1. And Joseph fell upon his father's face, and wept upon him, and kissed him.
1. Joseph se jeta sur le visage de son père, pleura sur lui, et le baisa.
1. Ary nihohoka tamin' ny tavan' ny rainy Josefa ka nitomany teo amboniny sady nanoroka azy.
2. And Joseph commanded his servants the physicians to embalm his father: and the physicians embalmed Israel.
2. Il ordonna aux médecins à son service d`embaumer son père, et les médecins embaumèrent Israël.
2. "Ary nasain' i Josefa nanosotra zava-manitra an-drainy ny mpanompony izay dokotera; dia nanosotra an' Isiraely ny dokotera."
3. And forty days were fulfilled for him; for so are fulfilled the days of those which are embalmed: and the Egyptians mourned for him threescore and ten days.
3. Quarante jours s`écoulèrent ainsi, et furent employés à l`embaumer. Et les Égyptiens le pleurèrent soixante-dix jours.
3. "Ary notanterahiny taminy ny efapolo andro, fa izany no fanatanterahana ny andron' izay faty hosorana; ary nisaona azy fitopolo andro ny Egyptiana."
4. And when the days of his mourning were past, Joseph spake unto the house of Pharaoh, saying, If now I have found grace in your eyes, speak, I pray you, in the ears of Pharaoh, saying,
4. Quand les jours du deuil furent passés, Joseph s`adressa aux gens de la maison de Pharaon, et leur dit: Si j`ai trouvé grâce à vos yeux, rapportez, je vous prie, à Pharaon ce que je vous dis.
4. Ary rehefa tapitra ny andro nisaonana azy, Josefa dia niteny tamin' ny tao an-tranon' i Farao ka nanao hoe: Raha mba mahita fitia eo imasonareo aho ankehitriny, masìna ianareo, lazao eo an-tsofin' i Farao hoe:
5. My father made me swear, saying, Lo, I die: in my grave which I have digged for me in the land of Canaan, there shalt thou bury me. Now therefore let me go up, I pray thee, and bury my father, and I will come again.
5. "Mon père m`a fait jurer, en disant: Voici, je vais mourir! Tu m`enterreras dans le sépulcre que je me suis acheté au pays de Canaan. Je voudrais donc y monter, pour enterrer mon père; et je reviendrai."
5. "Ny raiko efa nampianiana ahy nanao hoe: Indro, ho faty aho; koa ao amin' ny fasako izay efa nohadiko ho ahy any amin' ny tany Kanana, dia ao no andeveno ahy. Koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka aho hiakatra ka handevina ny raiko, dia hiverina indray."
6. And Pharaoh said, Go up, and bury thy father, according as he made thee swear.
6. Pharaon répondit: Monte, et enterre ton père, comme il te l`a fait jurer.
6. Ary hoy Farao: Miakara àry, ka aleveno ny rainao araka izay efa nampianianany anao.
7. And Joseph went up to bury his father: and with him went up all the servants of Pharaoh, the elders of his house, and all the elders of the land of Egypt,
7. Joseph monta, pour enterrer son père. Avec lui montèrent tous les serviteurs de Pharaon, anciens de sa maison, tous les anciens du pays d`Égypte,
7. " Dia lasa niakatra Josefa handevina ny rainy; ary niara-niakatra taminy ny mpanompon' i Farao rehetra, dia ny loholona tao an-tranony sy ny loholona rehetra tany amin' ny tany Egypta,"
8. And all the house of Joseph, and his brethren, and his father's house: only their little ones, and their flocks, and their herds, they left in the land of Goshen.
8. toute la maison de Joseph, ses frères, et la maison de son père: on ne laissa dans le pays de Gosen que les enfants, les brebis et les boeufs.
8. "Ary ny ankohonan' i Josefa rehetra sy ny rahalahiny ary ny ankohonan-drainy; ny ankizy madinika sy ny ondriny aman' osiny sy ny ombiny ihany no navelany tao amin' ny tany Gosena."
9. And there went up with him both chariots and horsemen: and it was a very great company.
9. Il y avait encore avec Joseph des chars et des cavaliers, en sorte que le cortège était très nombreux.
9. Ary nisy kalesy sy mpitaingin-tsoavaly niara-niakatra taminy koa, ka lehibe dia lehibe ny tobiny.
10. And they came to the threshingfloor of Atad, which is beyond Jordan, and there they mourned with a great and very sore lamentation: and he made a mourning for his father seven days.
