The Valley of Dry Bones
1. The hand of the LORD was upon me, and carried me out in the spirit of the LORD, and set me down in the midst of the valley which was full of bones,
1. La main de l`Éternel fut sur moi, et l`Éternel me transporta en esprit, et me déposa dans le milieu d`une vallée remplie d`ossements.
1. Tao amiko ny tanan' i Jehovah ary ny Fanahiny no nitondran' i Jehovah ahy nivoaka, dia napetrany teo afovoan' ny lohasaha feno taolana aho.
2. And caused me to pass by them round about: and, behold, there were very many in the open valley; and, lo, they were very dry.
2. "Il me fit passer auprès d`eux, tout autour; et voici, ils étaient fort nombreux, à la surface de la vallée, et ils étaient complètement secs."
2. "Ary nitondra ahy nandehandeha teny amin' ireo Izy; ary, indreo, betsaka dia betsaka teny amin' ny lohasaha malalaka ireo, ary, indreo, maina dia maina ireo."
3. And he said unto me, Son of man, can these bones live? And I answered, O Lord GOD, thou knowest.
3. Il me dit: Fils de l`homme, ces os pourront-ils revivre? Je répondis: Seigneur Éternel, tu le sais.
3. Ary hoy Jehovah tamiko: Ry zanak' olona, moa mety ho velona ihany va ireto taolana ireto? Dia namaly aho hoe: Jehovah Andriamanitra ô, Ianao no mahalala.
4. Again he said unto me, Prophesy upon these bones, and say unto them, O ye dry bones, hear the word of the LORD.
4. Il me dit: Prophétise sur ces os, et dis-leur: Ossements desséchés, écoutez la parole de l`Éternel!
4. Dia hoy indray Izy tamiko: Maminania amin' ireto taolana ireto, ka ataovy aminy hoe: ry taola-maina, mihainoa ny tenin' i Jehovah!
5. Thus saith the Lord GOD unto these bones; Behold, I will cause breath to enter into you, and ye shall live:
5. "Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel, à ces os: Voici, je vais faire entrer en vous un esprit, et vous vivrez;"
5. "Izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra amin' ireto taolana ireto: Indro, hasiako fofonaina ianareo ka ho velona;"
6. And I will lay sinews upon you, and will bring up flesh upon you, and cover you with skin, and put breath in you, and ye shall live; and ye shall know that I am the LORD.
6. je vous donnerai des nerfs, je ferai croître sur vous de la chair, je vous couvrirai de peau, je mettrai en vous un esprit, et vous vivrez. Et vous saurez que je suis l`Éternel.
6. "Ary hasiako ozatra ianareo ka hampaniriko nofo; ary hosaronako hoditra ianareo; ary hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah."
7. So I prophesied as I was commanded: and as I prophesied, there was a noise, and behold a shaking, and the bones came together, bone to his bone.
7. Je prophétisai, selon l`ordre que j`avais reçu. Et comme je prophétisais, il y eut un bruit, et voici, il se fit un mouvement, et les os s`approchèrent les uns des autres.
7. Dia naminany aho araka izay efa nandidiana ahy ary nony efa naminany aho, dia injany! nisy feo, ary, indreo, nihetsiketsika sady nifanatonatona ny taolana, samy nanatona ny taolana namany avy.
8. And when I beheld, lo, the sinews and the flesh came up upon them, and the skin covered them above: but there was no breath in them.
8. "Je regardai, et voici, il leur vint des nerfs, la chair crût, et la peau les couvrit par-dessus; mais il n`y avait point en eux d`esprit."
8. Ary hitako fa, indro, naniry ny ozatra sy ny nofo, ary nisarona hoditra izy, nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy.
9. Then said he unto me, Prophesy unto the wind, prophesy, son of man, and say to the wind, Thus saith the Lord GOD; Come from the four winds, O breath, and breathe upon these slain, that they may live.
9. Il me dit: Prophétise, et parle à l`esprit! prophétise, fils de l`homme, et dis à l`esprit: Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Esprit, viens des quatre vents, souffle sur ces morts, et qu`ils revivent!
9. Dia hoy Izy tamiko: Maminania amin' ny rivotra, maminania, ry zanak' olona, ka ataovy amin' ny rivotra hoe: izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: Manatòna avy amin' ny rivotra efatra, ry fofonaina, ka tsofy ireo voavono ireo, mba ho velona izy.
10. So I prophesied as he commanded me, and the breath came into them, and they lived, and stood up upon their feet, an exceeding great army.
10. Je prophétisai, selon l`ordre qu`il m`avait donné. Et l`esprit entra en eux, et ils reprirent vie, et ils se tinrent sur leurs pieds: c`était une armée nombreuse, très nombreuse.
10. Dia naminany araka izay efa nandidiany ahy aho ary dia nidiran' ny fofon' aina ireo ka velona, dia nijoro tamin' ny tongony izy, izay tafika marobe dia marobe tokoa.
