1. Moreover he said unto me, Son of man, eat that thou findest; eat this roll, and go speak unto the house of Israel.
1. Il me dit: Fils de l`homme, mange ce que tu trouves, mange ce rouleau, et va, parle à la maison d`Israël!
1. Ary hoy koa Izy tamiko: Ry zanak'olona, hano izay hitanao, hano ity horonan-taratasy ity dia mandehana, ka mitenena amin' ny taranak' Isiraely.
2. So I opened my mouth, and he caused me to eat that roll.
2. J`ouvris la bouche, et il me fit manger ce rouleau.
2. Dia nosokafako ny vavako ary nafahany ahy izany horonan-taratasy izany.
3. And he said unto me, Son of man, cause thy belly to eat, and fill thy bowels with this roll that I give thee. Then did I eat it; and it was in my mouth as honey for sweetness.
3. Il me dit: Fils de l`homme, nourris ton ventre et remplis tes entrailles de ce rouleau que je te donne! Je le mangeai, et il fut dans ma bouche doux comme du miel.
3. Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak' olona, vokiso ny kibonao, ary fenoy ity horonan-taratasy omeko anao ity ny tsinainao. Dia nihinana aho, ka mamy tao am-bavako toy ny tantely izany.
4. And he said unto me, Son of man, go, get thee unto the house of Israel, and speak with my words unto them.
4. Il me dit: Fils de l`homme, va vers la maison d`Israël, et dis-leur mes paroles!
4. Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak' olona, andeha mankany amin' ny taranak' Isiraely ka lazao aminy ny teniko.
5. For thou art not sent to a people of a strange speech and of an hard language, but to the house of Israel;
5. "Car ce n`est point vers un peuple ayant un langage obscur, une langue inintelligible, que tu es envoyé; c`est à la maison d`Israël."
5. "Fa tsy ho any amin' ny firenena miboediboedi-piteny sy miboeriboerika no anirahana anao fa ho any amin' ny taranak' Isiraely ihany;"
6. Not to many people of a strange speech and of an hard language, whose words thou canst not understand. Surely, had I sent thee to them, they would have hearkened unto thee.
6. Ce n`est point vers de nombreux peuples ayant un langage obscur, une langue inintelligible, dont tu ne comprends pas les discours. Si je t`envoyais vers eux, ils t`écouteraient.
6. Tsy ho amin' ny firenena maro, izay miboediboedi-piteny sy miboeriboerika, ka tsy ho azonao ny teniny. Azo antoka fa raha naniraka anao ho amin' ireny aho dia ho nihaino anao izy.
7. But the house of Israel will not hearken unto thee; for they will not hearken unto me: for all the house of Israel are impudent and hardhearted.
7. "Mais la maison d`Israël ne voudra pas t`écouter, parce qu`elle ne veut pas m`écouter; car toute la maison d`Israël a le front dur et le coeur endurci."
7. "Fa ny taranak' Isiraely dia tsy mety mihaino anao, satria tsy mety mihaino Ahy izy; fa ny taranak' Isiraely rehetra dia mafy handrina sy madi-po."
8. Behold, I have made thy face strong against their faces, and thy forehead strong against their foreheads.
8. "Voici, j`endurcirai ta face, pour que tu l`opposes à leur face; j`endurcirai ton front, pour que tu l`opposes à leur front."
8. Indro, efa nohamafiko ny tarehinao hiatrika amin' ny tarehiny sy ny handrinao hanandrina ny handriny.
9. As an adamant harder than flint have I made thy forehead: fear them not, neither be dismayed at their looks, though they be a rebellious house.
9. Je rendrai ton front comme un diamant, plus dur que le roc. Ne les crains pas, quoiqu`ils soient une famille de rebelles.
9. "Toy ny diamondra izay mafy noho ny vatolampy no nanaovako ny handrinao; aza matahotra azy na mivadi-po amin' ny fijeriny, na dia taranaka mpiodina aza izy."
10. Moreover he said unto me, Son of man, all my words that I shall speak unto thee receive in thine heart, and hear with thine ears.
10. Il me dit: Fils de l`homme, reçois dans ton coeur et écoute de tes oreilles toutes les paroles que je te dirai!
10. Ary hoy koa Izy tamiko: Ry zanak' olona, ny teniko rehetra izay holazaiko aminao dia raiso ao am-ponao ary henoy amin' ny sofinao.
11. And go, get thee to them of the captivity, unto the children of thy people, and speak unto them, and tell them, Thus saith the Lord GOD; whether they will hear, or whether they will forbear.
