A Prophecy to the Mountains of Israel
1. Also, thou son of man, prophesy unto the mountains of Israel, and say, Ye mountains of Israel, hear the word of the LORD:
1. Et toi, fils de l`homme, prophétise sur les montagnes d`Israël! Tu diras: Montagnes d`Israël, écoutez la parole de l`Éternel!
1. Ary ianao koa, ry zanak' olona, maminania amin' ny tendrombohitry ny Isiraely, ka ataovy hoe: ry tendrombohitry ny Isiraely, mihainoa ny tenin' i Jehovah:
2. Thus saith the Lord GOD; Because the enemy hath said against you, Aha, even the ancient high places are ours in possession:
2. Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Parce que l`ennemi a dit sur vous: Ah! ah! Ces hauteurs éternelles sont devenues notre propriété!
2. Izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: noho ny nanaovan' ny fahavalo anareo hoe: hia! efa lasanay ny havoana fahagola!
3. Therefore prophesy and say, Thus saith the Lord GOD; Because they have made you desolate, and swallowed you up on every side, that ye might be a possession unto the residue of the heathen, and ye are taken up in the lips of talkers, and are an infamy of the people:
3. Prophétise et dis: Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Oui, parce qu`on a voulu de toutes parts vous dévaster et vous engloutir, Pour que vous soyez la propriété des autres nations, Parce que vous avez été l`objet des discours et des propos des peuples,
3. Dia maminania, ka lazao hoe: izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: noho ny nandravany anareo sy ny nisafoahany nanenjika anareo avy amin' ny tany manodidina, ka dia efa lasan' ny jentilisa sisa ho fananany ianareo, sady efa nataon' ny molotry ny mpibedibedy fitenenana ka efa ambentinteny amin' ny firenena,
4. Therefore, ye mountains of Israel, hear the word of the Lord GOD; Thus saith the Lord GOD to the mountains, and to the hills, to the rivers, and to the valleys, to the desolate wastes, and to the cities that are forsaken, which became a prey and derision to the residue of the heathen that are round about;
4. "Montagnes d`Israël, écoutez la parole du Seigneur, de l`Éternel! Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel, Aux montagnes et aux collines, Aux ruisseaux et aux vallées, Aux ruines désertes et aux villes abandonnées, Qui ont servi de proie et de risée Aux autres nations d`alentour;"
4. "Dia mihainoa ny tenin' i Jehovah Andriamanitra, ry tendrombohitry ny Isiraely: izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra amin' ny tendrombohitra sy ny havoana, ny renirano sy ny lohasaha ary ny tany foana sy ny tanàna aolo, izay efa babo sy fandatsa ho an' ny jentilisa sisa amin' ny manodidina;"
5. Therefore thus saith the Lord GOD; Surely in the fire of my jealousy have I spoken against the residue of the heathen, and against all Idumea, which have appointed my land into their possession with the joy of all their heart, with despiteful minds, to cast it out for a prey.
5. Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Oui, dans le feu de ma jalousie, Je parle contre les autres nations et contre Édom tout entier, Qui se sont donné mon pays en propriété, Avec toute la joie de leur coeur et le mépris de leur âme, Afin d`en piller les produits.
5. Eny, izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: tamin' ny afon' ny fahasaro-piaroko no nitenenako tokoa namely ny jentilisa sisa sy Edoma rehetra, izay nahalasa ny taniko ho fananany tamin' ny hafalian' ny fony tokoa sy tamin' ny fanahy mamingavinga mba hangoronany azy ho babo.
6. Prophesy therefore concerning the land of Israel, and say unto the mountains, and to the hills, to the rivers, and to the valleys, Thus saith the Lord GOD; Behold, I have spoken in my jealousy and in my fury, because ye have borne the shame of the heathen:
6. C`est pourquoi prophétise sur le pays d`Israël, Dis aux montagnes et aux collines, Aux ruisseaux et aux vallées: Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Voici, je parle dans ma jalousie et dans ma fureur, Parce que vous portez l`ignominie des nations.
