1. Go to now, ye rich men, weep and howl for your miseries that shall come upon you.
1. A vous maintenant, riches! Pleurez et gémissez, à cause des malheurs qui viendront sur vous.
1. He! ianareo mpanankarena, mitomania sy midradradradrà noho ny fahorianareo izay hanjo anareo.
2. Your riches are corrupted, and your garments are motheaten.
2. Vos richesses sont pourries, et vos vêtements sont rongés par les teignes.
2. Ny harenareo efa simba, ary ny fitafianareo efa lanin’ny kalalao.
3. Your gold and silver is cankered; and the rust of them shall be a witness against you, and shall eat your flesh as it were fire. Ye have heaped treasure together for the last days.
3. "Votre or et votre argent sont rouillés; et leur rouille s`élèvera en témoignage contre vous, et dévorera vos chairs comme un feu. Vous avez amassé des trésors dans les derniers jours!"
3. "Ny volamenanareo sy ny volafotsinareo dia efa harafesina; ary ny harafesiny dia ho vavolombelona hiampanga anareo, sady handany ny nofonareo tahaka ny afo. Efa namory tahiry ho an’ny andro farany ianareo."
4. Behold, the hire of the labourers who have reaped down your fields, which is of you kept back by fraud, crieth: and the cries of them which have reaped are entered into the ears of the Lord of sabaoth.
4. Voici, le salaire des ouvriers qui ont moissonné vos champs, et dont vous les avez frustrés, crie, et les cris des moissonneurs sont parvenus jusqu`aux oreilles du Seigneur des armées.
4. "Indro, ny karaman’ny mpiasa nijinja ny taninareo, izay hazoninareo ankafetsena, dia mitaraina; ary ny fitarainan’ny mpijinja dia efa tafiditra ao an-tsofin’ny Tompon’ny maro."
5. Ye have lived in pleasure on the earth, and been wanton; ye have nourished your hearts, as in a day of slaughter.
5. Vous avez vécu sur la terre dans les voluptés et dans les délices, vous avez rassasiez vos coeurs au jour du carnage.
5. "Efa velona tamin’ny fy tety ambonin’ny tany ianareo sady nanaram-po tamin’ny fahafinaretana; efa namahana ny fonareo toy ny amin’ny andro famonoana ianareo."
6. Ye have condemned and killed the just; and he doth not resist you.
6. Vous avez condamné, vous avez tué le juste, qui ne vous a pas résisté.
6. "Efa nanameloka sy namono Ilay marina ianareo; fa tsy manohitra anareo Izy."
7. Be patient therefore, brethren, unto the coming of the Lord. Behold, the husbandman waiteth for the precious fruit of the earth, and hath long patience for it, until he receive the early and latter rain.
7. Soyez donc patients, frères jusqu`à l`avènement du Seigneur. Voici, le laboureur attend le précieux fruit de la terre, prenant patience à son égard, jusqu`à ce qu`il ait reçu les pluies de la première et de l`arrière-saison.
7. Ary amin’izany, dia mahareta tsara, ry rahalahy, mandra-piavin’ny Tompo. Indro, ny mpiasa tany miandry ny voka-tsoa amin’ny tany ka maharitra ela amin’izany mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana.
8. Be ye also patient; stablish your hearts: for the coming of the Lord draweth nigh.
8. Vous aussi, soyez patients, affermissez vos coeurs, car l`avènement du Seigneur est proche.
8. Mahareta koa ianareo, ampioreno mafy ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fiavian’ny Tompo.
9. Grudge not one against another, brethren, lest ye be condemned: behold, the judge standeth before the door.
9. Ne vous plaignez pas les uns des autres, frères, afin que vous ne soyez pas jugés: voici, le juge est à la porte.
9. "Aza mifampimonomonona, ry rahalahy, fandrao hohelohina ianareo; indro, ny Mpitsara efa mitsangana eo anoloan’ny varavarana."
10. Take, my brethren, the prophets, who have spoken in the name of the Lord, for an example of suffering affliction, and of patience.
