1. My brethren, be not many masters, knowing that we shall receive the greater condemnation.
1. Mes frères, qu`il n`y ait pas parmi vous un grand nombre de personnes qui se mettent à enseigner, car vous savez que nous serons jugés plus sévèrement.
1. Ry rahalahiko, aza dia samy ho mpampianatra be ihany ianareo, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa no hanamelohana anay.
2. For in many things we offend all. If any man offend not in word, the same is a perfect man, and able also to bridle the whole body.
2. Nous bronchons tous de plusieurs manières. Si quelqu`un ne bronche point en paroles, c`est un homme parfait, capable de tenir tout son corps en bride.
2. Fa manafintohina ny rehetra amin’ny zavatra maro isika. Raha misy olona tsy mba manafintohina amin’ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa.
3. Behold, we put bits in the horses' mouths, that they may obey us; and we turn about their whole body.
3. Si nous mettons le mors dans la bouche des chevaux pour qu`ils nous obéissent, nous dirigeons aussi leur corps tout entier.
3. Indro, asiantsika lamboridy amin’ny vavan’ny soavaly mba hankatoavany antsika, ka manodina ny tenany rehetra isika.
4. Behold also the ships, which though they be so great, and are driven of fierce winds, yet are they turned about with a very small helm, whithersoever the governor listeth.
4. Voici, même les navires, qui sont si grands et que poussent des vents impétueux, sont dirigés par un très petit gouvernail, au gré du pilote.
4. Indreo koa ny sambo, na dia lehibe aza ireny ka entin’ny rivotra mahery, dia ahodin’ny familiana kely foana izy ho any amin’izay tian’ny mpitondra.
5. Even so the tongue is a little member, and boasteth great things. Behold, how great a matter a little fire kindleth!
5. De même, la langue est un petit membre, et elle se vante de grandes choses. Voici, comme un petit feu peut embraser une grande forêt.
5. Dia toy izany koa ny lela, rantsana kely izy, kanefa mirehareha fatratra. Indro, ny fiavovon’ny antontan-kazo arehitry ny afo kely!
6. And the tongue is a fire, a world of iniquity: so is the tongue among our members, that it defileth the whole body, and setteth on fire the course of nature; and it is set on fire of hell.
6. "La langue aussi est un feu; c`est le monde de l`iniquité. La langue est placée parmi nos membres, souillant tout le corps, et enflammant le cours de la vie, étant elle-même enflammée par la géhenne."
6. "Ary afo ny lela, dia tontolon’ny faharatsiana; eo amin’ny momba ny tenantsika, dia ny lela no mampipentimpentina ny tena manontolo ka mampirehitra izao zavatra ary rehetra izao sady arehitry ny helo izy."
7. For every kind of beasts, and of birds, and of serpents, and of things in the sea, is tamed, and hath been tamed of mankind:
7. "Toutes les espèces de bêtes et d`oiseaux, de reptiles et d`animaux marins, sont domptés et ont été domptés par la nature humaine;"
7. "Fa folaka avokoa ny karazan’ny biby dia rehetra sy ny vorona sy ny karazam-bibilava, mbamin’ny any an-dranomasina, eny, voafolaky ny olombelona ireny;"
8. But the tongue can no man tame; it is an unruly evil, full of deadly poison.
8. "mais la langue, aucun homme ne peut la dompter; c`est un mal qu`on ne peut réprimer; elle est pleine d`un venin mortel."
8. "Fa tsy misy olona mahafolaka ny lela; zava-dratsy tsy manam-pijanonana izy sady feno poizina mahafaty."
9. Therewith bless we God, even the Father; and therewith curse we men, which are made after the similitude of God.
9. Par elle nous bénissons le Seigneur notre Père, et par elle nous maudissons les hommes faits à l`image de Dieu.
9. "Izy no isaorantsika an’Andriamanitra, dia ny Ray; ary izy ihany koa no anozonantsika ny olona, izay natao araka ny endrik’Andriamanitra."
10. Out of the same mouth proceedeth blessing and cursing. My brethren, these things ought not so to be.
10. De la même bouche sortent la bénédiction et la malédiction. Il ne faut pas, mes frères, qu`il en soit ainsi.
10. Ny vava iray ihany no ivoahan’ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy tokony hisy izany.
11. Doth a fountain send forth at the same place sweet water and bitter?
11. La source fait-elle jaillir par la même ouverture l`eau douce et l`eau amère?
11. Moa ny loharano va mamoaka rano mamy sy mangidy eo amin’ny vava iray ihany?
12. Can the fig tree, my brethren, bear olive berries? either a vine, figs? so can no fountain both yield salt water and fresh.
12. Un figuier, mes frères, peut-il produire des olives, ou une vigne des figues? De l`eau salée ne peut pas non plus produire de l`eau douce.
12. Ry rahalahiko, ny aviavy va mety mamoa voan’oliva, na ny voaloboka mety mamoa voan’aviavy? Toy izany ny loharano tsy mba ivoahan’ny rano masira sy mamy koa.
13. Who is a wise man and endued with knowledge among you? let him shew out of a good conversation his works with meekness of wisdom.
13. Lequel d`entre vous est sage et intelligent? Qu`il montre ses oeuvres par une bonne conduite avec la douceur de la sagesse.
13. Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka asehony amin’ny fitondrantena tsara ny asany amin’ny fahalemem-panahin’ny fahendrena.
14. But if ye have bitter envying and strife in your hearts, glory not, and lie not against the truth.
14. Mais si vous avez dans votre coeur un zèle amer et un esprit de dispute, ne vous glorifiez pas et ne mentez pas contre la vérité.
14. Fa raha misy fialonana mangidy sy fifampiandaniana ao am-ponareo, aza mirehareha sy mandainga manohitra ny marina.
15. This wisdom descendeth not from above, but is earthly, sensual, devilish.
15. "Cette sagesse n`est point celle qui vient d`en haut; mais elle est terrestre, charnelle, diabolique."
15. Izany fahendrena izany dia tsy midina avy any ambony, fa araka ny ety an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny an’ny devoly.
16. For where envying and strife is, there is confusion and every evil work.
16. Car là où il y a un zèle amer et un esprit de dispute, il y a du désordre et toutes sortes de mauvaises actions.
16. Fa izay misy fialonana sy fifandirana dia misy fikorontanana mbamin’izay asa ratsy rehetra.
17. But the wisdom that is from above is first pure, then peaceable, gentle, and easy to be intreated, full of mercy and good fruits, without partiality, and without hypocrisy.
17. La sagesse d`en haut est premièrement pure, ensuite pacifique, modérée, conciliante, pleine de miséricorde et de bons fruits, exempte de duplicité, d`hypocrisie.
17. Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, malemy fanahy, mora alahatra, be famindrampo sy be voka-tsoa, tsy misy fiangarana, sady tsy misy fihatsarambelatsihy.
18. And the fruit of righteousness is sown in peace of them that make peace.
18. Le fruit de la justice est semé dans la paix par ceux qui recherchent la paix.
18. Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin’ny fihavanana ho an’izay mampandroso ny fihavanana.