitra noho ny ota eo amin' ny fitoeran' ny fanatitra dorana.
30. And the priest shall take of the blood thereof with his finger, and put it upon the horns of the altar of burnt offering, and shall pour out all the blood thereof at the bottom of the altar.
30. Le sacrificateur prendra avec son doigt du sang de la victime, il en mettra sur les cornes de l`autel des holocaustes, et il répandra tout le sang au pied de l`autel.
30. Ary hangalan' ny mpisorona amin' ny rantsan-tanany ny rà ka ataony eo amin' ny tandroky ny alitaran' ny fanatitra dorana, ary ny rà rehetra dia haidiny eo ambodin' ny alitara.
31. And he shall take away all the fat thereof, as the fat is taken away from off the sacrifice of peace offerings; and the priest shall burn it upon the altar for a sweet savour unto the LORD; and the priest shall make an atonement for him, and it shall be forgiven him.
31. Le sacrificateur ôtera toute la graisse, comme on ôte la graisse du sacrifice d`actions de grâces, et il la brûlera sur l`autel, et elle sera d`une agréable odeur à l`Éternel. C`est ainsi que le sacrificateur fera pour cet homme l`expiation, et il lui sera pardonné.
31. "Ary esoriny ny saborany rehetra, tahaka ny nanesorany ny saboran' ny fanati-pihavanana; ary handoro izany eo ambonin' ny alitara ho hanitra ankasitrahana ho an' i Jehovah ny mpisorona; ary hanao fanavotana ho azy ny mpisorona, dia havela ny helony."
32. And if he bring a lamb for a sin offering, he shall bring it a female without blemish.
32. S`il offre un agneau en sacrifice d`expiation, il offrira une femelle sans défaut.
32. Ary raha zanak' ondry no entiny ho fanatitra noho ny ota, dia vavy tsy misy kilema no hoentiny.
33. And he shall lay his hand upon the head of the sin offering, and slay it for a sin offering in the place where they kill the burnt offering.
33. Il posera sa main sur la tête de la victime, qu`il égorgera en sacrifice d`expiation dans le lieu où l`on égorge les holocaustes.
33. Ary hametraka ny tanany amin' ny lohan' ny fanatitra noho ny ota izy, ka dia hamono izany ho fanatitra noho ny ota eo amin' ny fitoerana izay hamonoana ny fanatitra dorana.
34. And the priest shall take of the blood of the sin offering with his finger, and put it upon the horns of the altar of burnt offering, and shall pour out all the blood thereof at the bottom of the altar:
34. Le sacrificateur prendra avec son doigt du sang de la victime, il en mettra sur les cornes de l`autel des holocaustes, et il répandra tout le sang au pied de l`autel.
34. "Ary hangalan' ny mpisorona amin' ny fanondrony ny ràn' ny fanatitra noho ny ota, ka hataony eo amin' ny tandroky ny alitaran' ny fanatitra dorana, ary ny rà rehetra dia haidiny eo ambodin' ny alitara;"
35. And he shall take away all the fat thereof, as the fat of the lamb is taken away from the sacrifice of the peace offerings; and the priest shall burn them upon the altar, according to the offerings made by fire unto the LORD: and the priest shall make an atonement for his sin that he hath committed, and it shall be forgiven him.
35. Le sacrificateur ôtera toute la graisse, comme on ôte la graisse de l`agneau dans le sacrifice d`actions de grâces, et il la brûlera sur l`autel, comme un sacrifice consumé par le feu devant l`Éternel. C`est ainsi que le sacrificateur fera pour cet homme l`expiation du péché qu`il a commis, et il lui sera pardonné.
35. "Ary esoriny ny saborany rehetra, tahaka ny nanesorana ny saboran' ny zanak' ondry izay fanati-pihavanana; ary handoro izany eo ambonin' ny alitara ny mpisorona araka ny fanatitra atao amin' ny afo ho an' i Jehovah; ary hanao fanavotana ho azy ny mpisorona noho ny fahotana izay nataony, dia havela ny helony."
<
>