Defeat of Og King of Bashan
1. Then we turned, and went up the way to Bashan: and Og the king of Bashan came out against us, he and all his people, to battle at Edrei.
1. Nous nous tournâmes, et nous montâmes par le chemin de Basan. Og, roi de Basan, sortit à notre rencontre, avec tout son peuple, pour nous combattre à Édréi.
1. "Dia niverina isika ka niakatra tamin' ny lalana mankany Basana; ary nivoaka hiady tamintsika tao Edrehy i Oga, mpanjakan' i Basana, dia izy mbamin' ny vahoakany rehetra."
2. And the LORD said unto me, Fear him not: for I will deliver him, and all his people, and his land, into thy hand; and thou shalt do unto him as thou didst unto Sihon king of the Amorites, which dwelt at Heshbon.
2. "L`Éternel me dit: Ne le crains point; car je le livre entre tes mains, lui et tout son peuple, et son pays; tu le traiteras comme tu as traité Sihon, roi des Amoréens, qui habitait à Hesbon."
2. "Ary hoy Jehovah tamiko: Aza matahotra azy ianao; fa hatolotro eo an-tananao izy mbamin' ny vahoakany rehetra sy ny taniny, ary ianao hanao aminy araka izay nataonao tamin' i Sihona, mpanjakan' ny Amorita, izay nonina tao Hesbona."
3. So the LORD our God delivered into our hands Og also, the king of Bashan, and all his people: and we smote him until none was left to him remaining.
3. "Et l`Éternel, notre Dieu, livra encore entre nos mains Og, roi de Basan, avec tout son peuple; nous le battîmes, sans laisser échapper aucun de ses gens."
3. "Dia natolotr' i Jehovah Andriamanitsika teo an-tanantsika koa Oga, mpanjakan' i Basana sy ny vahoakany rehetra; dia namely azy isika mandra-paha-tsy nisy niangana na dia iray akory aza taminy."
4. And we took all his cities at that time, there was not a city which we took not from them, threescore cities, all the region of Argob, the kingdom of Og in Bashan.
4. Nous prîmes alors toutes ses villes, et il n`y en eut pas une qui ne tombât en notre pouvoir: soixante villes, toute la contrée d`Argob, le royaume d`Og en Basan.
4. "Dia afatsika ny tanànany rehetra tamin'izany fotoana izany; tsy nisy tanàna izay tsy nalaintsika taminy, dia tanàna enimpolo, dia ny tany Argoba rehetra fanjakan' i Oga, tany Basana."
5. All these cities were fenced with high walls, gates, and bars; beside unwalled towns a great many.
5. "Toutes ces villes étaient fortifiées, avec de hautes murailles, des portes et des barres; il y avait aussi des villes sans murailles en très grand nombre."
5. "Ireo tanàna rehetra ireo dia samy voafefy manda avo sy vavahady ary hidy hahamafy azy; afa-tsy ny tanàna tsy mimanda maro dia maro."
6. And we utterly destroyed them, as we did unto Sihon king of Heshbon, utterly destroying the men, women, and children, of every city.
6. "Nous les dévouâmes par interdit, comme nous l`avions fait à Sihon, roi de Hesbon; nous dévouâmes toutes les villes par interdit, hommes, femmes et petits enfants."
6. "Dia naringantsika tanteraka ireny tahaka izay efa nataontsika tamin' i Sihona, mpanjakan' i Hesbona; naringana tokoa ny lehilahy, sy ny vehivavy sy ny ankizy isaky ny tanàna."
