1. When a man hath taken a wife, and married her, and it come to pass that she find no favour in his eyes, because he hath found some uncleanness in her: then let him write her a bill of divorcement, and give it in her hand, and send her out of his house.
1. Lorsqu`un homme aura pris et épousé une femme qui viendrait à ne pas trouver grâce à ses yeux, parce qu`il a découvert en elle quelque chose de honteux, il écrira pour elle une lettre de divorce, et, après la lui avoir remise en main, il la renverra de sa maison.
1. "Raha misy lehilahy maka vady ka nampakatra azy, ary izao no hiseho, raha tsy mahita fitia eo imasony ravehivavy noho ny nahitany fahalotoana taminy; dia aoka hanoratra taratasy fisaoram-bady ho an-dravehivavy izy, ary hanolotra izany eo an-tanany ka hampiala azy ao an-tranony."
2. And when she is departed out of his house, she may go and be another man's wife.
2. Elle sortira de chez lui, s`en ira, et pourra devenir la femme d`un autre homme.
2. Ary rehefa miala ao an-tranony ravehivavy, dia mahazo mandeha ka manambady olon-kafa.
3. And if the latter husband hate her, and write her a bill of divorcement, and giveth it in her hand, and sendeth her out of his house; or if the latter husband die, which took her to be his wife;
3. "Si ce dernier homme la prend en aversion, écrit pour elle une lettre de divorce, et, après la lui avoir remise en main, la renvoie de sa maison; ou bien, si ce dernier homme qui l`a prise pour femme vient à mourir,"
3. "Ary raha mankahala an-dravehivavy ilay vao nanambady azy ka manoratra taratasy fisaoram-bady koa ary manolotra izany eo an-tanany ka mampiala azy ao an-tranony, na raha maty ilay nanambady azy taoriana;"
4. Her former husband, which sent her away, may not take her again to be his wife, after that she is defiled; for that is abomination before the LORD: and thou shalt not cause the land to sin, which the LORD thy God giveth thee for an inheritance.
4. alors le premier mari qui l`avait renvoyée ne pourra pas la reprendre pour femme après qu`elle a été souillée, car c`est une abomination devant l`Éternel, et tu ne chargeras point de péché le pays que l`Éternel, ton Dieu, te donne pour héritage.
4. "Ilay nanambady azy taloha ka nisaotra azy dia tsy mahazo manambady azy intsony, rehefa voaloto izy; fa fahavetavetana eo imason' i Jehovah izany; ary aza mampiditra heloka amin' ny tany, izay omen' i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao."
5. When a man hath taken a new wife, he shall not go out to war, neither shall he be charged with any business: but he shall be free at home one year, and shall cheer up his wife which he hath taken.
5. "Lorsqu`un homme sera nouvellement marié, il n`ira point à l`armée, et on ne lui imposera aucune charge; il sera exempté par raison de famille pendant un an, et il réjouira la femme qu`il a prise."
5. Raha misy lehilahy vao nampaka-bady, dia tsy handeha hiantafika izy, ary tsy hampanaovina fanompoana akory, fa havela hitoetra ao an-tranony herintaona ka hampifaly ny vadiny izay vao nampakariny.
6. No man shall take the nether or the upper millstone to pledge: for he taketh a man's life to pledge.
6. "On ne prendra point pour gage les deux meules, ni la meule de dessus; car ce serait prendre pour gage la vie même."
6. "Aoka tsy hisy olona haka ny vato ambany, na ambony amin' ny fikosoham-bary ho tsatòka; fa maka ain' olona ho tsatòka izany."
7. If a man be found stealing any of his brethren of the children of Israel, and maketh merchandise of him, or selleth him; then that thief shall die; and thou shalt put evil away from among you.
7. Si l`on trouve un homme qui ait dérobé l`un de ses frères, l`un des enfants d`Israël, qui en ait fait son esclave ou qui l`ait vendu, ce voleur sera puni de mort. Tu ôteras ainsi le mal du milieu de toi.
