Manasseh and Ephraim
1. And it came to pass after these things, that one told Joseph, Behold, thy father is sick: and he took with him his two sons, Manasseh and Ephraim.
1. Après ces choses, l`on vint dire à Joseph: Voici, ton père est malade. Et il prit avec lui ses deux fils, Manassé et Éphraïm.
1. "Ary izao no niseho, taorian' izany zavatra izany, dia nisy nilaza tamin' i Josefa hoe: Indro, marary ny rainao; dia nentiny niaraka taminy ny zanany roa lahy, Manase sy Efraima."
2. And one told Jacob, and said, Behold, thy son Joseph cometh unto thee: and Israel strengthened himself, and sat upon the bed.
2. On avertit Jacob, et on lui dit: Voici ton fils Joseph qui vient vers toi. Et Israël rassembla ses forces, et s`assit sur son lit.
2. "Ary nisy nilaza tamin' i Jakoba ka nanao hoe: Indro, Josefa zanakao tamy ety aminao; dia nanatanja-tena Isiraely ka nipetraka teo ambonin' ny farafara."
3. And Jacob said unto Joseph, God Almighty appeared unto me at Luz in the land of Canaan, and blessed me,
3. Jacob dit à Joseph: Le Dieu tout puissant m`est apparu à Luz, dans le pays de Canaan, et il m`a béni.
3. Ary hoy Jakoba tamin' i Josefa: Andriamanitra Tsitoha efa niseho tamiko tany Lozy any amin' ny tany Kanana ary nitahy ahy,
4. And said unto me, Behold, I will make thee fruitful, and multiply thee, and I will make of thee a multitude of people; and will give this land to thy seed after thee for an everlasting possession.
4. "Il m`a dit: Je te rendrai fécond, je te multiplierai, et je ferai de toi une multitude de peuples; je donnerai ce pays à ta postérité après toi, pour qu`elle le possède à toujours."
4. "Ka nanao tamiko hoe: Indro, hahamaro ny taranakao aho, dia hampitombo anao, sy hanao anao ho firenena maro; dia homeko ny taranakao mandimby anao ity tany ity ho fananany mandrakizay."
5. And now thy two sons, Ephraim and Manasseh, which were born unto thee in the land of Egypt before I came unto thee into Egypt, are mine; as Reuben and Simeon, they shall be mine.
5. "Maintenant, les deux fils qui te sont nés au pays d`Égypte, avant mon arrivée vers toi en Égypte, seront à moi; Éphraïm et Manassé seront à moi, comme Ruben et Siméon."
5. Ary ankehitriny, ny zanakao mirahalahy, Efraima sy Manase, izay efa naterakao teto amin' ny tany Egypta fony tsy mbola tonga taty aminao teto Egypta aho, ahy ireo, tahaka an' i Robena sy Simeona, dia ho ahy izy ireo.
6. And thy issue, which thou begettest after them, shall be thine, and shall be called after the name of their brethren in their inheritance.
6. "Mais les enfants que tu as engendrés après eux seront à toi; ils seront appelés du nom de leurs frères dans leur héritage."
6. Fa ny zanakao izay haterakao aorian' izy mirahalahy dia ho anao kosa, ary ny anarany hatao araka ny an' ny rahalahiny eo amin' ny lovany.
7. And as for me, when I came from Padan, Rachel died by me in the land of Canaan in the way, when yet there was but a little way to come unto Ephrath: and I buried her there in the way of Ephrath; the same is Bethlehem.
7. "A mon retour de Paddan, Rachel mourut en route auprès de moi, dans le pays de Canaan, à quelque distance d`Éphrata; et c`est là que je l`ai enterrée, sur le chemin d`Éphrata, qui est Bethléhem."
7. "Ary izaho, raha niala tany Padan-arama aho, dia maty teo anatrehako Rahely tany amin' ny tany Kanana tany an-dalana, rehefa kely sisa tsy nahatongavana tany Efrata; ary nandevina azy teo amoron' ny lalana mankany Efrata aho, Betlehema izany."
