1. Also I in the first year of Darius the Mede, even I, stood to confirm and to strengthen him.
1. Et moi, la première année de Darius, le Mède, j`étais auprès de lui pour l`aider et le soutenir.
1. Ary koa tamin' ny taona voalohany nanjakan' i Dariosy Mediana dia nitsangana hampahery sy hanatanjaka azy aho.
The Kings of the South and the North
2. And now will I shew thee the truth. Behold, there shall stand up yet three kings in Persia; and the fourth shall be far richer than they all: and by his strength through his riches he shall stir up all against the realm of Grecia.
2. "Maintenant, je vais te faire connaître la vérité. Voici, il y aura encore trois rois en Perse. Le quatrième amassera plus de richesses que tous les autres; et quand il sera puissant par ses richesses, il soulèvera tout contre le royaume de Javan."
2. "Ary ankehitriny dia hasehoko anao ny marina. Indro, mbola hisy mpanjaka telo koa hitsangana any Persia; ary ny fahefatra hanankarena be mihoatra noho izy rehetra; koa rehefa mahery izy noho ny hareny, dia hotairiny avokoa ny olona rehetra hamely ny fanjakan' i Grisia."
3. And a mighty king shall stand up, that shall rule with great dominion, and do according to his will.
3. Mais il s`élèvera un vaillant roi, qui dominera avec une grande puissance, et fera ce qu`il voudra.
3. Ary hisy mpanjaka mahery hitsangana, izay hanapaka amin' ny fanapahana lehibe sady hanao araka izay sitrapony.
4. And when he shall stand up, his kingdom shall be broken, and shall be divided toward the four winds of heaven; and not to his posterity, nor according to his dominion which he ruled: for his kingdom shall be plucked up, even for others beside those.
4. "Et lorsqu`il se sera élevé, son royaume se brisera et sera divisé vers les quatre vents des cieux; il n`appartiendra pas à ses descendants, et il ne sera pas aussi puissant qu`il était, car il sera déchiré, et il passera à d`autres qu`à eux."
4. "Ary rehefa hitsangana izy, dia horavana ny fanjakany ka hozaraina ho amin' ny rivotra efatry ny lanitra; fa tsy ho an' ny taranany, na araka ny fanapahany izay nanapahany, fa hongotana ny fanjakany ka ho an' ny hafa, fa tsy ho an' ireo."
5. And the king of the south shall be strong, and one of his princes; and he shall be strong above him, and have dominion; his dominion shall be a great dominion.
5. "Le roi du midi deviendra fort. Mais un de ses chefs sera plus fort que lui, et dominera; sa domination sera puissante."
5. "Ary hahery ny mpanjakan' ny atsimo sy ny iray amin' ny mpanapany; ka ny anankiray amin' ny andriandahiny dia hahery noho izy ka hanapaka; ho fanapahana lehibe ny fanapahany."
6. And in the end of years they shall join themselves together; for the king's daughter of the south shall come to the king of the north to make an agreement: but she shall not retain the power of the arm; neither shall he stand, nor his arm: but she shall be given up, and they that brought her, and he that begat her, and he that strengthened her in these times.
6. "Au bout de quelques années ils s`allieront, et la fille du roi du midi viendra vers le roi du septentrion pour rétablir la concorde. Mais elle ne conservera pas la force de son bras, et il ne résistera pas, ni lui, ni son bras; elle sera livrée avec ceux qui l`auront amenée, avec son père et avec celui qui aura été son soutien dans ce temps-là."
6. "Ary amin' ny faran' ny taona vitsivitsy, dia hikambana izy roa lahy ireo; fa ho avy ny zanakavavin' ny mpanjakan' ny atsimo hankany amin' ny mpanjakan' ny avaratra hahatsara ny fihavanana; nefa tsy hahatana ny herin-tsandry izy, ary tsy hahajanona ilay mpanjaka na ny sandriny, fa hatolotra razazavavy sy ireo nitondra azy sy rainy niteraka azy mbamin' izay nampahery azy tamin' izany fotoana izany."
7. But out of a branch of her roots shall one stand up in his estate, which shall come with an army, and shall enter into the fortress of the king of the north, and shall deal against them, and shall prevail:
7. "Un rejeton de ses racines s`élèvera à sa place; il viendra à l`armée, il entrera dans les forteresses du roi du septentrion, il en disposera à son gré, et il se rendra puissant."
