Offerings for the Tabernacle
1. And the LORD spake unto Moses, saying,
1. L`Éternel parla à Moïse, et dit:
1. Ary Jehovah dia niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe:
2. Speak unto the children of Israel, that they bring me an offering: of every man that giveth it willingly with his heart ye shall take my offering.
2. "Parle aux enfants d`Israël. Qu`ils m`apportent une offrande; vous la recevrez pour moi de tout homme qui la fera de bon coeur."
2. "Mitenena amin' ny Zanak' Isiraely mba hitondra fanatitra ho Ahy izy; dia avy amin' ny olona rehetra izay ampirisihin' ny fony no handraisanao ny fanatitra ho Ahy."
3. And this is the offering which ye shall take of them; gold, and silver, and brass,
3. "Voici ce que vous recevrez d`eux en offrande: de l`or, de l`argent et de l`airain;"
3. Ary izao no fanatitra horaisinao aminy: volamena sy volafotsy ary varahina,
4. And blue, and purple, and scarlet, and fine linen, and goats' hair,
4. "des étoffes teintes en bleu, en pourpre, en cramoisi, du fin lin et du poil de chèvre;"
4. Sy manga sy volomparasy sy jaky sy rongony fotsy madinika sy volon' osy,
5. And rams' skins dyed red, and badgers' skins, and shittim wood,
5. "des peaux de béliers teintes en rouge et des peaux de dauphins; du bois d`acacia;"
5. Sy hoditr' ondrilahy efa nomenaina sy hodi-takasy sy hazo sitima,
6. Oil for the light, spices for anointing oil, and for sweet incense,
6. "de l`huile pour le chandelier, des aromates pour l`huile d`onction et pour le parfum odoriférant;"
6. Diloilo ho amin' ny fanazavana, zava-manitra ho diloilo fanosorana, sy ho ditin-kazo manitra,
7. Onyx stones, and stones to be set in the ephod, and in the breastplate.
7. des pierres d`onyx et d`autres pierres pour la garniture de l`éphod et du pectoral.
7. Vato onyksa sy vato hatao amin' ny efoda sy amin' ny saron-tratra.
8. And let them make me a sanctuary; that I may dwell among them.
8. Ils me feront un sanctuaire, et j`habiterai au milieu d`eux.
8. Ary aoka hanao fitoerana masina ho Ahy izy ireo, mba hitoerako eo aminy.
9. According to all that I shew thee, after the pattern of the tabernacle, and the pattern of all the instruments thereof, even so shall ye make it.
9. Vous ferez le tabernacle et tous ses ustensiles d`après le modèle que je vais te montrer.
9. Araka izay rehetra nasehoko anao, araka ny endriky ny tabernakely sy ny endriky ny fanaka rehetra momba azy, dia araka izany no hanaovanao azy.
The Ark
10. And they shall make an ark of shittim wood: two cubits and a half shall be the length thereof, and a cubit and a half the breadth thereof, and a cubit and a half the height thereof.
10. Ils feront une arche de bois d`acacia, sa longueur sera de deux coudées et demie, sa largeur d`une coudée et demie, et sa hauteur d`une coudée et demie.
10. Ary hanao fiara amin' ny hazo sitima izy: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny haavony.
11. And thou shalt overlay it with pure gold, within and without shalt thou overlay it, and shalt make upon it a crown of gold round about.
11. Tu la couvriras d`or pur, tu la couvriras en dedans et en dehors, et tu y feras une bordure d`or tout autour.
11. "Ary petaho volamena madio izany; ny atiny sy ny ivelany no petaho izany ; ary asio koronosy volamena manodidina eo amboniny."
12. And thou shalt cast four rings of gold for it, and put them in the four corners thereof; and two rings shall be in the one side of it, and two rings in the other side of it.
12. Tu fondras pour elle quatre anneaux d`or, et tu les mettras à ses quatre coins, deux anneaux d`un côté et deux anneaux de l`autre côté.
12. "Ary mandrendreha vavavola volamena efatra hatao aminy, ka ataovy eo amin' ny zorony efatra; dia vavavola volamena roa eo amin' ny lafiny iray, ary vavavola volamena roa eo amin' ny lafiny iray."
13. And thou shalt make staves of shittim wood, and overlay them with gold.
13. Tu feras des barres de bois d`acacia, et tu les couvriras d`or.
13. Ary manaova bao amin' ny hazo sitima ka petaho volamena izany.
14. And thou shalt put the staves into the rings by the sides of the ark, that the ark may be borne with them.
14. "Tu passeras les barres dans les anneaux sur les côtés de l`arche, pour qu`elles servent à porter l`arche;"
14. Ary ampidiro ny bao ho eo amin' ireo vavavola izay eo amin' ny lafin' ny fiara mba hitondrana ny fiara.
15. The staves shall be in the rings of the ark: they shall not be taken from it.
15. les barres resteront dans les anneaux de l`arche, et n`en seront point retirées.
