The Command to Leave Horeb
1. These be the words which Moses spake unto all Israel on this side Jordan in the wilderness, in the plain over against the Red sea, between Paran, and Tophel, and Laban, and Hazeroth, and Dizahab.
1. Voici les paroles que Moïse adressa à tout Israël, de l`autre côté du Jourdain, dans le désert, dans la plaine, vis-à-vis de Suph, entre Paran, Tophel, Laban, Hatséroth et Di Zahab.
1. Izao no teny izay nolazain' i Mosesy tamin' ny Isiraely rehetra tany an-dafin' i Jordana tany an' efitra, dia tany amin' ny lemaka tandrifin' ny Ranomasina Mena, tanelanelan' i Parana sy Tofela sy Labana sy Hazerota ary Di-zahaba.
2. (There are eleven days' journey from Horeb by the way of mount Seir unto Kadeshbarnea.)
2. Il y a onze journées depuis Horeb, par le chemin de la montagne de Séir, jusqu`à Kadès Barnéa.
2. (Lalana iraika ambin' ny folo andro Kadesi-barnea raha ao Horeba, raha ny lalana mahazo ny tendrombohitra Seïra no aleha).
3. And it came to pass in the fortieth year, in the eleventh month, on the first day of the month, that Moses spake unto the children of Israel, according unto all that the LORD had given him in commandment unto them;
3. Dans la quarantième année, au onzième mois, le premier du mois, Moïse parla aux enfants d`Israël selon tout ce que l`Éternel lui avait ordonné de leur dire.
3. "Ary izao no niseho tamin' ny andro voalohany tamin' ny volana fahiraika ambin' ny folo tamin' ny taona fahefapolo dia niteny tamin' ny Zanak' Isiraely Mosesy, araka izay rehetra efa nandidian' i Jehovah azy holazainy aminy;"
4. After he had slain Sihon the king of the Amorites, which dwelt in Heshbon, and Og the king of Bashan, which dwelt at Astaroth in Edrei:
4. C`était après qu`il eut battu Sihon, roi des Amoréens, qui habitait à Hesbon, et Og, roi de Basan, qui habitait à Aschtaroth et à Édréi.
4. Rehefa namono an' i Sihona, mpanjakan' ny Amorita, ilay nonina tao Hesbona, sy Oga, mpanjakan' i Basana, ilay nonina tao Astarta tany Edrehy, izy.
5. On this side Jordan, in the land of Moab, began Moses to declare this law, saying,
5. De l`autre côté du Jourdain, dans le pays de Moab, Moïse commença à expliquer cette loi, et dit:
5. Tany an-dafin' i Jordana, dia tany amin' ny tany Moaba, no nanombohan' i Mosesy nanazava izao lalàna izao hoe:
6. The LORD our God spake unto us in Horeb, saying, Ye have dwelt long enough in this mount:
6. L`Éternel, notre Dieu, nous a parlé à Horeb, en disant: Vous avez assez demeuré dans cette montagne.
6. "Jehovah Andriamanitsika niteny tamintsika tany Horeba ka nanao hoe: Ela izay no nitoeranareo tamin' ity tendrombohitra ity;"
7. Turn you, and take your journey, and go to the mount of the Amorites, and unto all the places nigh thereunto, in the plain, in the hills, and in the vale, and in the south, and by the sea side, to the land of the Canaanites, and unto Lebanon, unto the great river, the river Euphrates.
7. "Tournez-vous, et partez; allez à la montagne des Amoréens et dans tout le voisinage, dans la plaine, sur la montagne, dans la vallée, dans le midi, sur la côte de la mer, au pays des Cananéens et au Liban, jusqu`au grand fleuve, au fleuve d`Euphrate."
7. Mihodìna ianareo, dia mandehana ka mankanesa any amin' ny tendrombohitry ny Amorita sy ny toerana rehetra eo akaikiny, dia any amin' ny tany lemaka sy ny havoana sy ny lohasaha ary any atsimo sy ny amoron-dranomasina, dia any amin' ny tanin' ny Kananita sy any Libanona ka hatrany amin' ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata.
8. Behold, I have set the land before you: go in and possess the land which the LORD sware unto your fathers, Abraham, Isaac, and Jacob, to give unto them and to their seed after them.
8. "Voyez, j`ai mis le pays devant vous; allez, et prenez possession du pays que l`Éternel a juré à vos pères, Abraham, Isaac et Jacob, de donner à eux et à leur postérité après eux."
8. Indro efa natolotro eo anoloanareo ny tany: idiro ka lovao ny tany izay efa nianianan' i Jehovah tamin' ny razanareo, dia Abrahama sy Isaka ary Jakoba, homena azy sy ny taranany mandimby azy.
