1. And when Rachel saw that she bare Jacob no children, Rachel envied her sister; and said unto Jacob, Give me children, or else I die.
1. Lorsque Rachel vit qu`elle ne donnait point d`enfants à Jacob, elle porta envie à sa soeur, et elle dit à Jacob: Donne-moi des enfants, ou je meurs!
1. Ary rehefa hitan-dRahely fa tsy mba niteraka tamin' i Jakoba izy, dia nialona ny rahavaviny izy, ka hoy izy tamin' i Jakoba: Mba omeo zaza aho, fa raha tsy izany, dia ho faty aho.
2. And Jacob's anger was kindled against Rachel: and he said, Am I in God's stead, who hath withheld from thee the fruit of the womb?
2. La colère de Jacob s`enflamma contre Rachel, et il dit: Suis-je à la place de Dieu, qui t`empêche d`être féconde?
2. Dia nirehitra tamin-dRahely ny fahatezeran'i Jakoba, ka hoy izy: Solon' Andriamanitra, Izay nahamomba anao tsy hiteraka, va aho?
3. And she said, Behold my maid Bilhah, go in unto her; and she shall bear upon my knees, that I may also have children by her.
3. "Elle dit: Voici ma servante Bilha; va vers elle; qu`elle enfante sur mes genoux, et que par elle j`aie aussi des fils."
3. Ary hoy izy: Indro Bila mpanompoko, vadio izy, dia hiteraka eo am-pofoako izy, mba hahazoako zaza aminy koa.
4. And she gave him Bilhah her handmaid to wife: and Jacob went in unto her.
4. "Et elle lui donna pour femme Bilha, sa servante; et Jacob alla vers elle."
4. Dia nomeny azy Bila mpanompovaviny ho vadiny ka novadin' i Jakoba izy.
5. And Bilhah conceived, and bare Jacob a son.
5. Bilha devint enceinte, et enfanta un fils à Jacob.
5. Dia nanana anaka Bila ka niteraka zazalahy tamin' i Jakoba.
6. And Rachel said, God hath judged me, and hath also heard my voice, and hath given me a son: therefore called she his name Dan.
6. Rachel dit: Dieu m`a rendu justice, il a entendu ma voix, et il m`a donné un fils. C`est pourquoi elle l`appela du nom de Dan.
6. "Ary hoy Rahely: Efa nanome ahy ny rariny Andriamanitra sady efa nihaino ny feoko koa, ka nanome ahy zanaka lahy; noho izany no nanaovany ny anarany hoe: Dana."
7. And Bilhah Rachel's maid conceived again, and bare Jacob a second son.
7. Bilha, servante de Rachel, devint encore enceinte, et enfanta un second fils à Jacob.
7. Dia nanana anaka indray Bila, mpanompovavin-dRahely, ka niteraka zanakalahy faharoa tamin' i Jakoba.
8. And Rachel said, With great wrestlings have I wrestled with my sister, and I have prevailed: and she called his name Naphtali.
8. Rachel dit: J`ai lutté divinement contre ma soeur, et j`ai vaincu. Et elle l`appela du nom de Nephthali.
8. "Ary hoy Rahely: Fitolomana lehibe no nitolomako tamin' ny rahavaviko, ary efa nahery aho; dia nataony hoe Naftaly ny anarany."
9. When Leah saw that she had left bearing, she took Zilpah her maid, and gave her Jacob to wife.
9. Léa voyant qu`elle avait cessé d`enfanter, prit Zilpa, sa servante, et la donna pour femme à Jacob.
9. Rehefa hitan' i Lea fa efa nitsaha-jaza izy, dia naka an' i Zilpa mpanompovaviny izy ka nanome azy ho vadin' i Jakoba.
10. And Zilpah Leah's maid bare Jacob a son.
10. Zilpa, servante de Léa, enfanta un fils à Jacob.
10. Ary Zilpa mpanompovavin' i Lea dia niteraka zanakalahy tamin' i Jakoba.
11. And Leah said, A troop cometh: and she called his name Gad.
11. Léa dit: Quel bonheur! Et elle l`appela du nom de Gad.
11. "Ary hoy Lea: Misy antokony tonga; dia nataony hoe Gada ny anarany."