15. Eo amin' ireo vavavolan' ny fiara no hitoeran' ny bao, ka tsy hoesorina eo izany.
16. And thou shalt put into the ark the testimony which I shall give thee.
16. Tu mettras dans l`arche le témoignage, que je te donnerai.
16. Ary ataovy ao anatin' ny fiara ny Vavolombelona izay homeko anao.
17. And thou shalt make a mercy seat of pure gold: two cubits and a half shall be the length thereof, and a cubit and a half the breadth thereof.
17. "Tu feras un propitiatoire d`or pur; sa longueur sera de deux coudées et demie, et sa largeur d`une coudée et demie."
17. Ary manaova rakotra fanaovam-panavotana amin' ny volamena madio: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany.
18. And thou shalt make two cherubims of gold, of beaten work shalt thou make them, in the two ends of the mercy seat.
18. "Tu feras deux chérubins d`or, tu les feras d`or battu, aux deux extrémités du propitiatoire;"
18. "Ary manaova kerobima volamena roa; voasana no hanaovanao azy roa ho eo amin' ny lafiny roa amin' ny rakotra fanaovam-panavotana."
19. And make one cherub on the one end, and the other cherub on the other end: even of the mercy seat shall ye make the cherubims on the two ends thereof.
19. "fais un chérubin à l`une des extrémités et un chérubin à l`autre extrémité; vous ferez les chérubins sortant du propitiatoire à ses deux extrémités."
19. "Ny kerobima iray ataovy indray mivofy amin' ny laniny anankiray, ary ny kerobima iray kosa amin' ny laniny anankiray; indray mivofy amin' ny rakotra fanaovam-panavotana no hanaovanareo ny kerobima roa, dia amin' ny lafiny roa."
20. And the cherubims shall stretch forth their wings on high, covering the mercy seat with their wings, and their faces shall look one to another; toward the mercy seat shall the faces of the cherubims be.
20. "Les chérubins étendront les ailes par-dessus, couvrant de leurs ailes le propitiatoire, et se faisant face l`un à l`autre; les chérubins auront la face tournée vers le propitiatoire."
20. "Ary aoka hivelatra eo ambony ny elatry ny kerobima, mba hanalofan' ny elany ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ny tavany hifanatrika sady hanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana izy."
21. And thou shalt put the mercy seat above upon the ark; and in the ark thou shalt put the testimony that I shall give thee.
21. Tu mettras le propitiatoire sur l`arche, et tu mettras dans l`arche le témoignage, que je te donnerai.
21. "Ary apetraho eo ambonin' ny fiara ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ao anatin' ny fiara no asio ny Vavolombelona izay homeko anao."
22. And there I will meet with thee, and I will commune with thee from above the mercy seat, from between the two cherubims which are upon the ark of the testimony, of all things which I will give thee in commandment unto the children of Israel.
22. "C`est là que je me rencontrerai avec toi; du haut du propitiatoire, entre les deux chérubins placés sur l`arche du témoignage, je te donnerai tous mes ordres pour les enfants d`Israël."
22. Ary ao no hihaonako aminao, ary avy eo ambonin' ny rakotra fanaovam-panavotana aho no hiresaka aminao, avy eo anelanelan' ny kerobima roa izay eo ambonin' ny fiaran' ny vavolombelona, ny amin' ny zavatra rehetra izay homeko anao handidiana ny Zanak' Isiraely.
The Table
23. Thou shalt also make a table of shittim wood: two cubits shall be the length thereof, and a cubit the breadth thereof, and a cubit and a half the height thereof.
23. "Tu feras une table de bois d`acacia; sa longueur sera de deux coudées, sa largeur d`une coudée, et sa hauteur d`une coudée et demie."
23. Manaova koa latabatra amin' ny hazo sitima: roa hakiho ny lavany, ary iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny haavony.
24. And thou shalt overlay it with pure gold, and make thereto a crown of gold round about.
24. Tu la couvriras d`or pur, et tu y feras une bordure d`or tout autour.
24. Ary petaho volamena madio izany, sady asio koronosy volamena manodidina azy.
25. And thou shalt make unto it a border of an hand breadth round about, and thou shalt make a golden crown to the border thereof round about.
25. Tu y feras à l`entour un rebord de quatre doigts, sur lequel tu mettras une bordure d`or tout autour.
25. Ary asio sisiny vodivoam-pela-tanana manodidina azy, ary asio koronosy volamena ny sisiny manodidina.
26. And thou shalt make for it four rings of gold, and put the rings in the four corners that are on the four feet thereof.
26. Tu feras pour la table quatre anneaux d`or, et tu mettras les anneaux aux quatre coins, qui seront à ses quatre pieds.
26. Ary manaova vavavola volamena efatra hatao aminy, ka ataovy eo amin' ny zorony efatra izay eo amin' ny tongony efatra ireo.
27. Over against the border shall the rings be for places of the staves to bear the table.
27. Les anneaux seront près du rebord, et recevront les barres pour porter la table.
27. Eo akaikin' ny sisiny no hisy ny vavavola ho fitoeran' ny bao hitondrana ny latabatra.
28. And thou shalt make the staves of shittim wood, and overlay them with gold, that the table may be borne with them.
28. "Tu feras les barres de bois d`acacia, et tu les couvriras d`or; et elles serviront à porter la table."