7. "Raha misy olona hita mangalatra ny anankiray amin' ny Zanak' Isiraely, ka manao azy ho entam-barotra, na mivarotra azy, dia hatao maty izany mpangalatra izany; ary hoesorinao tsy ho eo aminao ny ratsy."
8. Take heed in the plague of leprosy, that thou observe diligently, and do according to all that the priests the Levites shall teach you: as I commanded them, so ye shall observe to do.
8. "Prends garde à la plaie de la lèpre, afin de bien observer et de faire tout ce que vous enseigneront les sacrificateurs, les Lévites; vous aurez soin d`agir d`après les ordres que je leur ai donnés."
8. "Mitandrema ny amin' ny areti-mandozan' ny habokana, ka araho tsara izay rehetra hatoron' ny Levita mpisorona anareo; araka izay nandidiako azy no hotandremanareo harahina."
9. Remember what the LORD thy God did unto Miriam by the way, after that ye were come forth out of Egypt.
9. Souviens-toi de ce que l`Éternel, ton Dieu, fit à Marie pendant la route, lors de votre sortie d`Égypte.
9. Tsarovy izay nataon' i Jehovah Andriamanitrao tamin' ny Miriama teny an-dalana taorian' ny nivoahanareo avy tany Egypta.
10. When thou dost lend thy brother any thing, thou shalt not go into his house to fetch his pledge.
10. "Si tu fais à ton prochain un prêt quelconque, tu n`entreras point dans sa maison pour te saisir de son gage;"
10. Raha mampisambo-javatra ny rahalahinao ianao, dia aza miditra ao an-tranony handray ny antoka aminy.
11. Thou shalt stand abroad, and the man to whom thou dost lend shall bring out the pledge abroad unto thee.
11. tu resteras dehors, et celui à qui tu fais le prêt t`apportera le gage dehors.
11. Mijanòna eo ala-trano, ary ny lehilahy izay nampisamborinao no hamoaka ny antoka ho aminao eo ala-trano.
12. And if the man be poor, thou shalt not sleep with his pledge:
12. "Si cet homme est pauvre, tu ne te coucheras point, en retenant son gage;"
12. Ary raha mahantra ralehilahy, dia aza tananao miloaka alina ny antoka.
13. In any case thou shalt deliver him the pledge again when the sun goeth down, that he may sleep in his own raiment, and bless thee: and it shall be righteousness unto thee before the LORD thy God.
13. "tu le lui rendras au coucher du soleil, afin qu`il couche dans son vêtement et qu`il te bénisse; et cela te sera imputé à justice devant l`Éternel, ton Dieu."
13. "Fa avereno aminy mihitsy ny antoka rehefa maty ny masoandro, mba hirakofany amin' ny lambany, ka hisaorany anao; dia ho fahamarinana ho anao eo anatrehan' i Jehovah Andriamanitrao izany."
14. Thou shalt not oppress an hired servant that is poor and needy, whether he be of thy brethren, or of thy strangers that are in thy land within thy gates:
14. Tu n`opprimeras point le mercenaire, pauvre et indigent, qu`il soit l`un de tes frères, ou l`un des étrangers demeurant dans ton pays, dans tes portes.
14. Aza mampahory amin' ny karama ny mpanompo izay mahantra sy sahirana, na amin' ny rahalahinao, na amin' ny vahiny izay ao amin' ny taninao eo am-bavahadinao.
15. At his day thou shalt give him his hire, neither shall the sun go down upon it; for he is poor, and setteth his heart upon it: lest he cry against thee unto the LORD, and it be sin unto thee.
15. "Tu lui donneras le salaire de sa journée avant le coucher du soleil; car il est pauvre, et il lui tarde de le recevoir. Sans cela, il crierait à l`Éternel contre toi, et tu te chargerais d`un péché."
