The Fall of Babylon
1. Come down, and sit in the dust, O virgin daughter of Babylon, sit on the ground: there is no throne, O daughter of the Chaldeans: for thou shalt no more be called tender and delicate.
1. Descends, et assieds-toi dans la poussière, Vierge, fille de Babylone! Assieds-toi à terre, sans trône, Fille des Chaldéens! On ne t`appellera plus délicate et voluptueuse.
1. "Midìna, ka mipetraha amin' ny vovoka, ry zanakavavin' i Babylona virijina, mipetraha eo amin' ny tany; tsy misy sezafiandrianana, ry zanakavavin' ny Kaldeana! Fa tsy hatao hoe vehivavy malemileny sy mihantahanta intsony ianao."
2. Take the millstones, and grind meal: uncover thy locks, make bare the leg, uncover the thigh, pass over the rivers.
2. "Prends les meules, et mouds de la farine; Ote ton voile, relève les pans de ta robe, Découvre tes jambes, traverse les fleuves!"
2. "Alao ny vato fikosoham-bary, ka kosohy ny koba; esory ny fisalobonanao, akaro ny morontongotr' akanjonao; aoka hiseho ny fenao, ka miroboha mita ny ony."
3. Thy nakedness shall be uncovered, yea, thy shame shall be seen: I will take vengeance, and I will not meet thee as a man.
3. Ta nudité sera découverte, Et ta honte sera vue. J`exercerai ma vengeance, Je n`épargnerai personne. -
3. "Hiseho ny fitanjahanao, eny, ho hita ny fahamenaranao; hitondra famaliana Aho ka tsy hihantra tahaka ny olona."
4. As for our redeemer, the LORD of hosts is his name, the Holy One of Israel.
4. Notre rédempteur, c`est celui qui s`appelle l`Éternel des armées, C`est le Saint d`Israël. -
4. Ny anaran' ny Mpanavotra anay dia Jehovah, Tompon' ny maro, Iray Masin' ny Isiraely.
5. Sit thou silent, and get thee into darkness, O daughter of the Chaldeans: for thou shalt no more be called, The lady of kingdoms.
5. Assieds-toi en silence, et va dans les ténèbres, Fille des Chaldéens! On ne t`appellera plus la souveraine des royaumes.
5. "Mipetraha mangingina, ka midina ao amin' ny maizina, ry zanakavavin' ny Kaldeana; fa tsy hatao hoe tompovavin' ny fanjakana intsony ianao."
6. I was wroth with my people, I have polluted mine inheritance, and given them into thine hand: thou didst shew them no mercy; upon the ancient hast thou very heavily laid thy yoke.
6. J`étais irrité contre mon peuple, J`avais profané mon héritage, Et je les avais livrés entre tes mains: Tu n`as pas eu pour eux de la compassion, Tu as durement appesanti ton joug sur le vieillard.
6. "Tezitra tamin' ny oloko Aho; navelako holotoina ny lovako, ka natolotro ho eo an-tananao izy; tsy mba nanehoanao famindrampo izy, fa ny antitra dia nasianao ny zioganao mavesatra dia mavesatra."
7. And thou saidst, I shall be a lady for ever: so that thou didst not lay these things to thy heart, neither didst remember the latter end of it.
7. Tu disais: A toujours je serai souveraine! Tu n`as point mis dans ton esprit, Tu n`as point songé que cela prendrait fin.
7. "Ary hoy ianao: Ho tompovavin' ny fanjakana mandrakizay aho; ka dia tsy nandatsaka am-po izany zavatra izany ianao, na nitsapa izay hiafarany."
8. Therefore hear now this, thou that art given to pleasures, that dwellest carelessly, that sayest in thine heart, I am, and none else beside me; I shall not sit as a widow, neither shall I know the loss of children:
8. Écoute maintenant ceci, voluptueuse, Qui t`assieds avec assurance, Et qui dis en ton coeur: Moi, et rien que moi! Je ne serai jamais veuve, Et je ne serai jamais privée d`enfants!
8. "Koa mihainoa izao ianao izay mihantahanta sady mipetraka tsy manana ahiahy ka manao anakampo hoe: Izaho no izy, ary tsy misy hafa; tsy hipetraka ho mpitondratena aho, na hahita fahafoanana anaka."
9. But these two things shall come to thee in a moment in one day, the loss of children, and widowhood: they shall come upon thee in their perfection for the multitude of thy sorceries, and for the great abundance of thine enchantments.
