1. And when it was determined that we should sail into Italy, they delivered Paul and certain other prisoners unto one named Julius, a centurion of Augustus' band.
1. Lorsqu`il fut décidé que nous nous embarquerions pour l`Italie, on remit Paul et quelques autres prisonniers à un centenier de la cohorte Auguste, nommé Julius.
1. Ary rehefa tapaka fa tokony hiondrana an-tsambo hankany Italia izahay, dia natolotra ny kapiteny atao hoe Jolio antokon' i Aogosto i Paoly sy ny mpifatotra sasany.
2. And entering into a ship of Adramyttium, we launched, meaning to sail by the coasts of Asia; one Aristarchus, a Macedonian of Thessalonica, being with us.
2. Nous montâmes sur un navire d`Adramytte, qui devait côtoyer l`Asie, et nous partîmes, ayant avec nous Aristarque, Macédonien de Thessalonique.
2. "Ary rehefa nirotsaka an-tsambo avy any Adramytena izay efa handeha hitety ny sisin-tanin' i Azia izahay, dia lasa nandeha; ary niaraka taminay Aristarko Masedoniana avy any Tesalonika."
3. And the next day we touched at Sidon. And Julius courteously entreated Paul, and gave him liberty to go unto his friends to refresh himself.
3. "Le jour suivant, nous abordâmes à Sidon; et Julius, qui traitait Paul avec bienveillance, lui permit d`aller chez ses amis et de recevoir leurs soins."
3. Ary nony ampitso dia tonga tany Sidona izahay.Ary tsara ny nitondran' i Jolio an' i Paoly, fa navelany izy hankany amin' ny sakaizany izay hiahy azy.
4. And when we had launched from thence, we sailed under Cyprus, because the winds were contrary.
4. Partis de là, nous longeâmes l`île de Chypre, parce que les vents étaient contraires.
4. Ary nony niala teo izahay, dia nanara-morona an' i Sypra nihazo ny ilany takon-drivotra, satria nanohitra ny rivotra.
5. And when we had sailed over the sea of Cilicia and Pamphylia, we came to Myra, a city of Lycia.
5. Après avoir traversé la mer qui baigne la Cilicie et la Pamphylie, nous arrivâmes à Myra en Lycie.
5. Ary rehefa namaky ny ranomasina tany Silisia sy Pamfylia izahay, dia tonga tany Myra tanànan' i Lysia.
6. And there the centurion found a ship of Alexandria sailing into Italy; and he put us therein.
6. Et là, le centenier, ayant trouvé un navire d`Alexandrie qui allait en Italie, nous y fit monter.
6. Ary tao no nahitan' ny kapiteny sambon' i Aleksandria hankany Italia, dia nasainy niondrana teo aminy izahay.
7. And when we had sailed slowly many days, and scarce were come over against Cnidus, the wind not suffering us, we sailed under Crete, over against Salmone;
7. Pendant plusieurs jours nous naviguâmes lentement, et ce ne fut pas sans difficulté que nous atteignîmes la hauteur de Cnide, où le vent ne nous permit pas d`aborder. Nous passâmes au-dessous de l`île de Crète, du côté de Salmone.
7. "Ary rehefa nandeha niadana andro maromaro izahay ka saiky tsy tonga tandrifin' i Kinido, satria nisakana anay ny rivotra, dia nanamorona an' i Kreta tamin' ny ilany takon-drivotra tandrifin' i Salmona izahay;"
8. And, hardly passing it, came unto a place which is called The fair havens; nigh whereunto was the city of Lasea.
8. Nous la côtoyâmes avec peine, et nous arrivâmes à un lieu nommé Beaux Ports, près duquel était la ville de Lasée.
8. "Ary nony sahirana nanara-morona izahay, dia tonga teo amin' ny tany anankiray atao hoe Tsarafitodiantsambo; akaikin' izany ny tanàna Lasea."
9. Now when much time was spent, and when sailing was now dangerous, because the fast was now already past, Paul admonished them,
9. Un temps assez long s`était écoulé, et la navigation devenait dangereuse, car l`époque même du jeûne était déjà passée.
