1. Now of the things which we have spoken this is the sum: We have such an high priest, who is set on the right hand of the throne of the Majesty in the heavens;
1. Le point capital de ce qui vient d`être dit, c`est que nous avons un tel souverain sacrificateur, qui s`est assis à la droite du trône de la majesté divine dans les cieux,
1. Ary amin’izany zavatra nolazainay izany dia izao no fehiny: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny sezafiandrianan’ny Avo indrindra any an-danitra,
2. A minister of the sanctuary, and of the true tabernacle, which the Lord pitched, and not man.
2. comme ministre du sanctuaire et du véritable tabernacle, qui a été dressé par le Seigneur et non par un homme.
2. Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina sy ny tena tabernakely, izay naorin’ny Tompo, fa tsy olona.
3. For every high priest is ordained to offer gifts and sacrifices: wherefore it is of necessity that this man have somewhat also to offer.
3. "Tout souverain sacrificateur est établi pour présenter des offrandes et des sacrifices; d`où il est nécessaire que celui-ci ait aussi quelque chose a présenter."
3. "Fa ny mpisoronabe rehetra dia tendrena hanatitra fanomezana sy fanatitra; ary amin’izany dia tsy maintsy mba manan-katerina koa Izy."
4. For if he were on earth, he should not be a priest, seeing that there are priests that offer gifts according to the law:
4. S`il était sur la terre, il ne serait pas même sacrificateur, puisque là sont ceux qui présentent des offrandes selon la loi
4. Koa raha tety ambonin’ny tany, dia tsy mba ho mpisorona akory Izy, satria misy rahateo ireo manatitra ny fanomezana araka ny lalàna,
5. Who serve unto the example and shadow of heavenly things, as Moses was admonished of God when he was about to make the tabernacle: for, See, saith he, that thou make all things according to the pattern shewed to thee in the mount.
5. (lesquels célèbrent un culte, image et ombre des choses célestes, selon que Moïse en fut divinement averti lorsqu`il allait construire le tabernacle: Aie soin, lui fut-il dit, de faire tout d`après le modèle qui t`a été montré sur la montagne).
5. "Dia ireo izay manao fanompoam-pivavahana amin’izay endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra, tahaka ny natoron’Andriamanitra an’i Mosesy, rehefa hanao ny tabernakely izy; fa hoy Izy: “Tandremo mba hataonao araka ny endrika izay naseho taminao tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra.”"
6. But now hath he obtained a more excellent ministry, by how much also he is the mediator of a better covenant, which was established upon better promises.
6. Mais maintenant il a obtenu un ministère d`autant supérieur qu`il est le médiateur d`une alliance plus excellente, qui a été établie sur de meilleures promesses.
6. Fa ankehitriny efa nahazo fanompoana tsara dia tsara kokoa noho ny an’ireny Izy, dia araka ny nanaovana Azy ho Mpanalalana amin’ny fanekena tsara lavitra, izay natao tamin’ireo tenifikasana tsara lavitra.
7. For if that first covenant had been faultless, then should no place have been sought for the second.
7. En effet, si la première alliance avait été sans défaut, il n`aurait pas été question de la remplacer par une seconde.
7. Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany, dia tsy mba nisy fitoerana hotadiavina ho an’ny faharoa.
8. For finding fault with them, he saith, Behold, the days come, saith the Lord, when I will make a new covenant with the house of Israel and with the house of Judah:
8. Car c`est avec l`expression d`un blâme que le Seigneur dit à Israël: Voici, les jours viennent, dit le Seigneur, Où je ferai avec la maison d`Israël et la maison de Juda Une alliance nouvelle,
8. Fa manome tsiny ny olona Izy manao hoe: “Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin’ny taranak’Isiraely sy ny taranak’i Joda,
9. Not according to the covenant that I made with their fathers in the day when I took them by the hand to lead them out of the land of Egypt; because they continued not in my covenant, and I regarded them not, saith the Lord.
9. "Non comme l`alliance que je traitai avec leurs pères, Le jour où je les saisis par la main Pour les faire sortir du pays d`Égypte; Car ils n`ont pas persévéré dans mon alliance, Et moi aussi je ne me suis pas soucié d`eux, dit le Seigneur."
9. "Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin’ny razany, tamin’ny andro nitantanako azy mba hitondra azy hivoaka avy any amin’ny tany Egypta; fa izy ireny tsy nitoetra tamin’ny fanekeko, ary Izaho kosa dia tsy nitandrina azy, hoy Jehovah."
10. For this is the covenant that I will make with the house of Israel after those days, saith the Lord; I will put my laws into their mind, and write them in their hearts: and I will be to them a God, and they shall be to me a people:
10. "Mais voici l`alliance que je ferai avec la maison d`Israël, Après ces jours-là, dit le Seigneur: Je mettrai mes lois dans leur esprit, Je les écrirai dans leur coeur; Et je serai leur Dieu, Et ils seront mon peuple."
10. "Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’Isiraely, rehefa afaka izany andro izany, hoy ny Tompo: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, sady hosoratako ao am-pony, ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko;"
11. And they shall not teach every man his neighbour, and every man his brother, saying, Know the Lord: for all shall know me, from the least to the greatest.
11. "Aucun n`enseignera plus son concitoyen, Ni aucun son frère, en disant: Connais le Seigneur! Car tous me connaîtront, Depuis le plus petit jusqu`au plus grand d`entre eux;"
11. "Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy, na hanao hoe: Mahalalà an’i Jehovah; fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra."
12. For I will be merciful to their unrighteousness, and their sins and their iniquities will I remember no more.
12. Parce que je pardonnerai leurs iniquités, Et que je ne me souviendrai plus de leurs péchés.
12. Fa hamindra fo amin’ny tsy fahamarinany Aho, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany sy ny helony.
13. In that he saith, A new covenant, he hath made the first old. Now that which decayeth and waxeth old is ready to vanish away.
13. "En disant: une alliance nouvelle, il a déclaré la première ancienne; or, ce qui est ancien, ce qui a vieilli, est près de disparaître."
13. Amin’ny anaovany hoe “fanekena vaovao” dia nataony fa efa ela ny voalohany. Fa izay tratra ela sy miha-antitra dia efa madiva ho levona.
<
>