12. And Zilpah Leah's maid bare Jacob a second son.
12. Zilpa, servante de Léa, enfanta un second fils à Jacob.
12. Ary Zilpa mpanompovavin' i Lea dia niteraka zanakalahy faharoa tamin' i Jakoba.
13. And Leah said, Happy am I, for the daughters will call me blessed: and she called his name Asher.
13. Léa dit: Que je suis heureuse! car les filles me diront heureuse. Et elle l`appela du nom d`Aser.
13. "Ary hoy Lea: Sambatra aho, fa hataon' ny zanakavavin' ny olona hoe sambatra aho; dia nataony hoe Asera ny anarany."
14. And Reuben went in the days of wheat harvest, and found mandrakes in the field, and brought them unto his mother Leah. Then Rachel said to Leah, Give me, I pray thee, of thy son's mandrakes.
14. Ruben sortit au temps de la moisson des blés, et trouva des mandragores dans les champs. Il les apporta à Léa, sa mère. Alors Rachel dit à Léa: Donne moi, je te prie, des mandragores de ton fils.
14. Ary nankany an-tsaha Robena tamin' ny andro fijinjam-barimbazaha ka nahita mandragora dia nitondra izany ho any amin' i Lea reniny. Ary hoy Rahely tamin' i Lea: masìna ianao, mba omeo amin' ny mandragoran' ny zanakao aho.
15. And she said unto her, Is it a small matter that thou hast taken my husband? and wouldest thou take away my son's mandrakes also? And Rachel said, Therefore he shall lie with thee to night for thy son's mandrakes.
15. Elle lui répondit: Est-ce peu que tu aies pris mon mari, pour que tu prennes aussi les mandragores de mon fils? Et Rachel dit: Eh bien! il couchera avec toi cette nuit pour les mandragores de ton fils.
15. Ary hoy izy taminy: Moa zavatra kely va no nakanao ny vadiko? no dia halainao koa ny mandragoran' ny zanako?Ary hoy Rahely: Handry aminao àry izy anio alina noho ny amin' ny mandragoran' ny zanakao.
16. And Jacob came out of the field in the evening, and Leah went out to meet him, and said, Thou must come in unto me; for surely I have hired thee with my son's mandrakes. And he lay with her that night.
16. Le soir, comme Jacob revenait des champs, Léa sortit à sa rencontre, et dit: C`est vers moi que tu viendras, car je t`ai acheté pour les mandragores de mon fils. Et il coucha avec elle cette nuit.
16. Ary tonga avy tany an-tsaha Jakoba nony hariva, dia nivoaka nitsena azy Lea, ka nanao hoe: Tsy maintsy mankaty amiko ianao, fa ny mandragoran' ny zanako no efa nanakaramako anao tokoa.Dia nandry taminy izy tamin' iny alina iny.
17. And God hearkened unto Leah, and she conceived, and bare Jacob the fifth son.
17. Dieu exauça Léa, qui devint enceinte, et enfanta un cinquième fils à Jacob.
17. Ary Andriamanitra nihaino an' i Lea, dia nanana anaka izy ka niteraka zazalahy fahadiminy tamin' i Jakoba.
18. And Leah said, God hath given me my hire, because I have given my maiden to my husband: and she called his name Issachar.
18. Léa dit: Dieu m`a donné mon salaire parce que j`ai donné ma servante à mon mari. Et elle l`appela du nom d`Issacar.
18. Ary hoy Lea: Efa nomen' Andriamanitra ny karamako, satria nomeko ho vadin' ny vadiko ny mpanompovaviko, dia nataony hoe: Isakara ny anarany.
