Consecration of the Firstborn
1. And the LORD spake unto Moses, saying,
1. L`Éternel parla à Moïse, et dit:
1. ARY Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe:
2. Sanctify unto me all the firstborn, whatsoever openeth the womb among the children of Israel, both of man and of beast: it is mine.
2. Consacre-moi tout premier-né, tout premier-né parmi les enfants d`Israël, tant des hommes que des animaux: il m`appartient.
2. Hamasino ho Ahy ny matoa rehetra, dia izay voalohan-teraka rehetra eo amin' ny Zanak' Isiraely, na olona na biby: Ahy ireny.
3. And Moses said unto the people, Remember this day, in which ye came out from Egypt, out of the house of bondage; for by strength of hand the LORD brought you out from this place: there shall no leavened bread be eaten.
3. "Moïse dit au peuple: Souvenez-vous de ce jour, où vous êtes sortis d`Égypte, de la maison de servitude; car c`est par sa main puissante que l`Éternel vous en a fait sortir. On ne mangera point de pain levé."
3. "Dia hoy Mosesy tamin' ny olona: Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta, tamin' ny trano nahandevozana, fa tamin' ny tanana mahery no nitondran' i Jehovah anareo nivoaka avy tany; tsy hisy mofo misy lalivay hohanina."
4. This day came ye out in the month Abib.
4. Vous sortez aujourd`hui, dans le mois des épis.
4. Izao andro amin' ny volana Abiba izao no ivoahanareo.
5. And it shall be when the LORD shall bring thee into the land of the Canaanites, and the Hittites, and the Amorites, and the Hivites, and the Jebusites, which he sware unto thy fathers to give thee, a land flowing with milk and honey, that thou shalt keep this service in this month.
5. Quand l`Éternel t`aura fait entrer dans le pays des Cananéens, des Héthiens, des Amoréens, des Héviens et des Jébusiens, qu`il a juré à tes pères de te donner, pays où coulent le lait et le miel, tu rendras ce culte à l`Éternel dans ce même mois.
5. Ary izao no hisy raha hitondra anao Jehovah ho any amin' ny tanin' ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay nianianany tamin' ny razanao homena anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, dia hanao izany fanompoana izany ianao amin' izao volana izao.
6. Seven days thou shalt eat unleavened bread, and in the seventh day shall be a feast to the LORD.
6. "Pendant sept jours, tu mangeras des pains sans levain; et le septième jour, il y aura une fête en l`honneur de l`Éternel."
6. Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy lalivay, ary amin' ny andro fahafito dia ho andro firavoravoana ho an' i Jehovah.
7. Unleavened bread shall be eaten seven days; and there shall no leavened bread be seen with thee, neither shall there be leaven seen with thee in all thy quarters.
7. "On mangera des pains sans levain pendant les sept jours; on ne verra point chez toi de pain levé, et l`on ne verra point chez toi de levain, dans toute l`étendue de ton pays."
7. "Mofo tsy misy lalivay no hohanina hafitoana; tsy ho hita eo aminao ny mofo misy lalivay, ary tsy hisy lalivay ho hita eo amin' ny taninao rehetra."
8. And thou shalt shew thy son in that day, saying, This is done because of that which the LORD did unto me when I came forth out of Egypt.
8. Tu diras alors à ton fils: C`est en mémoire de ce que l`Éternel a fait pour moi, lorsque je suis sorti d`Égypte.
8. Dia hambaranao amin' ny zanakao amin' izany andro izany hoe: Noho ny nataon' i Jehovah tamiko tamin' ny nivoahako avy tany Egypta no anaovako izao.
9. And it shall be for a sign unto thee upon thine hand, and for a memorial between thine eyes, that the LORD's law may be in thy mouth: for with a strong hand hath the LORD brought thee out of Egypt.
9. "Ce sera pour toi comme un signe sur ta main et comme un souvenir entre tes yeux, afin que la loi de l`Éternel soit dans ta bouche; car c`est par sa main puissante que l`Éternel t`a fait sortir d`Égypte."
9. "Dia ho famantarana ho anao eo amin' ny tananao ary ho fampahatsiarovana eo ambonin' ny handrinao izany, mba ho eo am-bavanao ny lalàn' i Jehovah; fa tanana mahery no nitondran' i Jehovah anao nivoaka avy tany Egypta."
10. Thou shalt therefore keep this ordinance in his season from year to year.
10. Tu observeras cette ordonnance au temps fixé d`année en année.
10. Dia tandremo amin' ny fotoany isan-taona izao lalàna izao.
11. And it shall be when the LORD shall bring thee into the land of the Canaanites, as he sware unto thee and to thy fathers, and shall give it thee,
11. Quand l`Éternel t`aura fait entrer dans le pays des Cananéens, comme il l`a juré à toi et à tes pères, et qu`il te l`aura donné,
11. Ary izao no hisy raha hitondra anao Jehovah ho any amin' ny tanin' ny Kananita araka izay nianianany taminao sy ny razanao, ka homeny anao izany,
12. That thou shalt set apart unto the LORD all that openeth the matrix, and every firstling that cometh of a beast which thou hast; the males shall be the LORD's.
12. tu consacreras à l`Éternel tout premier-né, même tout premier-né des animaux que tu auras: les mâles appartiennent à l`Éternel.
12. "Dia hatokanao ho an' i Jehovah izay voalohan-teraka rehetra; ny voalohan-teraky ny biby rehetra izay anananao; dia ho an' i Jehovah ny lahy rehetra."
13. And every firstling of an ass thou shalt redeem with a lamb; and if thou wilt not redeem it, then thou shalt break his neck: and all the firstborn of man among thy children shalt thou redeem.
