1. Then fourteen years after I went up again to Jerusalem with Barnabas, and took Titus with me also.
1. "Quatorze ans après, je montai de nouveau à Jérusalem avec Barnabas, ayant aussi pris Tite avec moi;"
1. Ary nony afaka efatra ambin’ny folo taona, dia niakatra tany Jerosalema indray izaho sy Barnabasy, ary Titosy dia nentiko niaraka tamiko koa.
2. And I went up by revelation, and communicated unto them that gospel which I preach among the Gentiles, but privately to them which were of reputation, lest by any means I should run, or had run, in vain.
2. et ce fut d`après une révélation que j`y montai. Je leur exposai l`Évangile que je prêche parmi les païens, je l`exposai en particulier à ceux qui sont les plus considérés, afin de ne pas courir ou avoir couru en vain.
2. Ary niakatra araka ny fanambarana aho, ka nambarako taminy ny filazantsara izay toriko any amin’ny Jentilisa, nefa nangIngina ihany tamin’izay manan-daza, fandrao ho mihazakazaka foana aho, na efa nihazakazaka foana.
3. But neither Titus, who was with me, being a Greek, was compelled to be circumcised:
3. Mais Tite, qui était avec moi, et qui était Grec, ne fut pas même contraint de se faire circoncire.
3. Kanefa na dia Titosy izay niaraka tamiko aza, dia tsy mba noterena hoforana, na dia Grika aza izy,
4. And that because of false brethren unawares brought in, who came in privily to spy out our liberty which we have in Christ Jesus, that they might bring us into bondage:
4. Et cela, à cause des faux frères qui s`étaient furtivement introduits et glissés parmi nous, pour épier la liberté que nous avons en Jésus Christ, avec l`intention de nous asservir.
4. "Dia noho ny rahalahy sandoka nampidirina misokosoko, izay niditra mangina hisafo ny fahafahantsika, izay ananantsika ao amin’i Kristy Jesosy, mba hitondrany antsika ho any amin' ny fanandevozana;"
5. To whom we gave place by subjection, no, not for an hour; that the truth of the gospel might continue with you.
5. Nous ne leur cédâmes pas un instant et nous résistâmes à leurs exigences, afin que la vérité de l`Évangile fût maintenue parmi vous.
5. Fa tsy nety nikoy ireo izahay na dia ora iray monja aza, mba hitoeran’ny fahamarinan’ny filazantsara aminareo.
6. But of these who seemed to be somewhat, (whatsoever they were, it maketh no matter to me: God accepteth no man's person:) for they who seemed to be somewhat in conference added nothing to me:
6. Ceux qui sont les plus considérés-quels qu`ils aient été jadis, cela ne m`importe pas: Dieu ne fait point acception de personnes, -ceux qui sont les plus considérés ne m`imposèrent rien.
6. "Fa ny amin’ny olona izay atao ho manan-daza (na manao ahoana na manao ahoana izy dia tsy mampaninona ahy; Andriamanitra tsy mizaha tavan’olona), fa tsy nomen’ireo manan-daza ireo saina na tamin’inona na tamin’inona aho."
7. But contrariwise, when they saw that the gospel of the uncircumcision was committed unto me, as the gospel of the circumcision was unto Peter;
7. Au contraire, voyant que l`Évangile m`avait été confié pour les incirconcis, comme à Pierre pour les circoncis, -
7. Fa ny mifanohitra no nataony, nony hitany fa notolorana ny filazantsara ho an’ny tsy voafora ho adidiko aho, tahaka ny filazantsara ho an’ny voafora an’i Petera,
8. (For he that wrought effectually in Peter to the apostleship of the circumcision, the same was mighty in me toward the Gentiles:)
8. car celui qui a fait de Pierre l`apôtre des circoncis a aussi fait de moi l`apôtre des païens, -
8. (Fa Izay niasa tamim-pahombiazana ho an’i Petera hahatonga azy apostoly ho an’ny voafora no niasa tamin-kery ho ahy koa ho an’ny Jentilisa),
9. And when James, Cephas, and John, who seemed to be pillars, perceived the grace that was given unto me, they gave to me and Barnabas the right hands of fellowship; that we should go unto the heathen, and they unto the circumcision.
9. et ayant reconnu la grâce qui m`avait été accordée, Jacques, Céphas et Jean, qui sont regardés comme des colonnes, me donnèrent, à moi et à Barnabas, la main d`association, afin que nous allassions, nous vers les païens, et eux vers les circoncis.
9. Ary nony fantatr’i Jakoba sy Kefasy ary Jaona, izay natao ho andry, ny fahasoavana nomena ahy, dia notolorany ny tanana ankavanan’ny fihavanana izaho sy Barnabasy, mba hankany amin’ny jentilisa izahay, fa izy ireo kosa ho any amin’ny voafora.
10. Only they would that we should remember the poor; the same which I also was forward to do.
10. Ils nous recommandèrent seulement de nous souvenir des pauvres, ce que j`ai bien eu soin de faire.
10. Izao ihany no tiany, dia ny mba ahatsiarovanay ny mahantra, sady nahazoto ahy indrindra rahateo ny hanao izany.
11. But when Peter was come to Antioch, I withstood him to the face, because he was to be blamed.
11. Mais lorsque Céphas vint à Antioche, je lui résistai en face, parce qu`il était répréhensible.
11. Fa nony tonga tany Antiokia i Petera, dia nanohitra azy nifanatrika aho, satria hita fa nanan-tsiny izy.
12. For before that certain came from James, he did eat with the Gentiles: but when they were come, he withdrew and separated himself, fearing them which were of the circumcision.