11. "Va vers les captifs, vers les enfants de ton peuple; tu leur parleras, et, qu`ils écoutent ou qu`ils n`écoutent pas, tu leur diras: Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel."
11. Dia mandehana mankany amin' ireo babo, dia ireo zanaky ny firenenao, ary mitenena aminy ka lazao aminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah Tompo, na hihaino izy na tsy hihaino.
12. Then the spirit took me up, and I heard behind me a voice of a great rushing, saying, Blessed be the glory of the LORD from his place.
12. Et l`esprit m`enleva, et j`entendis derrière moi le bruit d`un grand tumulte: Bénie soit la gloire de l`Éternel, du lieu de sa demeure!
12. Ary ny fanahy nanainga ahy, dia nandre feon' ny horakoraka be teo ivohoko aho nanao hoe: Isaorana anie ny voninahitr' i Jehovah avy amin' ny fitoerany.
13. I heard also the noise of the wings of the living creatures that touched one another, and the noise of the wheels over against them, and a noise of a great rushing.
13. J`entendis le bruit des ailes des animaux, frappant l`une contre l`autre, le bruit des roues auprès d`eux, et le bruit d`un grand tumulte.
13. Ary reko koa ny fikopakopaky ny elatry ny zava-manan' aina, izay nifanendry, sy ny fidilodilotry ny kodia teo anilany sy ny horakoraka be.
14. So the spirit lifted me up, and took me away, and I went in bitterness, in the heat of my spirit; but the hand of the LORD was strong upon me.
14. L`esprit m`enleva et m`emporta. J`allais, irrité et furieux, et la main de l`Éternel agissait sur moi avec puissance.
14. "Koa nanainga ahy ny fanahy ka nitondra ahy, dia nandeha tamin' ny fangidiana aho, tamin' ny hafanan' ny fanahiko; fa ny tanan' i Jehovah nahery tamiko."
15. Then I came to them of the captivity at Telabib, that dwelt by the river of Chebar, and I sat where they sat, and remained there astonished among them seven days.
15. "J`arrivai à Thel Abib, vers les exilés qui demeuraient près du fleuve du Kebar, et dans le lieu où ils se trouvaient; là je restai sept jours, stupéfait au milieu d`eux."
15. Dia tonga tamin' ireo babo tany Tel-abiba aho, izay nonina teo amoron' ny ony Kebara ary nipetraka teo amin' izay nipetrahany aho ka nijanona teo aminy tahaka ilay torana iny nandritra ny hafitoana.
Warning to Israel
16. And it came to pass at the end of seven days, that the word of the LORD came unto me, saying,
16. Au bout de sept jours, la parole de l`Éternel me fut adressée, en ces mots:
16. Ary izao no niseho nony afaka hafitoana, tonga tamiko ny tenin' i Jehovah nanao hoe:
17. Son of man, I have made thee a watchman unto the house of Israel: therefore hear the word at my mouth, and give them warning from me.
17. Fils de l`homme, je t`établis comme sentinelle sur la maison d`Israël. Tu écouteras la parole qui sortira de ma bouche, et tu les avertiras de ma part.
17. "Ry zanak' olona, efa nataoko mpitily ho an' ny taranak' Isiraely ianao; ka dia hohenoinao ny teny avy amin' ny vavako ary avy amiko no hananaranao azy."
18. When I say unto the wicked, Thou shalt surely die; and thou givest him not warning, nor speakest to warn the wicked from his wicked way, to save his life; the same wicked man shall die in his iniquity; but his blood will I require at thine hand.
18. Quand je dirai au méchant: Tu mourras! si tu ne l`avertis pas, si tu ne parles pas pour détourner le méchant de sa mauvaise voie et pour lui sauver la vie, ce méchant mourra dans son iniquité, et je te redemanderai son sang.
18. Raha hoy Aho amin' ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao! ary tsy mananatra azy ianao, na miteny hananatra ny ratsy fanahy, hialany amin' ny lalany ratsy hamonjena ny ainy, dia ho faty amin' ny helony ihany ilay ratsy fanahy, nefa hadiniko amin' ny tananao ny rany.
19. Yet if thou warn the wicked, and he turn not from his wickedness, nor from his wicked way, he shall die in his iniquity; but thou hast delivered thy soul.
19. Mais si tu avertis le méchant, et qu`il ne se détourne pas de sa méchanceté et de sa mauvaise voie, il mourra dans son iniquité, et toi, tu sauveras ton âme.
19. Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao, ka izy no tsy mety miala amin' ny faharatsiany sy amin' ny lalany ratsy, dia ho faty amin' ny helony ihany izy fa ho voavonjinao ny fanahinao.