11. Then he said unto me, Son of man, these bones are the whole house of Israel: behold, they say, Our bones are dried, and our hope is lost: we are cut off for our parts.
11. Il me dit: Fils de l`homme, ces os, c`est toute la maison d`Israël. Voici, ils disent: Nos os sont desséchés, notre espérance est détruite, nous sommes perdus!
11. "Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak' olona, ireto taolana ireto dia ny taranak' Isiraely rehetra: indreo izy manao hoe: maina ny taolanay ary very ny fanantenanay; raha ny aminay dia fongotra izahay."
12. Therefore prophesy and say unto them, Thus saith the Lord GOD; Behold, O my people, I will open your graves, and cause you to come up out of your graves, and bring you into the land of Israel.
12. Prophétise donc, et dis-leur: Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Voici, j`ouvrirai vos sépulcres, je vous ferai sortir de vos sépulcres, ô mon peuple, et je vous ramènerai dans le pays d`Israël.
12. "Koa maminania, ka ataovy aminy hoe: izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: Indro, ry oloko, Izaho no hanokatra ny fasanareo, ary hampiakariko avy amin' ny fasanareo ianareo, ka hoentiko ho any amin' ny tanin' ny Isiraely;"
13. And ye shall know that I am the LORD, when I have opened your graves, O my people, and brought you up out of your graves,
13. Et vous saurez que je suis l`Éternel, lorsque j`ouvrirai vos sépulcres, et que je vous ferai sortir de vos sépulcres, ô mon peuple!
13. Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha manokatra ny fasanareo Aho, ry oloko, ka mampiakatra anareo hiala amin' ny fasanareo.
14. And shall put my spirit in you, and ye shall live, and I shall place you in your own land: then shall ye know that I the LORD have spoken it, and performed it, saith the LORD.
14. "Je mettrai mon esprit en vous, et vous vivrez; je vous rétablirai dans votre pays, et vous saurez que moi, l`Éternel, j`ai parlé et agi, dit l`Éternel."
14. "Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona ianareo ary hamponeniko any amin' ny taninareo ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no efa niteny sady nahatanteraka izany, hoy Jehovah."
One Nation Under One King
15. The word of the LORD came again unto me, saying,
15. La parole de l`Éternel me fut adressée, en ces mots:
15. Ary tonga tamiko indray ny tenin' i Jehovah nanao hoe:
16. Moreover, thou son of man, take thee one stick, and write upon it, For Judah, and for the children of Israel his companions: then take another stick, and write upon it, For Joseph, the stick of Ephraim, and for all the house of Israel his companions:
16. Et toi, fils de l`homme, prends une pièce de bois, et écris dessus: Pour Juda et pour les enfants d`Israël qui lui sont associés. Prends une autre pièce de bois, et écris dessus: Pour Joseph, bois d`Éphraïm et de toute la maison d`Israël qui lui est associée.
16. "Ary ianao, ry zanak' olona, dia mangalà tapa-kazo iray, ka asio soratra hoe: ho an' ny Joda sy ho an' ny Zanak' Isiraely namany; dia mangalà tapa-kazo anankiray koa, ka asio soratra hoe: ho an' i Josefa, dia tapa-kazon' i Efraima, sy ho an' ny taranak' Isiraely namany rehetra."
17. And join them one to another into one stick; and they shall become one in thine hand.
17. Rapproche-les l`une et l`autre pour en former une seule pièce, en sorte qu`elles soient unies dans ta main.
17. Ary ampifanatony izy roa ho tonga tapa-kazo iray ihany, dia ho iray eny an-tananao izy.
18. And when the children of thy people shall speak unto thee, saying, Wilt thou not shew us what thou meanest by these?
18. Et lorsque les enfants de ton peuple te diront: Ne nous expliqueras-tu pas ce que cela signifie?
18. Ary raha hiteny aminao ny zanaky ny firenenao manao hoe: moa tsy haneho aminay izay hevitrao amin' izany va ianao?
19. Say unto them, Thus saith the Lord GOD; Behold, I will take the stick of Joseph, which is in the hand of Ephraim, and the tribes of Israel his fellows, and will put them with him, even with the stick of Judah, and make them one stick, and they shall be one in mine hand.
19. "réponds-leur: Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Voici, je prendrai le bois de Joseph qui est dans la main d`Éphraïm, et les tribus d`Israël qui lui sont associées; je les joindrai au bois de Juda, et j`en formerai un seul bois, en sorte qu`ils ne soient qu`un dans ma main."
19. Dia lazao aminy hoe: izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: Indro, Izaho no haka ny tapa-kazon' i Josefa, izay eny an-tanan' i Efraima sy ireo fokon' ny Isiraely namany, ary hakambako ho eo amin' ny tapa-kazon' i Joda izy, ary hataoko tapa-kazo iray ihany izy ka ho tonga iray eny an-tanako.