7. Fa hisy solofony anankiray avy amin' ny fakany hitsangana handimby azy, ka ho avy hitondra ny miaramila, ary hidirany ny fiarovana mafin' ny mpanjakan' ny avaratra, ka hasiany ireo, dia hahery izy.
8. And shall also carry captives into Egypt their gods, with their princes, and with their precious vessels of silver and of gold; and he shall continue more years than the king of the north.
8. Il enlèvera même et transportera en Égypte leurs dieux et leurs images de fonte, et leurs objets précieux d`argent et d`or. Puis il restera quelques années éloigné du roi du septentrion.
8. "Ary ny andriamaniny koa sy ny andriandahiny mbamin' ny fanaka sarobidiny volafotsy sy volamena dia entina hobaboina any Egypta; hitohy taona maromaro kokoa noho ny mpanjakan' ny avaratra izy."
9. So the king of the south shall come into his kingdom, and shall return into his own land.
9. Et celui-ci marchera contre le royaume du roi du midi, et reviendra dans son pays.
9. Ary ny mpanjakan' ny atsimo ho tonga any amin' ny fanjakany, ary hody any amin' ny taniny izy.
10. But his sons shall be stirred up, and shall assemble a multitude of great forces: and one shall certainly come, and overflow, and pass through: then shall he return, and be stirred up, even to his fortress.
10. "Ses fils se mettront en campagne et rassembleront une multitude nombreuse de troupes; l`un d`eux s`avancera, se répandra comme un torrent, débordera, puis reviendra; et ils pousseront les hostilités jusqu`à la forteresse du roi du midi."
10. "Fa hohetsehina ny zanany ka hanangona miaramila marobe; ka ho avy tokoa ireo sady hanerana toy ny safotra, rehefa izany, dia hiverina izy, ary hohetsehina indray na dia ny fiarovany mafy aza."
11. And the king of the south shall be moved with choler, and shall come forth and fight with him, even with the king of the north: and he shall set forth a great multitude; but the multitude shall be given into his hand.
11. "Le roi du midi s`irritera, il sortira et attaquera le roi du septentrion; il soulèvera une grande multitude, et les troupes du roi du septentrion seront livrées entre ses mains."
11. "Ary dia hisafoaka ny mpanjakan' ny atsimo, ka hivoaka hiady aminy izy, dia amin' ny mpanjakan' ny avaratra, ary izy hanangona marobe; ary ny marobe dia hatolotra ho eo an-tanany."
12. And when he hath taken away the multitude, his heart shall be lifted up; and he shall cast down many ten thousands: but he shall not be strengthened by it.
12. "Cette multitude sera fière, et le coeur du roi s`enflera; il fera tomber des milliers, mais ils ne triomphera pas."
12. Ary rehefa ravany ny marobe, dia hiavonavona ny fony, ary haharipaka alinalina izy, nefa tsy hahery amin' izany.
13. For the king of the north shall return, and shall set forth a multitude greater than the former, and shall certainly come after certain years with a great army and with much riches.
13. "Car le roi du septentrion reviendra et rassemblera une multitude plus nombreuse que la première; au bout de quelque temps, de quelques années, il se mettra en marche avec une grande armée et de grandes richesses."
13. Fa hiverina ny mpanjakan' ny avaratra ka hanangona olona marobe mihoatra noho ny teo,ary rehefa afaka taona maromaro, dia ho avy tokoa izy ka hiaraka amin' ny miaramila marobe mbamin' ny harem-be.
14. And in those times there shall many stand up against the king of the south: also the robbers of thy people shall exalt themselves to establish the vision; but they shall fall.
14. En ce temps-là, plusieurs s`élèveront contre le roi du midi, et des hommes violents parmi ton peuple se révolteront pour accomplir la vision, et ils succomberont.
14. "Ary amin' izany fotoana izany dia maro no hitsangana hamely ny mpanjakan' ny atsimo; ary ny mpandroba amin' ny olonao koa dia hanandra-tena hahatò ny fahitana, nefa ho lavo izy."
15. So the king of the north shall come, and cast up a mount, and take the most fenced cities: and the arms of the south shall not withstand, neither his chosen people, neither shall there be any strength to withstand.