12. "En effet, avant l`arrivée de quelques personnes envoyées par Jacques, il mangeait avec les païens; et, quand elles furent venues, il s`esquiva et se tint à l`écart, par crainte des circoncis."
12. "Fa fony tsy mbola tonga ny sasany avy tany amin’i Jakoba, dia niara-nihinana tamin’ny Jentilisa ihany izy; fa nony tonga ireo, dia nihatakataka izy ka niala, satria natahotra ireo anisan’ny voafora."
13. And the other Jews dissembled likewise with him; insomuch that Barnabas also was carried away with their dissimulation.
13. Avec lui les autres Juifs usèrent aussi de dissimulation, en sorte que Barnabas même fut entraîné par leur hypocrisie.
13. Ary ny Jiosy sasany koa niara-nihatsaravelatsihy taminy, ka Barnabasy avy aza mba voataonan’ny fihatsarambelatsihiny koa.
14. But when I saw that they walked not uprightly according to the truth of the gospel, I said unto Peter before them all, If thou, being a Jew, livest after the manner of Gentiles, and not as do the Jews, why compellest thou the Gentiles to live as do the Jews?
14. Voyant qu`ils ne marchaient pas droit selon la vérité de l`Évangile, je dis à Céphas, en présence de tous: Si toi qui es Juif, tu vis à la manière des païens et non à la manière des Juifs, pourquoi forces-tu les païens à judaïser?
14. Fa rehefa hitako fa tsy nandeha mahitsy araka ny fahamarinan’ny filazantsara ireo, dia hoy aho tamin’i Petera teo anatrehan’izy rehetra: Raha ianao izay Jiosy aza no miaina araka ny fanaon’ny Jentilisa, fa tsy araka ny fanaon’ny Jiosy, nahoana ny Jentilisa no terenao hiaina araka ny fanaon’ny Jiosy?
15. We who are Jews by nature, and not sinners of the Gentiles,
15. Nous, nous sommes Juifs de naissance, et non pécheurs d`entre les païens.
15. Taranaky ny Jiosy isika, fa tsy mba mpanota avy amin’ny Jentilisa,
16. Knowing that a man is not justified by the works of the law, but by the faith of Jesus Christ, even we have believed in Jesus Christ, that we might be justified by the faith of Christ, and not by the works of the law: for by the works of the law shall no flesh be justified.
16. Néanmoins, sachant que ce n`est pas par les oeuvres de la loi que l`homme est justifié, mais par la foi en Jésus Christ, nous aussi nous avons cru en Jésus Christ, afin d`être justifiés par la foi en Christ et non par les oeuvres de la loi, parce que nulle chair ne sera justifiée par les oeuvres de la loi.
16. Nefa fantatsika fa tsy mba hamarinina amin’ny asan’ny lalàna ny olona, fa amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy, dia nino an’i Kristy Jesosy koa isika mba hohamarinina amin’ny finoana an’i Kristy, fa tsy amin’ny asan’ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna.
17. But if, while we seek to be justified by Christ, we ourselves also are found sinners, is therefore Christ the minister of sin? God forbid.
17. Mais, tandis que nous cherchons à être justifié par Christ, si nous étions aussi nous-mêmes trouvés pécheurs, Christ serait-il un ministre du péché? Loin de là!
17. Fa raha mitady hohamarinina ao amin’i Kristy isika, nefa ny tenantsika no hita fa mpanota, moa mpanompo ny ota va Kristy? Sanatria izany!
18. For if I build again the things which I destroyed, I make myself a transgressor.
18. Car, si je rebâtis les choses que j`ai détruites, je me constitue moi-même un transgresseur,
18. Fa raha ny zavatra efa noravako no atsangako indray, dia mampiseho ny tenako fa mpandika lalàna aho.
19. For I through the law am dead to the law, that I might live unto God.
19. car c`est par la loi que je suis mort à la loi, afin de vivre pour Dieu.
19. Fa raha izaho, dia tamin’ny lalàna no nahafatesako ny amin’ny lalàna, mba ho velona ho an’Andriamanitra aho.
20. I am crucified with Christ: nevertheless I live; yet not I, but Christ liveth in me: and the life which I now live in the flesh I live by the faith of the Son of God, who loved me, and gave himself for me.
20. "J`ai été crucifié avec Christ; et si je vis, ce n`est plus moi qui vis, c`est Christ qui vit en moi; si je vis maintenant dans la chair, je vis dans la foi au Fils de Dieu, qui m`a aimé et qui s`est livré lui-même pour moi."
20. "Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazofijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo, dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra Izay efa tia ahy, ka nanolotra ny tenany ho ahy."
21. I do not frustrate the grace of God: for if righteousness come by the law, then Christ is dead in vain.
21. "Je ne rejette pas la grâce de Dieu; car si la justice s`obtient par la loi, Christ est donc mort en vain."
21. "Tsy mahafoana ny fahasoavan’Andriamanitra aho; fa raha avy amin’ny lalàna ny fahamarinana, dia maty foana Kristy."