An Oracle Against Damascus

1. The burden of Damascus. Behold, Damascus is taken away from being a city, and it shall be a ruinous heap.
1. Oracle sur Damas. Voici, Damas ne sera plus une ville, Elle ne sera qu`un monceau de ruines.
1. Faminaniana ny amin' ny loza hanjo an' i Damaskosy. Indro, Damaskosy dia rava tsy ho tanàna intsony, eny, ho tonga korontam-bato izy.
2. The cities of Aroer are forsaken: they shall be for flocks, which shall lie down, and none shall make them afraid.
2. "Les villes d`Aroër sont abandonnées, Elles sont livrées aux troupeaux; Ils s`y couchent, et personne ne les effraie."
2. Efa lao ny tanànan' i Aroera ka ho an' ny andian' ny ondry aman' osy, handry ao ireo, ka tsy hisy hanaitaitra azy,
3. The fortress also shall cease from Ephraim, and the kingdom from Damascus, and the remnant of Syria: they shall be as the glory of the children of Israel, saith the LORD of hosts.
3. C`en est fait de la forteresse d`Éphraïm, Et du royaume de Damas, et du reste de la Syrie: Il en sera comme de la gloire des enfants d`Israël, Dit l`Éternel des armées.
3. "Ary tsy hisy tanàna mimanda intsony koa any Efraima, na fanjakana ao Damaskosy; ary izay sisa amin' i Syria dia hitovy voninahitra amin' ny Zanak' Isiraely, hoy Jehovah, Tompon' ny maro."
4. And in that day it shall come to pass, that the glory of Jacob shall be made thin, and the fatness of his flesh shall wax lean.
4. En ce jour, la gloire de Jacob sera affaiblie, Et la graisse de sa chair s`évanouira.
4. Ary amin' izany andro izany dia izao no hiseho, hihamanify ny voninahitr' i Jakoba ary hihena ny hataviny.
5. And it shall be as when the harvestman gathereth the corn, and reapeth the ears with his arm; and it shall be as he that gathereth ears in the valley of Rephaim.
5. "Il en sera comme quand le moissonneur récolte les blés, Et que son bras coupe les épis; Comme quand on ramasse les épis, Dans la vallée de Rephaïm."
5. Ary izao no hisy, ho tahaka ny fanangonan' ny mpijinja ny varimbazaha, ka hijinjan' ny sandriny ny salohiny, dia ho tahaka ny fanangonan' ny olona ny salohy eny amin' ny Lohasahan' ny Refaïta izany.
6. Yet gleaning grapes shall be left in it, as the shaking of an olive tree, two or three berries in the top of the uppermost bough, four or five in the outmost fruitful branches thereof, saith the LORD God of Israel.
6. Il en restera un grappillage, comme quand on secoue l`olivier, Deux, trois olives, au haut de la cime, Quatre, cinq, dans ses branches à fruits, Dit l`Éternel, le Dieu d`Israël.
6. Kanefa hisy sisa hotsimponina ihany izy tahaka ny amin' ny fikapohana ny hazo oliva: Hisy voany roa na telo ao an-tendrony ambony indrindra, efatra na dimy ao amin' ny rantsan' ny hazo mahavokatra, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
7. At that day shall a man look to his Maker, and his eyes shall have respect to the Holy One of Israel.
7. "En ce jour, l`homme regardera vers son créateur, Et ses yeux se tourneront vers le Saint d`Israël;"
7. Amin' izany andro izany dia hanandrandra ny Mpanao azy ny olona, ary ny masony hijery ny Iray Masin' ny Isiraely.
8. And he shall not look to the altars, the work of his hands, neither shall respect that which his fingers have made, either the groves, or the images.
8. Il ne regardera plus vers les autels, Ouvrage de ses mains, Et il ne contemplera plus ce que ses doigts ont fabriqué, Les idoles d`Astarté et les statues du soleil.