7. But all the cattle, and the spoil of the cities, we took for a prey to ourselves.
7. Mais nous pillâmes pour nous tout le bétail et le butin des villes.
7. Fa ny biby fiompy rehetra sy ny fananana tamin' ireo tanàna ireo dia nataontsika babo ho antsika.
8. And we took at that time out of the hand of the two kings of the Amorites the land that was on this side Jordan, from the river of Arnon unto mount Hermon;
8. C`est ainsi que, dans ce temps-là, nous conquîmes sur les deux rois des Amoréens le pays de l`autre côté du Jourdain, depuis le torrent de l`Arnon jusqu`à la montagne de l`Hermon
8. "Ary nalaintsika tamin' izany fotoana izany tamin' ny tanan' ny mpanjaka roa tamin' ny Amorita ny tany any an-dafin' i Jordana, hatramin' ny reniranon' i Arnona ka hatramin'ny tendrombohitra Hermona;"
9. (Which Hermon the Sidonians call Sirion; and the Amorites call it Shenir;)
9. (les Sidoniens donnent à l`Hermon le nom de Sirion, et les Amoréens celui de Senir,)
9. "(Hermona dia nataon' ny Sidoniana hoe: Siriona; fa ny Amorita kosa nanao azy hoe Senira),"
10. All the cities of the plain, and all Gilead, and all Bashan, unto Salchah and Edrei, cities of the kingdom of Og in Bashan.
10. toutes les villes de la plaine, tout Galaad et tout Basan jusqu`à Salca et Édréi, villes du royaume d`Og en Basan.
10. Dia ny tanàna rehetra amin' ny tany lemaka sy Gileada rehetra ary Basana rehetra, hatrany Saleka sy Edrehy, dia ny tanàna amin' ny fanjakan' i Oga tany Basana.
11. For only Og king of Bashan remained of the remnant of giants; behold, his bedstead was a bedstead of iron; is it not in Rabbath of the children of Ammon? nine cubits was the length thereof, and four cubits the breadth of it, after the cubit of a man.
11. (Og, roi de Basan, était resté seul de la race des Rephaïm. Voici, son lit, un lit de fer, n`est-il pas à Rabbath, ville des enfants d`Ammon? Sa longueur est de neuf coudées, et sa largeur de quatre coudées, en coudées d`homme.)
11. "Fa Oga, mpanjakan' i Basana ihany no sisa tavela tamin' ny olona goavambe; indro, farafara vy ny farafarany, tsy ao Raban' ny taranak' i Amona va izany? sivy hakiho ny halavany, ary efatra hakiho ny sakany, araka ny hakihon' ny lehilahy."
Division of the Land
12. And this land, which we possessed at that time, from Aroer, which is by the river Arnon, and half mount Gilead, and the cities thereof, gave I unto the Reubenites and to the Gadites.
12. Nous prîmes alors possession de ce pays. Je donnai aux Rubénites et aux Gadites le territoire à partir d`Aroër sur le torrent de l`Arnon et la moitié de la montagne de Galaad avec ses villes.
12. "Ary io tany io dia azontsika tamin' izany fotoana izany; hatrany Aroera, izay eo amoron' ny renirano Arnona sy ny antsasaky ny tendrombohitr' i Gileada, ary ny tanàna eo dia nomeko ny Robenita sy ny Gadita."
13. And the rest of Gilead, and all Bashan, being the kingdom of Og, gave I unto the half tribe of Manasseh; all the region of Argob, with all Bashan, which was called the land of giants.
13. Je donnai à la moitié de la tribu de Manassé le reste de Galaad et tout le royaume d`Og en Basan: toute la contrée d`Argob, avec tout Basan, c`est ce qu`on appelait le pays des Rephaïm.
13. Ary Gileada sisa sy Basana rehetra izay fanjakan' i Oga, dia nomeko ny an-tsasaky ny fokon' i Manase, dia ny tany Argoba rehetra, sy Basana rehetra izay atao hoe: tanin' ny olona goavambe.
14. Jair the son of Manasseh took all the country of Argob unto the coasts of Geshuri and Maachathi; and called them after his own name, Bashanhavothjair, unto this day.
14. Jaïr, fils de Manassé, prit toute la contrée d`Argob jusqu`à la frontière des Gueschuriens et des Maacathiens, et il donna son nom aux bourgs de Basan, appelés encore aujourd`hui bourgs de Jaïr.
