1. Now faith is the substance of things hoped for, the evidence of things not seen.
1. Or la foi est une ferme assurance des choses qu`on espère, une démonstration de celles qu`on ne voit pas.
1. Ary ny finoana no tenan' ireo zavatra antenaina, fanehoana ireo zavatra tsy hita.
2. For by it the elders obtained a good report.
2. Pour l`avoir possédée, les anciens ont obtenu un témoignage favorable.
2. Fa izany no nahatsara laza ny ntaolo.
3. Through faith we understand that the worlds were framed by the word of God, so that things which are seen were not made of things which do appear.
3. C`est par la foi que nous reconnaissons que le monde a été formé par la parole de Dieu, en sorte que ce qu`on voit n`a pas été fait de choses visibles.
3. Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao.
4. By faith Abel offered unto God a more excellent sacrifice than Cain, by which he obtained witness that he was righteous, God testifying of his gifts: and by it he being dead yet speaketh.
4. "C`est par la foi qu`Abel offrit à Dieu un sacrifice plus excellent que celui de Caïn; c`est par elle qu`il fut déclaré juste, Dieu approuvant ses offrandes; et c`est par elle qu`il parle encore, quoique mort."
4. "Finoana no nanateran’i Abela ho an’Andriamanitra fanatitra tsara lavitra kokoa noho ny an’i Kaina, ka izany no nanambarana azy fa marina, satria Andriamanitra no nanambara ny amin’ny fanatitra nataony; ary amin’izany, na dia maty aza izy, dia mbola miteny ihany."
5. By faith Enoch was translated that he should not see death; and was not found, because God had translated him: for before his translation he had this testimony, that he pleased God.
5. "C`est par la foi qu`Énoch fut enlevé pour qu`il ne vît point la mort, et qu`il ne parut plus parce Dieu l`avait enlevé; car, avant son enlèvement, il avait reçu le témoignage qu`il était agréable à Dieu."
5. "Finoana no namindrana an’i Enoka tsy hiharan’ny fahafatesana; ka dia tsy hita izy, satria nafindran’Andriamanitra; fa talohan’ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan’Andriamanitra izy."
6. But without faith it is impossible to please him: for he that cometh to God must believe that he is, and that he is a rewarder of them that diligently seek him.
6. "Or sans la foi il est impossible de lui être agréable; car il faut que celui qui s`approche de Dieu croie que Dieu existe, et qu`il est le rémunérateur de ceux qui le cherchent."
6. "Fa raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao ahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady mpamaly soa izay mazoto mitady Azy."
7. By faith Noah, being warned of God of things not seen as yet, moved with fear, prepared an ark to the saving of his house; by the which he condemned the world, and became heir of the righteousness which is by faith.
7. "C`est par la foi que Noé, divinement averti des choses qu`on ne voyait pas encore, et saisi d`une crainte respectueuse, construisit une arche pour sauver sa famille; c`est par elle qu`il condamna le monde, et devint héritier de la justice qui s`obtient par la foi."
7. "Finoana no nanamboaran’i Noa sambofiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy, rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra ny amin’ny zavatra tsy mbola hita; koa izany no nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana."
8. By faith Abraham, when he was called to go out into a place which he should after receive for an inheritance, obeyed; and he went out, not knowing whither he went.
8. C`est par la foi qu`Abraham, lors de sa vocation, obéit et partit pour un lieu qu`il devait recevoir en héritage, et qu`il partit sans savoir où il allait.
8. "Finoana no nankatoavan’i Abrahama, rehefa nantsoina hiainga hankany amin’izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay alehany."
9. By faith he sojourned in the land of promise, as in a strange country, dwelling in tabernacles with Isaac and Jacob, the heirs with him of the same promise:
9. C`est par la foi qu`il vint s`établir dans la terre promise comme dans une terre étrangère, habitant sous des tentes, ainsi qu`Isaac et Jacob, les cohéritiers de la même promesse.
