1. Then the LORD said unto Moses, Now shalt thou see what I will do to Pharaoh: for with a strong hand shall he let them go, and with a strong hand shall he drive them out of his land.
1. "L`Éternel dit à Moïse: Tu verras maintenant ce que je ferai à Pharaon; une main puissante le forcera à les laisser aller, une main puissante le forcera à les chasser de son pays."
1. "Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Ankehitriny dia ho hitanao izay hataoko amin' i Farao; fa tanana mahery no handefasany azy, ary tanana mahery no handroahany azy amin' ny taniny."
2. And God spake unto Moses, and said unto him, I am the LORD:
2. Dieu parla encore à Moïse, et lui dit: Je suis l`Éternel.
2. "Ary niteny tamin' i Mosesy Andriamanitra ka nanao hoe: Izaho no Jehovah;"
3. And I appeared unto Abraham, unto Isaac, and unto Jacob, by the name of God Almighty, but by my name JEHOVAH was I not known to them.
3. "Je suis apparu à Abraham, à Isaac et à Jacob, comme le Dieu tout puissant; mais je n`ai pas été connu d`eux sous mon nom, l`Éternel."
3. Ary tamin'ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin' i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, fa ny anarako hoe JEHOVAH tsy mbola nahafantarany Ahy.
4. And I have also established my covenant with them, to give them the land of Canaan, the land of their pilgrimage, wherein they were strangers.
4. J`ai aussi établi mon alliance avec eux, pour leur donner le pays de Canaan, le pays de leurs pèlerinages, dans lequel ils ont séjourné.
4. Ary naoriko taminy koa ny fanekeko hanomezako azy ny tany Kanana, dia ny tany fivahiniany izay efa nivahiniany.
5. And I have also heard the groaning of the children of Israel, whom the Egyptians keep in bondage; and I have remembered my covenant.
5. J`ai entendu les gémissements des enfants d`Israël, que les Égyptiens tiennent dans la servitude, et je me suis souvenu de mon alliance.
5. "Ary koa, Izaho efa nandre ny fitarainan' ny Zanak' Isiraely, izay hazonin' ny Egyptiana amin' ny fanandevozana; ka dia tsaroako ny fanekeko."
6. Wherefore say unto the children of Israel, I am the LORD, and I will bring you out from under the burdens of the Egyptians, and I will rid you out of their bondage, and I will redeem you with a stretched out arm, and with great judgments:
6. C`est pourquoi dis aux enfants d`Israël: Je suis l`Éternel, je vous affranchirai des travaux dont vous chargent les Égyptiens, je vous délivrerai de leur servitude, et je vous sauverai à bras étendu et par de grands jugements.
6. "Koa lazao amin' ny Zanak' Isiraely hoe: Izaho no Jehovah, ary hitondra anareo hivoaka ho afaka amin' ny fanompoana mafy ampanaovin' ny Egyptiana Aho, ka hanafaka anareo amin' ny fanandevozany; ary amin' ny sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no hanavotako anareo."
7. And I will take you to me for a people, and I will be to you a God: and ye shall know that I am the LORD your God, which bringeth you out from under the burdens of the Egyptians.
7. Je vous prendrai pour mon peuple, je serai votre Dieu, et vous saurez que c`est moi, l`Éternel, votre Dieu, qui vous affranchis des travaux dont vous chargent les Égyptiens.
7. "Dia halaiko ho Ahy ianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho; dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay mitondra anareo mivoaka ho afaka amin' ny fanompoana mafy ampanaovin' ny Egyptiana anareo."
8. And I will bring you in unto the land, concerning the which I did swear to give it to Abraham, to Isaac, and to Jacob; and I will give it you for an heritage: I am the LORD.
8. "Je vous ferai entrer dans le pays que j`ai juré de donner à Abraham, à Isaac et à Jacob; je vous le donnerai en possession, moi l`Éternel."
8. " Ary hampiditra anareo any amin' ny tany izay nananganako tanana homena an' i Abrahama sy Isaka ary Jakoba Aho; dia homeko ho lovanareo izany; Izaho no Jehovah."
9. And Moses spake so unto the children of Israel: but they hearkened not unto Moses for anguish of spirit, and for cruel bondage.
9. Ainsi parla Moïse aux enfants d`Israël. Mais l`angoisse et la dure servitude les empêchèrent d`écouter Moïse.
9. "Ary nilaza izany tamin' ny Zanak' Isiraely Mosesy; nefa ireo tsy nihaino an' i Mosesy noho ny fahoriam-panahy sy noho ny fanandevozana mafy."
