1. And the LORD spake unto Moses, saying,
1. L`Éternel parla à Moïse, et dit:
1. Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe:
2. Speak unto the children of Israel, and say unto them, I am the LORD your God.
2. Parle aux enfants d`Israël, et tu leur diras: Je suis l`Éternel, votre Dieu.
2. Mitenena amin' ny Zanak' Isiraely ka lazao aminy hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
3. After the doings of the land of Egypt, wherein ye dwelt, shall ye not do: and after the doings of the land of Canaan, whither I bring you, shall ye not do: neither shall ye walk in their ordinances.
3. Vous ne ferez point ce qui se fait dans le pays d`Égypte où vous avez habité, et vous ne ferez point ce qui se fait dans le pays de Canaan où je vous mène: vous ne suivrez point leurs usages.
3. "Aza manao araka ny fanaon' ny tany Egypta, izay nonenanareo; ary aza manao araka ny fanaon' ny tany Kanana, izay ampidirako anareo, ary aza manaraka ny didiny."
4. Ye shall do my judgments, and keep mine ordinances, to walk therein: I am the LORD your God.
4. Vous pratiquerez mes ordonnances, et vous observerez mes lois: vous les suivrez. Je suis l`Éternel, votre Dieu.
4. "Ny fitsipiko no harahinareo, ary ny didiko no hotandremanareo, hanarahanareo izany; Izaho no Jehovah Andriamanitrareo."
5. Ye shall therefore keep my statutes, and my judgments: which if a man do, he shall live in them: I am the LORD.
5. Vous observerez mes lois et mes ordonnances: l`homme qui les mettra en pratique vivra par elles. Je suis l`Éternel.
5. "Koa hotandremanareo ny didiko sy ny fitsipiko; fa raha manao izany ny olona dia ho velona amin' izany izy; Izaho no Jehovah."
6. None of you shall approach to any that is near of kin to him, to uncover their nakedness: I am the LORD.
6. Nul de vous ne s`approchera de sa parente, pour découvrir sa nudité. Je suis l`Éternel.
6. "Tsy hisy aminareo hila izay havany akaiky handry aminy, hahitany ny fitanjahany; Izaho no Jehovah."
7. The nakedness of thy father, or the nakedness of thy mother, shalt thou not uncover: she is thy mother; thou shalt not uncover her nakedness.
7. Tu ne découvriras point la nudité de ton père, ni la nudité de ta mère. C`est ta mère: tu ne découvriras point sa nudité.
7. Aza mandry amin' izay nandrian' ny rainao na izay nandrian' ny reninao, aza mandry aminy, fa reninao izy, aza mandry aminy.
8. The nakedness of thy father's wife shalt thou not uncover: it is thy father's nakedness.
8. Tu ne découvriras point la nudité de la femme de ton père. C`est la nudité de ton père.
8. "Aza mandry amin' ny renikelinao; fa nandrian' ny rainao izy;"
9. The nakedness of thy sister, the daughter of thy father, or daughter of thy mother, whether she be born at home, or born abroad, even their nakedness thou shalt not uncover.
9. Tu ne découvriras point la nudité de ta soeur, fille de ton père ou fille de ta mère, née dans la maison ou née hors de la maison.
9. "Aza mandry amin' ny anabavinao, zanakavavin' ny rainao, na zanakavavin' ny reninao, na teraka tao an-trano, na teraka tany ivelany; aza mandry aminy."
10. The nakedness of thy son's daughter, or of thy daughter's daughter, even their nakedness thou shalt not uncover: for theirs is thine own nakedness.
10. Tu ne découvriras point la nudité de la fille de ton fils ou de la fille de ta fille. Car c`est ta nudité.
10. "Aza mandry amin' ny zanakavavin' ny zanakao lahy, na ny zanakavavin' ny zanakao vavy; fa avy aminao no niavian' izy roa."
Unlawful Sexual Relations
11. The nakedness of thy father's wife's daughter, begotten of thy father, she is thy sister, thou shalt not uncover her nakedness.
