Jeremiah Thrown Into a Cistern
1. Then Shephatiah the son of Mattan, and Gedaliah the son of Pashur, and Jucal the son of Shelemiah, and Pashur the son of Malchiah, heard the words that Jeremiah had spoken unto all the people, saying,
1. Schephathia, fils de Matthan, Guedalia, fils de Paschhur, Jucal, fils de Schélémia, et Paschhur, fils de Malkija, entendirent les paroles que Jérémie adressait à tout le peuple, en disant:
1. Ary Safatia, zanak' i Matana, sy Gedalia, zanak' i Pasora, sy Jokala, zanak' i Semelia, ary Pasora, zanak' i Malkia, dia nandre ny teny izay efa nolazain' i Jeremia tamin' ny vahoaka rehetra nanao hoe:
2. Thus saith the LORD, He that remaineth in this city shall die by the sword, by the famine, and by the pestilence: but he that goeth forth to the Chaldeans shall live; for he shall have his life for a prey, and shall live.
2. "Ainsi parle l`Éternel: Celui qui restera dans cette ville mourra par l`épée, par la famine ou par la peste; mais celui qui sortira pour se rendre aux Chaldéens, aura la vie sauve, sa vie sera son butin, et il vivra."
2. "Izao no lazain' i Jehovah: Izay mitoetra amin' ity tanàna ity dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana kosa no ho velona; fa ny ainy no ho babony, ka ho velona izy."
3. Thus saith the LORD, This city shall surely be given into the hand of the king of Babylon's army, which shall take it.
3. Ainsi parle l`Éternel: Cette ville sera livrée à l`armée du roi de Babylone, qui la prendra.
3. Izao no lazain' i Jehovah: Ity tanàna ity dia hatolotra eo an-tanan' ny miaramilan' ny mpanjakan' i Babylona tokoa ka ho afany.
4. Therefore the princes said unto the king, We beseech thee, let this man be put to death: for thus he weakeneth the hands of the men of war that remain in this city, and the hands of all the people, in speaking such words unto them: for this man seeketh not the welfare of this people, but the hurt.
4. "Et les chefs dirent au roi: Que cet homme soit mis à mort! car il décourage les hommes de guerre qui restent dans cette ville, et tout le peuple, en leur tenant de pareils discours; cet homme ne cherche pas le bien de ce peuple, il ne veut que son malheur."
4. "Dia hoy ny mpanapaka tamin' ny mpanjaka: Trarantitra ianao, aoka hovonoina io lehilahy io; fa mampiraviravy tanana ny miaramila izay sisa amin' ity tanàna ity mbamin' ny olona rehetra izy noho ny nitenenany taminy araka izany teny izany; fa io lehilahy io tsy mba mitady izay hiadanan' ity firenena ity, fa izay hahatonga loza aminy kosa."
5. Then Zedekiah the king said, Behold, he is in your hand: for the king is not he that can do any thing against you.
5. "Le roi Sédécias répondit: Voici, il est entre vos mains; car le roi ne peut rien contre vous."
5. "Dia hoy Zedekia mpanjaka: Indro, eo an-tananareo izy; fa ny mpanjaka tsy mahefa na inona na inona hisakana anareo."
6. Then took they Jeremiah, and cast him into the dungeon of Malchiah the son of Hammelech, that was in the court of the prison: and they let down Jeremiah with cords. And in the dungeon there was no water, but mire: so Jeremiah sunk in the mire.
6. "Alors ils prirent Jérémie, et le jetèrent dans la citerne de Malkija, fils du roi, laquelle se trouvait dans la cour de la prison; ils descendirent Jérémie avec des cordes. Il n`y avait point d`eau dans la citerne, mais il y avait de la boue; et Jérémie enfonça dans la boue."
6. "Ary naka an' i Jeremia izy ireo ka nandatsaka azy tanaty lavaka tao amin' ny tanin' i Malkia, zanak' i Hameleka, izay tao amin' ny kianjan' ny tranomaizina; ary nampidininy tamin' ny mahazaka Jeremia. Ary tsy nisy rano tao amin' ny lavaka fa fotaka, ka dia nilentika tamin' ny fotaka Jeremia."
7. Now when Ebedmelech the Ethiopian, one of the eunuchs which was in the king's house, heard that they had put Jeremiah in the dungeon; the king then sitting in the gate of Benjamin;
7. Ébed Mélec, l`Éthiopien, eunuque qui était dans la maison du roi, apprit qu`on avait mis Jérémie dans la citerne. Le roi était assis à la porte de Benjamin.