19. And Leah conceived again, and bare Jacob the sixth son.
19. Léa devint encore enceinte, et enfanta un sixième fils à Jacob.
19. Dia nanana anaka indray lea ka niteraka zazalahy fahenina tamin' i Jakoba.
20. And Leah said, God hath endued me with a good dowry; now will my husband dwell with me, because I have born him six sons: and she called his name Zebulun.
20. "Léa dit: Dieu m`a fait un beau don; cette fois, mon mari habitera avec moi, car je lui ai enfanté six fils. Et elle l`appela du nom de Zabulon."
20. "Ary hoy Lea: Efa nanome anjara soa ho ahy Andriamanitra; Izao dia hitoetra amiko ny vadiko, satria efa niteraka zaza enin-dahy ho azy aho; dia nataony hoe Zebolona ny anarany."
21. And afterwards she bare a daughter, and called her name Dinah.
21. Ensuite, elle enfanta une fille, qu`elle appela du nom de Dina.
21. Ary rehefa afaka izany, dia niteraka zazavavy izy, ka nataony hoe Dina ny anarany.
22. And God remembered Rachel, and God hearkened to her, and opened her womb.
22. Dieu se souvint de Rachel, il l`exauça, et il la rendit féconde.
22. Ary nahatsiaro an-dRahely Andriamanitra, dia nihaino azy ka nampanan' anaka azy.
23. And she conceived, and bare a son; and said, God hath taken away my reproach:
23. Elle devint enceinte, et enfanta un fils, et elle dit: Dieu a enlevé mon opprobre.
23. "Ary nanana anaka izy ka niteraka zazalahy; dia hoy izy: Efa nahafa-tondromaso ahy Andriamanitra."
24. And she called his name Joseph; and said, The LORD shall add to me another son.
24. Et elle lui donna le nom de Joseph, en disant: Que l`Éternel m`ajoute un autre fils!
24. Dia nataony hoe Josefa ny anarany, ka hoy izy: Jehovah anie hanampy zazalahy iray ho ahy.
Jacob's Flocks Increase
25. And it came to pass, when Rachel had born Joseph, that Jacob said unto Laban, Send me away, that I may go unto mine own place, and to my country.
25. Lorsque Rachel eut enfanté Joseph, Jacob dit à Laban: Laisse-moi partir, pour que je m`en aille chez moi, dans mon pays.
25. Ary izao no niseho, rehefa niteraka an' i Josefa i Rahely, dia hoy Jakoba tamin' i Labana: Alefaso aho hankany amin' ny fonenako sy ny taniko.
26. Give me my wives and my children, for whom I have served thee, and let me go: for thou knowest my service which I have done thee.
26. "Donne-moi mes femmes et mes enfants, pour lesquels je t`ai servi, et je m`en irai; car tu sais quel service j`ai fait pour toi."
26. "Omeo ahy ireo vadiko aman-janako, izay nanompoako anao, dia avelao aho andeha; fa fantatrao ny fanompoako izay nataoko ho anao."
27. And Laban said unto him, I pray thee, if I have found favour in thine eyes, tarry: for I have learned by experience that the LORD hath blessed me for thy sake.
27. "Laban lui dit: Puissé-je trouver grâce à tes yeux! Je vois bien que l`Éternel m`a béni à cause de toi;"
27. "Ary hoy Labana taminy: Masìna ianao, raha nahita fitia eo imasonao aho, mijanòna; fa efa fantatro tamin' ny fahatsapana fa notahian' i Jehovah aho noho ny aminao."
28. And he said, Appoint me thy wages, and I will give it.
28. fixe-moi ton salaire, et je te le donnerai.
28. Ary hoy koa izy: Tonòny izay ho karamanao, dia homeko anao.
29. And he said unto him, Thou knowest how I have served thee, and how thy cattle was with me.
29. "Jacob lui dit: Tu sais comment je t`ai servi, et ce qu`est devenu ton troupeau avec moi;"
29. Ary hoy Jakoba taminy: Fantatrao ny fomba nanompoako anao sy ny toetry ny omby aman' ondrinao tato amiko.
30. For it was little which thou hadst before I came, and it is now increased unto a multitude; and the LORD hath blessed thee since my coming: and now when shall I provide for mine own house also?
