Cyrus Helps the Exiles to Return
1. Now in the first year of Cyrus king of Persia, that the word of the LORD by the mouth of Jeremiah might be fulfilled, the LORD stirred up the spirit of Cyrus king of Persia, that he made a proclamation throughout all his kingdom, and put it also in writing, saying,
1. La première année de Cyrus, roi de Perse, afin que s`accomplît la parole de l`Éternel prononcée par la bouche de Jérémie, l`Éternel réveilla l`esprit de Cyrus, roi de Perse, qui fit faire de vive voix et par écrit cette publication dans tout son royaume:
1. Tamin' ny taona voalohany nanjakan' i Kyrosy, mpanjakan' i Persia, dia notairin' i Jehovah ny fanahin' i Kyrosy, mpanjakan' i Persia mba hahatanteraka ny tenin' i Jehovah izay nampilazainy tamin' ny vavan' i Jeremia, ka dia nandefa teny eran' ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany manao hoe:
2. Thus saith Cyrus king of Persia, The LORD God of heaven hath given me all the kingdoms of the earth; and he hath charged me to build him an house at Jerusalem, which is in Judah.
2. Ainsi parle Cyrus, roi des Perses: L`Éternel, le Dieu des cieux, m`a donné tous les royaumes de la terre, et il m`a commandé de lui bâtir une maison à Jérusalem en Juda.
2. "Izao no lazain' i Kyrosy, mpanjakan' i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin' ny tany dia efa nomen' i Jehovah Andriamanitry ny lanitra ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema izay any Joda."
3. Who is there among you of all his people? his God be with him, and let him go up to Jerusalem, which is in Judah, and build the house of the LORD God of Israel, (he is the God,) which is in Jerusalem.
3. Qui d`entre vous est de son peuple? Que son Dieu soit avec lui, et qu`il monte à Jérusalem en Juda et bâtisse la maison de l`Éternel, le Dieu d`Israël! C`est le Dieu qui est à Jérusalem.
3. Iza avy moa aminareo no olony? Andriamaniny anie homba azy, fa aoka hiakatra any Jerosalema izay any Joda izy, ka hanao trano ho an' i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, (Izy no Andriamanitra) izay any Jerosalema.
4. And whosoever remaineth in any place where he sojourneth, let the men of his place help him with silver, and with gold, and with goods, and with beasts, beside the freewill offering for the house of God that is in Jerusalem.
4. Dans tout lieu où séjournent des restes du peuple de l`Éternel, les gens du lieu leur donneront de l`argent, de l`or, des effets, et du bétail, avec des offrandes volontaires pour la maison de Dieu qui est à Jérusalem.
4. Ary na iza na iza sisa mitoetra any amin' ny tany ivahiniany, dia aoka ny tompon-tany hanampy azy amin' ny volafotsy sy volamena sy fananana ary biby ankoatra ny fanati-tsitrapo ho an' ny tranon' Andriamanitra izay any Jerosalema.
5. Then rose up the chief of the fathers of Judah and Benjamin, and the priests, and the Levites, with all them whose spirit God had raised, to go up to build the house of the LORD which is in Jerusalem.
5. Les chefs de famille de Juda et de Benjamin, les sacrificateurs et les Lévites, tous ceux dont Dieu réveilla l`esprit, se levèrent pour aller bâtir la maison de l`Éternel à Jérusalem.
5. Dia niainga ny lohan' ny fokon' i Joda sy Benjamina sy ny mpisorona sy ny Levita mbamin' izay rehetra efa nampirisihin' Andriamanitra ny fanahiny hiakatra hanao ny tranon' i Jehovah any Jerosalema.
6. And all they that were about them strengthened their hands with vessels of silver, with gold, with goods, and with beasts, and with precious things, beside all that was willingly offered.
6. Tous leurs alentours leur donnèrent des objets d`argent, de l`or, des effets, du bétail, et des choses précieuses, outre toutes les offrandes volontaires.
6. Ary izay rehetra nanodidina azy dia nampahery ny tanan' ireo tamin' ny fanaka volafotsy sy volamena sy fananana sy biby ary zava-tsarobidy ankoatra izay rehetra naterina an-tsitrapo.
7. Also Cyrus the king brought forth the vessels of the house of the LORD, which Nebuchadnezzar had brought forth out of Jerusalem, and had put them in the house of his gods;
7. Le roi Cyrus rendit les ustensiles de la maison de l`Éternel, que Nebucadnetsar avait emportés de Jérusalem et placés dans la maison de son dieu.
7. Ary navoakan' i Kyrosy mpanjaka koa ny fanaky ny tranon' i Jehovah, izay efa nalain' i Nebokadnezara avy tany Jerosalema ka efa nataony tao an-tranon' ireo andriamaniny.
8. Even those did Cyrus king of Persia bring forth by the hand of Mithredath the treasurer, and numbered them unto Sheshbazzar, the prince of Judah.
8. Cyrus, roi de Perse, les fit sortir par Mithredath, le trésorier, qui les remit à Scheschbatsar, prince de Juda.
8. Ary Mitredata, mpitahiry ny haren' ny fanjakan' i Persia, dia nasain' i Kyrosy mpanjakan' i Persia namoaka ireny, ka nisainy sady natolony an' i Sesbazara, lehiben' ny fokon' i Joda.
9. And this is the number of them: thirty chargers of gold, a thousand chargers of silver, nine and twenty knives,
9. En voici le nombre: trente bassins d`or, mille bassins d`argent, vingt-neuf couteaux,
9. Ary izao no isany: Lovia fisaka volamena telopolo, lovia lehibe volafotsy arivo, antsy sivy amby roapolo,
10. Thirty basons of gold, silver basons of a second sort four hundred and ten, and other vessels a thousand.
10. trente coupes d`or, quatre cent dix coupes d`argent de second ordre, mille autres ustensiles.
10. "Tsangambava volamena misarona telopolo, tsangambava volafotsy manarakaraka folo amby efajato ary fanaka hafa koa arivo;"
11. All the vessels of gold and of silver were five thousand and four hundred. All these did Sheshbazzar bring up with them of the captivity that were brought up from Babylon unto Jerusalem.
11. Tous les objets d`or et d`argent étaient au nombre de cinq mille quatre cents. Scheschbatsar emporta le tout de Babylone à Jérusalem, au retour de la captivité.
11. Efajato amby dimy arivo no isan' ny fanaka volamena sy volafotsy rehetra. Ireo rehetra ireo dia nentin' i Sesbazara niaraka nankany Jerosalema tamin' ny babo izay niverina avy tany Babylona.