Nebuchadnezzar's Dream of a Tree
1. Nebuchadnezzar the king, unto all people, nations, and languages, that dwell in all the earth; Peace be multiplied unto you.
1. Nebucadnetsar, roi, à tous les peuples, aux nations, aux hommes de toutes langues, qui habitent sur toute la terre. Que la paix vous soit donnée avec abondance!
1. Nebokadnezara mpanjaka dia nampitondra teny ho any amin' ny olona, ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra, izay monina amin' ny tany rehetra nanao hoe: Hitombo anie ny fiadananareo.
2. I thought it good to shew the signs and wonders that the high God hath wrought toward me.
2. Il m`a semblé bon de faire connaître les signes et les prodiges que le Dieu suprême a opérés à mon égard.
2. Noheveriko fa tsara ny hanambara ny famantarana sy ny fahagagana izay nataon' Andriamanitra Avo Indrindra tamiko.
3. How great are his signs! and how mighty are his wonders! his kingdom is an everlasting kingdom, and his dominion is from generation to generation.
3. Que ses signes sont grands! que ses prodiges sont puissants! Son règne est un règne éternel, et sa domination subsiste de génération en génération.
3. Akory ny halehiben' ny famantarany! Ary akory ny herin' ny fahagagany! Ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahany dia hahatratra ny taranaka faramandimby.
4. I Nebuchadnezzar was at rest in mine house, and flourishing in my palace:
4. Moi, Nebucadnetsar, je vivais tranquille dans ma maison, et heureux dans mon palais.
4. Izaho Nebokadnezara niadana tao an-tranoko ary faly finaritra tao an-dapako.
5. I saw a dream which made me afraid, and the thoughts upon my bed and the visions of my head troubled me.
5. "J`ai eu un songe qui m`a effrayé; les pensées dont j`étais poursuivi sur ma couche et les visions de mon esprit me remplissaient d`épouvante."
5. Nanonofy zavatra nahatahotra aho ka nieritreritra teo am-pandriako, ary ny fahitan' ny lohako dia naharaiki-tahotra ahy.
6. Therefore made I a decree to bring in all the wise men of Babylon before me, that they might make known unto me the interpretation of the dream.
6. J`ordonnai qu`on fît venir devant moi tous les sages de Babylone, afin qu`ils me donnassent l`explication du songe.
6. ka dia nandidy aho mba hoentina eo anatrehako ny olon-kendrin' i Babylona rehetra hilaza amiko ny hevitry ny nofy.
7. Then came in the magicians, the astrologers, the Chaldeans, and the soothsayers: and I told the dream before them; but they did not make known unto me the interpretation thereof.
7. Alors vinrent les magiciens, les astrologues, les Chaldéens et les devins. Je leur dis le songe, et ils ne m`en donnèrent point l`explication.
7. "Dia niditra ny ombiasy, ny mpisikidy, ny kaldeana ary ny mpanandro; ary nambarako teo anatrehany ny nofy, kanjo tsy nahalaza ny heviny tamiko ireny."
8. But at the last Daniel came in before me, whose name was Belteshazzar, according to the name of my God, and in whom is the spirit of the holy gods: and before him I told the dream, saying,
8. En dernier lieu, se présenta devant moi Daniel, nommé Beltschatsar d`après le nom de mon dieu, et qui a en lui l`esprit des dieux saints. Je lui dis le songe:
8. "Fa nony farany dia niditra teo anatrehako kosa Daniela, izay atao hoe Beltesazara, araka ny anaran' andriamanitro, sady misy fanahin' ireo andriamanitra masina ao anatiny; ary ny nofy dia nambarako teo anatrehany hoe:"
9. O Belteshazzar, master of the magicians, because I know that the spirit of the holy gods is in thee, and no secret troubleth thee, tell me the visions of my dream that I have seen, and the interpretation thereof.