14. "Jaïra, zanak' i Manase, no nahafaka ny tany Argoba rehetra, hatramin' ny faritanin' ny Gesorita sy ny Makatita; ary ny anaran' izany dia nataony hoe: Basana Havota-jaïra, araka ny anarany ihany mandraka androany."
15. And I gave Gilead unto Machir.
15. Je donnai Galaad à Makir.
15. Ary Gileada dia nomeko an' i Makira.
16. And unto the Reubenites and unto the Gadites I gave from Gilead even unto the river Arnon half the valley, and the border even unto the river Jabbok, which is the border of the children of Ammon;
16. "Aux Rubénites et aux Gadites je donnai une partie de Galaad jusqu`au torrent de l`Arnon, dont le milieu sert de limite, et jusqu`au torrent de Jabbok, frontière des enfants d`Ammon;"
16. "Ary ny Robenita sy ny Gadita dia nomeko ny hatrany Gileada ka hatrany amin' ny renirano Arnona, dia ny antsasaky ny lohasaha sy ny faritany hatramin' ny moron' ny renirano Jaboka, izay faritanin' ny taranak' i Amona;"
17. The plain also, and Jordan, and the coast thereof, from Chinnereth even unto the sea of the plain, even the salt sea, under Ashdothpisgah eastward.
17. je leur donnai encore la plaine, limitée par le Jourdain, depuis Kinnéreth jusqu`à la mer de la plaine, la mer Salée, au pied du Pisga vers l`orient.
17. Ny tany lemaka koa sy Jordana ary ny sisin-taniny hatrany Kinereta ka hatramin' ny ranomasin' ny tany lemaka, dia ny ranomasin-tsira, ambanin' i Asdoda-Pisga ao atsinanana.
18. And I commanded you at that time, saying, The LORD your God hath given you this land to possess it: ye shall pass over armed before your brethren the children of Israel, all that are meet for the war.
18. En ce temps-là, je vous donnai cet ordre. L`Éternel, votre Dieu, vous livre ce pays, pour que vous le possédiez. Vous tous, soldats, vous marcherez en armes devant les enfants d`Israël.
18. "Ary nandidy anareo tamin' izany fotoana izany aho ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitrareo efa nanome ity tany ity ho fanananareo; andeha mita, efa voaomana amin' ny fiadiana eo alohan' ny Zanak' Isiraely rahalahinareo ianareo rehetra, samy efa vonona ho amin' ny ady."
19. But your wives, and your little ones, and your cattle, (for I know that ye have much cattle,) shall abide in your cities which I have given you;
19. Vos femmes seulement, vos petits enfants et vos troupeaux-je sais que vous avez de nombreux troupeaux-resteront dans les villes que je vous ai donnée,
19. "Fa ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny ombinareo (fantatro fa be omby ianareo), dia hitoetra ao an-tanànanareo izay nomeko anareo;"
20. Until the LORD have given rest unto your brethren, as well as unto you, and until they also possess the land which the LORD your God hath given them beyond Jordan: and then shall ye return every man unto his possession, which I have given you.
20. jusqu`à ce que l`Éternel ait accordé du repos à vos frères comme à vous, et qu`ils possèdent, eux aussi, le pays que l`Éternel, votre Dieu, leur donne de l`autre côté du Jourdain. Et vous retournerez chacun dans l`héritage que je vous ai donné.
20. "Mandra-panomen' i Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo tahaka anareo, ka holovany koa ny tany izay nomen' i Jehovah Andriamanitrareo azy any an-dafin' i Jordana; dia hiverina ianareo, samy ho any amin' ny taniny avy, izay nomeko anareo."
Moses Forbidden to Cross the Jordan
21. And I commanded Joshua at that time, saying, Thine eyes have seen all that the LORD your God hath done unto these two kings: so shall the LORD do unto all the kingdoms whither thou passest.