10. And the LORD spake unto Moses, saying,
10. L`Éternel parla à Moïse, et dit:
10. Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe:
11. Go in, speak unto Pharaoh king of Egypt, that he let the children of Israel go out of his land.
11. Va, parle à Pharaon, roi d`Égypte, pour qu`il laisse aller les enfants d`Israël hors de son pays.
11. Mankanesa ao amin' i Farao, mpanjakan' i Egypta, ka mitenena aminy mba handefasany ny Zanak' Isiraely hiala amin' ny taniny.
12. And Moses spake before the LORD, saying, Behold, the children of Israel have not hearkened unto me; how then shall Pharaoh hear me, who am of uncircumcised lips?
12. "Moïse répondit en présence de l`Éternel: Voici, les enfants d`Israël ne m`ont point écouté; comment Pharaon m`écouterait-il, moi qui n`ai pas la parole facile?"
12. Ary niteny teo anatrehan' i Jehovah Mosesy ka nanao hoe: Indro, ny Zanak' Isiraely aza tsy nihaino ahy, ka ahoana no hihainoan' i Farao ahy, izaho izay tsy voafora molotra?

Familit Record of Moses and Aaron

13. And the LORD spake unto Moses and unto Aaron, and gave them a charge unto the children of Israel, and unto Pharaoh king of Egypt, to bring the children of Israel out of the land of Egypt.
13. L`Éternel parla à Moïse et à Aaron, et leur donna des ordres au sujet des enfants d`Israël et au sujet de Pharaon, roi d`Égypte, pour faire sortir du pays d`Égypte les enfants d`Israël.
13. Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy sy Arona ka nanome teny azy hoentiny ho any amin' ny Zanak' Isiraely sy ho amin' i Farao, mpanjakan' i Egypta, mba hitondra ny Zanak' Isiraely hivoaka avy amin' ny tany Egypta.
14. These be the heads of their fathers' houses: The sons of Reuben the firstborn of Israel; Hanoch, and Pallu, Hezron, and Carmi: these be the families of Reuben.
14. Voici les chefs de leurs familles. Fils de Ruben, premier-né d`Israël: Hénoc, Pallu, Hetsron et Carmi. Ce sont là les familles de Ruben.
14. " Izao no lohan' ny fianakaviany: Ny zanakalahin-dRobena, lahimatoan' Isiraely dia Hanoka sy Palo sy Hezrona sy Karmy; ireo no fianakavian' i Robena."
15. And the sons of Simeon; Jemuel, and Jamin, and Ohad, and Jachin, and Zohar, and Shaul the son of a Canaanitish woman: these are the families of Simeon.
15. "Fils de Siméon: Jemuel, Jamin, Ohad, Jakin et Tsochar; et Saül, fils de la Cananéenne. Ce sont là les familles de Siméon."
15. " Ary ny zanakalahin' i Simeona dia Jemoela sy Jamina sy Ohada sy Jakina sy Zohara ary Saoly, zanakalahin' ny vehivavy Kananita; ireo no fianakavian' i Simeona."
16. And these are the names of the sons of Levi according to their generations; Gershon, and Kohath, and Merari: and the years of the life of Levi were an hundred thirty and seven years.
16. Voici les noms des fils de Lévi, avec leur postérité: Guerschon, Kehath et Merari. Les années de la vie de Lévi furent de cent trente-sept ans. -
16. " Ary izao no anaran' ny zanakalahin' i Levy, araka ny taranany, dia Gersona sy Kehata ary Merary; ary ny taona niainan' i Levy dia fito amby telopolo amby zato taona."
17. The sons of Gershon; Libni, and Shimi, according to their families.
17. Fils de Guerschon: Libni et Schimeï, et leurs familles. -
17. Ny zanakalahin' i Gersona dia Libny sy Simey, araka ny fianakaviany.
18. And the sons of Kohath; Amram, and Izhar, and Hebron, and Uzziel: and the years of the life of Kohath were an hundred thirty and three years.
18. Fils de Kehath: Amram, Jitsehar, Hébron et Uziel. Les années de la vie de Kehath furent de cent trente-trois ans. -
18. "Ary ny zanakalahin' i Kehata dia Amrama sy Jezara sy Hebrona ary Oziela; ary ny taona niainan' i Kehata dia telo amby telopolo amby zato taona."
19. And the sons of Merari; Mahali and Mushi: these are the families of Levi according to their generations.
19. Fils de Merari: Machli et Muschi. -Ce sont là les familles de Lévi, avec leur postérité.
19. Ary ny zanakalahin' i Merary dia Maly sy Mosy. Ireo no fianakavian' i Levy araka ny taranany.
20. And Amram took him Jochebed his father's sister to wife; and she bare him Aaron and Moses: and the years of the life of Amram were an hundred and thirty and seven years.