9. Beltschatsar, chef des magiciens, qui as en toi, je le sais, l`esprit des dieux saints, et pour qui aucun secret n`est difficile, donne-moi l`explication des visions que j`ai eues en songe.
9. Ry Beltesazara lehiben' ny ombiasy, satria fantatro fa misy fanahin' ireo andriamanitra masina ao aminao, ary tsy misy zava-miafina manahirana anao, koa ambarao ahy ny fahitana izay hitako tamin' ny nofy mbamin' ny heviny.
10. Thus were the visions of mine head in my bed; I saw, and behold a tree in the midst of the earth, and the height thereof was great.
10. Voici les visions de mon esprit, pendant que j`étais sur ma couche. Je regardais, et voici, il y avait au milieu de la terre un arbre d`une grande hauteur.
10. Fa izao no fahitan' ny lohako teo am-pandriako: Nijery aho, ka, indro, nisy hazo teo afovoan' ny tany, ary fatratra ny haavony.
11. The tree grew, and was strong, and the height thereof reached unto heaven, and the sight thereof to the end of all the earth:
11. Cet arbre était devenu grand et fort, sa cime s`élevait jusqu`aux cieux, et on le voyait des extrémités de toute la terre.
11. Nihalehibe sy nihahery io hazo io, ary ny haavony nipaka tamin' ny lanitra, ary ny fijery azy dia hatrany amin' ny faran' ny tany rehetra.
12. The leaves thereof were fair, and the fruit thereof much, and in it was meat for all: the beasts of the field had shadow under it, and the fowls of the heaven dwelt in the boughs thereof, and all flesh was fed of it.
12. "Son feuillage était beau, et ses fruits abondants; il portait de la nourriture pour tous; les bêtes des champs s`abritaient sous son ombre, les oiseaux du ciel faisaient leur demeure parmi ses branches, et tout être vivant tirait de lui sa nourriture."
12. "Tsara tarehy ny raviny, ary betsaka ny voany, sady teo aminy no nisy hanina ho an' ny rehetra; teny ambaniny no nialokalofan' ny biby eny an-tsaha, ary teny amin' ny sampany no nitoeran' ny voro-manidina eny amin' ny lanitra, ary ny nofo rehetra nahazo hanina avy aminy."
13. I saw in the visions of my head upon my bed, and, behold, a watcher and an holy one came down from heaven;
13. Dans les visions de mon esprit, que j`avais sur ma couche, je regardais, et voici, un de ceux qui veillent et qui sont saints descendit des cieux.
13. "Nijery tamin' ny fahitan' ny lohako teo am-pandriako aho, ka, indro, nisy mpiambina masina anankiray nidina avy tany an-danitra;"
14. He cried aloud, and said thus, Hew down the tree, and cut off his branches, shake off his leaves, and scatter his fruit: let the beasts get away from under it, and the fowls from his branches:
14. "Il cria avec force et parla ainsi: Abattez l`arbre, et coupez ses branches; secouez le feuillage, et dispersez les fruits; que les bêtes fuient de dessous, et les oiseaux du milieu de ses branches!"
14. "Niantso mafy izy ka nanao hoe: Kapao io hazo io, dia rantsano; ahintsano ny raviny, ary aelezo ny voany; aoka ny biby hipariaka avy eo ambaniny, ary ny vorona hiala avy eny amin' ny rantsany;"
15. Nevertheless leave the stump of his roots in the earth, even with a band of iron and brass, in the tender grass of the field; and let it be wet with the dew of heaven, and let his portion be with the beasts in the grass of the earth:
15. Mais laissez en terre le tronc où se trouvent les racines, et liez-le avec des chaînes de fer et d`airain, parmi l`herbe des champs. Qu`il soit trempé de la rosée du ciel, et qu`il ait, comme les bêtes, l`herbe de la terre pour partage.