6. Koa maminania ny amin' ny tanin' ny Isiraely, ka lazao amin' ny tendrombohitra sy ny havoana ary ny renirano sy ny lohasaha hoe: izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: Indro, tamin' ny fahasaro-piaroko sy ny fahatezerako no nitenenako, noho ny nitondranareo latsa tamin' ny jentilisa.
7. Therefore thus saith the Lord GOD; I have lifted up mine hand, Surely the heathen that are about you, they shall bear their shame.
7. C`est pourquoi ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Je lève ma main! Ce sont les nations qui vous entourent Qui porteront elles-mêmes leur ignominie.
7. Dia izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: Izaho efa nanangan-tanana nanao hoe: hitondra henatra tokoa ny jentilisa manodidina anareo.
8. But ye, O mountains of Israel, ye shall shoot forth your branches, and yield your fruit to my people of Israel; for they are at hand to come.
8. "Et vous, montagnes d`Israël, vous pousserez vos rameaux, Et vous porterez vos fruits pour mon peuple d`Israël; Car ces choses sont près d`arriver."
8. "Fa ianareo kosa, ry tendrombohitry ny Isiraely, dia hisandrahaka sy hahavokatra ho an' ny Isiraely oloko; fa efa antomotra ny hiavian' ireny."
9. For, behold, I am for you, and I will turn unto you, and ye shall be tilled and sown:
9. Voici, je vous serai favorable, Je me tournerai vers vous, Et vous serez cultivées et ensemencées.
9. "Fa, indro, ho aminareo Aho, ka hitodika aminareo, dia hasaina sy hofafazana ianareo;"
10. And I will multiply men upon you, all the house of Israel, even all of it: and the cities shall be inhabited, and the wastes shall be builded:
10. "Je mettrai sur vous des hommes en grand nombre, La maison d`Israël tout entière; Les villes seront habitées, Et l`on rebâtira sur les ruines."
10. "Ary hampitombo ny olona eny aminareo Aho, dia ny taranak' Isiraely rehetra, eny ny rehetra, ary honenana ny tanàna, ka haorina indray ny efa rava;"
11. And I will multiply upon you man and beast; and they shall increase and bring fruit: and I will settle you after your old estates, and will do better unto you than at your beginnings: and ye shall know that I am the LORD.
11. "Je multiplierai sur vous les hommes et les animaux; Ils multiplieront et seront féconds; Je veux que vous soyez habitées comme auparavant, Et je vous ferai plus de bien qu`autrefois; Et vous saurez que je suis l`Éternel."
11. "Dia hampitombo olona sy biby eny aminareo Aho, ka hitombo sy hiteraka ireo; haoriko ho amin' ny toeranareo teo aloha ianareo, ary hanisy soa anareo mihoatra noho ny tamin' ny niandohanareo Aho; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah."
12. Yea, I will cause men to walk upon you, even my people Israel; and they shall possess thee, and thou shalt be their inheritance, and thou shalt no more henceforth bereave them of men.
12. "Je ferai marcher sur vous des hommes, mon peuple d`Israël, Et ils te posséderont; Tu seras leur héritage, Et tu ne les détruiras plus."
12. "Eny, hampivoivoy olona eny aminareo Aho, dia ny Isiraely oloko; dia hanana anao izy ka hahalasa anao ho lovany ary tsy hahalany fara azy intsony ianao."
13. Thus saith the Lord GOD; Because they say unto you, Thou land devourest up men, and hast bereaved thy nations;
13. Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Parce qu`on vous dit: Tu as dévoré des hommes, Tu as détruit ta propre nation,
13. Izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: noho ny nanaovany taminareo hoe: ianao, ry tany, dia mandany olona, sady mahalany fara ny firenenao,
14. Therefore thou shalt devour men no more, neither bereave thy nations any more, saith the Lord GOD.
14. A cause de cela tu ne dévoreras plus d`hommes, Tu ne détruiras plus ta nation, Dit le Seigneur, l`Éternel.
14. Dia tsy handany olona intsony ianao, na hahalavo ny firenenao intsony hoy Jehovah Andriamanitra.
15. Neither will I cause men to hear in thee the shame of the heathen any more, neither shalt thou bear the reproach of the people any more, neither shalt thou cause thy nations to fall any more, saith the Lord GOD.