7. "Ary Ebeda-meleka Etiopiana, iray amin' ny ionoka tao amin' ny tranon' ny mpanjaka, raha nandre ny nandatsahany an' i Jeremia tao amin' ny lavaka; nipetraka teo amin' ny vavahadin' ny Benjamina ny mpanjaka androtriny,"
8. Ebedmelech went forth out of the king's house, and spake to the king, saying,
8. Ébed Mélec sortit de la maison du roi, et parla ainsi au roi:
8. Dia nivoaka avy tao an-tranon' ny mpanjaka Ebeda-meleka ka niteny tamin' ny mpanjaka hoe:
9. My lord the king, these men have done evil in all that they have done to Jeremiah the prophet, whom they have cast into the dungeon; and he is like to die for hunger in the place where he is: for there is no more bread in the city.
9. "O roi, mon seigneur, ces hommes ont mal agi en traitant de la sorte Jérémie, le prophète, en le jetant dans la citerne; il mourra de faim là où il est, car il n`y a plus de pain dans la ville."
9. Ry mpanjaka tompoko, ratsy avokoa izay rehetra nataon' ireo lehilahy ireo tamin' i Jeremia mpaminany, fa nataony tao an-davaka izy ka ho faty mosary ao amin' ny itoerany, satria tsy misy mofo intsony ato an-tanàna.
10. Then the king commanded Ebedmelech the Ethiopian, saying, Take from hence thirty men with thee, and take up Jeremiah the prophet out of the dungeon, before he die.
10. Le roi donna cet ordre à Ébed Mélec, l`Éthiopien: Prends ici trente hommes avec toi, et tu retireras de la citerne Jérémie, le prophète, avant qu`il ne meure.
10. Ary ny mpanjaka nandidy an' i Ebeda-meleka Etiopiana hoe: Mitondrà telopolo lahy hiaraka aminao hampakatra an' i Jeremia mpaminany hiala ao anaty lavaka dieny tsy mbola maty izy.
11. So Ebedmelech took the men with him, and went into the house of the king under the treasury, and took thence old cast clouts and old rotten rags, and let them down by cords into the dungeon to Jeremiah.
11. "Ébed Mélec prit avec lui les hommes, et se rendit à la maison du roi, dans un lieu au-dessous du trésor; il en sortit des lambeaux usés et de vieux haillons, et les descendit à Jérémie dans la citerne, avec des cordes."
11. Ary Ebeda-meleka nitondra ny olona niaraka taminy, ka dia lasa nankany amin' ny tranon' ny mpanjaka eo ambanin' ny trano firaketana, ary naka lamba rovitra sy vorodamba tao izy, ka nampidininy tamin' ny mahazaka ho ao amin' ny lavaka izany ho ao amin' i Jeremia.
12. And Ebedmelech the Ethiopian said unto Jeremiah, Put now these old cast clouts and rotten rags under thine armholes under the cords. And Jeremiah did so.
12. Ébed Mélec, l`Éthiopien, dit à Jérémie: Mets ces lambeaux usés et ces haillons sous tes aisselles, sous les cordes. Et Jérémie fit ainsi.
12. "Dia hoy Ebeda-meleka Etiopiana tamin' i Jeremia: Ataovy eo ambanin' ny helikao ireto lamba rovitra sy vorodamba ireto ho efitry ny mahazaka, dia nataon' i Jeremia izany;"
13. So they drew up Jeremiah with cords, and took him up out of the dungeon: and Jeremiah remained in the court of the prison.
13. Ils tirèrent Jérémie avec les cordes, et le firent monter hors de la citerne. Jérémie resta dans la cour de la prison.
13. "Ka dia nosintoniny tamin' ny mahazaka Jeremia ka nakariny avy tao anaty lavaka; ary dia nitoetra teo amin' ny kianjan' ny tranomaizina izy."
14. Then Zedekiah the king sent, and took Jeremiah the prophet unto him into the third entry that is in the house of the LORD: and the king said unto Jeremiah, I will ask thee a thing; hide nothing from me.
14. "Le roi Sédécias envoya chercher Jérémie, le prophète, et le fit venir auprès de lui dans la troisième entrée de la maison de l`Éternel. Et le roi dit à Jérémie: J`ai une chose à te demander; ne me cache rien."
