A Prophecy About Egypt
1. The burden of Egypt. Behold, the LORD rideth upon a swift cloud, and shall come into Egypt: and the idols of Egypt shall be moved at his presence, and the heart of Egypt shall melt in the midst of it.
1. "Oracle sur l`Égypte. Voici, l`Éternel est monté sur une nuée rapide, il vient en Égypte; Et les idoles de l`Égypte tremblent devant lui, Et le coeur des Égyptiens tombe en défaillance."
1. "Faminaniana ny amin' ny loza hanjo an' i Egypta. Indro, Jehovah mitaingina rahona miriotra mafy ka mankany Egypta; ary ny sampin' i Egypta dia hihorohoro amin' ny fanatrehany, ary ny fon' i Egypta dia ho ketraka ao anatiny."
2. And I will set the Egyptians against the Egyptians: and they shall fight every one against his brother, and every one against his neighbour; city against city, and kingdom against kingdom.
2. J`armerai l`Égyptien contre l`Égyptien, Et l`on se battra frère contre frère, ami contre ami, Ville contre ville, royaume contre royaume.
2. "Ary hampirisihiko hiady izy samy Egyptiana, ka samy hiady amin' ny rahalahiny avy sy amin' ny namany avy izy; ny tanàna hiady amin' ny tanàna, ary ny fanjakana amin' ny fanjakana."
3. And the spirit of Egypt shall fail in the midst thereof; and I will destroy the counsel thereof: and they shall seek to the idols, and to the charmers, and to them that have familiar spirits, and to the wizards.
3. "L`esprit de l`Égypte disparaîtra du milieu d`elle, Et j`anéantirai son conseil; On consultera les idoles et les enchanteurs, Ceux qui évoquent les morts et ceux qui prédisent l`avenir."
3. Ary ho very hevitra ny Egyptiana eny anivon' izany ary hofoanako ny saina ataony ka hila saina amin' ny sampy izy sy amin' ny mpibitsibitsika amin' ny odiny sy amin' ny manao azy ho tsindrian-javatra ary amin' ny mpanao sikidy.
4. And the Egyptians will I give over into the hand of a cruel lord; and a fierce king shall rule over them, saith the Lord, the LORD of hosts.
4. "Et je livrerai l`Égypte entre les mains d`un maître sévère; Un roi cruel dominera sur eux, Dit le Seigneur, l`Éternel des armées."
4. "Ary ny Egyptiana dia hatolotra eo an-tanan' ny mpitondra loza be; ary mpanjaka masiaka no hanjaka aminy, hoy Jehovah, Tompon' ny maro."
5. And the waters shall fail from the sea, and the river shall be wasted and dried up.
5. "Les eaux de la mer tariront, Le fleuve deviendra sec et aride;"
5. "Ny rano amin' ny ranomasina ho tankina, ary ny ony ho ritra ka ho maina;"
6. And they shall turn the rivers far away; and the brooks of defence shall be emptied and dried up: the reeds and flags shall wither.
6. Les rivières seront infectes, Les canaux de l`Égypte seront bas et desséchés, Les joncs et les roseaux se flétriront.
6. "Ho maimbo ny sampantsampan' ny ony; ary ny lahindranon' i Egypta hihena ka ho maina; ny volotara sy ny zozoro halazo;"
7. The paper reeds by the brooks, by the mouth of the brooks, and every thing sown by the brooks, shall wither, be driven away, and be no more.
7. "Ce ne sera que nudité le long du fleuve, à l`embouchure du fleuve; Tout ce qui aura été semé près du fleuve se desséchera, Se réduira en poussière et périra."
7. Ny zozoro anilan' ny renirano sy izay nafafy rehetra eo amoron' ny renirano dia samy halazo sy ho maina ka tsy ho ao intsony.
8. The fishers also shall mourn, and all they that cast angle into the brooks shall lament, and they that spread nets upon the waters shall languish.
8. Les pêcheurs gémiront, Tous ceux qui jettent l`hameçon dans le fleuve se lamenteront, Et ceux qui étendent des filets sur les eaux seront désolés.
8. Dia hitomany koa ny mpaka hazandrano ary hisaona ny mpamintana rehetra ao amin' ny renirano, ary ho reraka ny mpamelatra harato amin' ny rano.