15. Le roi du septentrion s`avancera, il élèvera des terrasses, et s`emparera des villes fortes. Les troupes du midi et l`élite du roi ne résisteront pas, elles manqueront de force pour résister.
15. "Ka dia ho avy ny mpanjakan' ny avaratra hanandratra tovon-tany hanafaka ny tanàna mimanda; ary na ny sandrin' ny atsimo na ny olom-boafidiny dia tsy hahomby ary tsy hisy hery hahombiazany."
16. But he that cometh against him shall do according to his own will, and none shall stand before him: and he shall stand in the glorious land, which by his hand shall be consumed.
16. "Celui qui marchera contre lui fera ce qu`il voudra, et personne ne lui résistera; il s`arrêtera dans le plus beau des pays, exterminant ce qui tombera sous sa main."
16. "Fa izay avy hamely azy dia hanao araka izay sitrapony, ka tsy hisy hahajanona eo anatrehany; ary izy hijanona ao amin' ny tany mahafinaritra, izay ho levona amin' ny tanany."
17. He shall also set his face to enter with the strength of his whole kingdom, and upright ones with him; thus shall he do: and he shall give him the daughter of women, corrupting her: but she shall not stand on his side, neither be for him.
17. "Il se proposera d`arriver avec toutes les forces de son royaume, et de conclure la paix avec le roi du midi; il lui donnera sa fille pour femme, dans l`intention d`amener sa ruine; mais cela n`aura pas lieu, et ne lui réussira pas."
17. "Dia hivonona tsara handeha amin' ny herin' ny fanjakany rehetra izy sy ny olo-mahitsy hiaraka aminy, izany no hataony; ary homena azy ny zanakavavin' ny vehivavy ka holotoiny, nefa tsy homba azy razazavavy na ho azy."
18. After this shall he turn his face unto the isles, and shall take many: but a prince for his own behalf shall cause the reproach offered by him to cease; without his own reproach he shall cause it to turn upon him.
18. "Il tournera ses vues du côté des îles, et il en prendra plusieurs; mais un chef mettra fin à l`opprobre qu`il voulait lui attirer, et le fera retomber sur lui."
18. "Rehefa afaka izany, dia hitodika mankany amin' ny nosy izy ka hahalasa be; nefa hisy mpanapaka hampitsahatra ny latsa ataony, sady tsy hanan-kenatra izy fa hatsingeriny aminy ny latsa ataony."
19. Then he shall turn his face toward the fort of his own land: but he shall stumble and fall, and not be found.
19. "Il se dirigera ensuite vers les forteresses de son pays; et il chancellera, il tombera, et on ne le trouvera plus."
19. "Dia hitodika hankany amin' ny fiarovana mafy any amin' ny taniny izy; kanjo ho tafintohina sy ho lavo izy ka tsy ho hita."
20. Then shall stand up in his estate a raiser of taxes in the glory of the kingdom: but within few days he shall be destroyed, neither in anger, nor in battle.
20. Celui qui le remplacera fera venir un exacteur dans la plus belle partie du royaume, mais en quelques jours il sera brisé, et ce ne sera ni par la colère ni par la guerre.
20. "Ary hitsangana handimby azy izay mpampandoa hetra amin' ny voninahitry ny fanjakana; fa rehefa afaka andro vitsivitsy dia ho rava izy nefa tsy amin' ny fahatezerana na amin' ny ady."
21. And in his estate shall stand up a vile person, to whom they shall not give the honour of the kingdom: but he shall come in peaceably, and obtain the kingdom by flatteries.
21. "Un homme méprisé prendra sa place, sans être revêtu de la dignité royale; il paraîtra au milieu de la paix, et s`emparera du royaume par l`intrigue."
21. "Ary hisy olona famingavinga hitsangana handimby io indray, izay tsy homena ny voninahitry ny fanjakana; fa hiditra am-piadanana izy ka hahazo ny fanjakana amin' ny fandroboana."
22. And with the arms of a flood shall they be overflown from before him, and shall be broken; yea, also the prince of the covenant.
22. Les troupes qui se répandront comme un torrent seront submergées devant lui, et anéanties, de même qu`un chef de l`alliance.
22. Ary amin' ny sandrin' ny safotra no hanindaosina ireo hiala eo anatrehany sady hotorotoroina, eny, mbamin' ny andriana vita fanekena aminy koa.
23. And after the league made with him he shall work deceitfully: for he shall come up, and shall become strong with a small people.