30. car le peu que tu avais avant moi s`est beaucoup accru, et l`Éternel t`a béni sur mes pas. Maintenant, quand travaillerai-je aussi pour ma maison?
30. "Fa kely izay nanananao talohan' ny nahatongavako, fa efa nitombo be dia be izany ankehitriny; ary efa notahian' i Jehovah ianao hatramin' ny nahatongavako; ary ankehitriny rahoviana kosa aho no hihary ho an' ny ankohonako manokana?"
31. And he said, What shall I give thee? And Jacob said, Thou shalt not give me any thing: if thou wilt do this thing for me, I will again feed and keep thy flock.
31. Laban dit: Que te donnerai-je? Et Jacob répondit: Tu ne me donneras rien. Si tu consens à ce que je vais te dire, je ferai paître encore ton troupeau, et je le garderai.
31. "Ary hoy izy: Inona ary no homeko anao? Ary hoy Jakoba: Tsy hanome ahy na inona na inona ianao; raha hataonao amiko izao zavatra izao, dia mbola handrasako sy hotandremako ihany ny ondry aman' osinao"
32. I will pass through all thy flock to day, removing from thence all the speckled and spotted cattle, and all the brown cattle among the sheep, and the spotted and speckled among the goats: and of such shall be my hire.
32. "Je parcourrai aujourd`hui tout ton troupeau; mets à part parmi les brebis tout agneau tacheté et marqueté et tout agneau noir, et parmi les chèvres tout ce qui est marqueté et tacheté. Ce sera mon salaire."
32. "Handeha hitety ny andiam-biby fiompinao aho anio ka hanavaka ny sada sy ny mara rehetra, ary ny manja rehetra eo amin' ny ondry, ary ny mara sy ny sada rehetra eo amin' ny osy; dia ireo no ho karamako."
33. So shall my righteousness answer for me in time to come, when it shall come for my hire before thy face: every one that is not speckled and spotted among the goats, and brown among the sheep, that shall be counted stolen with me.
33. "Ma droiture répondra pour moi demain, quand tu viendras voir mon salaire; tout ce qui ne sera pas tacheté et marqueté parmi les chèvres, et noir parmi les agneaux, ce sera de ma part un vol."
33. "Koa ny fahamarinako no ho vavolombeloko amin' ny andro ho avy, rehefa ho tonga karamako eo imasonao izany; izay rehetra tsy sada sy tsy mara eo amin' ny osy, ary izay tsy manja eo amin' ny ondry dia isaina ho halatro izany."
34. And Laban said, Behold, I would it might be according to thy word.
34. Laban dit: Eh bien! qu`il en soit selon ta parole.
34. Ary hoy Labana: Indro, aoka ho araka ny teninao izany.
35. And he removed that day the he goats that were ringstraked and spotted, and all the she goats that were speckled and spotted, and every one that had some white in it, and all the brown among the sheep, and gave them into the hand of his sons.
35. Ce même jour, il mit à part les boucs rayés et marquetés, toutes les chèvres tachetées et marquetées, toutes celles où il y avait du blanc, et tout ce qui était noir parmi les brebis. Il les remit entre les mains de ses fils.
35. Dia navahany tamin' izany andro izany ny osilahy sadika sy mara, sy ny osivavy rehetra izay sada sy mara, sy izay rehetra nisy fotsy, ary ny manja rehetra teo amin' ny ondry, dia natolony teo an-tanan' ny zanany lahy ireny.
36. And he set three days' journey betwixt himself and Jacob: and Jacob fed the rest of Laban's flocks.
36. "Puis il mit l`espace de trois journées de chemin entre lui et Jacob; et Jacob fit paître le reste du troupeau de Laban."
36. "Ary nasiany lalan-kateloana teo anelanelan' izy sy Jakoba; ary niandry ny andian' ny biby fiompin' i Labana sisa i Jakoba."