15. "Nefa avelao amin' ny tany ao amin' ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, ka asio fehy vy sy varahina; ary aoka ho kotsan' ny andon' ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho amin' ny biby any amin' ny ahitra amin' ny tany;"
16. Let his heart be changed from man's, and let a beast's heart be given unto him; and let seven times pass over him.
16. "Son coeur d`homme lui sera ôté, et un coeur de bête lui sera donné; et sept temps passeront sur lui."
16. "Aoka hovana ny fony tsy ho fon' olombelona, ary aoka ho fom-biby no omena azy; ary aoka ho fe-potoana fito no holaniana aminy."
17. This matter is by the decree of the watchers, and the demand by the word of the holy ones: to the intent that the living may know that the most High ruleth in the kingdom of men, and giveth it to whomsoever he will, and setteth up over it the basest of men.
17. Cette sentence est un décret de ceux qui veillent, cette résolution est un ordre des saints, afin que les vivants sachent que le Très Haut domine sur le règne des hommes, qu`il le donne à qui il lui plaît, et qu`il y élève le plus vil des hommes.
17. "Didin' ny mpiambina izany zavatra izany; eny, avy amin' ny tenin' ireo masina izany zavatra izany, hahafantaran' ny velona fa ny Avo Indrindra no manapaka amin' ny fanjakan' ny olona ka manome izany ho an' izay tiany, ary olona ambany toetra no ampanapahiny azy."
18. This dream I king Nebuchadnezzar have seen. Now thou, O Belteshazzar, declare the interpretation thereof, forasmuch as all the wise men of my kingdom are not able to make known unto me the interpretation: but thou art able; for the spirit of the holy gods is in thee.
18. "Voilà le songe que j`ai eu, moi, le roi Nebucadnetsar. Toi, Beltschatsar, donnes-en l`explication, puisque tous les sages de mon royaume ne peuvent me la donner; toi, tu le peux, car tu as en toi l`esprit des dieux saints."
18. "Izany no nofy izay hitako, izaho Nebokadnezara.Ary ianao kosa, ry Beltesazara, milazà ny heviny, fa ny olon-kendry rehetra amin' ny fanjakako tsy nisy nahay nampahafantatra ahy ny hevitr' izany; fa ianao no mahay azy, satria misy fanahin' ireo andriamanitra masina ao anatinao."
Daniel Interprets the Dream
19. Then Daniel, whose name was Belteshazzar, was astonied for one hour, and his thoughts troubled him. The king spake, and said, Belteshazzar, let not the dream, or the interpretation thereof, trouble thee. Belteshazzar answered and said, My lord, the dream be to them that hate thee, and the interpretation thereof to thine enemies.
19. Alors Daniel, nommé Beltschatsar, fut un moment stupéfait, et ses pensées le troublaient. Le roi reprit et dit: Beltschatsar, que le songe et l`explication ne te troublent pas! Et Beltschatsar répondit: Mon seigneur, que le songe soit pour tes ennemis, et son explication pour tes adversaires!
19. Dia gaga ora iray Daniela izay atao hoe Beltesazara, ary ny eritreriny naharaiki-tahotra azy.Niteny ny mpanjaka ka nanao hoe: Ry Beltesazara ô, aoka tsy haharaiki-tahotra anao ny nofy na ny heviny. Namaly Beltesazara ka nanao hoe: Tompokolahy ô, ny nofy anie ho an' izay mankahala anao ary ny heviny ho an' izay fahavalonao.