11. Tu ne découvriras point la nudité de la fille de la femme de ton père, née de ton père. C`est ta soeur.
11. "Aza mandry amin' ny zanakavavin' ny renikelinao, izay teraky ny rainao; fa anabavinao izy; aza mandry aminy."
12. Thou shalt not uncover the nakedness of thy father's sister: she is thy father's near kinswoman.
12. Tu ne découvriras point la nudité de la soeur de ton père. C`est la proche parente de ton père.
12. "Aza mandry amin' ny anabavin-drainao;fa havan-drainao akaiky izy."
13. Thou shalt not uncover the nakedness of thy mother's sister: for she is thy mother's near kinswoman.
13. Tu ne découvriras point la nudité de la soeur de ta mère. Car c`est la proche parente de ta mère.
13. "Aza mandry amin' ny rahavavin-dreninao; fa havan-dreninao akaiky izy."
14. Thou shalt not uncover the nakedness of thy father's brother, thou shalt not approach to his wife: she is thine aunt.
14. Tu ne découvriras point la nudité du frère de ton père. Tu ne t`approcheras point de sa femme. C`est ta tante.
14. "Aza mandry amin' izay nandrian' ny rahalahin-drainao; aza mila ny vadiny, fa vadin' ny rahalahin-drainao izy."
15. Thou shalt not uncover the nakedness of thy daughter in law: she is thy son's wife; thou shalt not uncover her nakedness.
15. Tu ne découvriras point la nudité de ta belle-fille. C`est la femme de ton fils: tu ne découvriras point sa nudité.
15. "Aza mandry amin' ny vinantovavinao; fa vadin' ny zanakao lahy izy, koa aza mandry aminy."
16. Thou shalt not uncover the nakedness of thy brother's wife: it is thy brother's nakedness.
16. Tu ne découvriras point la nudité de la femme de ton frère. C`est la nudité de ton frère.
16. "Aza mandry amin' ny vadin' ny rahalahinao; fa nandrian' ny rahalahinao izy."
17. Thou shalt not uncover the nakedness of a woman and her daughter, neither shalt thou take her son's daughter, or her daughter's daughter, to uncover her nakedness; for they are her near kinswomen: it is wickedness.
17. Tu ne découvriras point la nudité d`une femme et de sa fille. Tu ne prendras point la fille de son fils, ni la fille de sa fille, pour découvrir leur nudité. Ce sont tes proches parentes: c`est un crime.
17. "Aza mandry amin' ny vehivavy sy ny zanany vavy; aza maka ny zanakavavin' ny zanany lahy, na ny zanakavavin' ny zanany vavy, handry aminy; havany akaiky ireo: faharatsiana izany."
18. Neither shalt thou take a wife to her sister, to vex her, to uncover her nakedness, beside the other in her life time.
18. Tu ne prendras point la soeur de ta femme, pour exciter une rivalité, en découvrant sa nudité à côté de ta femme pendant sa vie.
18. Ary aza mampakatra vehivavy ho rafin' ny rahavaviny izay mbola velona, hanorisory azy, ka hahita ny fitanjahany.
19. Also thou shalt not approach unto a woman to uncover her nakedness, as long as she is put apart for her uncleanness.
19. Tu ne t`approcheras point d`une femme pendant son impureté menstruelle, pour découvrir sa nudité.
19. Ary koa aza mila vehivavy mararin' ny fadimbolana handry aminy, raha mbola mitokana noho ny fahalotoany izy.
20. Moreover thou shalt not lie carnally with thy neighbour's wife, to defile thyself with her.
20. Tu n`auras point commerce avec la femme de ton prochain, pour te souiller avec elle.
20. Ary koa aza mandry amin' ny vadin' ny namanao handoto ny tenanao aminy.
21. And thou shalt not let any of thy seed pass through the fire to Molech, neither shalt thou profane the name of thy God: I am the LORD.
21. Tu ne livreras aucun de tes enfants pour le faire passer à Moloc, et tu ne profaneras point le nom de ton Dieu. Je suis l`Éternel.
