1. If there be a controversy between men, and they come unto judgment, that the judges may judge them; then they shall justify the righteous, and condemn the wicked.
1. Lorsque des hommes, ayant entre eux une querelle, se présenteront en justice pour être jugés, on absoudra l`innocent, et l`on condamnera le coupable.
1. Raha misy olona manana ady ka mankeo amin' ny fitsarana ary tsarain' ny mpitsara ireo, dia aoka hohamarininy izay marina ary hohelohiny kosa ny ratsy fanahy.
2. And it shall be, if the wicked man be worthy to be beaten, that the judge shall cause him to lie down, and to be beaten before his face, according to his fault, by a certain number.
2. Si le coupable mérite d`être battu, le juge le fera étendre par terre et frapper en sa présence d`un nombre de coups proportionné à la gravité de sa faute.
2. Ary izao no hisy, raha tokony hokapohiny ilay ratsy fanahy, dia asain' ny mpitsara hampandrina izy ka hokapohiny eo anatrehany, araka ny fahadisoany no isan' ny kapoka hatao aminy.
3. Forty stripes he may give him, and not exceed: lest, if he should exceed, and beat him above these with many stripes, then thy brother should seem vile unto thee.
3. Il ne lui fera pas donner plus de quarante coups, de peur que, si l`on continuait à le frapper en allant beaucoup au delà, ton frère ne fût avili à tes yeux.
3. Hatramin' ny efapolo ny kapoka azony atao aminy fa tsy hatao mihoatra, fandrao raha mikapoka azy mihoatra noho izany dia ho toy ny tsinontsinona eo imasonao ny rahalahinao.
4. Thou shalt not muzzle the ox when he treadeth out the corn.
4. Tu n`emmuselleras point le boeuf, quand il foulera le grain.
4. Aza manakombona ny vavan' ny omby mively varimbazaha.
5. If brethren dwell together, and one of them die, and have no child, the wife of the dead shall not marry without unto a stranger: her husband's brother shall go in unto her, and take her to him to wife, and perform the duty of an husband's brother unto her.
5. Lorsque des frères demeureront ensemble, et que l`un d`eux mourra sans laisser de fils, la femme du défunt ne se mariera point au dehors avec un étranger, mais son beau-frère ira vers elle, la prendra pour femme, et l`épousera comme beau-frère.
5. "Raha misy mpirahalahy miara-monina, ary maty momba ny anankiray, dia aoka tsy hanambady vahiny any ivelany ny vadin' ny maty; fa ny rahalahin' ny vadiny ihany no aoka hanambady azy ka hitondra loloha azy."
6. And it shall be, that the firstborn which she beareth shall succeed in the name of his brother which is dead, that his name be not put out of Israel.
6. Le premier-né qu`elle enfantera succédera au frère mort et portera son nom, afin que ce nom ne soit pas effacé d`Israël.
6. Ary izao no hisy, ny lahimatoa izay haterany dia handimby ny anaran' ilay rahalahiny izay efa maty, mba tsy ho faty maso eo amin' ny Isiraely ny anarany.
7. And if the man like not to take his brother's wife, then let his brother's wife go up to the gate unto the elders, and say, My husband's brother refuseth to raise up unto his brother a name in Israel, he will not perform the duty of my husband's brother.
7. Si cet homme ne veut pas prendre sa belle-soeur, elle montera à la porte vers les anciens, et dira: Mon beau-frère refuse de relever en Israël le nom de son frère, il ne veut pas m`épouser par droit de beau-frère.
7. Ary raha tsy sitra-dralehilahy ny hitondra loloha ny vadin-drahalahiny, dia aoka hankeo amin' ny vavahady ho eo amin' ny loholona ny vadin-dralehilahy ka hanao hoe: Ny rahalahin' ny vadiko tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny eo amin' ny Isiraely, fa tsy mety mitondra loloha ahy.
8. Then the elders of his city shall call him, and speak unto him: and if he stand to it, and say, I like not to take her;
8. Les anciens de la ville l`appelleront, et lui parleront. S`il persiste, et dit: Je ne veux pas la prendre,
8. "Dia hiantso an-dralehilahy ny loholona amin' ny tanànany ka hiteny aminy; ary raha mikiry izy ka manao hoe: Tsy tiako ny hanambady azy;"
9. Then shall his brother's wife come unto him in the presence of the elders, and loose his shoe from off his foot, and spit in his face, and shall answer and say, So shall it be done unto that man that will not build up his brother's house.
9. alors sa belle-soeur s`approchera de lui en présence des anciens, lui ôtera son soulier du pied, et lui crachera au visage. Et prenant la parole, elle dira: Ainsi sera fait à l`homme qui ne relève pas la maison de son frère.
