True Fasting
1. Cry aloud, spare not, lift up thy voice like a trumpet, and shew my people their transgression, and the house of Jacob their sins.
1. Crie à plein gosier, ne te retiens pas, Élève ta voix comme une trompette, Et annonce à mon peuple ses iniquités, A la maison de Jacob ses péchés!
1. "Ezaho ny fiantsonao, fa aza atao malemy, asandrato ny feonao ho tahaka ny an' ny trompetra, ka ambarao amin' ny oloko ny fahadisoany ary amin' ny taranak' i Jakoba ny fahotany;"
2. Yet they seek me daily, and delight to know my ways, as a nation that did righteousness, and forsook not the ordinance of their God: they ask of me the ordinances of justice; they take delight in approaching to God.
2. "Tous les jours ils me cherchent, Ils veulent connaître mes voies; Comme une nation qui aurait pratiqué la justice Et n`aurait pas abandonné la loi de son Dieu, Ils me demandent des arrêts de justice, Ils désirent l`approche de Dieu. -"
2. Nefa Izaho mbola tadiaviny ihany isan' andro isan' andro, ary ny hahalala ny lalako no sitrany, tahaka ny firenena efa nanao ny marina ka tsy nahafoy ny fitsipik' Andriamaniny, manontany Ahy ny fitsipiky ny fahamarinana izy, ary faly amin' ny fanatonana an' Andriamanitra.
3. Wherefore have we fasted, say they, and thou seest not? wherefore have we afflicted our soul, and thou takest no knowledge? Behold, in the day of your fast ye find pleasure, and exact all your labours.
3. Que nous sert de jeûner, si tu ne le vois pas? De mortifier notre âme, si tu n`y as point égard? -Voici, le jour de votre jeûne, vous vous livrez à vos penchants, Et vous traitez durement tous vos mercenaires.
3. Nahoana izahay no mifady, hoy izy, nefa tsy hitanao? Ary nahoana izahay no mampahory ny fanahinay, nefa tsy ahoanao? Indro fa amin' ny andro fifadianareo aza dia mbola ny tianareo ihany no ataonareo, ary ny mpiasa rehetra ao aminareo dia ampahorianareo.
4. Behold, ye fast for strife and debate, and to smite with the fist of wickedness: ye shall not fast as ye do this day, to make your voice to be heard on high.
4. "Voici, vous jeûnez pour disputer et vous quereller, Pour frapper méchamment du poing; Vous ne jeûnez pas comme le veut ce jour, Pour que votre voix soit entendue en haut."
4. "Indro, ny hiady sy ny hifanditra no anton' ny ifadianareo ary ny hamely amin' ny totohondrin' ny faharatsiana; izao fifadianareo izao dia tsy handrenesana ny feonareo any amin' ny avo."
5. Is it such a fast that I have chosen? a day for a man to afflict his soul? is it to bow down his head as a bulrush, and to spread sackcloth and ashes under him? wilt thou call this a fast, and an acceptable day to the LORD?
5. Est-ce là le jeûne auquel je prends plaisir, Un jour où l`homme humilie son âme? Courber la tête comme un jonc, Et se coucher sur le sac et la cendre, Est-ce là ce que tu appelleras un jeûne, Un jour agréable à l`Éternel?
5. Moa fifadiana toy izany va no ankasitrahako? Dia andro hampahorian' ny olona ny fanahiny? Ny hampiondrika ny lohany tahaka ny zozoro sy ny hamelatra lamba fisaonana rarahan-davenona ho fandriany? Moa izany va no hataonao hoe fifadiana sy andro ankasitrahan' i Jehovah?
6. Is not this the fast that I have chosen? to loose the bands of wickedness, to undo the heavy burdens, and to let the oppressed go free, and that ye break every yoke?
6. "Voici le jeûne auquel je prends plaisir: Détache les chaînes de la méchanceté, Dénoue les liens de la servitude, Renvoie libres les opprimés, Et que l`on rompe toute espèce de joug;"
6. "Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako; dia ny hamaha ny famatoran' ny faharatsiana sy hanaboraka ny enta-mavesatra sy handefa ny ampahoriana ho afaka ary hanapatapaka ny zioga rehetra?"
7. Is it not to deal thy bread to the hungry, and that thou bring the poor that are cast out to thy house? when thou seest the naked, that thou cover him; and that thou hide not thyself from thine own flesh?
7. "Partage ton pain avec celui qui a faim, Et fais entrer dans ta maison les malheureux sans asile; Si tu vois un homme nu, couvre-le, Et ne te détourne pas de ton semblable."
7. Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an'ny noana va, sy ny hampiantranoanao ny mahantra manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirimbelona amin' ny nofo iray aminao ianao?