9. Moreover they that work in fine flax, and they that weave networks, shall be confounded.
9. Ceux qui travaillent le lin peigné Et qui tissent des étoffes blanches seront confus.
9. Ho very hevitra koa izay mandraotra rongony madinika sy manenona asa harato.
10. And they shall be broken in the purposes thereof, all that make sluices and ponds for fish.
10. Les soutiens du pays seront dans l`abattement, Tous les mercenaires auront l`âme attristée.
10. Ary ho tapaka ny zava-kendren' izay manao lakandrano sy kamory ho an' ny hazandrano.
11. Surely the princes of Zoan are fools, the counsel of the wise counsellors of Pharaoh is become brutish: how say ye unto Pharaoh, I am the son of the wise, the son of ancient kings?
11. Les princes de Tsoan ne sont que des insensés, Les sages conseillers de Pharaon forment un conseil stupide. Comment osez-vous dire à Pharaon: Je suis fils des sages, fils des anciens rois?
11. "Efa adala mihitsy ny mpanapaka any Zoana; ny hevitra avy amin' ny mpanolo-tsaina hendrin' i Farao dia tonga fahadalana; ahoana no ilazanareo amin' i Farao hoe: Zanak' olon-kendry aho sady taranak' ireo mpanjaka fahagola?"
12. Where are they? where are thy wise men? and let them tell thee now, and let them know what the LORD of hosts hath purposed upon Egypt.
12. Où sont-ils donc tes sages? Qu`ils te fassent des révélations, Et qu`on apprenne ce que l`Éternel des armées a résolu contre l`Égypte.
12. Aiza ary izy ireo? Aiza ireo olon-kendrinao? Ary aoka hambarany aminao ankehitriny sady aoka ho fantany izay kasain' i Jehovah hatao amin' i Egypta.
13. The princes of Zoan are become fools, the princes of Noph are deceived; they have also seduced Egypt, even they that are the stay of the tribes thereof.
13. "Les princes de Tsoan sont fous, Les princes de Noph sont dans l`illusion, Les chefs des tribus égarent l`Égypte;"
13. "Tonga adala ny mpanapaka any Zoana, voafitaka ny mpanapaka any Nofa; efa nanangoly an' i Egypta ireo, dia ireo tohan' ny fireneny."
14. The LORD hath mingled a perverse spirit in the midst thereof: and they have caused Egypt to err in every work thereof, as a drunken man staggereth in his vomit.
14. L`Éternel a répandu au milieu d`elle un esprit de vertige, Pour qu`ils fassent chanceler les Égyptiens dans tous leurs actes, Comme un homme ivre chancelle en vomissant.
14. "Jehovah efa nampifangaro fanahy ratsy tao Egypta; ka efa nampivembena an' i Egypta tamin' ny asany rehetra ireo tahaka ny olona mamo miraingiraingy sady mandoa."
15. Neither shall there be any work for Egypt, which the head or tail, branch or rush, may do.
15. Et l`Égypte sera hors d`état de faire Ce que font la tête et la queue, La branche de palmier et le roseau.
15. Samy tsy hahatontosa ny asany ho an' i Egypta, na ny loha na ny rambo, na ny sampana na ny zozoro.
16. In that day shall Egypt be like unto women: and it shall be afraid and fear because of the shaking of the hand of the LORD of hosts, which he shaketh over it.
16. En ce jour, l`Égypte sera comme des femmes: Elle tremblera et aura peur, En voyant s`agiter la main de l`Éternel des armées, Quand il la lèvera contre elle.
16. Amin' izany andro izany dia ho tahaka ny vehivavy Egypta ka ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra noho ny fihetsehan' ny tanan' i Jehovah, Tompon' ny maro, izay hahinjiny hamelezana azy.
17. And the land of Judah shall be a terror unto Egypt, every one that maketh mention thereof shall be afraid in himself, because of the counsel of the LORD of hosts, which he hath determined against it.
17. Et le pays de Juda sera pour l`Égypte un objet d`effroi: Dès qu`on lui en parlera, elle sera dans l`épouvante, A cause de la résolution prise contre elle par l`Éternel des armées.
17. "Ary ny tanin' ny Joda dia ho fahatahoran' i Egypta; izay rehetra manambara izany dia hatahotra, noho ny fikasan' i Jehovah, Tompon' ny maro, izay kasainy ny amin' ny hamelezana azy."
18. In that day shall five cities in the land of Egypt speak the language of Canaan, and swear to the LORD of hosts; one shall be called, The city of destruction.