9. Dia hanatona azy eo anatrehan' ny loholona ny vadin-drahalahiny ka hanala ny kapa amin' ny tongo-dralehilahy, dia handrora amin' ny tavany ka hiteny hoe: Toy izany no hatao amin' ny olona tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny.
10. And his name shall be called in Israel, The house of him that hath his shoe loosed.
10. Et sa maison sera appelée en Israël la maison du déchaussé.
10. Ary ny anaran-dralehilahy dia hatao eo amin' ny Isiraely hoe: Fianakavian' ilay nalan-kapa.
11. When men strive together one with another, and the wife of the one draweth near for to deliver her husband out of the hand of him that smiteth him, and putteth forth her hand, and taketh him by the secrets:
11. Lorsque des hommes se querelleront ensemble, l`un avec l`autre, si la femme de l`un s`approche pour délivrer son mari de la main de celui qui le frappe, si elle avance la main et saisit ce dernier par les parties honteuses,
11. Raha misy lehilahy miady, ary ny vadin' ny anankiray manatona hamonjy ny vadiny amin' ny tanan' izay mamely azy, ary maninjitra ny tanany ka mandray azy an-kasarotana,
12. Then thou shalt cut off her hand, thine eye shall not pity her.
12. tu lui couperas la main, tu ne jetteras sur elle aucun regard de pitié.
12. "Dia hotapahinao ny tanany; tsy hiantra azy ny masonao."
13. Thou shalt not have in thy bag divers weights, a great and a small.
13. Tu n`auras point dans ton sac deux sortes de poids, un gros et un petit.
13. Aoka tsy hisy vato fandanjana samihafa izay mahery, na latsaka ao an-kitaponao.
14. Thou shalt not have in thine house divers measures, a great and a small.
14. Tu n`auras point dans ta maison deux sortes d`épha, un grand et un petit.
14. Aoka tsy hisy famarana samihafa izay mihoatra, na latsaka ao an-tranonao.
15. But thou shalt have a perfect and just weight, a perfect and just measure shalt thou have: that thy days may be lengthened in the land which the LORD thy God giveth thee.
15. Tu auras un poids exact et juste, tu auras un épha exact et juste, afin que tes jours se prolongent dans le pays que l`Éternel, ton Dieu, te donne.
15. Vato feno lanja sady marina ary famarana tonga ohatra sady marina no aoka hanananao, mba ho maro andro ianao any amin' ny tany izay omen' i Jehovah Andriamanitrao anao.
16. For all that do such things, and all that do unrighteously, are an abomination unto the LORD thy God.
16. Car quiconque fait ces choses, quiconque commet une iniquité, est en abomination à l`Éternel, ton Dieu.
16. Fa fahavetavetana eo imason' i Jehovah Andriamanitrao izay rehetra manao izany zavatra izany sy izay rehetra manao ny tsy marina.
17. Remember what Amalek did unto thee by the way, when ye were come forth out of Egypt;
17. Souviens-toi de ce que te fit Amalek pendant la route, lors de votre sortie d`Égypte,
17. "Tsarovy izay nataon' i Amaleka taminao teny an-dalana raha nivoaka avy tany Egypta ianareo;"
18. How he met thee by the way, and smote the hindmost of thee, even all that were feeble behind thee, when thou wast faint and weary; and he feared not God.
18. comment il te rencontra dans le chemin, et, sans aucune crainte de Dieu, tomba sur toi par derrière, sur tous ceux qui se traînaient les derniers, pendant que tu étais las et épuisé toi-même.
18. "Dia ny nitsenany anao teny an-dalana sy ny namelezany ny vodi-lalanao, dia izay rehetra osa teo aorianao, raha reraka sy sasatra ianao; fa tsy natahotra an' Andriamanitra izy."
19. Therefore it shall be, when the LORD thy God hath given thee rest from all thine enemies round about, in the land which the LORD thy God giveth thee for an inheritance to possess it, that thou shalt blot out the remembrance of Amalek from under heaven; thou shalt not forget it.
19. Lorsque l`Éternel, ton Dieu, après t`avoir délivré de tous les ennemis qui t`entourent, t`accordera du repos dans le pays que l`Éternel, ton Dieu, te donne en héritage et en propriété, tu effaceras la mémoire d`Amalek de dessous les cieux: ne l`oublie point.
19. Koa izao no hisy, rehefa omen' i Jehovah Andriamanitrao fitsaharana amin' ny fahavalonao rehetra manodidina anao ianao any amin' ny tany izay omen' i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao ka ho fanananao, dia hovonoinao ny fahatsiarovana an' i Amaleka tsy ho eo ambanin' ny lanitra: aza hadinoinao izany.