20. The tree that thou sawest, which grew, and was strong, whose height reached unto the heaven, and the sight thereof to all the earth;
20. "L`arbre que tu as vu, qui était devenu grand et fort, dont la cime s`élevait jusqu`aux cieux, et qu`on voyait de tous les points de la terre;"
20. "Ny hazo izay hitanao, dia ilay nihalehibe sy nihahery, ka ny haavony nipaka tamin' ny lanitra, ary ny fijery azy hatramin' ny tany rehetra;"
21. Whose leaves were fair, and the fruit thereof much, and in it was meat for all; under which the beasts of the field dwelt, and upon whose branches the fowls of the heaven had their habitation:
21. cet arbre, dont le feuillage était beau et les fruits abondants, qui portait de la nourriture pour tous, sous lequel s`abritaient les bêtes des champs, et parmi les branches duquel les oiseaux du ciel faisaient leur demeure,
21. "Ny raviny dia tsara tarehy, sady betsaka ny voany, ary teo aminy nisy hanina ho an' ny rehetra; teny ambaniny no nitoeran' ny biby eny an-tsaha, ary teny amin' ny rantsany no fonenan' ny voro-manidina eny amin' ny lanitra:"
22. It is thou, O king, that art grown and become strong: for thy greatness is grown, and reacheth unto heaven, and thy dominion to the end of the earth.
22. c`est toi, ô roi, qui es devenu grand et fort, dont la grandeur s`est accrue et s`est élevée jusqu`aux cieux, et dont la domination s`étend jusqu`aux extrémités de la terre.
22. "Ianao indrindra izany, ry mpanjaka ô; ianao dia nihalehibe sy nihahery; fa ny halehibiazanao efa nitombo ka mipaka amin' ny lanitra, ary ny fanapahanao hatramin' ny faran' ny tany."
23. And whereas the king saw a watcher and an holy one coming down from heaven, and saying, Hew the tree down, and destroy it; yet leave the stump of the roots thereof in the earth, even with a band of iron and brass, in the tender grass of the field; and let it be wet with the dew of heaven, and let his portion be with the beasts of the field, till seven times pass over him;
23. "Le roi a vu l`un de ceux qui veillent et qui sont saints descendre des cieux et dire: Abattez l`arbre, et détruisez-le; mais laissez en terre le tronc où se trouvent les racines, et liez-le avec des chaînes de fer et d`airain, parmi l`herbe des champs; qu`il soit trempé de la rosée du ciel, et que son partage soit avec les bêtes des champs, jusqu`à ce que sept temps soient passés sur lui."
23. "Ary ny nahitan' ny mpanjaka ny mpiambina masina anankiray nidina avy tany an-danitra nanao hoe: Kapao ny hazo, ary simbao izany: nefa avelao amin' ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, fa asio fehy vy sy varahina, ary aoka ho kotsan' ny andon' ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho ao amin' ny biby eny an-tsaha, ambara-pahalanin' ny fe-potoana fito aminy;"
24. This is the interpretation, O king, and this is the decree of the most High, which is come upon my lord the king:
24. Voici l`explication, ô roi, voici le décret du Très Haut, qui s`accomplira sur mon seigneur le roi.
24. Izao no heviny, ry mpanjaka, ary izao no tendrin' ny Avo Indrindra, izay mihatra amin' ny mpanjaka tompoko:
25. That they shall drive thee from men, and thy dwelling shall be with the beasts of the field, and they shall make thee to eat grass as oxen, and they shall wet thee with the dew of heaven, and seven times shall pass over thee, till thou know that the most High ruleth in the kingdom of men, and giveth it to whomsoever he will.
25. "On te chassera du milieu des hommes, tu auras ta demeure avec les bêtes des champs, et l`on te donnera comme aux boeufs de l`herbe à manger; tu seras trempé de la rosée du ciel, et sept temps passeront sur toi, jusqu`à ce que tu saches que le Très Haut domine sur le règne des hommes et qu`il le donne à qui il lui plaît."
25. Horoahina hiala amin' ny olona ianao, ary ny fonenanao ho any amin' ny biby any an-tsaha, ary hampihinanina ahitra toy ny omby ianao ary ho kotsan' ny andon' ny lanitra, ary fe-potoana fito no holaniana aminao, ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin' ny fanjakan' ny olona ka manome izany ho an' izay tiany.
26. And whereas they commanded to leave the stump of the tree roots; thy kingdom shall be sure unto thee, after that thou shalt have known that the heavens do rule.