28. Ary hazo sitima no anaovy ny bao, ka petaho volamena, ary amin' ireo no hilanjana ny latabatra.
29. And thou shalt make the dishes thereof, and spoons thereof, and covers thereof, and bowls thereof, to cover withal: of pure gold shalt thou make them.
29. "Tu feras ses plats, ses coupes, ses calices et ses tasses, pour servir aux libations; tu les feras d`or pur."
29. "Ary manaova ny loviany sy ny sotrony sy ny rakony sy ny kapoakany hanidinana; volamena madio no hanaovanao ireo."
30. And thou shalt set upon the table shewbread before me alway.
30. Tu mettras sur la table les pains de proposition continuellement devant ma face.
30. Ary asio mofo aseho eo ambonin' ny latabatra ho eo anatrehako mandrakariva.
The Lampstand
31. And thou shalt make a candlestick of pure gold: of beaten work shall the candlestick be made: his shaft, and his branches, his bowls, his knops, and his flowers, shall be of the same.
31. "Tu feras un chandelier d`or pur; ce chandelier sera fait d`or battu; son pied, sa tige, ses calices, ses pommes et ses fleurs seront d`une même pièce."
31. "Ary manaova ny fanaovanjiro amin' ny volamena madio; voasana no hanaovana ny fanaovanjiro: ny faladiany, ny sampany, ny vodi-voniny, ny kiboriny ary ny voniny dia ho iray ihany."
32. And six branches shall come out of the sides of it; three branches of the candlestick out of the one side, and three branches of the candlestick out of the other side:
32. Six branches sortiront de ses côtés, trois branches du chandelier de l`un des côtés, et trois branches du chandelier de l`autre côté.
32. Ary sampany enina no hivoaka avy amin' ireo lafiny: sampany telo amin' ny fanaovanjiro avy amin' ny lafiny iray, ary sampany telo amin' ny fanaovanjiro avy amin' ny lafiny ilany.
33. Three bowls made like unto almonds, with a knop and a flower in one branch; and three bowls made like almonds in the other branch, with a knop and a flower: so in the six branches that come out of the candlestick.
33. "Il y aura sur une branche trois calices en forme d`amande, avec pommes et fleurs, et sur une autre branche trois calices en forme d`amande, avec pommes et fleurs; il en sera de même pour les six branches sortant du chandelier."
33. "Vodi-voniny telo atao tahaka ny amygdala, mbamin' ny kiboriny sy ny voniny eo amin' ny sampany anankiray; ary vodi-voniny telo atao tahaka ny amygdala eo amin' ny sampany ilany miaraka amin' ny kiboriny sy ny voniny; izany no eo amin' ny sampany enina izay mivoaka avy amin' ny fanaovanjiro."
34. And in the candlestick shall be four bowls made like unto almonds, with their knops and their flowers.
34. A la tige du chandelier, il y aura quatre calices en forme d`amande, avec leurs pommes et leurs fleurs.
34. Ary eo amin' ny fanaovanjiro dia hisy vodi-voniny efatra atao tahaka ny amygdala, mbamin' ny kiboriny sy ny voniny.
35. And there shall be a knop under two branches of the same, and a knop under two branches of the same, and a knop under two branches of the same, according to the six branches that proceed out of the candlestick.
35. "Il y aura une pomme sous deux des branches sortant de la tige du chandelier, une pomme sous deux autres branches, et une pomme sous deux autres branches; il en sera de même pour les six branches sortant du chandelier."
35. Ary hisy kiboriny iray eo ambanin' ny sampany roa amin' izany, ary kiboriny iray koa eo ambanin' ny sampany roa amin' izany ary kiboriny iray eo ambanin' ny sampany roa amin' izany, araka ny sampany enina mivoaka avy amin' ny fanaovanjiro.
36. Their knops and their branches shall be of the same: all it shall be one beaten work of pure gold.
36. Les pommes et les branches du chandelier seront d`une même pièce: il sera tout entier d`or battu, d`or pur.
36. "Ny kiboriny sy ny sampany dia ho iray ihany; hatao indray mivofy amin' ny volamena madio izy rehetra."
37. And thou shalt make the seven lamps thereof: and they shall light the lamps thereof, that they may give light over against it.
37. Tu feras ses sept lampes, qui seront placées dessus, de manière à éclairer en face.
37. Ary manaova ny lela fanaovanjirony fito, ka ampireheto eo aminy ireo mba hanazava ny anoloany.
38. And the tongs thereof, and the snuffdishes thereof, shall be of pure gold.
38. Ses mouchettes et ses vases à cendre seront d`or pur.
38. Ary ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony dia ho volamena madio.
39. Of a talent of pure gold shall he make it, with all these vessels.
39. On emploiera un talent d`or pur pour faire le chandelier avec tous ses ustensiles.
39. Volamena madio talenta iray no hanaovana azy mbamin' ireo fanaka rehetra ireo.
40. And look that thou make them after their pattern, which was shewed thee in the mount.
40. Regarde, et fais d`après le modèle qui t`est montré sur la montagne.
40. Ary tandremo mba hataonao araka ny endriny izay naseho taminao tao an-tendrombohitra izany.