20. "Amram prit pour femme Jokébed, sa tante; et elle lui enfanta Aaron, et Moïse. Les années de la vie d`Amram furent de cent trente-sept ans. -"
20. "Ary Amrama naka an' i Jokebeda anabavin-drainy ho vadiny, dia niteraka an' i Arona sy Mosesy taminy izy; ary ny taona niainan' i Amrama dia fito amby telopolo amby zato taona."
21. And the sons of Izhar; Korah, and Nepheg, and Zichri.
21. Fils de Jitsehar: Koré, Népheg et Zicri. -
21. Ary ny zanakalahin' i Jizara dia Kora sy Nafega sy Zikry.
22. And the sons of Uzziel; Mishael, and Elzaphan, and Zithri.
22. Fils d`Uziel: Mischaël, Eltsaphan et Sithri.
22. Ary ny zanakalahin' i Oziela dia Misaela sy Elzafana ary Sitry.
23. And Aaron took him Elisheba, daughter of Amminadab, sister of Naashon, to wife; and she bare him Nadab, and Abihu, Eleazar, and Ithamar.
23. "Aaron prit pour femme Élischéba, fille d`Amminadab, soeur de Nachschon; et elle lui enfanta Nadab, Abihu, Éléazar et Ithamar."
23. "Ary Arona naka an' i Eliseba, zanakavavin' i Aminadaba sady anabavin' i Nasona, ho vadiny; dia niteraka an' i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara taminy izy."
24. And the sons of Korah; Assir, and Elkanah, and Abiasaph: these are the families of the Korhites.
24. Fils de Koré: Assir, Elkana et Abiasaph. Ce sont là les familles des Korites.
24. "Ary ny zanakalahin' i Kora dia Asira sy Elkana ary Abiasafa; ireo no fianakavian' ny Koraïta."
25. And Eleazar Aaron's son took him one of the daughters of Putiel to wife; and she bare him Phinehas: these are the heads of the fathers of the Levites according to their families.
25. "Éléazar, fils d`Aaron, prit pour femme une des filles de Puthiel; et elle lui enfanta Phinées. Tels sont les chefs de famille des Lévites, avec leurs familles."
25. Ary Eleazara, zanakalahin' i Arona, naka vady avy tamin' ny zanakavavin' i Potiela, dia niteraka an' i Finehasa taminy izy.Ireo no lohan' ny fianakavian' ny Levita, araka ny fianakaviany.
26. These are that Aaron and Moses, to whom the LORD said, Bring out the children of Israel from the land of Egypt according to their armies.
26. Ce sont là cet Aaron et ce Moïse, à qui l`Éternel dit: Faites sortir du pays d`Égypte les enfants d`Israël, selon leurs armées.
26. Ireo no Arona sy Mosesy izay nilazan' i Jehovah hoe: Ento ny Zanak' Isiraely hivoaka avy any Egypta araka ny antokony.
27. These are they which spake to Pharaoh king of Egypt, to bring out the children of Israel from Egypt: these are that Moses and Aaron.
27. Ce sont eux qui parlèrent à Pharaon, roi d`Égypte, pour faire sortir d`Égypte les enfants d`Israël. Ce sont là ce Moïse et cet Aaron.
27. "Ireo no niteny tamin' i Farao, mpanjakan' i Egypta, mba hitondra ny Zanak' Isiraely hivoaka avy any Egypta; ireo no Mosesy sy Arona."

Aaron to Speak for Moses

28. And it came to pass on the day when the LORD spake unto Moses in the land of Egypt,
28. Lorsque l`Éternel parla à Moïse dans le pays d`Égypte,
28. Ary izao no niseho tamin' ny andro izay nitenenan' i Jehovah tamin' i Mosesy teo amin' ny tany Egypta,
29. That the LORD spake unto Moses, saying, I am the LORD: speak thou unto Pharaoh king of Egypt all that I say unto thee.
29. l`Éternel dit à Moïse: Je suis l`Éternel. Dis à Pharaon, roi d`Égypte, tout ce que je te dis.
29. "Dia hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Izaho no Jehovah; lazao amin' i Farao mpanjakan' i Egypta izay rehetra lazaiko aminao."
30. And Moses said before the LORD, Behold, I am of uncircumcised lips, and how shall Pharaoh hearken unto me?
30. "Et Moïse répondit en présence de l`Éternel: Voici, je n`ai pas la parole facile; comment Pharaon m`écouterait-il?"
30. Ary niteny teo anatrehan' i Jehovah Mosesy ka nanao hoe: Indro tsy voafora molotra aho, ka ahoana no hihainoan' i Farao ahy?
<
>