23. "Après qu`on se sera joint à lui, il usera de tromperie; il se mettra en marche, et il aura le dessus avec peu de monde."
23. Ary rehefa mifanaiky aminy io, dia hanao fitaka izy, fa hiakatra izy ka hahery miaraka amin' ny olom-bitsy.
24. He shall enter peaceably even upon the fattest places of the province; and he shall do that which his fathers have not done, nor his fathers' fathers; he shall scatter among them the prey, and spoil, and riches: yea, and he shall forecast his devices against the strong holds, even for a time.
24. "Il entrera, au sein de la paix, dans les lieux les plus fertiles de la province; il fera ce que n`avaient pas fait ses pères, ni les pères de ses pères; il distribuera le butin, les dépouilles et les richesses; il formera des projets contre les forteresses, et cela pendant un certain temps."
24. "Hiditra am-piadanana amin' ny faritany mahavokatra indrindra izy ka hanao izay tsy nataon' ny rainy na ny razany; hahàhany eny amin' ireny ny sambotra sy ny babo ary ny harena; eny, hamoron-tsaina izy ka hamely ny fiarovana mandra-pahalanin' ny fotoana."
25. And he shall stir up his power and his courage against the king of the south with a great army; and the king of the south shall be stirred up to battle with a very great and mighty army; but he shall not stand: for they shall forecast devices against him.
25. "A la tête d`une grande armée il emploiera sa force et son ardeur contre le roi du midi. Et le roi du midi s`engagera dans la guerre avec une armée nombreuse et très puissante; mais il ne résistera pas, car on méditera contre lui de mauvais desseins."
25. "Ary hanaitra ny heriny sy ny fahasahiany izy hamely ny mpanjakan' ny atsimo amin' ny miaramila maro ary ny mpanjakan' ny atsimo kosa hanafika mitondra miaramila maro sady mahery indrindra; nefa tsy hahajanona izy, satria hamoron-tsaina hamely azy ireo."
26. Yea, they that feed of the portion of his meat shall destroy him, and his army shall overflow: and many shall fall down slain.
26. "Ceux qui mangeront des mets de sa table causeront sa perte; ses troupes se répandront comme un torrent, et les morts tomberont en grand nombre."
26. Eny, izay homana ny hanina avy aminy ihany no hahalavo azy, ary ny miaramilany hanerana toy ny safotra, sady maro ny faty hiampatrampatra.
27. And both these kings' hearts shall be to do mischief, and they shall speak lies at one table; but it shall not prosper: for yet the end shall be at the time appointed.
27. Les deux rois chercheront en leur coeur à faire le mal, et à la même table ils parleront avec fausseté. Mais cela ne réussira pas, car la fin n`arrivera qu`au temps marqué.
27. "Ary ny fon' ireo mpanjaka roa ireo dia samy te-hanao ratsy; ary eo an-databatra iray no hiresahany lainga, nefa tsy hambinina izany; fa ny farany dia ho amin' ny fotoana voatendry ihany."
28. Then shall he return into his land with great riches; and his heart shall be against the holy covenant; and he shall do exploits, and return to his own land.
28. "Il retournera dans son pays avec de grandes richesses; il sera dans son coeur hostile à l`alliance sainte, il agira contre elle, puis retournera dans son pays."
28. "Ary hiverina ho any amin' ny taniny mitondra harena be izy; koa ny fony dia hanohitra ny fanekena masina; ary hahefa sy hiverina ho any amin' ny taniny izy."
29. At the time appointed he shall return, and come toward the south; but it shall not be as the former, or as the latter.
29. "A une époque fixée, il marchera de nouveau contre le midi; mais cette dernière fois les choses ne se passeront pas comme précédemment."
29. Amin' ny fotoana voatendry dia hiverina izy ka ho lasa mianatsimo indray, nefa tsy ho toy ny voalohany na ho toy ny farany.
30. For the ships of Chittim shall come against him: therefore he shall be grieved, and return, and have indignation against the holy covenant: so shall he do; he shall even return, and have intelligence with them that forsake the holy covenant.
30. "Des navires de Kittim s`avanceront contre lui; découragé, il rebroussera. Puis, furieux contre l`alliance sainte, il ne restera pas inactif; à son retour, il portera ses regards sur ceux qui auront abandonné l`alliance sainte."