20. Again, When a righteous man doth turn from his righteousness, and commit iniquity, and I lay a stumbling-block before him, he shall die: because thou hast not given him warning, he shall die in his sin, and his righteousness which he hath done shall not be remembered; but his blood will I require at thine hand.
20. "Si un juste se détourne de sa justice et fait ce qui est mal, je mettrai un piège devant lui, et il mourra; parce que tu ne l`as pas averti, il mourra dans son péché, on ne parlera plus de la justice qu`il a pratiquée, et je te redemanderai son sang."
20. "Ary koa, raha ny marina miala amin' ny fahamarinany ka manao meloka, ary mametraka fahatafintohinana eo anoloany Aho, dia ho faty izy; eny, noho ny tsy nananaranao azy dia ho faty amin' ny fahotany ihany izy ary ny fahamarinana izay nataony tsy hotsaroana, nefa kosa hadiniko amin' ny tananao ny rany."
21. Nevertheless if thou warn the righteous man, that the righteous sin not, and he doth not sin, he shall surely live, because he is warned; also thou hast delivered thy soul.
21. Mais si tu avertis le juste de ne pas pécher, et qu`il ne pèche pas, il vivra, parce qu`il s`est laissé avertir, et toi, tu sauveras ton âme.
21. Fa raha mananatra ny marina ianao mba tsy hanotan' ny marina, ka tsy manota izy, dia ho velona tokoa izy satria voanatra ary voavonjinao koa ny fanahinao.
22. And the hand of the LORD was there upon me; and he said unto me, Arise, go forth into the plain, and I will there talk with thee.
22. Là encore la main de l`Éternel fut sur moi, et il me dit: Lève-toi, va dans la vallée, et là je te parlerai.
22. Ary ny tanan' i Jehovah dia tamiko teo, ary hoy Izy tamiko: Mitsangàna ka mivoaha ho any amin' ny lohasaha ary any no hitenenako aminao.
23. Then I arose, and went forth into the plain: and, behold, the glory of the LORD stood there, as the glory which I saw by the river of Chebar: and I fell on my face.
23. "Je me levai, et j`allai dans la vallée; et voici, la gloire de l`Éternel y apparut, telle que je l`avais vue près du fleuve du Kebar. Alors je tombai sur ma face."
23. "Dia nitsangana aho ka nivoaka nankany amin' ny lohasaha; ary, indro, nitoetra teo ny voninahitr' i Jehovah tahaka ny voninahitra izay efa hitako teo amoron' ny ony Kebara ihany, dia nikarapoka nihohoka aho."
24. Then the spirit entered into me, and set me upon my feet, and spake with me, and said unto me, Go, shut thyself within thine house.
24. L`esprit entra en moi, et me fit tenir sur mes pieds. Et l`Éternel me parla et me dit: Va t`enfermer dans ta maison.
24. Ary niditra tao anatiko ny fanahy ka nampijoro ahy tamin' ny tongotro, dia niteny tamiko nanao hoe: Andeha, mirindrìna ao anatin' ny tranonao ianao.
25. But thou, O son of man, behold, they shall put bands upon thee, and shall bind thee with them, and thou shalt not go out among them:
25. Fils de l`homme, voici, on mettra sur toi des cordes, avec lesquelles on te liera, afin que tu n`ailles pas au milieu d`eux.
25. Fa ianao, ry zanak' olona, indro, hasiany fatorana, izay hamatorany anao, ka tsy hahazo mivoaka ho ao aminy ianao.
26. And I will make thy tongue cleave to the roof of thy mouth, that thou shalt be dumb, and shalt not be to them a reprover: for they are a rebellious house.
26. J`attacherai ta langue à ton palais, pour que tu sois muet et que tu ne puisses pas les reprendre, car c`est une famille de rebelles.
26. "Ary hampiraiketiko amin' ny lanilaninao ny lelanao, ka ho moana ianao ary tsy ho mpananatra azy; fa taranaka mpiodina izy."
27. But when I speak with thee, I will open thy mouth, and thou shalt say unto them, Thus saith the Lord GOD; He that heareth, let him hear; and he that forbeareth, let him forbear: for they are a rebellious house.
27. Mais quand je te parlerai, j`ouvrirai ta bouche, pour que tu leur dises: Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel. Que celui qui voudra écouter écoute, et que celui qui ne voudra pas n`écoute pas, car c`est une famille de rebelles.
27. "Fa raha miteny aminao Aho, dia hosokafako ny vavanao, ka dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Izay mihaino dia aoka izy hihaino; ary izay tsy mihaino dia aoka izy tsy hihaino kosa; fa taranaka mpiodina izy"