10. "Arrivés à l`aire d`Athad, qui est au delà du Jourdain, ils firent entendre de grandes et profondes lamentations; et Joseph fit en l`honneur de son père un deuil de sept jours."
10. "Ary rehefa tonga tao am-pamoloan' i Atada ireo, izay ao an-dafin' i Jordana, dia nanao fisaonana lehibe sy mafy indrindra teo izy; dia nisaona an-drainy hafitoana Josefa."
11. And when the inhabitants of the land, the Canaanites, saw the mourning in the floor of Atad, they said, This is a grievous mourning to the Egyptians: wherefore the name of it was called Abelmizraim, which is beyond Jordan.
11. Les habitants du pays, les Cananéens, furent témoins de ce deuil dans l`aire d`Athad, et ils dirent: Voilà un grand deuil parmi les Égyptiens! C`est pourquoi l`on a donné le nom d`Abel Mitsraïm à cette aire qui est au delà du Jourdain.
11. "Ary rehefa hitan' ny Kananita tompon-tany ny fisaonana teo am-pamoloan' i Atada, dia hoy izy: Fisaonana mafy amin' ny Egyptiana izao; izany no nanaovany ny anarany hoe: Abel-mizraima, izay ao an-dafin' i Jordana."
12. And his sons did unto him according as he commanded them:
12. C`est ainsi que les fils de Jacob exécutèrent les ordres de leur père.
12. Ary ny zanakalahin' i Jakoba nanao taminy araka izay nandidiany azy.
13. For his sons carried him into the land of Canaan, and buried him in the cave of the field of Machpelah, which Abraham bought with the field for a possession of a buryingplace of Ephron the Hittite, before Mamre.
13. Ils le transportèrent au pays de Canaan, et l`enterrèrent dans la caverne du champ de Macpéla, qu`Abraham avait achetée d`Éphron, le Héthien, comme propriété sépulcrale, et qui est vis-à-vis de Mamré.
13. Dia nitondra azy tao amin' ny tany Kanana, ary nandevina azy tao amin' ny zohy amin' ny saha Makpela, tandrifin' i Mamre, dia ilay novidin' i Abrahama mbamin' ny saha tamin' i Efrona Hetita ho tany fandevenana.
14. And Joseph returned into Egypt, he, and his brethren, and all that went up with him to bury his father, after he had buried his father.
14. Joseph, après avoir enterré son père, retourna en Égypte, avec ses frères et tous ceux qui étaient montés avec lui pour enterrer son père.
14. Ary rehefa voalevin' i Josefa ny rainy, dia niverina tany Egypta izy sy ny rahalahiny mbamin' izay rehetra niara-niakatra taminy handevina ny rainy.
Joseph Reassures His Brothers
15. And when Joseph's brethren saw that their father was dead, they said, Joseph will peradventure hate us, and will certainly requite us all the evil which we did unto him.
15. Quand les frères de Joseph virent que leur père était mort, ils dirent: Si Joseph nous prenait en haine, et nous rendait tout le mal que nous lui avons fait!
15. Ary rehefa hitan' ny rahalahin' i Josefa fa maty ny rainy, dia hoy izy: Angamba hankahala antsika Josefa ka hamaly antsika tokoa noho ny ratsy rehetra izay nataontsika taminy.
16. And they sent a messenger unto Joseph, saying, Thy father did command before he died, saying,
16. Et ils firent dire à Joseph: Ton père a donné cet ordre avant de mourir:
16. Dia nandefa iraka nankany amin' i Josefa izy nanao hoe: Ny rainao nanafatra tokoa talohan' ny nahafatesany nanao hoe:
17. So shall ye say unto Joseph, Forgive, I pray thee now, the trespass of thy brethren, and their sin; for they did unto thee evil: and now, we pray thee, forgive the trespass of the servants of the God of thy father. And Joseph wept when they spake unto him.
17. Vous parlerez ainsi à Joseph: Oh! pardonne le crime de tes frères et leur péché, car ils t`ont fait du mal! Pardonne maintenant le péché des serviteurs du Dieu de ton père! Joseph pleura, en entendant ces paroles.