14. Ary Zedekia mpanjaka naniraka naka an' i Jeremia mpaminany hankao aminy tao amin' ny fidirana fahatelo, izay ao an-tranon' i Jehovah. Dia hoy ny mpanjaka tamin' i Jeremia: Hanontany zavatra kely aminao aho, ka aza anafenana.
15. Then Jeremiah said unto Zedekiah, If I declare it unto thee, wilt thou not surely put me to death? and if I give thee counsel, wilt thou not hearken unto me?
15. Jérémie répondit à Sédécias: Si je te la dis, ne me feras-tu pas mourir? Et si je te donne un conseil, tu ne m`écouteras pas.
15. Ary hoy Jeremia tamin' i Zedekia: Raha ambarako anao izany, dia tsy hovonoinao tokoa va re aho? Ary raha omeko saina aza ianao, dia tsy hihaino ahy tsinona?
16. So Zedekiah the king sware secretly unto Jeremiah, saying, As the LORD liveth, that made us this soul, I will not put thee to death, neither will I give thee into the hand of these men that seek thy life.
16. Le roi Sédécias jura secrètement à Jérémie, en disant: L`Éternel est vivant, lui qui nous a donné la vie! je ne te ferai pas mourir, et je ne te livrerai pas entre les mains de ces hommes qui en veulent à ta vie.
16. Ary Zedekia mpanjaka nianiana mangingina tamin' i Jeremia nanao hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nanao izao fanahintsika izao dia tsy hamono anao tokoa aho, na hanolotra anao eo an-tanan' ireto olona mitady ny ainao ireto.
17. Then said Jeremiah unto Zedekiah, Thus saith the LORD, the God of hosts, the God of Israel; If thou wilt assuredly go forth unto the king of Babylon's princes, then thy soul shall live, and this city shall not be burned with fire; and thou shalt live, and thine house:
17. "Jérémie dit alors à Sédécias: Ainsi parle l`Éternel, le Dieu des armées, le Dieu d`Israël: Si tu vas te rendre aux chefs du roi de Babylone, tu auras la vie sauve, et cette ville ne sera pas brûlée par le feu; tu vivras, toi et ta maison."
17. Dia hoy Jeremia tamin' i Zedekia: Izao àry no lazain' i Jehovah Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Raha mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan' i Babylona tokoa ianao, dia ho velona ny fanahinao, sady tsy hodorana amin' ny afo ity tanàna ity, fa ho velona ianao sy ny mpianakavinao.
18. But if thou wilt not go forth to the king of Babylon's princes, then shall this city be given into the hand of the Chaldeans, and they shall burn it with fire, and thou shalt not escape out of their hand.
18. "Mais si tu ne te rends pas aux chefs du roi de Babylone, cette ville sera livrée entre les mains des Chaldéens, qui la brûleront par le feu; et toi, tu n`échapperas pas à leurs mains."
18. Fa raha tsy hivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan' i Babylona kosa ianao, dia hatolotra eo an-tanan' ny Kaldeana ity tanàna ity, sady hodorany amin' ny afo izy, ary tsy ho afa-mandositra ny tanany ianao.
19. And Zedekiah the king said unto Jeremiah, I am afraid of the Jews that are fallen to the Chaldeans, lest they deliver me into their hand, and they mock me.
19. "Le roi Sédécias dit à Jérémie: Je crains les Juifs qui ont passé aux Chaldéens; je crains qu`on ne me livre entre leurs mains, et qu`ils ne m`outragent."
19. Ary hoy Zedekia mpanjaka tamin' i Jeremia: Matahotra ny Jiosy izay efa nanatona ny Kaldeana aho, fandrao hatolony eo an-tanany aho ka hataony fihomehezana.
20. But Jeremiah said, They shall not deliver thee. Obey, I beseech thee, the voice of the LORD, which I speak unto thee: so it shall be well unto thee, and thy soul shall live.
20. "Jérémie répondit: On ne te livrera pas. Écoute la voix de l`Éternel dans ce que je te dis; tu t`en trouveras bien, et tu auras la vie sauve."
20. Fa hoy Jeremia: Tsy hanolotra anao izy tsy akory. Trarantitra ianao, ankatoavy ny tenin' i Jehovah, izay lazaiko aminao, mba hahita soa ianao, ka ho velona ny fanahinao,
21. But if thou refuse to go forth, this is the word that the LORD hath shewed me:
21. Mais si tu refuses de sortir, voici ce que l`Éternel m`a révélé:
21. Fa raha tsy mety mivoaka kosa ianao, dia izao no teny efa nasehon' i Jehovah ahy:
22. And, behold, all the women that are left in the king of Judah's house shall be brought forth to the king of Babylon's princes, and those women shall say, Thy friends have set thee on, and have prevailed against thee: thy feet are sunk in the mire, and they are turned away back.