15. "Je ne te ferai plus entendre les outrages des nations, Et tu ne porteras plus l`opprobre des peuples; Tu ne détruiras plus ta nation, Dit le Seigneur, l`Éternel."
15. "Ary hataoko tsy mahare ao aminao ny latsan' ny jentilisa intsony ny olona sady tsy hitondra ny fanaratsian' olona intsony ianao; ary tsy hahalavo ny firenenao intsony ianao, hoy Jehovah Andriamanitra."
16. Moreover the word of the LORD came unto me, saying,
16. La parole de l`Éternel me fut adressée, en ces mots:
16. Ary tonga tamiko ny tenin' i Jehovah nanao hoe:
17. Son of man, when the house of Israel dwelt in their own land, they defiled it by their own way and by their doings: their way was before me as the uncleanness of a removed woman.
17. "Fils de l`homme, ceux de la maison d`Israël, quand ils habitaient leur pays, l`ont souillé par leur conduite et par leurs oeuvres; leur conduite a été devant moi comme la souillure d`une femme pendant son impureté."
17. Ry zanak' olona, fony ny taranak' Isiraely nonina tany amin' ny taniny, dia nandoto izany taniny izany tamin' ny lalany sy tamin' ny asany izy, fa tahaka ny fahalotoan' ny vehivavy mararin' ny fadimbolana no fahalotoan' ny lalany teo anatrehako.
18. Wherefore I poured my fury upon them for the blood that they had shed upon the land, and for their idols wherewith they had polluted it:
18. Alors j`ai répandu ma fureur sur eux, à cause du sang qu`ils avaient versé dans le pays, et des idoles dont ils l`avaient souillé.
18. Ka dia naidiko ho aminy ny fahatezerako mirehitra noho ny rà nalatsany teo amin' ny tany sy noho ny nandotoany izany tamin' ny sampiny.
19. And I scattered them among the heathen, and they were dispersed through the countries: according to their way and according to their doings I judged them.
19. "Je les ai dispersés parmi les nations, et ils ont été répandus en divers pays; je les ai jugés selon leur conduite et selon leurs oeuvres."
19. "Ary naeliko ho any amin' ny jentilisa izy ka nahahaka ho any amin' ny tany samy hafa; araka ny lalany sy ny asany no nitsarako azy."
20. And when they entered unto the heathen, whither they went, they profaned my holy name, when they said to them, These are the people of the LORD, and are gone forth out of his land.
20. Ils sont arrivés chez les nations où ils allaient, et ils ont profané mon saint nom, en sorte qu`on disait d`eux: C`est le peuple de l`Éternel, c`est de son pays qu`ils sont sortis.
20. Ary nony tonga tany amin' ny jentilisa izay nalehany izy, dia nandoto ny anarako masina izy tamin' ny nanaovan' ny olona azy hoe: ireo no olon' i Jehovah, nefa niala tamin' ny tanin' i Jehovah izy.
21. But I had pity for mine holy name, which the house of Israel had profaned among the heathen, whither they went.
21. Et j`ai voulu sauver l`honneur de mon saint nom, que profanait la maison d`Israël parmi les nations où elle est allée.
21. Nefa namindrako fo ny anarako masina izay nolotoin' ny taranak' Isiraely tany amin' ny Jentilisa izay nalehany.
22. Therefore say unto the house of Israel, Thus saith the Lord GOD; I do not this for your sakes, O house of Israel, but for mine holy name's sake, which ye have profaned among the heathen, whither ye went.
