1. How is the gold become dim! how is the most fine gold changed! the stones of the sanctuary are poured out in the top of every street.
1. Eh quoi! l`or a perdu son éclat! L`or pur est altéré! Les pierres du sanctuaire sont dispersées Aux coins de toutes les rues!
1. "Indrisy!efa matromatroka ny volamena;efa niova ny tena volamena tsara! Ny vaton' ny fitoerana masina dia efa nahahany eny an-joron-dalambe rehetra eny."
2. The precious sons of Zion, comparable to fine gold, how are they esteemed as earthen pitchers, the work of the hands of the potter!
2. Les nobles fils de Sion, Estimés à l`égal de l`or pur, Sont regardés, hélas! comme des vases de terre, Ouvrage des mains du potier!
2. Indrisy! ny zanaka mahafinaritr' i Ziona, izay sarobidy tahaka ny tena volamena, dia efa atao ho toy ny siny tany, asan-tanan' ny mpanefy tanimanga!
3. Even the sea monsters draw out the breast, they give suck to their young ones: the daughter of my people is become cruel, like the ostriches in the wilderness.
3. "Les chacals mêmes présentent la mamelle, Et allaitent leurs petits; Mais la fille de mon peuple est devenue cruelle Comme les autruches du désert."
3. "Na dia ny biby goavana any an-dranomasina aza dia manolotra nono hampinonoany ny zanany; fa ny zanakavavin' ny oloko kosa dia efa tonga masiaka, toy ny ostritsa any an' efitra."
4. The tongue of the sucking child cleaveth to the roof of his mouth for thirst: the young children ask bread, and no man breaketh it unto them.
4. "La langue du nourrisson s`attache à son palais, Desséchée par la soif; Les enfants demandent du pain, Et personne ne leur en donne."
4. "Ny lelan' ny zaza minono miraikitra amin' ny lanilaniny noho ny hetaheta; ny ankizy madinika mangataka hanina, nefa tsy misy mizara ho azy."
5. They that did feed delicately are desolate in the streets: they that were brought up in scarlet embrace dunghills.
5. "Ceux qui se nourrissaient de mets délicats Périssent dans les rues; Ceux qui étaient élevés dans la pourpre Embrassent les fumiers."
5. "Izay nihinana zava-py dia ana eny an-dalambe; izay notezaina tamin' ny jaky dia mandamaka eny amin' ny zezika."
6. For the punishment of the iniquity of the daughter of my people is greater than the punishment of the sin of Sodom, that was overthrown as in a moment, and no hands stayed on her.
6. Le châtiment de la fille de mon peuple est plus grand Que celui de Sodome, Détruite en un instant, Sans que personne ait porté la main sur elle.
6. Fa ny famaizana ny heloky ny zanakavavin' ny oloko dia lehibe noho ny famaizana ny helok' i Sodoma, izay noravana indray mipi-maso monja, nefa tsy nokasihin-tanana akory.
7. Her Nazarites were purer than snow, they were whiter than milk, they were more ruddy in body than rubies, their polishing was of sapphire:
7. "Ses princes étaient plus éclatants que la neige, Plus blancs que le lait; Ils avaient le teint plus vermeil que le corail; Leur figure était comme le saphir."
7. "Ny Naziritany dia nangatsakatsaka noho ny fanala, fotsy noho ny ronono izy; mena noho ny robia ny tenany; tahaka ny safira ny famirapiratry ny endriny."
8. Their visage is blacker than a coal; they are not known in the streets: their skin cleaveth to their bones; it is withered, it is become like a stick.
8. "Leur aspect est plus sombre que le noir; On ne les reconnaît pas dans les rues; Ils ont la peau collée sur les os, Sèche comme du bois."
8. "Mainty noho ny arina ny tarehiny, ka tsy fantatra eny an-dalana izy; ny hodiny miraikitra amin' ny taolany, malazo izy ka tonga toy ny hazo."
9. They that be slain with the sword are better than they that be slain with hunger: for these pine away, stricken through for want of the fruits of the field.
9. Ceux qui périssent par l`épée sont plus heureux Que ceux qui périssent par la faim, Qui tombent exténués, Privés du fruit des champs.
9. "Tsara ny matin-tsabatra noho ny maty mosary; fa ireto dia mihareraka toy ny voatrobaka noho ny tsy fisian' ny vokatry ny saha."
10. The hands of the pitiful women have sodden their own children: they were their meat in the destruction of the daughter of my people.
10. "Les femmes, malgré leur tendresse, Font cuire leurs enfants; Ils leur servent de nourriture, Au milieu du désastre de la fille de mon peuple."
10. "Ny tanan' ny vehivavy malemy fanahy aza dia nahandro ny zanany; izany no nohaniny tamin' ny fandringanana ny zanakavavin' ny oloko."
11. The LORD hath accomplished his fury; he hath poured out his fierce anger, and hath kindled a fire in Zion, and it hath devoured the foundations thereof.
11. "L`Éternel a épuisé sa fureur, Il a répandu son ardente colère; Il a allumé dans Sion un feu Qui en dévore les fondements."
11. Notantanterahin' i Jehovah ny fahavinirany, naidiny ny fahatezerany mirehitra,ary nampirehitra afo tao Ziona Izy, ka nandevona ny fanorenany.
12. The kings of the earth, and all the inhabitants of the world, would not have believed that the adversary and the enemy should have entered into the gates of Jerusalem.
12. Les rois de la terre n`auraient pas cru, Aucun des habitants du monde n`aurait cru Que l`adversaire, que l`ennemi entrerait Dans les portes de Jérusalem.