9. Ary rehefa lany ny andro maro, sady sarotra ny fandehanan-tsambo tamin' izany, satria efa afaka ny andro fifadiana, dia nananatra azy ireo Paoly,
10. And said unto them, Sirs, I perceive that this voyage will be with hurt and much damage, not only of the lading and ship, but also of our lives.
10. C`est pourquoi Paul avertit les autres, en disant: O hommes, je vois que la navigation ne se fera pas sans péril et sans beaucoup de dommage, non seulement pour la cargaison et pour le navire, mais encore pour nos personnes.
10. Ka nanao taminy hoe: Ry tompokolahy ô, hitako fa hisy fahasimbana sy fahavoazana be izao dia izao, ka tsy amin' ny entana sy ny sambo ihany, fa ny aintsika koa.
11. Nevertheless the centurion believed the master and the owner of the ship, more than those things which were spoken by Paul.
11. Le centenier écouta le pilote et le patron du navire plutôt que les paroles de Paul.
11. Kanefa ny kapiteny nino kokoa ny mpitondra sy ny tompon-tsambo noho ny teny nolazain' i Paoly.
12. And because the haven was not commodious to winter in, the more part advised to depart thence also, if by any means they might attain to Phenice, and there to winter; which is an haven of Crete, and lieth toward the south west and north west.
12. Et comme le port n`était pas bon pour hiverner, la plupart furent d`avis de le quitter pour tâcher d`atteindre Phénix, port de Crète qui regarde le sud-ouest et le nord-ouest, afin d`y passer l`hiver.
12. "Ary satria ny fitodian-tsambo teo dia tsy tsara hitoerana amin' ny ririnina, dia nataon' ny maro fa tsara raha miala, fandrao mba ho tonga any Foiniksa ahay handany ny ririnina any; fitodian-tsambo any Kreta izany ka manatrika mianatsimo-andrefana sy mianavaratra-andrefana."
13. And when the south wind blew softly, supposing that they had obtained their purpose, loosing thence, they sailed close by Crete.
13. Un léger vent du sud vint à souffler, et, se croyant maîtres de leur dessein, ils levèrent l`ancre et côtoyèrent de près l`île de Crète.
13. Ary raha nitsoka malefaka ny rivotra avy any atsimo, ka nataony fa efa nahazo izay nokendreny izy, dia niala teo nizotra nanakaiky an' i Kreta.
14. But not long after there arose against it a tempestuous wind, called Euroclydon.
14. Mais bientôt un vent impétueux, qu`on appelle Euraquilon, se déchaîna sur l`île.
14. Ary tsy ela taorian' izany, dia nifofofofo ny tafiodrivotra mahery atao hoe Eorakylona.
15. And when the ship was caught, and could not bear up into the wind, we let her drive.
15. Le navire fut entraîné, sans pouvoir lutter contre le vent, et nous nous laissâmes aller à la dérive.
15. Ary raha nopaohin' ny rivotra ny sambo ka tsy nahatoha azy dia navelanay haveziveziny izy.
16. And running under a certain island which is called Clauda, we had much work to come by the boat:
16. "Nous passâmes au-dessous d`une petite île nommée Clauda, et nous eûmes de la peine à nous rendre maîtres de la chaloupe;"
16. "Ary raha nandeha faingana nanara-morona ny nosy atao hoe Klaoda nihazo ny ilany takon-drivotra izahay, dia saiky tsy nahazo ny salopy;"
17. Which when they had taken up, they used helps, undergirding the ship; and, fearing lest they should fall into the quicksands, strake sail, and so were driven.
17. après l`avoir hissée, on se servit des moyens de secours pour ceindre le navire, et, dans la crainte de tomber sur la Syrte, on abaissa les voiles. C`est ainsi qu`on se laissa emporter par le vent.