9. "Ces deux choses t`arriveront subitement, au même jour, La privation d`enfants et le veuvage; Elles fondront en plein sur toi, Malgré la multitude de tes sortilèges, Malgré le grand nombre de tes enchantements."
9. "Kanjo hanjo anao tampoka amin' ny indray andro monja ireto zavatra roa ireto, dia ny fahafoanan' anaka sy ny fananoan-tena; hotanterahina aminao avokoa izany, noho ny hamaroan' ny fankatovanao sy noho ny habetsahan' ny odinao."
10. For thou hast trusted in thy wickedness: thou hast said, None seeth me. Thy wisdom and thy knowledge, it hath perverted thee; and thou hast said in thine heart, I am, and none else beside me.
10. Tu avais confiance dans ta méchanceté, Tu disais: Personne ne me voit! Ta sagesse et ta science t`ont séduite. Et tu disais en ton coeur: Moi, et rien que moi!
10. Fa nitoky tamin' ny faharatsianao ianao ka nanao hoe: Tsy misy mahita ahy. Ny fahendrenao sy ny fahalalanao dia nampivily anao, ka dia nanao anakampo ianao hoe: Izaho no izy, fa tsy misy afa-tsy izaho.
11. Therefore shall evil come upon thee; thou shalt not know from whence it riseth: and mischief shall fall upon thee; thou shalt not be able to put it off: and desolation shall come upon thee suddenly, which thou shalt not know.
11. "Le malheur viendra sur toi, Sans que tu en voies l`aurore; La calamité tombera sur toi, Sans que tu puisses la conjurer; Et la ruine fondra sur toi tout à coup, A l`improviste."
11. "Kanjo hanjo anao ny fahoriana, izay tsy fantatrao izay iposahany; ary hahazo anao ny loza, nefa tsy ho hainao ny fanalana izany; eny, hanjo anao tampoka ny fandringanana izay tsy ampoizinao."
12. Stand now with thine enchantments, and with the multitude of thy sorceries, wherein thou hast laboured from thy youth; if so be thou shalt be able to profit, if so be thou mayest prevail.
12. "Reste donc au milieu de tes enchantements Et de la multitude de tes sortilèges, Auxquels tu as consacré ton travail dès ta jeunesse; Peut-être pourras-tu en tirer profit, Peut-être deviendras-tu redoutable."
12. "Arosoy ary izao ny odinao sy ny hamaroan' ny fankatovanao, izay efa nisasaranao hatry ny fony ianao mbola kely; angamba hahavita izay mahasoa ianao; angamba ho tonga mahatahotra ianao."
13. Thou art wearied in the multitude of thy counsels. Let now the astrologers, the stargazers, the monthly prognosticators, stand up, and save thee from these things that shall come upon thee.
13. Tu t`es fatiguée à force de consulter: Qu`ils se lèvent donc et qu`ils te sauvent, Ceux qui connaissent le ciel, Qui observent les astres, Qui annoncent, d`après les nouvelles lunes, Ce qui doit t`arriver!
13. "Sasatra noho ny hamaroan' ny fisainanao ianao; aoka hitsangana ankehitriny ny mpamantatra ny lanitra sy mpandinika ny kintana, ny mpanambara isaky ny tsinambolana ka hamonjy anao amin' izay zavatra ho tonga aminao."
14. Behold, they shall be as stubble; the fire shall burn them; they shall not deliver themselves from the power of the flame: there shall not be a coal to warm at, nor fire to sit before it.
14. Voici, ils sont comme de la paille, le feu les consume, Ils ne sauveront pas leur vie des flammes: Ce ne sera pas du charbon dont on se chauffe, Ni un feu auprès duquel on s`assied.
14. "Indro, fa ho tahaka ny vodivary ireo; ho main' ny afo izy ka tsy hahavonjy ny tenany amin' ny herin' ny lelafo akory; tsy misy vainafo hamindroana, na afo hitaninana aza."
15. Thus shall they be unto thee with whom thou hast laboured, even thy merchants, from thy youth: they shall wander every one to his quarter; none shall save thee.
15. Tel sera le sort de ceux que tu te fatiguais à consulter. Et ceux avec qui tu as trafiqué dès ta jeunesse Se disperseront chacun de son côté: Il n`y aura personne qui vienne à ton secours.
15. "Ho toy izany ireo efa nisasaranao ireo, dia ireo nifampivarotra taminao hatry ny fony ianao mbola kely; samy hipariaka handositra ho any amin' ny fonenany avy izy, ka tsy hisy hahavonjy anao."