The Appointment of Leaders
9. And I spake unto you at that time, saying, I am not able to bear you myself alone:
9. Dans ce temps-là, je vous dis: Je ne puis pas, à moi seul, vous porter.
9. "Ary niteny taminareo tamin' izany andro izany aho ka nanao hoe: Tsy zakako izaho irery ny hitondra anareo;"
10. The LORD your God hath multiplied you, and, behold, ye are this day as the stars of heaven for multitude.
10. L`Éternel, votre Dieu, vous a multipliés, et vous êtes aujourd`hui aussi nombreux que les étoiles du ciel.
10. Jehovah Andriamanitrareo efa nahamaro anareo, ary, indro, efa maro toy ny kintana eny amin' ny lanitra ianareo izao.
11. (The LORD God of your fathers make you a thousand times so many more as ye are, and bless you, as he hath promised you!)
11. Que l`Éternel, le Dieu de vos pères, vous augmente mille fois autant, et qu`il vous bénisse comme il vous l`a promis!
11. (Jehovah, Andriamanitry ny razanareo anie hampitombo anareo ho arivo toraka izao ka hitahy anareo, araka izay efa nampanantenainy anareo!).
12. How can I myself alone bear your cumbrance, and your burden, and your strife?
12. Comment porterais-je, à moi seul, votre charge, votre fardeau et vos contestations?
12. Hataoko izaho irery ahoana no fitondra ny fahasahirananareo sy ny entanareo ary ny adinareo?
13. Take you wise men, and understanding, and known among your tribes, and I will make them rulers over you.
13. Prenez dans vos tribus des hommes sages, intelligents et connus, et je les mettrai à votre tête.
13. Makà lehilahy hendry sy manan-tsaina ary hita toetra amin' ny fokonareo, dia hataoko ho lehibenareo izy.
14. And ye answered me, and said, The thing which thou hast spoken is good for us to do.
14. Vous me répondîtes, en disant: Ce que tu proposes de faire est une bonne chose.
14. Dia namaly ahy ianareo ka nanao hoe: Ny zavatra izay nolazainao dia tsara hotanterahinay.
15. So I took the chief of your tribes, wise men, and known, and made them heads over you, captains over thousands, and captains over hundreds, and captains over fifties, and captains over tens, and officers among your tribes.
15. Je pris alors les chefs de vos tribus, des hommes sages et connus, et je les mis à votre tête comme chefs de mille, chefs de cent, chefs de cinquante, et chefs de dix, et comme ayant autorité dans vos tribus.
15. Ary nalaiko ny lohan' ny fokonareo, dia olona hendry sy hita toetra, ka natao mpifehy anareo, dia mpifehy arivo, sy mpifehy zato, sy mpifehy dimampolo, ary mpifehy folo, ary manamboninahitra eo amin' ny fokonareo.
16. And I charged your judges at that time, saying, Hear the causes between your brethren, and judge righteously between every man and his brother, and the stranger that is with him.
16. Je donnai, dans le même temps, cet ordre à vos juges: Écoutez vos frères, et jugez selon la justice les différends de chacun avec son frère ou avec l`étranger.
16. Dia nandidy ny mpitsara anareo tamin' izany fotoana izany aho ka nanao hoe: Henoy ny adin' ny rahalahinareo, ka mitsarà marina ny olona rehetra sy ny rahalahiny ary ny vahiny eo aminy.
17. Ye shall not respect persons in judgment; but ye shall hear the small as well as the great; ye shall not be afraid of the face of man; for the judgment is God's: and the cause that is too hard for you, bring it unto me, and I will hear it.
17. "Vous n`aurez point égard à l`apparence des personnes dans vos jugements; vous écouterez le petit comme le grand; vous ne craindrez aucun homme, car c`est Dieu qui rend la justice. Et lorsque vous trouverez une cause trop difficile, vous la porterez devant moi, pour que je l`entende."
17. "Aza mizaha tavan' olona amin' ny fitsarana, fa henoy ny kely toy ny lehibe; aza matahotra ny tavan' olona akory, fa an' Andriamanitra ny fitsarana; ary izay sarotra loatra aminareo dia ento ety amiko ka hohenoiko."
18. And I commanded you at that time all the things which ye should do.
18. C`est ainsi que je vous prescrivis, dans ce temps-là, tout ce que vous aviez à faire.
18. Dia nandidy anareo tamin' izany fotoana izany aho ny amin' ny zavatra rehetra izay tokony hataonareo.
Spies Went Out
19. And when we departed from Horeb, we went through all that great and terrible wilderness, which ye saw by the way of the mountain of the Amorites, as the LORD our God commanded us; and we came to Kadeshbarnea.