21. Ary aza misy ampandehaninao hamaky ny afo ho an' i Moloka ny zanakao, ka hanamavo ny anaran' Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
22. Thou shalt not lie with mankind, as with womankind: it is abomination.
22. Tu ne coucheras point avec un homme comme on couche avec une femme. C`est une abomination.
22. "Aza mandry amin' ny lehilahy tahaka ny fandry amin' ny vehivavy; fahavetavetana izany."
23. Neither shalt thou lie with any beast to defile thyself therewith: neither shall any woman stand before a beast to lie down thereto: it is confusion.
23. Tu ne coucheras point avec une bête, pour te souiller avec elle. La femme ne s`approchera point d`une bête, pour se prostituer à elle. C`est une confusion.
23. "Ary aza mandry amin' ny biby handoto ny tenanao aminy; ary aoka tsy hisy vehivavy hety handrian' ny biby; fa fifangaroharoana izany."
24. Defile not ye yourselves in any of these things: for in all these the nations are defiled which I cast out before you:
24. Ne vous souillez par aucune de ces choses, car c`est par toutes ces choses que se sont souillées les nations que je vais chasser devant vous.
24. "Aza mandoto ny tenanareo amin' izany zavatra izany akory; fa izany rehetra izany no nandotoan' ny firenena ny tenany, izay efa horoahiko eo anoloanareo."
25. And the land is defiled: therefore I do visit the iniquity thereof upon it, and the land itself vomiteth out her inhabitants.
25. "Le pays en a été souillé; je punirai son iniquité, et le pays vomira ses habitants."
25. Ary efa maloto ny tany, ka dia hamaly azy noho ny helony Aho, ary haloan' ny tany ny mponina eo.
26. Ye shall therefore keep my statutes and my judgments, and shall not commit any of these abominations; neither any of your own nation, nor any stranger that sojourneth among you:
26. Vous observerez donc mes lois et mes ordonnances, et vous ne commettrez aucune de ces abominations, ni l`indigène, ni l`étranger qui séjourne au milieu de vous.
26. Noho izany, hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko ianareo, ka aza misy manao izany fahavetavetana izany ianareo, na ny tompon-tany, na ny vahiny izay mivahiny eo aminareo.
27. (For all these abominations have the men of the land done, which were before you, and the land is defiled;)
27. "Car ce sont là toutes les abominations qu`ont commises les hommes du pays, qui y ont été avant vous; et le pays en a été souillé."
27. (Fa izany fahavetavetana rehetra izany no nataon' ny tompon-tany izay talohanareo, ka dia naloto ny tany),
28. That the land spue not you out also, when ye defile it, as it spued out the nations that were before you.
28. Prenez garde que le pays ne vous vomisse, si vous le souillez, comme il aura vomi les nations qui y étaient avant vous.
28. Mba tsy handoavan' ny tany anareo koa raha mandoto azy ianareo, tahaka ny nandoavany ny firenena izay talohanareo.
29. For whosoever shall commit any of these abominations, even the souls that commit them shall be cut off from among their people.
29. Car tous ceux qui commettront quelqu`une de ces abominations seront retranchés du milieu de leur peuple.
29. Fa izay rehetra manao, na dia iray aza amin' izany fahavetavetana izany, dia ny fanahy izay manao izany no hofongorana tsy ho eo amin' ny fireneny.
30. Therefore shall ye keep mine ordinance, that ye commit not any one of these abominable customs, which were committed before you, and that ye defile not yourselves therein: I am the LORD your God.
30. Vous observerez mes commandements, et vous ne pratiquerez aucun des usages abominables qui se pratiquaient avant vous, vous ne vous en souillerez pas. Je suis l`Éternel, votre Dieu.
30. "Koa tandremonareo ny fitsipiko, mba tsy hisy hataonareo izany fanao vetaveta izany, izay natao teo alohanareo, ka aza mandoto ny tenanareo amin' izany; Izaho no Jehovah Andriamanitrareo."