17. " Izao no holazainareo amin' i Josefa: Ankehitriny masìna ianao, mamelà re ny fahadisoan' ny rahalahinao sy ny fahotany; fa efa nanao ratsy taminao izy; ary ankehitriny, masìna ianao, mamelà ny fahadisoan'ny mpanompon'ny Andriamanitry ny rainao. Dia nitomany Josefa raha niteny taminy izy ireo."
18. And his brethren also went and fell down before his face; and they said, Behold, we be thy servants.
18. Ses frères vinrent eux-mêmes se prosterner devant lui, et ils dirent: Nous sommes tes serviteurs.
18. Ary nanatona azy ny rahalahiny, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Indreto izahay ho mpanomponao.
19. And Joseph said unto them, Fear not: for am I in the place of God?
19. "Joseph leur dit: Soyez sans crainte; car suis-je à la place de Dieu?"
19. "Ary hoy Josefa taminy: Aza matahotra; fa moa solon' Andriamanitra va aho?"
20. But as for you, ye thought evil against me; but God meant it unto good, to bring to pass, as it is this day, to save much people alive.
20. Vous aviez médité de me faire du mal: Dieu l`a changé en bien, pour accomplir ce qui arrive aujourd`hui, pour sauver la vie à un peuple nombreux.
20. "Fa ianareo dia nisaina hanisy ratsy ahy; fa Andriamanitra kosa nihevitra izany ho soa, mba hanao tahaka ny amin' izao anio izao, hamelona olona betsaka."
21. Now therefore fear ye not: I will nourish you, and your little ones. And he comforted them, and spake kindly unto them.
21. "Soyez donc sans crainte; je vous entretiendrai, vous et vos enfants. Et il les consola, en parlant à leur coeur."
21. "Koa ankehitriny, aza matahotra ianareo; hamelona anareo sy ny zanakareo madinika aho. Dia nampionona azy sy nanao teny malefaka nahafinaritra azy izy."
The Death of Joseph
22. And Joseph dwelt in Egypt, he, and his father's house: and Joseph lived an hundred and ten years.
22. Joseph demeura en Égypte, lui et la maison de son père. Il vécut cent dix ans.
22. "Ary Josefa sy ny ankohonan' ny rainy nonina tany Egypta; ary velona folo amby zato taona Josefa."
23. And Joseph saw Ephraim's children of the third generation: the children also of Machir the son of Manasseh were brought up upon Joseph's knees.
23. "Joseph vit les fils d`Éphraïm jusqu`à la troisième génération; et les fils de Makir, fils de Manassé, naquirent sur ses genoux."
23. "Ary hitan' i Josefa ny zafiafin' i Efraima; ny zanak' i Makira koa, zanakalahin' i Manase, dia noraisin' i Josefa ho eo am-pofoany."
24. And Joseph said unto his brethren, I die: and God will surely visit you, and bring you out of this land unto the land which he sware to Abraham, to Isaac, and to Jacob.
24. Joseph dit à ses frères: Je vais mourir! Mais Dieu vous visitera, et il vous fera remonter de ce pays-ci dans le pays qu`il a juré de donner à Abraham, à Isaac et à Jacob.
24. Ary hoy Josefa tamin' ny rahalahiny: Ho faty aho, ary Andriamanitra hamangy anareo tokoa ka hitondra anareo hiala amin' ity tany ity ho any amin' ny tany izay nianianany tamin' i Abrahama sy Isaka ary Jakoba.
25. And Joseph took an oath of the children of Israel, saying, God will surely visit you, and ye shall carry up my bones from hence.
25. "Joseph fit jurer les fils d`Israël, en disant: Dieu vous visitera; et vous ferez remonter mes os loin d`ici."
25. Ary Josefa dia nampianiana ny zanak' Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala eto ianareo.
26. So Joseph died, being an hundred and ten years old: and they embalmed him, and he was put in a coffin in Egypt.
26. Joseph mourut, âgé de cent dix ans. On l`embauma, et on le mit dans un cercueil en Égypte.
26. "Dia maty Josefa, rehefa folo amby zato taona; ary dia nohosorany zava-manitra izy ka napetrany tao anaty vatam-paty tany Egypta."