8. And Israel beheld Joseph's sons, and said, Who are these?
8. Israël regarda les fils de Joseph, et dit: Qui sont ceux-ci?
8. Ary rehefa hitan' Isiraely ny zanak' i Josefa, dia hoy izy: Iza moa ireo?
9. And Joseph said unto his father, They are my sons, whom God hath given me in this place. And he said, Bring them, I pray thee, unto me, and I will bless them.
9. Joseph répondit à son père: Ce sont mes fils, que Dieu m`a donnés ici. Israël dit: Fais-les, je te prie, approcher de moi, pour que je les bénisse.
9. Ary hoy Josefa: Zanako ireto, izay nomen' Andriamanitra ahy teto amin' ity fitoerana ity. Ary hoy izy: Masìna ianao, ento aty amiko izy, dia hotsofiko rano.
10. Now the eyes of Israel were dim for age, so that he could not see. And he brought them near unto him; and he kissed them, and embraced them.
10. "Les yeux d`Israël étaient appesantis par la vieillesse; il ne pouvait plus voir. Joseph les fit approcher de lui; et Israël leur donna un baiser, et les embrassa."
10. "Ary efa pahina ny mason' Isiraely noho ny fahanterany, ka tsy nahita izy; dia nentin' i Josefa nanatona azy izy mirahalahy; ary Isiraely nanoroka sy namihina azy."
11. And Israel said unto Joseph, I had not thought to see thy face: and, lo, God hath shewed me also thy seed.
11. Israël dit à Joseph: Je ne pensais pas revoir ton visage, et voici que Dieu me fait voir même ta postérité.
11. "Dia hoy Isiraely tamin' i Josefa: Tsy nanampo hahita ny tavanao intsony aho; kanjo, indro, Andriamanitra efa nampahita ahy ny zanakao koa aza."
12. And Joseph brought them out from between his knees, and he bowed himself with his face to the earth.
12. Joseph les retira des genoux de son père, et il se prosterna en terre devant lui.
12. Ary Josefa nampiala azy mirahalahy teo anelanelan' ny lohalik' Isiraely, dia niankohoka tamin' ny tany izy.
13. And Joseph took them both, Ephraim in his right hand toward Israel's left hand, and Manasseh in his left hand toward Israel's right hand, and brought them near unto him.
13. Puis Joseph les prit tous deux, Éphraïm de sa main droite à la gauche d`Israël, et Manassé de sa main gauche à la droite d`Israël, et il les fit approcher de lui.
13. Dia notantanan' i Josefa izy mirahalahy: Efraima tamin' ny ankavanany ho eo amin' ny ankavian' Isiraely, ary Manase tamin' ny ankaviany ho eo amin' ny ankavanan' Isiraely, ka nentiny nanatona azy.
14. And Israel stretched out his right hand, and laid it upon Ephraim's head, who was the younger, and his left hand upon Manasseh's head, guiding his hands wittingly; for Manasseh was the firstborn.
14. Israël étendit sa main droite et la posa sur la tête d`Éphraïm qui était le plus jeune, et il posa sa main gauche sur la tête de Manassé: ce fut avec intention qu`il posa ses mains ainsi, car Manassé était le premier-né.
14. "Dia nahinjitr' Isiraely ny tanany ankavanana ka napetrany tamin' ny lohan'i Efraima, izay zandriny, fa ny tanany ankavia kosa teo amin' ny lohan' i Manase; fa niniany natao toy izany ny tanany, nefa Manase no lahimatoa."
15. And he blessed Joseph, and said, God, before whom my fathers Abraham and Isaac did walk, the God which fed me all my life long unto this day,
15. Il bénit Joseph, et dit: Que le Dieu en présence duquel ont marché mes pères, Abraham et Isaac, que le Dieu qui m`a conduit depuis que j`existe jusqu`à ce jour,
15. Dia nitsodrano an' i Josefa izy ka nanao hoe: Andriamanitra, Izay nandehanan' i Abrahama sy Isaka razako teo anatrehany, Andriamanitra, Izay namahana ahy hatrizay niainako ka mandraka androany,
16. The Angel which redeemed me from all evil, bless the lads; and let my name be named on them, and the name of my fathers Abraham and Isaac; and let them grow into a multitude in the midst of the earth.