26. L`ordre de laisser le tronc où se trouvent les racines de l`arbre signifie que ton royaume te restera quand tu reconnaîtras que celui qui domine est dans les cieux.
26. Ary ny amin' ny nandidiany hamelana ny fotony: ny fanjakanao mbola haverina aminao tokoa, rehefa fantatrao fa ny lanitra no manapaka.
27. Wherefore, O king, let my counsel be acceptable unto thee, and break off thy sins by righteousness, and thine iniquities by shewing mercy to the poor; if it may be a lengthening of thy tranquillity.
27. C`est pourquoi, ô roi, puisse mon conseil te plaire! mets un terme à tes péchés en pratiquant la justice, et à tes iniquités en usant de compassion envers les malheureux, et ton bonheur pourra se prolonger.
27. Koa aoka hankasitrahanao ny anatro, ry mpanjaka, ka dia ny fahamarinana no ento mampitsahatra ny fahotanao, ary ny fanehoana fiantrana ny mahantra no ento mampitsahatra ny helokao, fandrao mba hampaharetina ny fiadananao.
The Dream Is Fulfilled
28. All this came upon the king Nebuchadnezzar.
28. Toutes ces choses se sont accomplies sur le roi Nebucadnetsar.
28. Izany rehetra izany no nanjo an' i Nebokadnezara mpanjaka.
29. At the end of twelve months he walked in the palace of the kingdom of Babylon.
29. Au bout de douze mois, comme il se promenait dans le palais royal à Babylone,
29. Ary nony afaka roa ambin' ny folo volana, dia nitsangatsangana teo amin' ny lapan' ny fanjakana tao Babylona izy.
30. The king spake, and said, Is not this great Babylon, that I have built for the house of the kingdom by the might of my power, and for the honour of my majesty?
30. le roi prit la parole et dit: N`est-ce pas ici Babylone la grande, que j`ai bâtie, comme résidence royale, par la puissance de ma force et pour la gloire de ma magnificence?
30. Ary niteny ny mpanjaka ka nanao hoe: Tsy ity va no Babylona lehibe izay naoriko ho lapan' ny fanjakana tamin' ny haben' ny heriko mba ho voninahitry ny fiandrianako?
31. While the word was in the king's mouth, there fell a voice from heaven, saying, O king Nebuchadnezzar, to thee it is spoken; The kingdom is departed from thee.
31. La parole était encore dans la bouche du roi, qu`une voix descendit du ciel: Apprends, roi Nebucadnetsar, qu`on va t`enlever le royaume.
31. Raha mbola teo am-bavan' ny mpanjaka ihany ny teny, dia nisy feo latsaka avy tany an-danitra nanao hoe: Ry Nebokadnezara mpanjaka, ianao no itenenana hoe: Ny fanjakana niala taminao.
32. And they shall drive thee from men, and thy dwelling shall be with the beasts of the field: they shall make thee to eat grass as oxen, and seven times shall pass over thee, until thou know that the most High ruleth in the kingdom of men, and giveth it to whomsoever he will.
32. "On te chassera du milieu des hommes, tu auras ta demeure avec les bêtes des champs, on te donnera comme aux boeufs de l`herbe à manger; et sept temps passeront sur toi, jusqu`à ce que tu saches que le Très Haut domine sur le règne des hommes et qu`il le donne à qui il lui plaît."
32. "Fa horoahina hiala amin' ny olona ianao ka ho any amin' ny biby any an-tsaha ny fonenanao; hampihinanina ahitra toy ny omby ianao, ary fe-potoana fito no holaniana aminao ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin' ny fanjakan' ny olona, ka manome izany ho an' izay tiany."
33. The same hour was the thing fulfilled upon Nebuchadnezzar: and he was driven from men, and did eat grass as oxen, and his body was wet with the dew of heaven, till his hairs were grown like eagles' feathers, and his nails like birds' claws.