18. En ce temps-là, il y aura cinq villes au pays d`Égypte, Qui parleront la langue de Canaan, Et qui jureront par l`Éternel des armées: L`une d`elles sera appelée ville de la destruction.
18. "Amin' izany andro izany dia hisy tanàna dimy any amin' ny tany Egypta hiteny ny fitenin' i Kanana sy hianiana ho an' i Jehovah, Tompon' ny maro; ny anankiray hatao hoe: Tanànan' ny fandringanana."
19. In that day shall there be an altar to the LORD in the midst of the land of Egypt, and a pillar at the border thereof to the LORD.
19. En ce même temps, il y aura un autel à l`Éternel Au milieu du pays d`Égypte, Et sur la frontière un monument à l`Éternel.
19. Amin' izany andro izany dia hisy alitara ho an' i Jehovah eo amin' ny tany Egypta sy tsangambato eo an-tsisiny ho an' i Jehovah.
20. And it shall be for a sign and for a witness unto the LORD of hosts in the land of Egypt: for they shall cry unto the LORD because of the oppressors, and he shall send them a saviour, and a great one, and he shall deliver them.
20. "Ce sera pour l`Éternel des armées un signe et un témoignage Dans le pays d`Égypte; Ils crieront à l`Éternel à cause des oppresseurs, Et il leur enverra un sauveur et un défenseur pour les délivrer."
20. "Ary ho famantarana sy ho vavolombelona ho an' i Jehovah, Tompon' ny maro, ao amin' ny tany Egypta izany; fa hitaraina amin' i Jehovah noho ny mpampahory izy, ary haniraka mpamonjy iray, sady lehibe Izy, izay hanafaka azy."
21. And the LORD shall be known to Egypt, and the Egyptians shall know the LORD in that day, and shall do sacrifice and oblation; yea, they shall vow a vow unto the LORD, and perform it.
21. "Et l`Éternel sera connu des Égyptiens, Et les Égyptiens connaîtront l`Éternel en ce jour-là; Ils feront des sacrifices et des offrandes, Ils feront des voeux à l`Éternel et les accompliront."
21. "Ary Jehovah ho fantatra any Egypta, ary ny Egyptiana kosa hahalala an' i Jehovah amin' izany andro izany, dia hanao sorona sy fanatitra; eny, hivoady amin' i Jehovah izy sady hanefa izany."
22. And the LORD shall smite Egypt: he shall smite and heal it: and they shall return even to the LORD, and he shall be intreated of them, and shall heal them.
22. "Ainsi l`Éternel frappera les Égyptiens, Il les frappera, mais il les guérira; Et ils se convertiront à l`Éternel, Qui les exaucera et les guérira."
22. "Ary Jehovah hamely an' i Egypta; hamely Izy no sady hanasitrana azy; dia hiverina ho amin' i Jehovah ireo, ka hekeny ny fangatahany ary hositraniny izy."
23. In that day shall there be a highway out of Egypt to Assyria, and the Assyrian shall come into Egypt, and the Egyptian into Assyria, and the Egyptians shall serve with the Assyrians.
23. En ce même temps, il y aura une route d`Égypte en Assyrie: Les Assyriens iront en Égypte, et les Égyptiens en Assyrie, Et les Égyptiens avec les Assyriens serviront l`Éternel.
23. Amin' izany andro izany, dia hisy lalambe avy any Egypta mankany Asyria, koa ny Asyriana dia hankany Egypta, ary ny Egyptiana sy ny Asyriana hiara-manompo.
24. In that day shall Israel be the third with Egypt and with Assyria, even a blessing in the midst of the land:
24. En ce même temps, Israël sera, lui troisième, Uni à l`Égypte et à l`Assyrie, Et ces pays seront l`objet d`une bénédiction.
24. "Amin' izany andro izany, dia ny Isiraely no ho fahatelo amin' ny Egyptiana sy ny Asyriana; eny, ho fitahiana eo amin' ny tany."
25. Whom the LORD of hosts shall bless, saying, Blessed be Egypt my people, and Assyria the work of my hands, and Israel mine inheritance.
25. L`Éternel des armées les bénira, en disant: Bénis soient l`Égypte, mon peuple, Et l`Assyrie, oeuvre de mes mains, Et Israël, mon héritage!
25. Fa hotahian' i Jehovah, Tompon' ny maro ireo ka hataony hoe: Hotahiana anie Egypta oloko, sy Asyria, asan' ny tanako, ary Isiraely lovako.