17. "Ary rehefa nakarina izany ka nampiasa izay fomba famonjena rehetra, dia novahorany manodidina ny sambo; ary natahotra izy, fandrao hihatra any amin' ilay fasika mandrevo, dia nampidina ny lay, ka navelany handeha ho azy ny sambo."
18. And we being exceedingly tossed with a tempest, the next day they lightened the ship;
18. Comme nous étions violemment battus par la tempête, le lendemain on jeta la cargaison à la mer,
18. "Ary raha nasian' ny rivotra mafy izahay, dia nanariany ny entana nony ampitso;"
19. And the third day we cast out with our own hands the tackling of the ship.
19. et le troisième jour nous y lançâmes de nos propres mains les agrès du navire.
19. Ary ny afakampitso dia narian' ny tananay teny ivelany ny fitaovan' ny sambo.
20. And when neither sun nor stars in many days appeared, and no small tempest lay on us, all hope that we should be saved was then taken away.
20. Le soleil et les étoiles ne parurent pas pendant plusieurs jours, et la tempête était si forte que nous perdîmes enfin toute espérance de nous sauver.
20. Fa rehefa tsy niseho ny masoandro na ny kintana hatramin' ny andro maro, ary tsy kely ny tafiodrivotra namely anay, dia tsy nanantena ho voavonjy intsony izahay.
21. But after long abstinence Paul stood forth in the midst of them, and said, Sirs, ye should have hearkened unto me, and not have loosed from Crete, and to have gained this harm and loss.
21. On n`avait pas mangé depuis longtemps. Alors Paul, se tenant au milieu d`eux, leur dit: O hommes, il fallait m`écouter et ne pas partir de Crète, afin d`éviter ce péril et ce dommage.
21. Ary rehefa tsy nihinan-kanina ela izy ireo, dia nitsangana teo afovoany Paoly ka nanao hoe: Ry tompokolahy ô, tsara raha ho nihaino ahy ianareo ka tsy niala tany Kreta, dia tsy ho nahitana izao fahasimbana sy fatiantoka izao.
22. And now I exhort you to be of good cheer: for there shall be no loss of any man's life among you, but of the ship.
22. "Maintenant je vous exhorte à prendre courage; car aucun de vous ne périra, et il n`y aura de perte que celle du navire."
22. "Ary ankehitriny mananatra anareo aho mba hatoky; fa tsy hisy ho faty ianareo, fa ny sambo ihany no ho very."
23. For there stood by me this night the angel of God, whose I am, and whom I serve,
23. Un ange du Dieu à qui j`appartiens et que je sers m`est apparu cette nuit,
23. Fa nisy anjelin' Andriamanitra, Izay Tompoko sady tompoiko nitsangana teo anilako alina,
24. Saying, Fear not, Paul; thou must be brought before Caesar: and, lo, God hath given thee all them that sail with thee.
24. "et m`a dit: Paul, ne crains point; il faut que tu comparaisses devant César, et voici, Dieu t`a donné tous ceux qui naviguent avec toi."
24. "Nanao hoe: Aza matahotra ry Paoly; fa tsy maintsy hoentina eo anatrehan' i Kaisara ianao, ary, indro, efa nomen' Andriamanitra anao ny olona rehetra izay miaraka aminao."
25. Wherefore, sirs, be of good cheer: for I believe God, that it shall be even as it was told me.
25. C`est pourquoi, ô hommes, rassurez-vous, car j`ai cette confiance en Dieu qu`il en sera comme il m`a été dit.
25. Koa matokia, ry tompokolahy ô, fa mino an' Andriamanitra aho fa ho tonga araka ny voalazany tamiko izany.
26. Howbeit we must be cast upon a certain island.
26. Mais nous devons échouer sur une île.
26. Nefa tsy maintsy fefika ihany eo amin' ny nosy anankiray isika.
27. But when the fourteenth night was come, as we were driven up and down in Adria, about midnight the shipmen deemed that they drew near to some country;
27. La quatorzième nuit, tandis que nous étions ballottés sur l`Adriatique, les matelots, vers le milieu de la nuit, soupçonnèrent qu`on approchait de quelque terre.