8. Then shall thy light break forth as the morning, and thine health shall spring forth speedily: and thy righteousness shall go before thee; the glory of the LORD shall be thy rereward.
8. "Alors ta lumière poindra comme l`aurore, Et ta guérison germera promptement; Ta justice marchera devant toi, Et la gloire de l`Éternel t`accompagnera."
8. "Fa raha izany dia hiposaka tahaka ny maraina ny fahazavanao, ary ho tonga faingana ny fahasalamanao; ny fahamarinanao ho loha-lalanao ary ny voninahitr' i Jehovah ho vodi-lalanao."
9. Then shalt thou call, and the LORD shall answer; thou shalt cry, and he shall say, Here I am. If thou take away from the midst of thee the yoke, the putting forth of the finger, and speaking vanity;
9. "Alors tu appelleras, et l`Éternel répondra; Tu crieras, et il dira: Me voici! Si tu éloignes du milieu de toi le joug, Les gestes menaçants et les discours injurieux,"
9. "Ary dia hiantso ianao, ka hamaly Jehovah, hanandratra ny feonao ianao, ary Izy hanao hoe: Inty Aho. Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga, ny fanondroan' ny fanondro sy ny fitenenam-poana;"
10. And if thou draw out thy soul to the hungry, and satisfy the afflicted soul; then shall thy light rise in obscurity, and thy darkness be as the noon day:
10. Si tu donnes ta propre subsistance à celui qui a faim, Si tu rassasies l`âme indigente, Ta lumière se lèvera sur l`obscurité, Et tes ténèbres seront comme le midi.
10. "Ary raha afoinao ho an' ny noana ny fanahinao, ka mahavoky ny fanahy ory ianao, dia hiposaka ao amin' ny maizina ny fahazavanao, ary ny haizim-pitonao ho tahaka ny mitataovovonana;"
11. And the LORD shall guide thee continually, and satisfy thy soul in drought, and make fat thy bones: and thou shalt be like a watered garden, and like a spring of water, whose waters fail not.
11. "L`Éternel sera toujours ton guide, Il rassasiera ton âme dans les lieux arides, Et il redonnera de la vigueur à tes membres; Tu seras comme un jardin arrosé, Comme une source dont les eaux ne tarissent pas."
11. "Ary Jehovah hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky ny fanahinao ao amin' ny tany karankaina aza sy hampahatanjaka ny taolanao; dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao sy ho tahaka ny loharano miboiboika izay tsy mety ritra."
12. And they that shall be of thee shall build the old waste places: thou shalt raise up the foundations of many generations; and thou shalt be called, The repairer of the breach, The restorer of paths to dwell in.
12. "Les tiens rebâtiront sur d`anciennes ruines, Tu relèveras des fondements antiques; On t`appellera réparateur des brèches, Celui qui restaure les chemins, qui rend le pays habitable."
12. "Ary izay taranakao no hanangana ny toerana efa rava ela, ary ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary ianao dia hatao hoe: Mpamboatra ny banga, Mpamelon-dalana honenana any."
13. If thou turn away thy foot from the sabbath, from doing thy pleasure on my holy day; and call the sabbath a delight, the holy of the LORD, honourable; and shalt honour him, not doing thine own ways, nor finding thine own pleasure, nor speaking thine own words:
13. Si tu retiens ton pied pendant le sabbat, Pour ne pas faire ta volonté en mon saint jour, Si tu fais du sabbat tes délices, Pour sanctifier l`Éternel en le glorifiant, Et si tu l`honores en ne suivant point tes voies, En ne te livrant pas à tes penchants et à de vains discours,
13. Raha miaro ny tongotrao amin' ny sabata ianao ka tsy manao izay tianao amin' ny androko masina, ary manao ny sabata hoe: Fahafinaretana, ary ny masin' i Jehovah ho mendrika hajaina, ka hanome voninahitra Azy, fa tsy mandeha amin' ny lalanao, na manao izay tianao, na miteny ny teninao,
14. Then shalt thou delight thyself in the LORD; and I will cause thee to ride upon the high places of the earth, and feed thee with the heritage of Jacob thy father: for the mouth of the LORD hath spoken it.
14. "Alors tu mettras ton plaisir en l`Éternel, Et je te ferai monter sur les hauteurs du pays, Je te ferai jouir de l`héritage de Jacob, ton père; Car la bouche de l`Éternel a parlé."
14. "Dia hiravoravo amin' i Jehovah ianao, ary hasandratro ao amin' ny toerana avo amin' ny tany ianao, sy hofahanako amin' ny lovan' i Jakoba rainao; fa ny vavan' i Jehovah no efa niteny izany."