1. How doth the city sit solitary, that was full of people! how is she become as a widow! she that was great among the nations, and princess among the provinces, how is she become tributary!
1. Eh quoi! elle est assise solitaire, cette ville si peuplée! Elle est semblable à une veuve! Grande entre les nations, souveraine parmi les états, Elle est réduite à la servitude!
1. Indrisy, mitoetra manirery izao ilay tanàna feno olona! Efa tonga toy ny mpitondratena izy! Ilay nalaza tamin' ny firenena sy andriambavy tamin' ny faritany dia efa tonga mpandoa hetra izao.
2. She weepeth sore in the night, and her tears are on her cheeks: among all her lovers she hath none to comfort her: all her friends have dealt treacherously with her, they are become her enemies.
2. "Elle pleure durant la nuit, et ses joues sont couvertes de larmes; De tous ceux qui l`aimaient nul ne la console; Tous ses amis lui sont devenus infidèles, Ils sont devenus ses ennemis."
2. "Mitomany dia mitomany izy nony alina, ary ny ranomasony dia eny an-takolany; izay rehetra tia azy dia tsy misy mampionona azy; ary ny sakaizany rehetra dia nivadika taminy ka tonga fahavalony."
3. Judah is gone into captivity because of affliction, and because of great servitude: she dwelleth among the heathen, she findeth no rest: all her persecutors overtook her between the straits.
3. "Juda est en exil, victime de l`oppression et d`une grande servitude; Il habite au milieu des nations, Et il n`y trouve point de repos; Tous ses persécuteurs l`ont surpris dans l`angoisse."
3. "Lasan-ko babo ny Joda noho ny fahoriana sy ny haben' ny fanompoana; mipetraka ao amin' ny jentilisa izy, nefa tsy mahita fitsaharana; izay rehetra nanenjika azy dia nahatratra azy teo an-ketena."
4. The ways of Zion do mourn, because none come to the solemn feasts: all her gates are desolate: her priests sigh, her virgins are afflicted, and she is in bitterness.
4. "Les chemins de Sion sont dans le deuil, car on ne va plus aux fêtes; Toutes ses portes sont désertes, Ses sacrificateurs gémissent, Ses vierges sont affligées, et elle est remplie d`amertume."
4. "Ireo lalana mankany Ziona dia mitomany, satria tsy misy mankao amin' ny fanasana lehibe; lao ny vavahadiny rehetra, misento ny mpisorony, ory ny virijinany, ary izy dia ao anatin' ny fangidiana."
5. Her adversaries are the chief, her enemies prosper; for the LORD hath afflicted her for the multitude of her transgressions: her children are gone into captivity before the enemy.
5. "Ses oppresseurs triomphent, ses ennemis sont en paix; Car l`Éternel l`a humiliée, A cause de la multitude de ses péchés; Ses enfants ont marché captifs devant l`oppresseur."
5. "Ny rafiny no mpanapaka, ny fahavalony dia ambinina; fa Jehovah efa nampahory azy noho ny hamaroan' ny fandikan-dalànany; ny zanany madinika dia lasan-ko babo eo anoloan' ny fahavalony."
6. And from the daughter of Zion all her beauty is departed: her princes are become like harts that find no pasture, and they are gone without strength before the pursuer.
6. "La fille de Sion a perdu toute sa gloire; Ses chefs sont comme des cerfs Qui ne trouvent point de pâture, Et qui fuient sans force devant celui qui les chasse."
6. "Ary ny fahatsaran-tarehy rehetra an' ny zanakavavin' i Ziona dia niala; ny mpanapaka azy dia tonga toy ny diera tsy mahita ahitra, ary mandeha tsy manan-kery eo anoloan' ny mpanenjika izy."
7. Jerusalem remembered in the days of her affliction and of her miseries all her pleasant things that she had in the days of old, when her people fell into the hand of the enemy, and none did help her: the adversaries saw her, and did mock at her sabbaths.
7. "Aux jours de sa détresse et de sa misère, Jérusalem s`est souvenue De tous les biens dès longtemps son partage, Quand son peuple est tombé sans secours sous la main de l`oppresseur; Ses ennemis l`ont vue, et ils ont ri de sa chute."
7. "Tsaroan' i Jerosalema amin' ny andro fahoriany sy ireo fahantrany ny zava-tsoa rehetra izay nananany hatry ny ela; fa nony lavo teo an-tanan' ny fahavalo ny olony, ka tsy nisy namonjy azy, dia nahita azy ny fahavalo ka naneso ireo sabatany."
8. Jerusalem hath grievously sinned; therefore she is removed: all that honoured her despise her, because they have seen her nakedness: yea, she sigheth, and turneth backward.