9. "Finoana no nivahiniany tany amin’ny tany nolazain’ny tenifikasana, toy ny any an-tanin’olona, mitoetra an-day, mbamin’Isaka sy Jakoba, mpiara-mandova izany tenifikasana izany aminy;"
10. For he looked for a city which hath foundations, whose builder and maker is God.
10. Car il attendait la cité qui a de solides fondements, celle dont Dieu est l`architecte et le constructeur.
10. "Fa nanantena hahazo ny tanàna misy fanorenana izy, Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany;"
11. Through faith also Sara herself received strength to conceive seed, and was delivered of a child when she was past age, because she judged him faithful who had promised.
11. C`est par la foi que Sara elle-même, malgré son âge avancé, fut rendue capable d`avoir une postérité, parce qu`elle crut à la fidélité de celui qui avait fait la promesse.
11. Ary na Saraha aza, dia finoana koa no nandraisany hery hanana anaka sy niterahany rehefa nitsaha-jaza izy, satria nataony fa mahatoky Ilay efa nampanantena azy.
12. Therefore sprang there even of one, and him as good as dead, so many as the stars of the sky in multitude, and as the sand which is by the sea shore innumerable.
12. C`est pourquoi d`un seul homme, déjà usé de corps, naquit une postérité nombreuse comme les étoiles du ciel, comme le sable qui est sur le bord de la mer et qu`on ne peut compter.
12. Koa dia avy tamin’ny anankiray, izay efa toy ny maty, no niavian’ny maro toy ny kintana eny amin’ny lanitra sy toy ny fasika eny amoron-dranomasina, izay tsy hita isa.
13. These all died in faith, not having received the promises, but having seen them afar off, and were persuaded of them, and embraced them, and confessed that they were strangers and pilgrims on the earth.
13. "C`est dans la foi qu`ils sont tous morts, sans avoir obtenu les choses promises; mais ils les ont vues et saluées de loin, reconnaissant qu`ils étaient étrangers et voyageurs sur la terre."
13. "Ireo rehetra ireo dia maty tamin’ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny tenifikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy, dia resy lahatra ka namihina azy, ary nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tety ambonin’ny tany izy ireo."
14. For they that say such things declare plainly that they seek a country.
14. Ceux qui parlent ainsi montrent qu`ils cherchent une patrie.
14. Fa izay milaza izany zavatra izany dia maneho marimarina fa mitady tanàna izy.
15. And truly, if they had been mindful of that country from whence they came out, they might have had opportunity to have returned.
15. S`ils avaient eu en vue celle d`où ils étaient sortis, ils auraient eu le temps d`y retourner.
15. Raha ny marina, raha nahatsiaro ny tany nialany izy ireo, dia ho nahita fotoana hiverenany.
16. But now they desire a better country, that is, an heavenly: wherefore God is not ashamed to be called their God: for he hath prepared for them a city.
16. Mais maintenant ils en désirent une meilleure, c`est-à-dire une céleste. C`est pourquoi Dieu n`a pas honte d`être appelé leur Dieu, car il leur a préparé une cité.
16. "Fa amin’izany, ny tsara lavitra no iriny, dia ny any an-danitra; ary noho izany Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe Andriamaniny, satria efa nanomana tanàna ho an’ireo Izy."
17. By faith Abraham, when he was tried, offered up Isaac: and he that had received the promises offered up his only begotten son,
17. C`est par la foi qu`Abraham offrit Isaac, lorsqu`il fut mis à l`épreuve, et qu`il offrit son fils unique, lui qui avait reçu les promesses,
17. Finoana no nanateran’i Abrahama an’Isaka, raha nozahan-toetra izy, ary ny zanany lahy tokana no naterin’ilay efa nandray ny tenifikasana,
18. Of whom it was said, That in Isaac shall thy seed be called:
18. et à qui il avait été dit: En Isaac sera nommée pour toi une postérité.
18. Dia ilay nilazana hoe: “Avy amin’Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao.”
19. Accounting that God was able to raise him up, even from the dead; from whence also he received him in a figure.
19. "Il pensait que Dieu est puissant, même pour ressusciter les morts; aussi le recouvra-t-il par une sorte de résurrection."
19. "Fa nihevitra izy fa Andriamanitra mahay manangana azy amin’ny maty; ary ohatra ny avy amin’izany no nandraisany azy;"
20. By faith Isaac blessed Jacob and Esau concerning things to come.
20. C`est par la foi qu`Isaac bénit Jacob et Ésaü, en vue des choses à venir.
20. Finoana no nitsofan’Isaka rano an’i Jakoba sy Esao ny amin’ny zavatra ho avy.
21. By faith Jacob, when he was a dying, blessed both the sons of Joseph; and worshipped, leaning upon the top of his staff.