19. "Nous partîmes d`Horeb, et nous parcourûmes en entier ce grand et affreux désert que vous avez vu; nous prîmes le chemin de la montagne des Amoréens, comme l`Éternel, notre Dieu, nous l`avait ordonné, et nous arrivâmes à Kadès Barnéa."
19. "Ary nony niala tany Horeba isika, dia nandeha namaky ilay efitra lehibe sy mahatahotra izay hitanareo teny amin' ny lalana mankany amin' ny tendrombohitry ny Amorita araka izay efa nandidian' i Jehovah Andriamanitsika antsika; dia tonga tao Kadesi-barnea isika."
20. And I said unto you, Ye are come unto the mountain of the Amorites, which the LORD our God doth give unto us.
20. Je vous dis: Vous êtes arrivés à la montagne des Amoréens, que l`Éternel, notre Dieu, nous donne.
20. Dia hoy aho taminareo: Efa tonga eto amin' ny tendrombohitry ny Amorita ianareo, izay omen' i Jehovah Andriamanitsika ho antsika.
21. Behold, the LORD thy God hath set the land before thee: go up and possess it, as the LORD God of thy fathers hath said unto thee; fear not, neither be discouraged.
21. "Vois, l`Éternel, ton Dieu, met le pays devant toi; monte, prends-en possession, comme te l`a dit l`Éternel, le Dieu de tes pères; ne crains point, et ne t`effraie point."
21. "Indro, efa natolotr' i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ny tany; iakaro izy ka lovao, araka izay nolazain' i Jehovah Andriamanitry ny razanao taminao; aza matahotra na kivy."
22. And ye came near unto me every one of you, and said, We will send men before us, and they shall search us out the land, and bring us word again by what way we must go up, and into what cities we shall come.
22. Vous vous approchâtes tous de moi, et vous dîtes: Envoyons des hommes devant nous, pour explorer le pays, et pour nous faire un rapport sur le chemin par lequel nous y monterons et sur les villes où nous arriverons.
22. Dia nanatona ahy ianareo rehetra ka nanao hoe: Aoka haniraka olona hialoha antsika isika, mba hisafo ny tany ho antsika ka hitondra teny amintsika indray hilaza ny lalana izay tokony hiakarantsika sy ny tanàna izay halehan-tsika.
23. And the saying pleased me well: and I took twelve men of you, one of a tribe:
23. "Cet avis me parut bon; et je pris douze hommes parmi vous, un homme par tribu."
23. Ary sitrako ny teny, ka dia naka roa ambin' ny folo lahy teo aminareo aho, iray avy isaky ny foko.
24. And they turned and went up into the mountain, and came unto the valley of Eshcol, and searched it out.
24. Ils partirent, traversèrent la montagne, et arrivèrent jusqu`à la vallée d`Eschcol, qu`ils explorèrent.
24. Ary niainga ireo ka niakatra tany an-tendrombohitra, dia tonga tao amin' ny lohasaha Eskola ka nisafo ny tany.
25. And they took of the fruit of the land in their hands, and brought it down unto us, and brought us word again, and said, It is a good land which the LORD our God doth give us.
25. "Ils prirent dans leurs mains des fruits du pays, et nous les présentèrent; ils nous firent un rapport, et dirent: C`est un bon pays, que l`Éternel, notre Dieu, nous donne."
25. Dia nangalany teny an-tanany ny vokatry ny tany ka nentiny nidina tamintsika, dia nitondra teny indray izy nanao hoe: Tany tsara no omen' i Jehovah antsika.
Rebellion Against the LORD
26. Notwithstanding ye would not go up, but rebelled against the commandment of the LORD your God:
26. Mais vous ne voulûtes point y monter, et vous fûtes rebelles à l`ordre de l`Éternel, votre Dieu.
26. Kanefa tsy nety niakatra ianareo fa nandà ny didin' i Jehovah Andriamanitrareo.
27. And ye murmured in your tents, and said, Because the LORD hated us, he hath brought us forth out of the land of Egypt, to deliver us into the hand of the Amorites, to destroy us.
27. Vous murmurâtes dans vos tentes, et vous dîtes: C`est parce que l`Éternel nous hait, qu`il nous a fait sortir du pays d`Égypte, afin de nous livrer entre les mains des Amoréens et de nous détruire.
27. Dia nimonomonona tao an-dainareo ianareo ka nanao hoe: Halan' i Jehovah isika, izany no nitondrany antsika nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta hanolorany antsika eo an-tanan' ny Amorita handringanany antsika.