22. "Toutes les femmes qui restent dans la maison du roi de Juda seront menées aux chefs du roi de Babylone, et elles diront: Tu as été trompé, dominé, par ceux qui t`annonçaient la paix; et quand tes pieds sont enfoncés dans la boue, ils se retirent."
22. "Ary indreo, ny vehivavy rehetra izay sisa ao an-tranon' ny mpanjakan' ny Joda dia hoentina mivoaka ho any amin' ny mpanapaky ny mpanjakan' i Babylona, ary ireo vehivavy ireo dia hanao hoe: Ireo sakaizanao no nitaona anao sady naharesy anao; ary latsaka tao amin' ny honahona ny tongotrao, dia nilaozany nihemotra ianao."
23. So they shall bring out all thy wives and thy children to the Chaldeans: and thou shalt not escape out of their hand, but shalt be taken by the hand of the king of Babylon: and thou shalt cause this city to be burned with fire.
23. "Toutes tes femmes et tes enfants seront menés aux Chaldéens; et toi, tu n`échapperas pas à leurs mains, tu seras saisi par la main du roi de Babylone, et cette ville sera brûlée par le feu."
23. "Koa ny vadinao rehetra sy ny zanakao dia hoentiny mivoaka ho any amin' ny Kaldeana; ary ianao tsy ho afa-mandositra ny tanany, fa ho azon' ny tanan' ny mpanjakan' i Babylona; ary noho ianao no handoroana ity tanàna ity amin' ny afo."
24. Then said Zedekiah unto Jeremiah, Let no man know of these words, and thou shalt not die.
24. Sédécias dit à Jérémie: Que personne ne sache rien de ces discours, et tu ne mourras pas.
24. Dia hoy Zedekia tamin' i Jeremia: Aoka tsy ho fantatr' olona àry izany teny izany, dia tsy ho faty ianao.
25. But if the princes hear that I have talked with thee, and they come unto thee, and say unto thee, Declare unto us now what thou hast said unto the king, hide it not from us, and we will not put thee to death; also what the king said unto thee:
25. Si les chefs apprennent que je t`ai parlé, et s`ils viennent te dire: Rapporte-nous ce que tu as dit au roi, et ce que le roi t`a dit, ne nous cache rien, et nous ne te ferons pas mourir, -
25. "Fa raha ren' ny mpanapaka fa niresaka taminao aho, ary tonga aminao izy ka manao aminao hoe: Ambarao aminay ankehitriny izay nolazainao tamin' ny mpanjaka, aza afenina anay, fa tsy hamono anao izahay; ary ambarao koa izay nolazain' ny mpanjaka taminao;"
26. Then thou shalt say unto them, I presented my supplication before the king, that he would not cause me to return to Jonathan's house, to die there.
26. tu leur répondras: J`ai supplié le roi de ne pas me renvoyer dans la maison de Jonathan, de peur que je n`y meure.
26. Dia lazao aminy hoe: Noborahina teo anatrehan' ny mpanjaka ny fifonako, mba tsy hamerenany ahy ho faty any amin' ny tranon' i Jonatana.
27. Then came all the princes unto Jeremiah, and asked him: and he told them according to all these words that the king had commanded. So they left off speaking with him; for the matter was not perceived.
27. Tous les chefs vinrent auprès de Jérémie et le questionnèrent. Il leur répondit entièrement comme le roi l`avait ordonné. Ils gardèrent alors le silence et se retirèrent, car la chose ne s`était pas répandue.
27. "Ary nankany amin' i Jeremia ny mpanapaka rehetra ka nanontany azy; dia nolazainy taminy araka izay teny rehetra nandidian' ny mpanjaka azy.Ary tsy niresaka taminy intsony ireo, ka dia tsy re ny raharaha."
28. So Jeremiah abode in the court of the prison until the day that Jerusalem was taken: and he was there when Jerusalem was taken.
28. Jérémie resta dans la cour de la prison jusqu`au jour de la prise de Jérusalem.
28. Ary nitoetra tao amin' ny kianjan' ny tranomaizina Jeremia mandra-pahatongan' ny andro nanafahana an' i Jerosalema.