10. Prenez, mes frères, pour modèles de souffrance et de patience les prophètes qui ont parlé au nom du Seigneur.
10. Ry rahalahiko, aoka ny mpaminany izay niteny tamin’ny anaran’ny Tompo no alainareo ho fianarana ny fandeferam-pahoriana sy ny faharetana.
11. Behold, we count them happy which endure. Ye have heard of the patience of Job, and have seen the end of the Lord; that the Lord is very pitiful, and of tender mercy.
11. Voici, nous disons bienheureux ceux qui ont souffert patiemment. Vous avez entendu parler de la patience de Job, et vous avez vu la fin que le Seigneur lui accorda, car le Seigneur est plein de miséricorde et de compassion.
11. Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan’i Joba, ary efa hitanareo ny faran’ny nataon’ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo.
12. But above all things, my brethren, swear not, neither by heaven, neither by the earth, neither by any other oath: but let your yea be yea; and your nay, nay; lest ye fall into condemnation.
12. Avant toutes choses, mes frères, ne jurez ni par le ciel, ni par la terre, ni par aucun autre serment. Mais que votre oui soit oui, et que votre non soit non, afin que vous ne tombiez pas sous le jugement.
12. "Fa mihoatra noho ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin’ny lanitra, na amin’ny tany, na amin’izay fianianana hafa akory aza; fa aoka ny fanaikinareo ho “Eny” ary ny fandàvanareo ho “Tsia”, fandrao iharan’ny fanamelohana ianareo."
13. Is any among you afflicted? let him pray. Is any merry? let him sing psalms.
13. Quelqu`un parmi vous est-il dans la souffrance? Qu`il prie. Quelqu`un est-il dans la joie? Qu`il chante des cantiques.
13. Misy azom-pahoriana va eo aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy faly va? Aoka izy hihira ny salamo.
14. Is any sick among you? let him call for the elders of the church; and let them pray over him, anointing him with oil in the name of the Lord:
14. "Quelqu`un parmi vous est-il malade? Qu`il appelle les anciens de l`Église, et que les anciens prient pour lui, en l`oignant d`huile au nom du Seigneur;"
14. "Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon’ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy;"
15. And the prayer of faith shall save the sick, and the Lord shall raise him up; and if he have committed sins, they shall be forgiven him.
15. "la prière de la foi sauvera le malade, et le Seigneur le relèvera; et s`il a commis des péchés, il lui sera pardonné."
15. "Ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy, dia havela ny helony."
16. Confess your faults one to another, and pray one for another, that ye may be healed. The effectual fervent prayer of a righteous man availeth much.
16. Confessez donc vos péchés les uns aux autres, et priez les uns pour les autres, afin que vous soyez guéris. La prière fervente du juste a une grande efficace.
16. Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny vavaka mahomby ataon’ny olo-marina amin-kafanam-po dia mandaitra tokoa.
17. Elias was a man subject to like passions as we are, and he prayed earnestly that it might not rain: and it rained not on the earth by the space of three years and six months.
17. Élie était un homme de la même nature que nous: il pria avec instance pour qu`il ne plût point, et il ne tomba point de pluie sur la terre pendant trois ans et six mois.
17. "Elia dia olona nanana izay tiany tahaka antsika ihany, ary nahery nivavaka izy mba tsy hilatsahan’ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin’ny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana."
18. And he prayed again, and the heaven gave rain, and the earth brought forth her fruit.
18. Puis il pria de nouveau, et le ciel donna de la pluie, et la terre produisit son fruit.
18. Ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany.
19. Brethren, if any of you do err from the truth, and one convert him;
19. Mes frères, si quelqu`un parmi vous s`est égaré loin de la vérité, et qu`un autre l`y ramène,
19. Ry rahalahiko, raha misy eo aminareo miala amin’ny fahamarinana, ary misy anankiray mampibebaka azy,
20. Let him know, that he which converteth the sinner from the error of his way shall save a soul from death, and shall hide a multitude of sins.
20. qu`il sache que celui qui ramènera un pécheur de la voie où il s`était égaré sauvera une âme de la mort et couvrira une multitude de péchés.
20. Aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ny lalan' ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be.