28. Whither shall we go up? our brethren have discouraged our heart, saying, The people is greater and taller than we; the cities are great and walled up to heaven; and moreover we have seen the sons of the Anakims there.
28. "Où monterions-nous? Nos frères nous ont fait perdre courage, en disant: C`est un peuple plus grand et de plus haute taille que nous; ce sont des villes grandes et fortifiées jusqu`au ciel; nous y avons même vu des enfants d`Anak."
28. "Ho aiza no hiakarantsika? Ny rahalahintsika efa nanakivy ny fontsika ka nanao hoe: Lehibe sy lava noho isika ny olona, ary ny tanàna dia lehibe sady misy manda manakatra ny lanitra; ary efa hitanay tao koa ny taranaky ny Anakita."
29. Then I said unto you, Dread not, neither be afraid of them.
29. Je vous dis: Ne vous épouvantez pas, et n`ayez pas peur d`eux.
29. Dia hoy aho taminareo: Aza mihorohoro, na matahotra azy.
30. The LORD your God which goeth before you, he shall fight for you, according to all that he did for you in Egypt before your eyes;
30. L`Éternel, votre Dieu, qui marche devant vous, combattra lui-même pour vous, selon tout ce qu`il a fait pour vous sous vos yeux en Égypte,
30. Jehovah Andriamanitrareo, Izay mandeha eo alohanareo, Izy no hiady ho anareo, araka izay rehetra nataony ho anareo tany Egypta teo imasonareo,
31. And in the wilderness, where thou hast seen how that the LORD thy God bare thee, as a man doth bear his son, in all the way that ye went, until ye came into this place.
31. puis au désert, où tu as vu que l`Éternel, ton Dieu, t`a porté comme un homme porte son fils, pendant toute la route que vous avez faite jusqu`à votre arrivée en ce lieu.
31. Ary tany an' efitra, izay nahitanao ny fitondran' i Jehovah Andriamanitrao anao tahaka ny fitondran' ny olona ny zanany, teny amin' ny lalana rehetra izay nalehanareo mandra-pahatonganareo teto amin' ity toerana ity.
32. Yet in this thing ye did not believe the LORD your God,
32. Malgré cela, vous n`eûtes point confiance en l`Éternel, votre Dieu,
32. Kanefa na dia tamin' izany aza, dia mbola tsy ninoanareo Jehovah Andriamanitrareo,
33. Who went in the way before you, to search you out a place to pitch your tents in, in fire by night, to shew you by what way ye should go, and in a cloud by day.
33. qui allait devant vous sur la route pour vous chercher un lieu de campement, la nuit dans un feu afin de vous montrer le chemin où vous deviez marcher, et le jour dans une nuée.
33. Izay nandeha tamin' ny lalana teo alohanareo hitady toerana ho anareo hitobianareo an-day, ka ny afo nony alina ary ny rahona nony antoandro no nisehoany hanoro izay lalana mety halehanareo.
34. And the LORD heard the voice of your words, and was wroth, and sware, saying,
34. L`Éternel entendit le bruit de vos paroles. Il s`irrita, et jura, en disant:
34. Ary nandre ny feon' ny teninareo Jehovah, dia tezitra ka nianiana hoe:
35. Surely there shall not one of these men of this evil generation see that good land, which I sware to give unto your fathers,
35. Aucun des hommes de cette génération méchante ne verra le bon pays que j`ai juré de donner à vos pères,
35. Tsy hisy olona mihitsy amin' izao taranaka ratsy fanahy izao hahita ny tany soa izay nianianako homena ny razanareo,
36. Save Caleb the son of Jephunneh; he shall see it, and to him will I give the land that he hath trodden upon, and to his children, because he hath wholly followed the LORD.
36. "excepté Caleb, fils de Jephunné; il le verra, lui, et je donnerai à lui et à ses enfants le pays sur lequel il a marché, parce qu`il a pleinement suivi la voie de l`Éternel."
36. "Afa-tsy Kaleba, zanakalahin' i Jefone; izy no hahita azy, ary izy sy ny zanany no homeko ny tany izay nodiaviny, satria nanaraka tanteraka an' i Jehovah izy."
37. Also the LORD was angry with me for your sakes, saying, Thou also shalt not go in thither.
37. L`Éternel s`irrita aussi contre moi, à cause de vous, et il dit: Toi non plus, tu n`y entreras point.
37. "Ary izaho koa dia notezeran' i Jehovah noho ny aminareo ka nataony hoe: Ianao koa tsy hiditra any;"
38. But Joshua the son of Nun, which standeth before thee, he shall go in thither: encourage him: for he shall cause Israel to inherit it.
