Purification After Childbirth

1. And the LORD spake unto Moses, saying,
1. L`Éternel parla à Moïse, et dit:
1. Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe:
2. Speak unto the children of Israel, saying, If a woman have conceived seed, and born a man child: then she shall be unclean seven days; according to the days of the separation for her infirmity shall she be unclean.
2. "Parle aux enfants d`Israël, et dis: Lorsqu`une femme deviendra enceinte, et qu`elle enfantera un mâle, elle sera impure pendant sept jours; elle sera impure comme au temps de son indisposition menstruelle."
2. "Mitenena amin' ny Zanak' Isiraely hoe: Raha misy vehivavy manana anaka ka tera-dahy, dia haloto hafitoana izy; tahaka ny fahalotoana raha mararin' ny fadimbolany no hahalotoany."
3. And in the eighth day the flesh of his foreskin shall be circumcised.
3. Le huitième jour, l`enfant sera circoncis.
3. Ary amin' ny andro fahavalo dia hoforana ny hoditry ny lohan' ny filahian' ny zaza.
4. And she shall then continue in the blood of her purifying three and thirty days; she shall touch no hallowed thing, nor come into the sanctuary, until the days of her purifying be fulfilled.
4. "Elle restera encore trente-trois jours à se purifier de son sang; elle ne touchera aucune chose sainte, et elle n`ira point au sanctuaire, jusqu`à ce que les jours de sa purification soient accomplis."
4. "Ary amin' izany dia telo amby telopolo andro no hitoeran-dravehivavy amin' ny rany izay mahadio azy; tsy hanendry zava-masina izy, na hiditra ao amin' ny fitoerana masina, mandra-pahatapitry ny andro fidiovany."
5. But if she bear a maid child, then she shall be unclean two weeks, as in her separation: and she shall continue in the blood of her purifying threescore and six days.
5. "Si elle enfante une fille, elle sera impure pendant deux semaines, comme au temps de son indisposition menstruelle; elle restera soixante-six jours à se purifier de son sang."
5. "Fa raha tera-bavy kosa izy, dia haloto tapa-bolana, tahaka ny tamin' ny fahalotoany ihany koa; ary enina amby enimpolo andro no hitoerany hidiovany amin' ny rany izay mahadio azy."
6. And when the days of her purifying are fulfilled, for a son, or for a daughter, she shall bring a lamb of the first year for a burnt offering, and a young pigeon, or a turtledove, for a sin offering, unto the door of the tabernacle of the congregation, unto the priest:
6. Lorsque les jours de sa purification seront accomplis, pour un fils ou pour une fille, elle apportera au sacrificateur, à l`entrée de la tente d`assignation, un agneau d`un an pour l`holocauste, et un jeune pigeon ou une tourterelle pour le sacrifice d`expiation.
6. Ary raha tapitra ny andro fidiovany, na amin' ny zazalahy na amin' ny zazavavy, dia zanak' ondry iray taona no entiny ho fanatitra dorana sy zana-boromailala, na domohina ho fanatitra noho ny ota eo amin' ny varavaran' ny tranolay fihaonana, ho eo amin' ny mpisorona,
7. Who shall offer it before the LORD, and make an atonement for her; and she shall be cleansed from the issue of her blood. This is the law for her that hath born a male or a female.
7. "Le sacrificateur les sacrifiera devant l`Éternel, et fera pour elle l`expiation; et elle sera purifiée du flux de son sang. Telle est la loi pour la femme qui enfante un fils ou une fille."
7. "Izay hanatitra izany eo anatrehan' i Jehovah ka hanao fanavotana ho an-dravehivavy; dia hadio amin' ny fandehanan' ny rany izy. Izany no lalàna ny amin' ny vehivavy tera-dahy na tera-bavy."
8. And if she be not able to bring a lamb, then she shall bring two turtles, or two young pigeons; the one for the burnt offering, and the other for a sin offering: and the priest shall make an atonement for her, and she shall be clean.
8. Si elle n`a pas de quoi se procurer un agneau, elle prendra deux tourterelles ou deux jeunes pigeons, l`un pour l`holocauste, l`autre pour le sacrifice d`expiation. Le sacrificateur fera pour elle l`expiation, et elle sera pure.
8. "Ary raha tsy afaka hitondra zanak' ondry izy, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy; ny anankiray ho fanatitra dorana ary ny anankiray ho fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio izy."
<
>