13. "Tu rachèteras avec un agneau tout premier-né de l`âne; et, si tu ne le rachètes pas, tu lui briseras la nuque. Tu rachèteras aussi tout premier-né de l`homme parmi tes fils."
13. "Ary ny voalohan-teraky ny boriky rehetra dia havotanao zanak' ondry; fa raha tsy havotanao izany, dia hotapahinao ny vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin' ny olona eo amin' ny zanakao dia havotanao."
14. And it shall be when thy son asketh thee in time to come, saying, What is this? that thou shalt say unto him, By strength of hand the LORD brought us out from Egypt, from the house of bondage:
14. "Et lorsque ton fils te demandera un jour: Que signifie cela? tu lui répondras: Par sa main puissante, l`Éternel nous a fait sortir d`Égypte, de la maison de servitude;"
14. "Ary izao no hisy raha hanontany anao ny zanakao amin' ny andro ho avy ka hanao hoe: Inona no anton' izao? dia holazainao aminy hoe: Tanana mahery no nitondran' i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta, tamin' ny trano nahandevozana;"
15. And it came to pass, when Pharaoh would hardly let us go, that the LORD slew all the firstborn in the land of Egypt, both the firstborn of man, and the firstborn of beast: therefore I sacrifice to the LORD all that openeth the matrix, being males; but all the firstborn of my children I redeem.
15. et, comme Pharaon s`obstinait à ne point nous laisser aller, l`Éternel fit mourir tous les premiers-nés dans le pays d`Égypte, depuis les premiers-nés des hommes jusqu`aux premiers-nés des animaux. Voilà pourquoi j`offre en sacrifice à l`Éternel tout premier-né des mâles, et je rachète tout premier-né de mes fils.
15. "Ary izao no niseho, raha saika tsy hamela anay handeha Farao, dia novonoin' i Jehovah ny matoa rehetra tamin' ny tany Egypta, dia ny lahimatoan' ny olona sy ny voalohan-teraky ny biby; koa izany no hanaterako fanatitra ho an' i Jehovah ny lahy voalohan-teraka rehetra; fa ny matoa rehetra amin' ny zanako dia avotako."
16. And it shall be for a token upon thine hand, and for frontlets between thine eyes: for by strength of hand the LORD brought us forth out of Egypt.
16. "Ce sera comme un signe sur ta main et comme des fronteaux entre tes yeux; car c`est par sa main puissante que l`Éternel nous a fait sortir d`Égypte."
16. "Ary ho famantarana eo amin' ny tananao izany sy ho filakitera eo anelanelan' ny masonao; fa tanana mahery no nitondran' i Jehovah an-tsika nivoaka avy tany Egypta."
Crossing the Sea
17. And it came to pass, when Pharaoh had let the people go, that God led them not through the way of the land of the Philistines, although that was near; for God said, Lest peradventure the people repent when they see war, and they return to Egypt:
17. "Lorsque Pharaon laissa aller le peuple, Dieu ne le conduisit point par le chemin du pays des Philistins, quoique le plus proche; car Dieu dit: Le peuple pourrait se repentir en voyant la guerre, et retourner en Égypte."
17. "Ary izao no niseho, rehefa nalefan' i Farao ny olona, dia tsy mba nentin' Andriamanitra tamin' ny lalana nankany amin' ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny olona raha mahita ady, ka hiverina any Egypta;"
18. But God led the people about, through the way of the wilderness of the Red sea: and the children of Israel went up harnessed out of the land of Egypt.
18. Mais Dieu fit faire au peuple un détour par le chemin du désert, vers la mer Rouge. Les enfants d`Israël montèrent en armes hors du pays d`Égypte.
18. "Fa notarihin' Andriamanitra ho amin' ny lalana mahazo ny efitra amoron' ny Ranomasina Mena ny olona; ary voaomana hiady ny fiakatry ny Zanak' Isiraely avy tany amin' ny tany Egypta."
19. And Moses took the bones of Joseph with him: for he had straitly sworn the children of Israel, saying, God will surely visit you; and ye shall carry up my bones away hence with you.
19. "Moïse prit avec lui les os de Joseph; car Joseph avait fait jurer les fils d`Israël, en disant: Dieu vous visitera, et vous ferez remonter avec vous mes os loin d`ici."
19. Ary nentin' i Mosesy niaraka taminy ny taolan' i Josefa, satria Josefa efa nampianiana dia nampianiana ny Zanak' Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala aty miaraka aminareo ianareo.
20. And they took their journey from Succoth, and encamped in Etham, in the edge of the wilderness.
20. Ils partirent de Succoth, et ils campèrent à Étham, à l`extrémité du désert.
20. Dia niala avy tao Sokota izy ka nitoby tao Etama teo an-tsisin' ny efitra.
21. And the LORD went before them by day in a pillar of a cloud, to lead them the way; and by night in a pillar of fire, to give them light; to go by day and night:
21. L`Éternel allait devant eux, le jour dans une colonne de nuée pour les guider dans leur chemin, et la nuit dans une colonne de feu pour les éclairer, afin qu`ils marchassent jour et nuit.
21. "Ary nandeha teo anoloany Jehovah tamin' ny andri-rahona raha antoandro hitari-dalana azy, ary tamin' ny andri-afo nony alina hanazava azy, handehanany andro aman' alina;"
22. He took not away the pillar of the cloud by day, nor the pillar of fire by night, from before the people.
22. La colonne de nuée ne se retirait point de devant le peuple pendant le jour, ni la colonne de feu pendant la nuit.
22. Tsy nesoriny teo anoloan' ny olona ny andri-rahona raha antoandro, na ny andri-afo nony alina.