37. And Jacob took him rods of green poplar, and of the hazel and chestnut tree; and pilled white strakes in them, and made the white appear which was in the rods.
37. "Jacob prit des branches vertes de peuplier, d`amandier et de platane; il y pela des bandes blanches, mettant à nu le blanc qui était sur les branches."
37. "Ary Jakoba dia naka tsorakazo maro tamin' ny hazo popola maitso sy tamin' ny hazo lozy ary tamin' ny hazo platana ; ka nataony ofy vandana ireny hisehoan' ny fotsy izay teo amin' ny tsorakazo."
38. And he set the rods which he had pilled before the flocks in the gutters in the watering troughs when the flocks came to drink, that they should conceive when they came to drink.
38. Puis il plaça les branches, qu`il avait pelées, dans les auges, dans les abreuvoirs, sous les yeux des brebis qui venaient boire, pour qu`elles entrassent en chaleur en venant boire.
38. Ary ireny tsorakazo voaofiny ireny dia napetrany teo anoloan' ny ondry aman' osy anatin' ny tavin-drano, dia teo amin' ny fisotroan-drano, izay nalehan' ny ondry aman' osy hisotro, ka nikambana teo ny lahy sy ny vavy, raha avy hisotro rano izy.
39. And the flocks conceived before the rods, and brought forth cattle ringstraked, speckled, and spotted.
39. Les brebis entraient en chaleur près des branches, et elles faisaient des petits rayés, tachetés et marquetés.
39. Dia nikambana tandrifin' ny tsorakazo ny ondry aman' osy ka niteraka sadika sy mara ary sada.
40. And Jacob did separate the lambs, and set the faces of the flocks toward the ringstraked, and all the brown in the flock of Laban; and he put his own flocks by themselves, and put them not unto Laban's cattle.
40. Jacob séparait les agneaux, et il mettait ensemble ce qui était rayé et tout ce qui était noir dans le troupeau de Laban. Il se fit ainsi des troupeaux à part, qu`il ne réunit point au troupeau de Laban.
40. "Ary ny zanak' ondry navahan' i Jakoba, ary ny ondry aman' osy dia nataony nanatrika ny sadika sy ny manja rehetra teo amin' ny andian' ondry aman' osin' i Labana; ary natokany ny ondry aman' osiny, ka tsy nataony teo amin' ny biby fiompin' i Labana."
41. And it came to pass, whensoever the stronger cattle did conceive, that Jacob laid the rods before the eyes of the cattle in the gutters, that they might conceive among the rods.
41. Toutes les fois que les brebis vigoureuses entraient en chaleur, Jacob plaçait les branches dans les auges, sous les yeux des brebis, pour qu`elles entrassent en chaleur près des branches.
41. Ary izao no niseho, na oviana na oviana no hikambanan' ny biby fiompy matanjaka dia napetrak' i Jakoba tao anatin' ny tavin-drano teo anoloan' ny mason' ny biby fiompy ny tsorakazo mba hikambanany eo amin' ny tsorakazo.
42. But when the cattle were feeble, he put them not in: so the feebler were Laban's, and the stronger Jacob's.
42. "Quand les brebis étaient chétives, il ne les plaçait point; de sorte que les chétives étaient pour Laban, et les vigoureuses pour Jacob."
42. "Fa raha osa kosa ny biby fiompy, dia tsy mba napetrany teo izany; koa ny osa kokoa no an' i Labana, fa ny matanjaka kokoa no an' i Jakoba."
43. And the man increased exceedingly, and had much cattle, and maidservants, and menservants, and camels, and asses.
43. "Cet homme devint de plus en plus riche; il eut du menu bétail en abondance, des servantes et des serviteurs, des chameaux et des ânes."
43. Dia nitombo fananana indrindra ralehilahy, ka nanana biby fiompy betsaka, mbamin' ny mpanompovavy sy mpanompolahy ary rameva sy boriky.