21. En ce temps-là, je donnai des ordres à Josué, et je dis: Tes yeux ont vu tout ce que l`Éternel, votre Dieu, a fait à ces deux rois: ainsi fera l`Éternel à tous les royaumes contre lesquels tu vas marcher.
21. Dia nandidy an' i Josoa aho tamin' izany fotoana izany ka nanao hoe: Ny masonao efa nahita izay rehetra nataon' i Jehovah Andriamanitrareo tamin' ireo mpanjaka roa ireo, dia toy izany no hataon' i Jehovah amin' ny fanjakana rehetra izay halehanao.
22. Ye shall not fear them: for the LORD your God he shall fight for you.
22. "Ne les craignez point; car l`Éternel, votre Dieu, combattra lui-même pour vous."
22. "Aza matahotra azy ianareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no hiady ho anareo."
23. And I besought the LORD at that time, saying,
23. En ce temps-là, j`implorai la miséricorde de l`Éternel, en disant:
23. Dia niangavy an' i Jehovah aho tamin' izany fotoana izany ka nanao hoe :
24. O Lord GOD, thou hast begun to shew thy servant thy greatness, and thy mighty hand: for what God is there in heaven or in earth, that can do according to thy works, and according to thy might?
24. "Seigneur Éternel, tu as commencé à montrer à ton serviteur ta grandeur et ta main puissante; car quel dieu y a-t-il, au ciel et sur la terre, qui puisse imiter tes oeuvres et tes hauts faits?"
24. Jehovah Tompo ô, Ianao vao naneho tamin' ny mpanomponao ny fahalehibiazanao sy ny tananao mahery, fa aiza no misy Andriamanitra any an-danitra, na ety an-tany, izay mahay manao araka ny asanao sy ny herinao?
25. I pray thee, let me go over, and see the good land that is beyond Jordan, that goodly mountain, and Lebanon.
25. Laisse-moi passer, je te prie, laisse-moi voir ce bon pays de l`autre côté du Jourdain, ces belles montagnes et le Liban.
25. Mifona aminao aho, aoka mba handeha hita aho ka hahita ny tany soa izay any an-dafin' i Jordana, dia ilay be tendrombohitra tsara sy Libanona.
26. But the LORD was wroth with me for your sakes, and would not hear me: and the LORD said unto me, Let it suffice thee; speak no more unto me of this matter.
26. Mais l`Éternel s`irrita contre moi, à cause de vous, et il ne m`écouta point. L`Éternel me dit: C`est assez, ne me parle plus de cette affaire.
26. "Fa tezitra tamiko Jehovah noho ny aminareo ka tsy nihaino ahy; dia hoy Jehovah tamiko: Aoka izay, fa aza miteny amiko intsony ny amin' izany zavatra izany ianao."
27. Get thee up into the top of Pisgah, and lift up thine eyes westward, and northward, and southward, and eastward, and behold it with thine eyes: for thou shalt not go over this Jordan.
27. "Monte au sommet du Pisga, porte tes regards à l`occident, au nord, au midi et à l`orient, et contemple de tes yeux; car tu ne passeras pas ce Jourdain."
27. "Miakara ao an-tampon' i Pisga ianao, ary atopazo ny masonao miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo sy miantsinanana, ary jereo amin' ny masonao izany; fa tsy hita io Jordana io ianao."
28. But charge Joshua, and encourage him, and strengthen him: for he shall go over before this people, and he shall cause them to inherit the land which thou shalt see.
28. "Donne des ordres à Josué, fortifie-le et affermis-le; car c`est lui qui marchera devant ce peuple et qui le mettra en possession du pays que tu verras."
28. "Fa mandidia an' i Josoa, dia mampahereza azy sy mampahatanjaha azy; fa izy no handeha hita eo alohan' ity firenena ity, ary izy no hampandova azy ny tany izay ho hitanao."
29. So we abode in the valley over against Bethpeor.
29. Nous demeurâmes dans la vallée, vis-à-vis de Beth Peor.
29. Ka dia nitoetra tany an-dohasaha tandrifin' i Beti-peora isika.