27. "Ary tamin'ny alina fahefatra ambin' ny folo, raha navezivezy tany Adria izahay, nony namatonalina dia nataon' ny matilo fa efa manakaiky tany izy;"
28. And sounded, and found it twenty fathoms: and when they had gone a little further, they sounded again, and found it fifteen fathoms.
28. "Ayant jeté la sonde, ils trouvèrent vingt brasses; un peu plus loin, ils la jetèrent de nouveau, et trouvèrent quinze brasses."
28. "Dia nanaka-drano izy ka hitany fa faharoapolo refy; ary nony nandrosoroso kokoa izy, dia nanaka-drano indray ka hitany fa fahadimy ambin' ny folo refy."
29. Then fearing lest we should have fallen upon rocks, they cast four anchors out of the stern, and wished for the day.
29. Dans la crainte de heurter contre des écueils, ils jetèrent quatre ancres de la poupe, et attendirent le jour avec impatience.
29. Ary noho ny tahotra fandrao hidona amin' ny harambato izahay, dia nandatsaka vatofantsika efatra teo am-bodi-sambo izy ary naniry ny andro ho maraina.
30. And as the shipmen were about to flee out of the ship, when they had let down the boat into the sea, under colour as though they would have cast anchors out of the foreship,
30. Mais, comme les matelots cherchaient à s`échapper du navire, et mettaient la chaloupe à la mer sous prétexte de jeter les ancres de la proue,
30. Fa raha nitady handositra hiala tamin' ny sambo ny matilo ka efa nampidina ny salopy teo amin' ny ranomasina izy, nody handatsaka vatofantsika eo an-dohasambo,
31. Paul said to the centurion and to the soldiers, Except these abide in the ship, ye cannot be saved.
31. Paul dit au centenier et aux soldats: Si ces hommes ne restent pas dans le navire, vous ne pouvez être sauvés.
31. "Dia hoy Paoly tamin' ny kapiteny sy ny miaramila; raha tsy mitoetra eto an-tsambo ireo, dia tsy azo vonjena ianareo."
32. Then the soldiers cut off the ropes of the boat, and let her fall off.
32. Alors les soldats coupèrent les cordes de la chaloupe, et la laissèrent tomber.
32. Dia notapahin' ny miaramila ny mahazaka rehetra tamin' ny salopy, ka navelany ho latsaka.
33. And while the day was coming on, Paul besought them all to take meat, saying, This day is the fourteenth day that ye have tarried and continued fasting, having taken nothing.
33. Avant que le jour parût, Paul exhorta tout le monde à prendre de la nourriture, disant: C`est aujourd`hui le quatorzième jour que vous êtes dans l`attente et que vous persistez à vous abstenir de manger.
33. Ary rehefa nadiva ho nazava ny andro, dia niangavy tamin' ny olona rehetra Paoly mba hihinan-kanina ka nanao hoe: Anio no fahefatra ambin' ny folo andro niandrasanareo, sady naharitra nifady hanina ianareo ka tsy nihinana na inona na inona.
34. Wherefore I pray you to take some meat: for this is for your health: for there shall not an hair fall from the head of any of you.
34. Je vous invite donc à prendre de la nourriture, car cela est nécessaire pour votre salut, et il ne se perdra pas un cheveux de la tête d`aucun de vous.
34. "Koa miangavy anareo aho hihinan-kanina, fa izany no isan' ny hamonjena anareo; ary tsy hisy ho very aminareo rehetra na dia singam-bolo iray akory aza."
35. And when he had thus spoken, he took bread, and gave thanks to God in presence of them all: and when he had broken it, he began to eat.
35. Ayant ainsi parlé, il prit du pain, et, après avoir rendu grâces à Dieu devant tous, il le rompit, et se mit à manger.
35. "Ary rehefa nilaza izany izy sady nandray mofo, dia nisaotra an' Andriamanitra teo anatrehan' ny olona rehetra; ary rehefa novakiny, dia nihinana izy."