8. Fa tsy hanandrandra ny alitara, asan' ny tanany izy, ary ny nataon' ny rantsan-tanany tsy hahoany, na ny Aseraha, na ny sariny.
9. In that day shall his strong cities be as a forsaken bough, and an uppermost branch, which they left because of the children of Israel: and there shall be desolation.
9. En ce jour, ses villes fortes seront Comme des débris dans la forêt et sur la cime des montagnes, Abandonnés devant les enfants d`Israël: Et ce sera un désert.
9. Amin' izany andro izany, ny tanànany mafy dia ho tahaka ny tany lao any an' ala, na any an-tampon-tendrombohitra, izay nilaozan' ny olona teo anoloan' ny Zanak' Isiraely, ka dia ho foana ny tany.
10. Because thou hast forgotten the God of thy salvation, and hast not been mindful of the rock of thy strength, therefore shalt thou plant pleasant plants, and shalt set it with strange slips:
10. "Car tu as oublié le Dieu de ton salut, Tu ne t`es pas souvenu du rocher de ton refuge. Aussi tu as fait des plantations d`agrément, Tu as planté des ceps étrangers;"
10. "Fa nanadino an' Andriamanitry ny famonjena anao ianao ary tsy nahatsiaro ny vatolampy fiarovana mafy ho anao, ka dia hanao voly mahafinaritra ianao ary zana-boaloboka avy amin' ny firenena hafa no hambolenao;"
11. In the day shalt thou make thy plant to grow, and in the morning shalt thou make thy seed to flourish: but the harvest shall be a heap in the day of grief and of desperate sorrow.
11. Lorsque tu les plantas, tu les entouras d`une haie, Et bientôt tu les fis venir en fleurs. Mais la récolte a fui, au moment de la jouissance: Et la douleur est sans remède.
11. "Amin' ny andro dia hambolenao ny volinao, ary nony maraina dia hampitsimohinao izay nambolenao; nefa ho vokatra miavosa izany amin' ny andro fangirifiriana sy fanaintainana tsy azo sitranina."
12. Woe to the multitude of many people, which make a noise like the noise of the seas; and to the rushing of nations, that make a rushing like the rushing of mighty waters!
12. Oh! quelle rumeur de peuples nombreux! Ils mugissent comme mugit la mer. Quel tumulte de nations! Elles grondent comme grondent les eaux puissantes.
12. Loza ho an' ny fihahohahon' ny vahoaka marobe! Izay mihahohaho tahaka ny feon' ny ranomasina! sy ho an' ny firohondrohon' ny firenena maro! Tahaka ny firohondrohon' ny rano manonja ny firohondrohony!
13. The nations shall rush like the rushing of many waters: but God shall rebuke them, and they shall flee far off, and shall be chased as the chaff of the mountains before the wind, and like a rolling thing before the whirlwind.
13. Les nations grondent comme grondent les grandes eaux... Il les menace, et elles fuient au loin, Chassées comme la balle des montagnes au souffle du vent, Comme la poussière par un tourbillon.
13. Hirohondrohona tahaka ny firohondrohon' ny rano be ny firenena maro, kanefa hotezeran' Andriamanitra izy, ka dia handositra lavitra, ary ho lasa tahaka ny akofa eny an-tendrombohitra raha paohin' ny rivotra sy tahaka ny zava-mitambolimbolina entin' ny tadio.
14. And behold at eveningtide trouble; and before the morning he is not. This is the portion of them that spoil us, and the lot of them that rob us.
14. "Quand vient le soir, voici, c`est une ruine soudaine; Avant le matin, ils ne sont plus! Voilà le partage de ceux qui nous dépouillent, Le sort de ceux qui nous pillent."
14. "Ary indro fahoriana, raha hariva ny andro; ary raha tsy mbola maraina akory, dia tsy ao intsony ireny. Izany no anjaran' izay mamabo antsika sy tambin' izay mandroba antsika."
<
>