30. "Fa ny sambon' i Kitima ho avy hamely azy, ka dia ho kivy izy ka hiverina ary hisafoaka amin' ny fanekena masina, izany no hataony; eny, hiverina izy ka hisaina miaraka amin' ireo efa mahafoy ny fanekena masina."
31. And arms shall stand on his part, and they shall pollute the sanctuary of strength, and shall take away the daily sacrifice, and they shall place the abomination that maketh desolate.
31. "Des troupes se présenteront sur son ordre; elles profaneront le sanctuaire, la forteresse, elles feront cesser le sacrifice perpétuel, et dresseront l`abomination du dévastateur."
31. Ary hisy miaramila hitsangana hiandany aminy ka handoto ny fitoerana masina, dia ny fiarovana mafy, ary hampitsahatra ny fanatitra isan' andro sady hampiditra ny fahavetavetana mahatonga fandravana.
32. And such as do wickedly against the covenant shall he corrupt by flatteries: but the people that do know their God shall be strong, and do exploits.
32. Il séduira par des flatteries les traîtres de l`alliance. Mais ceux du peuple qui connaîtront leur Dieu agiront avec fermeté,
32. "Ary izay mivadika ny fanekena dia hambosìny amin' ny fandroboana; fa ny olona izay mahalala an' Andriamaniny kosa dia hihahery ka hahefa."
33. And they that understand among the people shall instruct many: yet they shall fall by the sword, and by flame, by captivity, and by spoil, many days.
33. et les plus sages parmi eux donneront instruction à la multitude. Il en est qui succomberont pour un temps à l`épée et à la flamme, à la captivité et au pillage.
33. Ary izay mahalala eo amin' ny olona dia hampianatra ny maro, nefa ho lavon' ny sabatra sy ny lelafo, sy ny famaboana, ary ny fandrobana andro maro izy.
34. Now when they shall fall, they shall be holpen with a little help: but many shall cleave to them with flatteries.
34. Dans le temps où ils succomberont, ils seront un peu secourus, et plusieurs se joindront à eux par hypocrisie.
34. "Ary rehefa lavo izy, dia hahazo famonjena kely hanampy azy; ary maro no hikambana aminy amin' ny fandroboana."
35. And some of them of understanding shall fall, to try them, and to purge, and to make them white, even to the time of the end: because it is yet for a time appointed.
35. Quelques-uns des hommes sages succomberont, afin qu`ils soient épurés, purifiés et blanchis, jusqu`au temps de la fin, car elle n`arrivera qu`au temps marqué.
35. Ary ho lavo ny sasany amin' izay mahalala, mba hizahan-toetra azy sy hanadiovana ary hamotsiana azy ambara-pahatongan' ny fotoana farany, fa mbola ho amin' ny fotoana voatendry ihany izany.
The King Who Exalts Himself
36. And the king shall do according to his will; and he shall exalt himself, and magnify himself above every god, and shall speak marvellous things against the God of gods, and shall prosper till the indignation be accomplished: for that that is determined shall be done.
36. "Le roi fera ce qu`il voudra; il s`élèvera, il se glorifiera au-dessus de tous les dieux, et il dira des choses incroyables contre le Dieu des dieux; il prospérera jusqu`à ce que la colère soit consommée, car ce qui est arrêté s`accomplira."
36. "Ary ny mpanjaka hanao araka izay sitrapony; ary hisandratra sy hanandra-tena ho ambonin' ny andriamanitra rehetra izy ka hiteny zavatra mahagaga hanohitra an' Andriamanitry ny andriamanitra, ary hambinina ihany izy mandra-pahatanteraky ny fahatezerana; fa izay efa voatendry no tsy maintsy hatao."
37. Neither shall he regard the God of his fathers, nor the desire of women, nor regard any god: for he shall magnify himself above all.
37. "Il n`aura égard ni aux dieux de ses pères, ni à la divinité qui fait les délices des femmes; il n`aura égard à aucun dieu, car il se glorifiera au-dessus de tous."
37. "Ary tsy hahoany akory ny andriamanitry ny razany, na ny fitiavan' ny vehivavy; eny, tsy hahoany akory izay andriamanitra, fa hanandra-tena noho izy rehetra izy."
38. But in his estate shall he honour the God of forces: and a god whom his fathers knew not shall he honour with gold, and silver, and with precious stones, and pleasant things.