21. C`est par la foi que Jacob mourant bénit chacun des fils de Joseph, et qu`il adora, appuyé sur l`extrémité de son bâton.
21. Finoana no nitsofan’i Jakoba rano ny zanak’i Josefa roa lahy, rehefa ho faty izy, sy niankohofany, niankina tamin’ny lohan’ny tehiny.
22. By faith Joseph, when he died, made mention of the departing of the children of Israel; and gave commandment concerning his bones.
22. C`est par la foi que Joseph mourant fit mention de la sortie des fils d`Israël, et qu`il donna des ordres au sujet de ses os.
22. Finoana no nilazan’i Josefa ny fialan’ny zanak’Isiraely, rehefa ho faty izy, sy nanafarany ny amin’ny taolany.
23. By faith Moses, when he was born, was hid three months of his parents, because they saw he was a proper child; and they were not afraid of the king's commandment.
23. C`est par la foi que Moïse, à sa naissance, fut caché pendant trois mois par ses parents, parce qu`ils virent que l`enfant était beau, et qu`ils ne craignirent pas l`ordre du roi.
23. Finoana no nanafenan’ny ray aman-drenin’i Mosesy azy telo volana, raha vao teraka izy, satria hitany fa zaza tsara izy, ary tsy natahorany ny didin’ny mpanjaka.
24. By faith Moses, when he was come to years, refused to be called the son of Pharaoh's daughter;
24. C`est par la foi que Moïse, devenu grand, refusa d`être appelé fils de la fille de Pharaon,
24. Finoana no nandavan’i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin’i Farao, rehefa lehibe izy,
25. Choosing rather to suffer affliction with the people of God, than to enjoy the pleasures of sin for a season;
25. aimant mieux être maltraité avec le peuple de Dieu que d`avoir pour un temps la jouissance du péché,
25. "Nifidy mantsy izy hiara-mitondra fahoriana amin’ny olon’Andriamanitra toy izay hanana fifaliana vetivety amin’ny fahotana;"
26. Esteeming the reproach of Christ greater riches than the treasures in Egypt: for he had respect unto the recompence of the reward.
26. regardant l`opprobre de Christ comme une richesse plus grande que les trésors de l`Égypte, car il avait les yeux fixés sur la rémunération.
26. Nanao ny fanaratsiana an’i Kristy ho harena be lavitra noho ny tahiry soan’i Egypta, satria nijery ny famalian-tsoa izy.
27. By faith he forsook Egypt, not fearing the wrath of the king: for he endured, as seeing him who is invisible.
27. "C`est par la foi qu`il quitta l`Égypte, sans être effrayé de la colère du roi; car il se montra ferme, comme voyant celui qui est invisible."
27. "Finoana no nandaozany an’i Egypta, ka tsy natahorany ny fahatezeran’ny mpanjaka; fa naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy."
28. Through faith he kept the passover, and the sprinkling of blood, lest he that destroyed the firstborn should touch them.
28. C`est par la foi qu`il fit la Pâque et l`aspersion du sang, afin que l`exterminateur ne touchât pas aux premiers-nés des Israélites.
28. "Finoana no nitandremany ny paska sy ny famafazana ny ra, fandrao hahatratra ny azy ireo ny nandringana ny lahimatoa;"
29. By faith they passed through the Red sea as by dry land: which the Egyptians assaying to do were drowned.
29. C`est par la foi qu`ils traversèrent la mer Rouge comme un lieu sec, tandis que les Égyptiens qui en firent la tentative furent engloutis.
29. Finoana no nitany ny Ranomasina Mena toy ny mandia tany maina, izay mba nandraman’ny Egyptiana ka dia voatelina izy ireo.
30. By faith the walls of Jericho fell down, after they were compassed about seven days.
30. C`est par la foi que les murailles de Jéricho tombèrent, après qu`on en eut fait le tour pendant sept jours.
30. Finoana no nampirodana ny mandan’i Jeriko, rehefa nohodidinina hafitoana.
31. By faith the harlot Rahab perished not with them that believed not, when she had received the spies with peace.
31. C`est par la foi que Rahab la prostituée ne périt pas avec les rebelles, parce qu`elle avait reçu les espions avec bienveillance.