12. Ny mpanjakan' ny tany sy ny mponina rehetra amin' izao tontolo izao dia tsy nino fa ny rafilahy sy ny fahavalo no ho tafiditra ao amin' ny vavahadin' i Jerosalema.
13. For the sins of her prophets, and the iniquities of her priests, that have shed the blood of the just in the midst of her,
13. Voilà le fruit des péchés de ses prophètes, Des iniquités de ses sacrificateurs, Qui ont répandu dans son sein Le sang des justes!
13. Noho ny fahotan' ny mpaminaniny sy ny heloky ny mpisorony, izay nandatsaka ny ràn' ny marina tao aminy.
14. They have wandered as blind men in the streets, they have polluted themselves with blood, so that men could not touch their garments.
14. "Ils erraient en aveugles dans les rues, Souillés de sang; On ne pouvait Toucher leurs vêtements."
14. Niraparapa toy ny jamba teny an-dalambe izy, sady nandoto ny tenany tamin' ny rà ka tsy nisy nahakasika ny akanjony.
15. They cried unto them, Depart ye; it is unclean; depart, depart, touch not: when they fled away and wandered, they said among the heathen, They shall no more sojourn there.
15. "Éloignez-vous, impurs! leur criait-on, Éloignez-vous, éloignez-vous, ne nous touchez pas! Ils sont en fuite, ils errent çà et là; On dit parmi les nations: Ils n`auront plus leur demeure!"
15. Ny olona niantsoantso azy hoe: Mialà ianareo, fa maloto, mialà, mialà, aza mikasika anay. Raha nandositra sy niraparapa izy, dia hoy ny olona tany amin' ny jentilisa: Tsy mahazo mivahiny aty intsony ireo.
16. The anger of the LORD hath divided them; he will no more regard them: they respected not the persons of the priests, they favoured not the elders.
16. "L`Éternel les a dispersés dans sa colère, Il ne tourne plus les regards vers eux; On n`a eu ni respect pour les sacrificateurs, Ni pitié pour les vieillards."
16. "Ny fahatezeran' i Jehovah no nampizarazara azy, ary tsy hijery azy intsony Izy; ny mpisorona tsy hajain' ireny, ary ny loholona tsy hamindrany fo."
17. As for us, our eyes as yet failed for our vain help: in our watching we have watched for a nation that could not save us.
17. "Nos yeux se consumaient encore, Et nous attendions vainement du secours; Nos regards se portaient avec espérance Vers une nation qui ne nous a pas délivrés."
17. "Ny aminay kosa dia mbola pahina ny masonay miandry foana ny hamonjy anay; nitazana teo amin' ny tilikambo izahay nanantena ny firenena izay tsy nahavonjy anay."
18. They hunt our steps, that we cannot go in our streets: our end is near, our days are fulfilled; for our end is come.
18. "On épiait nos pas, Pour nous empêcher d`aller sur nos places; Notre fin s`approchait, nos jours étaient accomplis... Notre fin est arrivée!"
18. "Mitsongo-dia anay izy, ka tsy mahazo mandeha eny an-dalambenay aza izahay; akaiky ny farafiainanay, tapitra ny andronay, fa tonga ny fara-fiainanay."
19. Our persecutors are swifter than the eagles of the heaven: they pursued us upon the mountains, they laid wait for us in the wilderness.
19. "Nos persécuteurs étaient plus légers Que les aigles du ciel; Ils nous ont poursuivis sur les montagnes, Ils nous ont dressé des embûches dans le désert."
19. Ny mpanenjika anay dia haingam-pandeha noho ny voromahery eny amin' ny lanitra, ka miolomay manenjika anay any an-tendrombohitra ary manotrika anay any an' efitra izy.
20. The breath of our nostrils, the anointed of the LORD, was taken in their pits, of whom we said, Under his shadow we shall live among the heathen.
20. Celui qui nous faisait respirer, l`oint de l`Éternel, A été pris dans leurs fosses, Lui de qui nous disions: Nous vivrons sous son ombre parmi les nations.
20. Ny fofonainay, ilay voahosotr' i Jehovah, dia efa voafandriky ny longoany, dia ilay nataonay hoe: ao ambanin' ny alokalony no hahavelona anay any amin' ny jentilisa.
21. Rejoice and be glad, O daughter of Edom, that dwellest in the land of Uz; the cup also shall pass through unto thee: thou shalt be drunken, and shalt make thyself naked.
21. "Réjouis-toi, tressaille d`allégresse, fille d`Édom, Habitante du pays d`Uts! Vers toi aussi passera la coupe; Tu t`enivreras, et tu seras mise à nu."
21. "Mifalia sy miravoravoa ry zanakavavin' i Edoma, izay monina any amin' ny tany Oza; horosoana ny kapoaka koa ianao, ka ho mamo sy hitanjaka ianao."
22. The punishment of thine iniquity is accomplished, O daughter of Zion; he will no more carry thee away into captivity: he will visit thine iniquity, O daughter of Edom; he will discover thy sins.
22. "Fille de Sion, ton iniquité est expiée; Il ne t`enverra plus en captivité. Fille d`Édom, il châtiera ton iniquité, Il mettra tes péchés à découvert."
22. "Tanteraka ny famaizana ny helokao ry zanakavavin' i Ziona; tsy hoentiny ho babo intsony ianao, hamaly ny helokao izy, ry zanakavavin' i Edoma; hampiseho ny fahotanao izy."
<
>