8. "Jérusalem a multiplié ses péchés, C`est pourquoi elle est un objet d`aversion; Tous ceux qui l`honoraient la méprisent, en voyant sa nudité; Elle-même soupire, et détourne la face."
8. "Efa nanota dia nanota Jerosalema, ka izany no namindrana azy; izay rehetra nanaja azy dia mamingavinga azy, satria efa nahita ny fitanjahany ireo, eny misento izy sady miamboho."
9. Her filthiness is in her skirts; she remembereth not her last end; therefore she came down wonderfully: she had no comforter. O LORD, behold my affliction: for the enemy hath magnified himself.
9. "La souillure était dans les pans de sa robe, et elle ne songeait pas à sa fin; Elle est tombée d`une manière étonnante, et nul ne la console. -Vois ma misère, ô Éternel! Quelle arrogance chez l`ennemi! -"
9. "Ny lotony dia teo amin' ny morontongotr' akanjony, tsy mitsapa farany izy; dia mahagaga ny fietreny, tsy misy mampionona azy. Jehovah ô, jereo ny fahoriako, fa mirehareha ny fahavalo."
10. The adversary hath spread out his hand upon all her pleasant things: for she hath seen that the heathen entered into her sanctuary, whom thou didst command that they should not enter into thy congregation.
10. "L`oppresseur a étendu la main Sur tout ce qu`elle avait de précieux; Elle a vu pénétrer dans son sanctuaire les nations Auxquelles tu avais défendu d`entrer dans ton assemblée."
10. "Naninjitra ny tanany ny fahavalo naka ny zava-tsoany rehetra; fa ny jentilisa izay noraranao tsy hiditra amin' ny fiangonanao dia hitany tafiditra ao amin' ny fitoeranao masina."
11. All her people sigh, they seek bread; they have given their pleasant things for meat to relieve the soul: see, O LORD, and consider; for I am become vile.
11. "Tout son peuple soupire, il cherche du pain; Ils ont donné leurs choses précieuses pour de la nourriture, Afin de ranimer leur vie. -Vois, Éternel, regarde comme je suis avilie!"
11. "Misento ny olony rehetra, mitady hanina izy, natakalony hanina ny zava-tsoany mba hamelombelona ny ainy; Jehovah ô, jereo ka diniho, fa efa voavingavinga aho."
12. Is it nothing to you, all ye that pass by? behold, and see if there be any sorrow like unto my sorrow, which is done unto me, wherewith the LORD hath afflicted me in the day of his fierce anger.
12. Je m`adresse à vous, à vous tous qui passez ici! Regardez et voyez s`il est une douleur pareille à ma douleur, A celle dont j`ai été frappée! L`Éternel m`a affligée au jour de son ardente colère.
12. Moa tsy mampaninona anareo va, ry mpandalo rehetra Jereo sy izahao raha mba misy fahoriana toy ny fahoriako, izay namelezany ahy, dia ilay nampahorian' i Jehovah ahy tamin' ny andro firehetan' ny fahatezerany.
13. From above hath he sent fire into my bones, and it prevaileth against them: he hath spread a net for my feet, he hath turned me back: he hath made me desolate and faint all the day.
13. "D`en haut il a lancé dans mes os un feu qui les dévore; Il a tendu un filet sous mes pieds, Il m`a fait tomber en arrière; Il m`a jetée dans la désolation, dans une langueur de tous les jours."
13. "Avy tany amin' ny avo no nandatsahany afo ho amin' ny taolako handoroany azy; namela-pandrika harato haningorana ny tongotro izy ka nampihemotra ahy; nampahalao sy nampahaketraka ahy mandritra ny andro Izy."
14. The yoke of my transgressions is bound by his hand: they are wreathed, and come up upon my neck: he hath made my strength to fall, the LORD hath delivered me into their hands, from whom I am not able to rise up.
14. "Sa main a lié le joug de mes iniquités; Elles se sont entrelacées, appliquées sur mon cou; Il a brisé ma force; Le Seigneur m`a livrée à des mains auxquelles je ne puis résister."
14. "Ny ziogan' ny fandikan-dalànako nofehezin' ny tanany; voaolana ireny ka tonga eo an-katoko; noketrahiny ny heriko; natolotry ny Tompo ho eo an-tanan' izay tsy leoko aho."
15. The LORD hath trodden under foot all my mighty men in the midst of me: he hath called an assembly against me to crush my young men: the LORD hath trodden the virgin, the daughter of Judah, as in a winepress.
15. "Le Seigneur a terrassé tous mes guerriers au milieu de moi; Il a rassemblé contre moi une armée, Pour détruire mes jeunes hommes; Le Seigneur a foulé au pressoir la vierge, fille de Juda."
