1. Let us therefore fear, lest, a promise being left us of entering into his rest, any of you should seem to come short of it.
1. Craignons donc, tandis que la promesse d`entrer dans son repos subsiste encore, qu`aucun de vous ne paraisse être venu trop tard.
1. Koa aoka isika hatahotra, fandrao na dia mbola misy tenifikasana fa hiditra any amin’ny fitsaharany aza isika, dia mba misy eo aminareo toa tsy mahatratra izany.
2. For unto us was the gospel preached, as well as unto them: but the word preached did not profit them, not being mixed with faith in them that heard it.
2. "Car cette bonne nouvelle nous a été annoncée aussi bien qu`à eux; mais la parole qui leur fut annoncée ne leur servit de rien, parce qu`elle ne trouva pas de la foi chez ceux qui l`entendirent."
2. "Fa isika koa dia nitoriana ny filazantsara tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy, satria tsy niharo finoana tao amin’izay nandre."
3. For we which have believed do enter into rest, as he said, As I have sworn in my wrath, if they shall enter into my rest: although the works were finished from the foundation of the world.
3. Pour nous qui avons cru, nous entrons dans le repos, selon qu`il dit: Je jurai dans ma colère: Ils n`entreront pas dans mon repos! Il dit cela, quoique ses oeuvres eussent été achevées depuis la création du monde.
3. "Fa isika izay nino no miditra amin’ny fitsaharana, araka ny voalazany hoe: Toy ny nianianako tamin’ny fahatezerako, raha hiditra amin’ny fitsaharako izy; na dia vita hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao aza ny asa."
4. For he spake in a certain place of the seventh day on this wise, And God did rest the seventh day from all his works.
4. Car il a parlé quelque part ainsi du septième jour: Et Dieu se reposa de toutes ses oeuvres le septième jour.
4. Fa nilaza ny andro fahafito Izy eo amin’ny teny anankiray araka izao: “Ary Andriamanitra nitsahatra tamin’ny asany rehetra tamin’ny andro fahafito.”
5. And in this place again, If they shall enter into my rest.
5. Et ici encore: Ils n`entreront pas dans mon repos!
5. Ary amin’izao teny izao koa: Raha hiditra amin’ny fitsaharako ireo.
6. Seeing therefore it remaineth that some must enter therein, and they to whom it was first preached entered not in because of unbelief:
6. Or, puisqu`il est encore réservé à quelques-uns d`y entrer, et que ceux à qui d`abord la promesse a été faite n`y sont pas entrés à cause de leur désobéissance,
6. Koa satria mbola hiditra eo ihany ny sasany, ary izay nitoriana ny teny tamin’ny voalohany dia tsy niditra noho ny tsy finoana,
7. Again, he limiteth a certain day, saying in David, To day, after so long a time; as it is said, To day if ye will hear his voice, harden not your hearts.
7. Dieu fixe de nouveau un jour-aujourd`hui-en disant dans David si longtemps après, comme il est dit plus haut: Aujourd`hui, si vous entendez sa voix, N`endurcissez pas vos coeurs.
7. Dia mametra andro anankiray indray Izy, milaza ao amin’i Davida hoe: “Anio,” na dia efa ela toy izany aza, araka ny voalaza teo hoe: “Anio raha hihaino ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo.”
8. For if Jesus had given them rest, then would he not afterward have spoken of another day.
8. Car, si Josué leur eût donné le repos, il ne parlerait pas après cela d`un autre jour.
8. Fa raha Josoa no nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy taorian’izany.
9. There remaineth therefore a rest to the people of God.
9. Il y a donc un repos de sabbat réservé au peuple de Dieu.
9. Koa dia mbola misy fitsaharana ho an’ny olon’Andriamanitra.
10. For he that is entered into his rest, he also hath ceased from his own works, as God did from his.
10. Car celui qui entre dans le repos de Dieu se repose de ses oeuvres, comme Dieu s`est reposé des siennes.
10. Fa izay niditra tao amin’ny fitsaharany, dia izy koa no nitsahatra tamin’ny asany, tahaka an’Andriamanitra tamin’ny Azy.
11. Let us labour therefore to enter into that rest, lest any man fall after the same example of unbelief.
11. Efforçons-nous donc d`entrer dans ce repos, afin que personne ne tombe en donnant le même exemple de désobéissance.
11. Koa aoka isika hiezaka hiditra amin’izany fitsaharana izany, fandrao hisy olona latsaka amin’ny tsy finoana tahaka izany koa.
12. For the word of God is quick, and powerful, and sharper than any twoedged sword, piercing even to the dividing asunder of soul and spirit, and of the joints and marrow, and is a discerner of the thoughts and intents of the heart.
12. "Car la parole de Dieu est vivante et efficace, plus tranchante qu`une épée quelconque à deux tranchants, pénétrante jusqu`à partager âme et esprit, jointures et moelles; elle juge les sentiments et les pensées du coeur."
12. Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fikasan’ny fo.
13. Neither is there any creature that is not manifest in his sight: but all things are naked and opened unto the eyes of him with whom we have to do.
13. Nulle créature n`est cachée devant lui, mais tout est à nu et à découvert aux yeux de celui à qui nous devons rendre compte.
13. "Ary tsy misy zavatra àry na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy miharihary eo imason’Ilay tsy maintsy hamoahantsika ny nataontsika."
14. Seeing then that we have a great high priest, that is passed into the heavens, Jesus the Son of God, let us hold fast our profession.
14. Ainsi, puisque nous avons un grand souverain sacrificateur qui a traversé les cieux, Jésus, le Fils de Dieu, demeurons fermes dans la foi que nous professons.
14. Koa satria isika manana Mpisoronabe lehibe, Izay lasa namaky ny lanitra, dia Jesosy Zanak’Andriamanitra, aoka isika hihazona mafy ny fiaikentsika.
15. For we have not an high priest which cannot be touched with the feeling of our infirmities; but was in all points tempted like as we are, yet without sin.
15. "Car nous n`avons pas un souverain sacrificateur qui ne puisse compatir à nos faiblesses; au contraire, il a été tenté comme nous en toutes choses, sans commettre de péché."
15. Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.
16. Let us therefore come boldly unto the throne of grace, that we may obtain mercy, and find grace to help in time of need.
16. Approchons-nous donc avec assurance du trône de la grâce afin d`obtenir miséricorde et de trouver grâce, pour être secourus dans nos besoins.
16. Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory.
<
>