22. "C`est pourquoi dis à la maison d`Israël: Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Ce n`est pas à cause de vous que j`agis de la sorte, maison d`Israël; c`est à cause de mon saint nom, que vous avez profané parmi les nations où vous êtes allés."
22. Koa ataovy amin' ny taranak' Isiraely hoe: izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, ry taranak' Isiraely, fa noho ny anarako masina izay nolotoinareo tany amin' ny jentilisa izay nalehanareo.
23. And I will sanctify my great name, which was profaned among the heathen, which ye have profaned in the midst of them; and the heathen shall know that I am the LORD, saith the Lord GOD, when I shall be sanctified in you before their eyes.
23. Je sanctifierai mon grand nom, qui a été profané parmi les nations, que vous avez profané au milieu d`elles. Et les nations sauront que je suis l`Éternel, dit le Seigneur, l`Éternel, quand je serai sanctifié par vous sous leurs yeux.
23. Ary hohamasiniko ny anarako lehibe izay efa nolotoinareo tany amin' ny jentilisa, izay efa nolotoinareo teo aminy, ka dia ho fantatry ny jentilisa fa Izaho no Jehovah, hoy Jehovah Andriamanitra, rehefa hamasinina ao aminareo eo imasony Aho.
24. For I will take you from among the heathen, and gather you out of all countries, and will bring you into your own land.
24. Je vous retirerai d`entre les nations, je vous rassemblerai de tous les pays, et je vous ramènerai dans votre pays.
24. Fa halaiko avy any amin' ny jentilisa ianareo ary hangoniko avy any amin' ny tany rehetra ka hoentiko ho any amin' ny taninareo.
25. Then will I sprinkle clean water upon you, and ye shall be clean: from all your filthiness, and from all your idols, will I cleanse you.
25. "Je répandrai sur vous une eau pure, et vous serez purifiés; je vous purifierai de toutes vos souillures et de toutes vos idoles."
25. "Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin' ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo."
26. A new heart also will I give you, and a new spirit will I put within you: and I will take away the stony heart out of your flesh, and I will give you an heart of flesh.
26. "Je vous donnerai un coeur nouveau, et je mettrai en vous un esprit nouveau; j`ôterai de votre corps le coeur de pierre, et je vous donnerai un coeur de chair."
26. Fo vaovao koa no homeko anareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo ary hoesoriko amin' ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo.
27. And I will put my spirit within you, and cause you to walk in my statutes, and ye shall keep my judgments, and do them.
27. Je mettrai mon esprit en vous, et je ferai en sorte que vous suiviez mes ordonnances, et que vous observiez et pratiquiez mes lois.
27. Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy.
28. And ye shall dwell in the land that I gave to your fathers; and ye shall be my people, and I will be your God.
28. "Vous habiterez le pays que j`ai donné à vos pères; vous serez mon peuple, et je serai votre Dieu."
28. Ary honina any amin' ny tany izay nomeko ny razanareo ianareo, ka ho oloko ianareo ary Izaho ho Andriamanitrareo.
29. I will also save you from all your uncleannesses: and I will call for the corn, and will increase it, and lay no famine upon you.
29. "Je vous délivrerai de toutes vos souillures. J`appellerai le blé, et je le multiplierai; je ne vous enverrai plus la famine."
29. Ary hovonjeko ho afaka amin' ny fahalotoanareo koa ianareo, ary hantsoiko sy hataoko vokatra ny varimbazaha ka tsy hanaterako mosary eo aminareo.
30. And I will multiply the fruit of the tree, and the increase of the field, that ye shall receive no more reproach of famine among the heathen.
30. Je multiplierai le fruit des arbres et le produit des champs, afin que vous n`ayez plus l`opprobre de la famine parmi les nations.
30. Ary Izaho hampitombo ny voankazo sy ny vokatry ny saha mba tsy ho voalatsan' ny jentilisa amin' ny mosary intsony ianareo.
31. Then shall ye remember your own evil ways, and your doings that were not good, and shall lothe yourselves in your own sight for your iniquities and for your abominations.