15. "Fa ny andro anaovany ihany no hanomezanao azy ny karamany, raha mbola tsy milentika ny masoandro, fa mahantra izy ka izany no ametrahany ny fony; fandrao hitaraina amin' i Jehovah noho ny nataonao izy dia ho fahotana aminao izany."
16. The fathers shall not be put to death for the children, neither shall the children be put to death for the fathers: every man shall be put to death for his own sin.
16. "On ne fera point mourir les pères pour les enfants, et l`on ne fera point mourir les enfants pour les pères; on fera mourir chacun pour son péché."
16. "Ny ray tsy hatao maty amin' ny ataon' ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin' ny ataon' ny rainy; fa samy hatao maty amin' ny fahotany avy ihany ny olona."
17. Thou shalt not pervert the judgment of the stranger, nor of the fatherless; nor take a widow's raiment to pledge:
17. Tu ne porteras point atteinte au droit de l`étranger et de l`orphelin, et tu ne prendras point en gage le vêtement de la veuve.
17. "Aza manao fitsarana miangatra amin' ny vahiny sy ny kamboty; ary aza maka ny fitafian' ny mpitondratena ho tsatòka."
18. But thou shalt remember that thou wast a bondman in Egypt, and the LORD thy God redeemed thee thence: therefore I command thee to do this thing.
18. "Tu te souviendras que tu as été esclave en Égypte, et que l`Éternel, ton Dieu, t`a racheté; c`est pourquoi je te donne ces commandements à mettre en pratique."
18. "Fa tsarovy fa andevo tany amin' ny tany Egypta ianao, ary Jehovah Andriamanitrao efa nanavotra anao ho afaka tany ; koa izany no andidiako anao hanao izany zavatra izany."
19. When thou cuttest down thine harvest in thy field, and hast forgot a sheaf in the field, thou shalt not go again to fetch it: it shall be for the stranger, for the fatherless, and for the widow: that the LORD thy God may bless thee in all the work of thine hands.
19. Quand tu moissonneras ton champ, et que tu auras oublié une gerbe dans le champ, tu ne retourneras point la prendre: elle sera pour l`étranger, pour l`orphelin et pour la veuve, afin que l`Éternel, ton Dieu, te bénisse dans tout le travail de tes mains.
19. "Rehefa mijinja ny vokatrao eny an-tsaha ianao, ka misy amboara hadinonao any, dia aza miverina haka izany, fa aoka ho an' ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany; mba hotahian'i Jehovah Andriamanitrao ianao amin' ny asa rehetra ataon' ny tananao."
20. When thou beatest thine olive tree, thou shalt not go over the boughs again: it shall be for the stranger, for the fatherless, and for the widow.
20. Quand tu secoueras tes oliviers, tu ne cueilleras point ensuite les fruits restés aux branches: ils seront pour l`étranger, pour l`orphelin et pour la veuve.
20. "Raha manintsana ny hazo olivanao ianao, dia aza miverina hitsimpona izany; fa aoka ho an' ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany."
21. When thou gatherest the grapes of thy vineyard, thou shalt not glean it afterward: it shall be for the stranger, for the fatherless, and for the widow.
21. Quand tu vendangeras ta vigne, tu ne cueilleras point ensuite les grappes qui y seront restées: elles seront pour l`étranger, pour l`orphelin et pour la veuve.
21. "Raha mioty ny voaloboka amin' ny tanimboalobokao ianao, dia aza miverina hitsimpona izay sisa; fa aoka ho an' ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany."
22. And thou shalt remember that thou wast a bondman in the land of Egypt: therefore I command thee to do this thing.
22. "Tu te souviendras que tu as été esclave dans le pays d`Égypte; c`est pourquoi je te donne ces commandements à mettre en pratique."
22. "Ary tsarovy fa andevo tany amin' ny tany Egypta ianao; koa izany no andidiako anao hanao izany zavatra izany."
<
>