20. And the sticks whereon thou writest shall be in thine hand before their eyes.
20. Les bois sur lesquels tu écriras seront dans ta main, sous leurs yeux.
20. Ary ny tapa-kazo izay hasianao soratra dia ho eny an-tananao eo imasony.
21. And say unto them, Thus saith the Lord GOD; Behold, I will take the children of Israel from among the heathen, whither they be gone, and will gather them on every side, and bring them into their own land:
21. Et tu leur diras: Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Voici, je prendrai les enfants d`Israël du milieu des nations où ils sont allés, je les rassemblerai de toutes parts, et je les ramènerai dans leur pays.
21. "Dia lazao aminy hoe: izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: Indro Aho haka ny Zanak' Isiraely avy any amin' ny jentilisa izay nandehanany, ary hangoniko avy any amin' ny manodidina any izy ka hoentiko ho any amin' ny taniny;"
22. And I will make them one nation in the land upon the mountains of Israel; and one king shall be king to them all: and they shall be no more two nations, neither shall they be divided into two kingdoms any more at all:
22. "Je ferai d`eux une seule nation dans le pays, dans les montagnes d`Israël; ils auront tous un même roi, ils ne formeront plus deux nations, et ne seront plus divisés en deux royaumes."
22. Ary hataoko ho firenena iray any amin' ny tany izy, dia any an-tendrombohitry ny Isiraely, ary mpanjaka iray ihany no ho mpanjakan' izy rehetra, ka tsy ho firenena roa intsony izy ary tsy hisaraka ho fanjakana roa intsony akory.
23. Neither shall they defile themselves any more with their idols, nor with their detestable things, nor with any of their transgressions: but I will save them out of all their dwellingplaces, wherein they have sinned, and will cleanse them: so shall they be my people, and I will be their God.
23. "Ils ne se souilleront plus par leurs idoles, par leurs abominations, et par toutes leurs transgressions; je les retirerai de tous les lieux qu`ils ont habités et où ils ont péché, et je les purifierai; ils seront mon peuple, et je serai leur Dieu."
23. "Ary tsy handoto tena amin' ny sampiny intsony izy, na amin' ny zava-betavetany, na amin' ny fahadisoany; fa hovonjeko ho afaka amin' ny fonenany rehetra izay nanotany izy, ary hodioviko izy, ka dia ho oloko izy, ary Izaho ho Andriamaniny."
24. And David my servant shall be king over them; and they all shall have one shepherd: they shall also walk in my judgments, and observe my statutes, and do them.
24. Mon serviteur David sera leur roi, et ils auront tous un seul pasteur. Ils suivront mes ordonnances, ils observeront mes lois et les mettront en pratique.
24. Ary Davida Mpanompoko no ho Mpanjakany, ary hanana Mpiandry iray izy rehetra, dia handeha araka ny fitsipiko izy sady hitandrina ny lalàko sy hanatanteraka izany.
25. And they shall dwell in the land that I have given unto Jacob my servant, wherein your fathers have dwelt; and they shall dwell therein, even they, and their children, and their children's children for ever: and my servant David shall be their prince for ever.
25. "Ils habiteront le pays que j`ai donné à mon serviteur Jacob, et qu`ont habité vos pères; ils y habiteront, eux, leurs enfants, et les enfants de leurs enfants, à perpétuité; et mon serviteur David sera leur prince pour toujours."
25. "Ary honina any amin' ny tany izay nomeko an' i Jakoba mpanompoko izy, dia ilay efa nonenan' ny razanareo, ka honina any izy sy ny zanany mbamin' ny zafiny mandrakizay; ary Davida Mpanompoko no ho Mpanapaka azy mandrakizay."
26. Moreover I will make a covenant of peace with them; it shall be an everlasting covenant with them: and I will place them, and multiply them, and will set my sanctuary in the midst of them for evermore.
26. "Je traiterai avec eux une alliance de paix, et il y aura une alliance éternelle avec eux; je les établirai, je les multiplierai, et je placerai mon sanctuaire au milieu d`eux pour toujours."
26. Ary hanao fanekem-pihavanana ho azy Aho, ka ho fanekena mandrakizay eo aminy izany, ary hametraka sy hahamaro azy Aho sady hametraka ny fitoerako masina eo afovoany mandrakizay.
27. My tabernacle also shall be with them: yea, I will be their God, and they shall be my people.
27. "Ma demeure sera parmi eux; je serai leur Dieu, et ils seront mon peuple."
27. "Ary ny tabernakeliko koa ho eo aminy; eny, ho Andriamaniny Aho, ary izy ho oloko."
28. And the heathen shall know that I the LORD do sanctify Israel, when my sanctuary shall be in the midst of them for evermore.
28. Et les nations sauront que je suis l`Éternel, qui sanctifie Israël, lorsque mon sanctuaire sera pour toujours au milieu d`eux.
28. Ka dia ho fantatry ny jentilisa fa Izaho Jehovah no manamasina ny Isiraely amin' ny isian' ny fitoerako masina eo afovoany mandrakizay.