33. "Au même instant la parole s`accomplit sur Nebucadnetsar. Il fut chassé du milieu des hommes, il mangea de l`herbe comme les boeufs, son corps fut trempé de la rosée du ciel; jusqu`à ce que ses cheveux crussent comme les plumes des aigles, et ses ongles comme ceux des oiseaux."
33. "Tamin' izay ora izay indrindra no nahatanterahan' izany tamin' i Nebokadnezara; fa noroahina niala tamin' ny olona izy ka nihinana ahitra toy ny omby ary ny tenany dia kotsan' ny andon' ny lanitra ambara-panirin' ny volony ho toy ny an' ny voromahery, ary ny hohony ho toy ny an' ny vorona."
34. And at the end of the days I Nebuchadnezzar lifted up mine eyes unto heaven, and mine understanding returned unto me, and I blessed the most High, and I praised and honoured him that liveth for ever, whose dominion is an everlasting dominion, and his kingdom is from generation to generation:
34. Après le temps marqué, moi, Nebucadnetsar, je levai les yeux vers le ciel, et la raison me revint. J`ai béni le Très Haut, j`ai loué et glorifié celui qui vit éternellement, celui dont la domination est une domination éternelle, et dont le règne subsiste de génération en génération.
34. Ary rehefa tapitra ny fetr' andro, izaho Nebokadnezara dia nanandrandra ny masoko tamin' ny lanitra, ary nody tamiko indray ny saiko, ka dia nisaotra ny Avo Indrindra aho, ary nidera sy nankalaza Izay velona mandrakizay, ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay, ary ny fanjakany dia hahatratra ny taranaka mifandimby.
35. And all the inhabitants of the earth are reputed as nothing: and he doeth according to his will in the army of heaven, and among the inhabitants of the earth: and none can stay his hand, or say unto him, What doest thou?
35. Tous les habitants de la terre ne sont à ses yeux que néant: il agit comme il lui plaît avec l`armée des cieux et avec les habitants de la terre, et il n`y a personne qui résiste à sa main et qui lui dise: Que fais-tu?
35. "Ary ny mponina rehetra ety an-tany hatao tsinontsinona; ary manao izay sitrapony amin' ny tafiky ny lanitra sy amin' ny mponina ety an-tany Izy; ary tsy misy mahasakana ny tanany, na manao aminy hoe: Inona no ataonao?"
36. At the same time my reason returned unto me; and for the glory of my kingdom, mine honour and brightness returned unto me; and my counsellors and my lords sought unto me; and I was established in my kingdom, and excellent majesty was added unto me.
36. "En ce temps, la raison me revint; la gloire de mon royaume, ma magnificence et ma splendeur me furent rendues; mes conseillers et mes grands me redemandèrent; je fus rétabli dans mon royaume, et ma puissance ne fit que s`accroître."
36. "Tamin' izay fotoana izay dia nody tamiko ny saiko; ary nody tamiko ho voninahitry ny fanjakako ny fahalehibiazako sy ny lazako, ary ny mpanolo-tsaiko sy ny andriandahiko nikatsaka ahy, ka nampitoerina teo amin' ny fanjakako aho, sady nanampy ho ahy ny fiandrianana ambony indrindra."
37. Now I Nebuchadnezzar praise and extol and honour the King of heaven, all whose works are truth, and his ways judgment: and those that walk in pride he is able to abase.
37. Maintenant, moi, Nebucadnetsar, je loue, j`exalte et je glorifie le roi des cieux, dont toutes les oeuvres sont vraies et les voies justes, et qui peut abaisser ceux qui marchent avec orgueil.
37. "Koa amin' izany, izaho Nebokadnezara dia midera sy manandratra ary mankalaza ny Mpanjakan' ny lanitra, marina avokoa ny asany rehetra, ary araka ny rariny ny lalany; ary izay mandeha amin' ny fiavonavonana dia hainy aetry."