38. "Josué, fils de Nun, ton serviteur, y entrera; fortifie-le, car c`est lui qui mettra Israël en possession de ce pays."
38. "Fa Josoa, zanakalahin' i Nona, izay mitsangana eo anatrehanao, izy no hiditra any; ampaherezo izy, fa izy no hampandova ny Isiraely ny tany."
39. Moreover your little ones, which ye said should be a prey, and your children, which in that day had no knowledge between good and evil, they shall go in thither, and unto them will I give it, and they shall possess it.
39. Et vos petits enfants, dont vous avez dit: Ils deviendront une proie! et vos fils, qui ne connaissent aujourd`hui ni le bien ni le mal, ce sont eux qui y entreront, c`est à eux que je le donnerai, et ce sont eux qui le posséderont.
39. Ary ny zanakareo madinika, izay nolazainareo fa ho babo, ary ny zanakareo izay tsy nahalala ny tsara sy ny ratsy tamin' izany andro izany, dia izy no hiditra any, ary izy no homeko ny tany, ary izy no handova azy.
40. But as for you, turn you, and take your journey into the wilderness by the way of the Red sea.
40. Mais vous, tournez-vous, et partez pour le désert, dans la direction de la mer Rouge.
40. Fa ianareo kosa dia miverena, ka mandehana any an' efitra, dia any amin' ny lalana mankany amin' ny Ranomasina Mena.
41. Then ye answered and said unto me, We have sinned against the LORD, we will go up and fight, according to all that the LORD our God commanded us. And when ye had girded on every man his weapons of war, ye were ready to go up into the hill.
41. "Vous répondîtes, en me disant: Nous avons péché contre l`Éternel; nous monterons et nous combattrons, comme l`Éternel, notre Dieu, nous l`a ordonné. Et vous ceignîtes chacun vos armes, et vous fîtes le projet téméraire de monter à la montagne."
41. "Dia namaly ianareo ka nanao tamiko hoe: Efa nanota tamin' i Jehovah izahay; hiakatra ihany izahay ka hiady, araka izay rehetra nandidian' i Jehovah Andriamanitsika antsika. Ary rehefa samy nisikina ny fiadiany avy ianareo rehetra, dia nivonona hiakatra any an-kavoana."
42. And the LORD said unto me, Say unto them, Go not up, neither fight; for I am not among you; lest ye be smitten before your enemies.
42. "L`Éternel me dit: Dis-leur: Ne montez pas et ne combattez pas, car je ne suis pas au milieu de vous; ne vous faites pas battre par vos ennemis."
42. "Dia hoy Jehovah tamiko: Lazao aminy hoe: Aza miakatra ianareo, ary aza miady, fa tsy eo aminareo Aho; fandrao ho faty eo anoloan' ny fahavalonareo ianareo."
43. So I spake unto you; and ye would not hear, but rebelled against the commandment of the LORD, and went presumptuously up into the hill.
43. "Je vous parlai, mais vous n`écoutâtes point; vous fûtes rebelles à l`ordre de l`Éternel, et vous montâtes audacieusement à la montagne."
43. Dia niteny taminareo aho, nefa tsy nihaino ianareo, fa nandà ny didin' i Jehovah ianareo, dia niakatra sahisahy tany an-kavoana.
44. And the Amorites, which dwelt in that mountain, came out against you, and chased you, as bees do, and destroyed you in Seir, even unto Hormah.
44. "Alors les Amoréens, qui habitent cette montagne, sortirent à votre rencontre, et vous poursuivirent comme font les abeilles; ils vous battirent en Séir, jusqu`à Horma."
44. Dia nivoaka hiady aminareo ny Amorita, izay nonina tamin' izany tendrombohitra izany, ka nanenjika anareo tahaka ny fanenjiky ny renitantely, dia nandringana anareo tany Seïra ka hatrany Horma.
45. And ye returned and wept before the LORD; but the LORD would not hearken to your voice, nor give ear unto you.
45. "A votre retour, vous pleurâtes devant l`Éternel; mais l`Éternel n`écouta point votre voix, et ne vous prêta point l`oreille."
45. "Dia niverina ianareo ka nitomany teo anatrehan' i Jehovah; nefa tsy nihaino ny feonareo Jehovah, na nanongilana ny sofiny taminareo."
46. So ye abode in Kadesh many days, according unto the days that ye abode there.
46. Vous restâtes à Kadès, où le temps que vous y avez passé fut de longue durée.
46. Dia nitoetra andro maro tao Kadesy ianareo, araka ny andro izay nitoeranareo tao.