31. Finoana no tsy nahafaty an-dRahaba janga niaraka tamin’ny tsy nino, fony nandray ny mpisafo tany tamin’ny fihavanana izy.
32. And what shall I more say? for the time would fail me to tell of Gedeon, and of Barak, and of Samson, and of Jephthae; of David also, and Samuel, and of the prophets:
32. Et que dirai-je encore? Car le temps me manquerait pour parler de Gédéon, de Barak, de Samson, de Jephthé, de David, de Samuel, et des prophètes,
32. Ary inona koa no holazaiko? Fa ho lany ny andro, raha milaza an’i Gideona sy Baraka sy Samsona ary Jefta aho, Davida koa sy Samoela, ary ny mpaminany,
33. Who through faith subdued kingdoms, wrought righteousness, obtained promises, stopped the mouths of lions,
33. qui, par la foi, vainquirent des royaumes, exercèrent la justice, obtinrent des promesses, fermèrent la gueule des lions,
33. Izay nandresy fanjakana tamin’ny finoana, niasa fahamarinana, nahazo tenifikasana, nanakombona ny vavan’ny liona,
34. Quenched the violence of fire, escaped the edge of the sword, out of weakness were made strong, waxed valiant in fight, turned to flight the armies of the aliens.
34. éteignirent la puissance du feu, échappèrent au tranchant de l`épée, guérirent de leurs maladies, furent vaillants à la guerre, mirent en fuite des armées étrangères.
34. Namono ny fidedadedan’ny afo, afaka tamin’ny lelan-tsabatra, raha nalemy dia nampahatanjahina, tonga nahery tamin’ny ady, dia nampandositra ny miaramilan' ny firenena hafa.
35. Women received their dead raised to life again: and others were tortured, not accepting deliverance; that they might obtain a better resurrection:
35. "Des femmes recouvrèrent leurs morts par la résurrection; d`autres furent livrés aux tourments, et n`acceptèrent point de délivrance, afin d`obtenir une meilleure résurrection;"
35. "Ny vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray; ary ny sasany nampijalijaliana ho faty, nefa tsy nety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra;"
36. And others had trial of cruel mockings and scourgings, yea, moreover of bonds and imprisonment:
36. "d`autres subirent les moqueries et le fouet, les chaînes et la prison;"
36. "Ary ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy tranomaizina koa;"
37. They were stoned, they were sawn asunder, were tempted, were slain with the sword: they wandered about in sheepskins and goatskins; being destitute, afflicted, tormented;
37. ils furent lapidés, sciés, torturés, ils moururent tués par l`épée, ils allèrent çà et là vêtus de peaux de brebis et de peaux de chèvres, dénués de tout, persécutés, maltraités,
37. "Notoraham-bato izy, notsofana, nalaim-panahy, novonoina tamin’ny sabatra, dia nirenireny nitafy hoditr’ondry sy hoditr’osy; efa lao, ory, nampijalijaliana."
38. (Of whom the world was not worthy:) they wandered in deserts, and in mountains, and in dens and caves of the earth.
38. eux dont le monde n`était pas digne, errants dans les déserts et les montagnes, dans les cavernes et les antres de la terre.
38. "(Nefa izao tontolo izao tsy mendrika ny hitoerany akory); dia nirenireny tany an’efitra sy tany an-tendrombohitra sy tany an-johy ary tao an-dava-tany izy."
39. And these all, having obtained a good report through faith, received not the promise:
39. Tous ceux-là, à la foi desquels il a été rendu témoignage, n`ont pas obtenu ce qui leur était promis,
39. "Ary ireo rehetra ireo, na dia efa nahazo laza tsara noho ny finoana aza, dia tsy mba nandray ny tenifikasana;"
40. God having provided some better thing for us, that they without us should not be made perfect.
40. Dieu ayant en vue quelque chose de meilleur pour nous, afin qu`ils ne parvinssent pas sans nous à la perfection.
40. Efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika Andriamanitra, mba tsy hatao tanteraka ireo, raha tsy efa mby eo koa isika.
<
>