15. "Nohitsakitsahin' ny Tompo tambany tongony ny maheriko rehetra; niantso fivoriana hamelezana ahy Izy handringanana ny zatovoko; ny Tompo nanosihosy ny virijina, zanakavavin' i Joda, toy ny eo amin' ny famiazam-boaloboka."
16. For these things I weep; mine eye, mine eye runneth down with water, because the comforter that should relieve my soul is far from me: my children are desolate, because the enemy prevailed.
16. "C`est pour cela que je pleure, que mes yeux fondent en larmes; Car il s`est éloigné de moi, celui qui me consolerait, Qui ranimerait ma vie. Mes fils sont dans la désolation, parce que l`ennemi a triomphé. -"
16. "Izany zavatra izany no mampitomany ahy; ny masoko, ny masoko mamarin-dranomaso, satria lavitra ahy ny mpampionona izay tokony hamelombelona ny fanahiko; ringana ny zanako, fa mahery ny fahavalo."
17. Zion spreadeth forth her hands, and there is none to comfort her: the LORD hath commanded concerning Jacob, that his adversaries should be round about him: Jerusalem is as a menstruous woman among them.
17. "Sion a étendu les mains, Et personne ne l`a consolée; L`Éternel a envoyé contre Jacob les ennemis d`alentour; Jérusalem a été un objet d`horreur au milieu d`eux. -"
17. "Mananty tanana Ziona, nefa tsy misy mampionona azy; Jehovah nandidy ny amin' i Jakoba mba ho tonga hanodidina azy ny fahavalony; Jerosalema dia tonga toy ny vehivavy mararin' ny fadimbolana teo afovoan' ireo."
18. The LORD is righteous; for I have rebelled against his commandment: hear, I pray you, all people, and behold my sorrow: my virgins and my young men are gone into captivity.
18. L`Éternel est juste, Car j`ai été rebelle à ses ordres. Écoutez, vous tous, peuples, et voyez ma douleur! Mes vierges et mes jeunes hommes sont allés en captivité.
18. "Marina Jehovah, fa efa nanohitra ny didiny aho; ry firenena rehetra, masìna ianareo, henoy sy jereo ny fahoriako. Lasan-ko babo ny virijinako sy ny zatovoko."
19. I called for my lovers, but they deceived me: my priests and mine elders gave up the ghost in the city, while they sought their meat to relieve their souls.
19. J`ai appelé mes amis, et ils m`ont trompée. Mes sacrificateurs et mes anciens ont expiré dans la ville: Ils cherchaient de la nourriture, Afin de ranimer leur vie.
19. "Nantsoiko ireo tia ahy, nefa nofitahiny aho; ny mpisoroko sy ny loholoko niala aina tao an-tanàna, tamin' ny nitadiavany hanina mba hamelombelona ny ainy."
20. Behold, O LORD; for I am in distress: my bowels are troubled; mine heart is turned within me; for I have grievously rebelled: abroad the sword bereaveth, at home there is as death.
20. Éternel, regarde ma détresse! Mes entrailles bouillonnent, Mon coeur est bouleversé au dedans de moi, Car j`ai été rebelle. Au dehors l`épée a fait ses ravages, au dedans la mort.
20. "Izahao, Jehovah ô, fa azom-pahoriana aho, mandevilevy ny tsinaiko; miontana ato anatiko ny foko, fa efa niodina tokoa aho, eny ivelany dia ny sabatra no mahafoana anaka; ary ao an-trano dia misy toa fahafatesana kosa."
21. They have heard that I sigh: there is none to comfort me: all mine enemies have heard of my trouble; they are glad that thou hast done it: thou wilt bring the day that thou hast called, and they shall be like unto me.
21. "On a entendu mes soupirs, et personne ne m`a consolée; Tous mes ennemis ont appris mon malheur, Ils se sont réjouis de ce que tu l`as causé; Tu amèneras, tu publieras le jour où ils seront comme moi."
21. "Reny fa misento aho; tsy misy mampionona ahy; ny fahavaloko rehetra nandre ny fahoriako, ka faly izy, satria Ianao no nanao izany; hahatonga izay andro nantsoinao Ianao, ka dia ho tonga tahaka ahy koa ireo."
22. Let all their wickedness come before thee; and do unto them, as thou hast done unto me for all my transgressions: for my sighs are many, and my heart is faint.
22. Que toute leur méchanceté vienne devant toi, Et traite-les comme tu m`as traitée, A cause de toutes mes transgressions! Car mes soupirs sont nombreux, et mon coeur est souffrant.
22. Aoka ho tonga eo anatrehanao ny faharatsiany rehetra, ary mba ataovy aminy kosa tahaka izay nataonao tamiko noho ny fandikan-dalàna rehetra nataoko, fa imbetsaka ny fisentoako, ka reraka ny foko.
<
>