16. que l`ange qui m`a délivré de tout mal, bénisse ces enfants! Qu`ils soient appelés de mon nom et du nom de mes pères, Abraham et Isaac, et qu`ils multiplient en abondance au milieu du pays!
16. "Ny Anjely izay nanavotra ahy tamin' ny loza rehetra anie hitahy ireto zaza ireto; ary aoka ny anarako sy ny anaran' i Abrahama sy Isaka no hanononana azy; ary hitombo ho maro dia maro eo amin' ny tany anie izy."
17. And when Joseph saw that his father laid his right hand upon the head of Ephraim, it displeased him: and he held up his father's hand, to remove it from Ephraim's head unto Manasseh's head.
17. "Joseph vit avec déplaisir que son père posait sa main droite sur la tête d`Éphraïm; il saisit la main de son père, pour la détourner de dessus la tête d`Éphraïm, et la diriger sur celle de Manassé."
17. "Ary rehefa hitan' i Josefa fa ny rainy nametraka ny tanany ankavanana teo amin' ny lohan' i Efraima, dia tsy sitrany izany; ka noraisiny ny tanan' ny rainy, mba hampiala azy amin' ny lohan' i Efraima ho amin' ny lohan' i Manase,"
18. And Joseph said unto his father, Not so, my father: for this is the firstborn; put thy right hand upon his head.
18. "Et Joseph dit à son père: Pas ainsi, mon père, car celui-ci est le premier-né; pose ta main droite sur sa tête."
18. "Ka hoy Josefa tamin' ny rainy: Tsy izao no izy, ry ikaky; fa ity ny lahimatoa, ka apetraho eo amin' ny lohany ny tananao ankavanana."
19. And his father refused, and said, I know it, my son, I know it: he also shall become a people, and he also shall be great: but truly his younger brother shall be greater than he, and his seed shall become a multitude of nations.
19. "Son père refusa, et dit: Je le sais, mon fils, je le sais; lui aussi deviendra un peuple, lui aussi sera grand; mais son frère cadet sera plus grand que lui, et sa postérité deviendra une multitude de nations."
19. "Fa nandà ny rainy, ka nanao hoe: Fantatro izany anaka, fantatro ihany; ho tonga firenena koa izy, ary ho lehibe koa izy; kanefa ny zandriny ho lehibe noho izy, ary ny taranany ho tonga firenena maro."
20. And he blessed them that day, saying, In thee shall Israel bless, saying, God make thee as Ephraim and as Manasseh: and he set Ephraim before Manasseh.
20. Il les bénit ce jour-là, et dit: C`est par toi qu`Israël bénira, en disant: Que Dieu te traite comme Éphraïm et comme Manassé! Et il mit Éphraïm avant Manassé.
20. "Dia nitsodrano azy ireo tamin' izany andro izany izy ka nanao hoe: Ianao no hitsofan' ny Isiraely rano hoe: Hataon' Andriamanitra tahaka an' i Efraima sy tahaka an' i Manase anie ianao; ary Efraima no nataony alohan' i Manase."
21. And Israel said unto Joseph, Behold, I die: but God shall be with you, and bring you again unto the land of your fathers.
21. Israël dit à Joseph: Voici, je vais mourir! Mais Dieu sera avec vous, et il vous fera retourner dans le pays de vos pères.
21. Ary hoy Isiraely tamin' i Josefa: Indro, ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo indray ho any amin' ny tanindrazanareo.
22. Moreover I have given to thee one portion above thy brethren, which I took out of the hand of the Amorite with my sword and with my bow.
22. Je te donne, de plus qu`à tes frères, une part que j`ai prise de la main des Amoréens avec mon épée et avec mon arc.
22. Ary izaho manome anao zaratany iray ho tombon-dahinao amin' ny rahalahinao, izay nalaiko tamin' ny sabatro sy ny tsipìkako teo an-tanan' ny Amorita.