31. "Alors vous vous souviendrez de votre conduite qui était mauvaise, et de vos actions qui n`étaient pas bonnes; vous vous prendrez vous-mêmes en dégoût, à cause de vos iniquités et de vos abominations."
31. Dia hotsarovanareo ny lalan-dratsinareo sy ny fanao tsy tsaranareo, ka dia haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny helokareo sy ny fahavetavetanareo.
32. Not for your sakes do I this, saith the Lord GOD, be it known unto you: be ashamed and confounded for your own ways, O house of Israel.
32. Ce n`est pas à cause de vous que j`agis de la sorte, dit le Seigneur, l`Éternel, sachez-le! Ayez honte et rougissez de votre conduite, maison d`Israël!
32. "Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, hoy Jehovah Andriamanitra, aoka ho fantatrareo izany; koa menara sy mangaihaiza ianareo noho ny lalanareo, ry taranak' Isiraely."
33. Thus saith the Lord GOD; In the day that I shall have cleansed you from all your iniquities I will also cause you to dwell in the cities, and the wastes shall be builded.
33. "Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Le jour où je vous purifierai de toutes vos iniquités, je peuplerai les villes, et les ruines seront relevées;"
33. Izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: amin' ny andro hanadiovako anareo ho afaka amin' ny helokareo rehetra dia hamponeniko ao amin' ny tanàna ianareo, ary haorina indray ny efa rava.
34. And the desolate land shall be tilled, whereas it lay desolate in the sight of all that passed by.
34. "la terre dévastée sera cultivée, tandis qu`elle était déserte aux yeux de tous les passants;"
34. Ary hasaina ny tany efa lao fa tsy ho lao eo imason' ny mpandalo rehetra intsony izy.
35. And they shall say, This land that was desolate is become like the garden of Eden; and the waste and desolate and ruined cities are become fenced, and are inhabited.
35. "et l`on dira: Cette terre dévastée est devenue comme un jardin d`Éden; et ces villes ruinées, désertes et abattues, sont fortifiées et habitées."
35. Fa holazainy hoe: ity tany efa lao ity dia tonga tahaka ny saha Edena, ary ny tanàna efa foana sy lao dia misy mponina sady asiana manda.
36. Then the heathen that are left round about you shall know that I the LORD build the ruined places, and plant that that was desolate: I the LORD have spoken it, and I will do it.
36. Et les nations qui resteront autour de vous sauront que moi, l`Éternel, j`ai rebâti ce qui était abattu, et planté ce qui était dévasté. Moi, l`Éternel, j`ai parlé, et j`agirai.
36. Ka dia ho fantatry ny jentilisa sisa manodidina anareo fa Izaho Jehovah no manorina indray ny efa rava sy mamboly izay efa foana.Izaho Jehovah no niteny sady hahatanteraka izany.
37. Thus saith the Lord GOD; I will yet for this be enquired of by the house of Israel, to do it for them; I will increase them with men like a flock.
37. "Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Voici encore sur quoi je me laisserai fléchir par la maison d`Israël, voici ce que je ferai pour eux; je multiplierai les hommes comme un troupeau."
37. Izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: mbola hotadiavin' ny taranak' Isiraely Aho amin' ny hanaovako izao ho azy: hohamaroiko toy ny ondry ny olony.
38. As the holy flock, as the flock of Jerusalem in her solemn feasts; so shall the waste cities be filled with flocks of men: and they shall know that I am the LORD.
38. Les villes en ruines seront remplies de troupeaux d`hommes, pareils aux troupeaux consacrés, aux troupeaux qu`on amène à Jérusalem pendant ses fêtes solennelles. Et ils sauront que je suis l`Éternel.
38. "Toy ny andiam-biby fiompy masina, toy ny andiam-bibin' i Jerosalema amin' ny firavoravoana lehibe, dia toy izany no hahafenoan' ny tanànany efa lao amin' ny olona maro toy ny ondry aman' osy; ka dia ho fantany fa Izaho ny Jehovah."