38. "Toutefois il honorera le dieu des forteresses sur son piédestal; à ce dieu, qui ne connaissaient pas ses pères, il rendra des hommages avec de l`or et de l`argent, avec des pierres précieuses et des objets de prix."
38. "Fa ny andriamanitry ny fiarovana mafy no hankalazainy hisolo izany; ary volamena sy volafotsy sy vatosoa ary zavatra mahafinaritra no hoentiny mankalaza ny andriamanitra izay tsy fantatry ny razany."
39. Thus shall he do in the most strong holds with a strange god, whom he shall acknowledge and increase with glory: and he shall cause them to rule over many, and shall divide the land for gain.
39. "C`est avec le dieu étranger qu`il agira contre les lieux fortifiés; et il comblera d`honneurs ceux qui le reconnaîtront, il les fera dominer sur plusieurs, il leur distribuera des terres pour récompense."
39. "Izany no hataony ao amin' ny batery mafy indrindra amin' andriamani-tsy izy, izay hekeny sy hampitomboiny voninahitra; ary hataony mpanapaka ny maro ireo, ka hizara ny tany hahazoana tombony."
40. And at the time of the end shall the king of the south push at him: and the king of the north shall come against him like a whirlwind, with chariots, and with horsemen, and with many ships; and he shall enter into the countries, and shall overflow and pass over.
40. "Au temps de la fin, le roi du midi se heurtera contre lui. Et le roi du septentrion fondra sur lui comme une tempête, avec des chars et des cavaliers, et avec de nombreux navires; il s`avancera dans les terres, se répandra comme un torrent et débordera."
40. "Ary amin' ny fotoana farany dia hanoto azy ny mpanjakan' ny atsimo; ary ny mpanjakan' ny avaratra ho avy hamely azy toy ny tafio-drivotra ka hitondra kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary sambo maro; ary hiditra amin' ny tany izy ka hanerana toy ny safotra."
41. He shall enter also into the glorious land, and many countries shall be overthrown: but these shall escape out of his hand, even Edom, and Moab, and the chief of the children of Ammon.
41. "Il entrera dans le plus beau des pays, et plusieurs succomberont; mais Édom, Moab, et les principaux des enfants d`Ammon seront délivrés de sa main."
41. "Hiditra ao amin' ny tany be voninahitra koa izy, ary firenena maro no ho ripaka; fa izao kosa no ho afa-mandositra ny tanany; Edoma sy Moaba ary ireo lohan' ny taranak' i Amona."
42. He shall stretch forth his hand also upon the countries: and the land of Egypt shall not escape.
42. Il étendra sa main sur divers pays, et le pays d`Égypte n`échappera point.
42. "Haninjitra ny tanany amin' ny tany sasany koa izy; ary ny tany Egypta tsy ho afa-mandositra."
43. But he shall have power over the treasures of gold and of silver, and over all the precious things of Egypt: and the Libyans and the Ethiopians shall be at his steps.
43. "Il se rendra maître des trésors d`or et d`argent, et de toutes les choses précieuses de l`Égypte; les Libyens et les Éthiopiens seront à sa suite."
43. "Fa hahalasa ny rakitra volamena sy volafotsy ary ny zava-tsoan' i Egypta rehetra izy; ary ny Libyana sy ny Etiopiana hanaraka azy."
44. But tidings out of the east and out of the north shall trouble him: therefore he shall go forth with great fury to destroy, and utterly to make away many.
44. Des nouvelles de l`orient et du septentrion viendront l`effrayer, et il partira avec une grande fureur pour détruire et exterminer des multitudes.
44. Fa hisy siosion-teny avy any atsinanana sy avy any avaratra haharaiki-tahotra azy, ka dia hivoaka amin' ny fahatezerana be izy handrava sy handringana maro.
45. And he shall plant the tabernacles of his palace between the seas in the glorious holy mountain; yet he shall come to his end, and none shall help him.
45. Il dressera les tentes de son palais entre les mers, vers la glorieuse et sainte montagne Puis il arrivera à la fin, sans que personne lui soit en aide.
45. Ary haoriny eo anelanelan' ny ranomasina sy ny tendrombohitra masina be voninahitra ny tranolain' ny lapany, nefa ho tonga ao amin' ny farany izy ka tsy hisy hanampy azy.