36. Then were they all of good cheer, and they also took some meat.
36. Et tous, reprenant courage, mangèrent aussi.
36. Dia nahazo toky izy rehetra ka nihinana koa.
37. And we were in all in the ship two hundred threescore and sixteen souls.
37. Nous étions, dans le navire, deux cent soixante-seize personnes en tout.
37. Ary izahay rehetra tao anaty sambo dia olona enina amby fitopolo amby roanjato.
38. And when they had eaten enough, they lightened the ship, and cast out the wheat into the sea.
38. Quand ils eurent mangé suffisamment, ils allégèrent le navire en jetant le blé à la mer.
38. Ary rehefa voky izy ireo, dia nanariany ho any an-dranomasina ny vary tritika mba hanamaivana ny sambo.
39. And when it was day, they knew not the land: but they discovered a certain creek with a shore, into the which they were minded, if it were possible, to thrust in the ship.
39. "Lorsque le jour fut venu, ils ne reconnurent point la terre; mais, ayant aperçu un golfe avec une plage, ils résolurent d`y pousser le navire, s`ils le pouvaient."
39. Ary rehefa nazava ny andro, dia tsy nahalala ny tany izy, fa nahita helodrano anankiray tsara morona, ka teo no nokasainy hampidonana ny sambo, raha azony atao.
40. And when they had taken up the anchors, they committed themselves unto the sea, and loosed the rudder bands, and hoised up the mainsail to the wind, and made toward shore.
40. "Ils délièrent les ancres pour les laisser aller dans la mer, et ils relâchèrent en même temps les attaches des gouvernails; puis ils mirent au vent la voile d`artimon, et se dirigèrent vers le rivage."
40. Ary rehefa nesoriny avokoa ny vatofantsika, dia navelany ho any an-dranomasina, ary novahany koa ny kofehin' ny familian-tsambo, dia namelatra ny lay anoloana izy ho azon' ny rivotra ka nanatona ny tany.
41. And falling into a place where two seas met, they ran the ship aground; and the forepart stuck fast, and remained unmoveable, but the hinder part was broken with the violence of the waves.
41. "Mais ils rencontrèrent une langue de terre, où ils firent échouer le navire; et la proue, s`étant engagée, resta immobile, tandis que la poupe se brisait par la violence des vagues."
41. "Ary raha tonga tamin' izay nisy fihaonan-dranomasina izy, dia navelany hidona tamin' ny tany ny sambo; ary ny loha-sambo nihizina ka nitoetra tsy nihetsika, fa ny vodi-sambo kosa dia vakivaky azon' ny herin' ny onja."
42. And the soldiers' counsel was to kill the prisoners, lest any of them should swim out, and escape.
42. Les soldats furent d`avis de tuer les prisonniers, de peur que quelqu`un d`eux ne s`échappât à la nage.
42. Ary ny miaramila nanan-kevitra hamono ny mpifatotra, fandrao hisy hilomano ireo ka ho afaka.
43. But the centurion, willing to save Paul, kept them from their purpose; and commanded that they which could swim should cast themselves first into the sea, and get to land:
43. Mais le centenier, qui voulait sauver Paul, les empêcha d`exécuter ce dessein. Il ordonna à ceux qui savaient nager de se jeter les premiers dans l`eau pour gagner la terre,
43. "Fa ny kapiteny te-hamonjy an' i Paoly, dia nisakana azy tsy hanao izay nokasainy; fa izay nahay nilomano no nasainy hirotsaka aloha ka hilomano ho eny amin' ny tany,"
44. And the rest, some on boards, and some on broken pieces of the ship. And so it came to pass, that they escaped all safe to land.
44. et aux autres de se mettre sur des planches ou sur des débris du navire. Et ainsi tous parvinrent à terre sains et saufs.
44. Ary ny sisa dia samy hanao izay hahafaka azy, na amin' ny hazo fisaka, na amin' ny vakin-javatra avy amin' ny sambo. Koa dia izao no niseho, tonga soa aman-tsara teny an-tanety izy rehetra.