1. And it came to pass, that after we were gotten from them, and had launched, we came with a straight course unto Coos, and the day following unto Rhodes, and from thence unto Patara:
1. Nous nous embarquâmes, après nous être séparés d`eux, et nous allâmes directement à Cos, le lendemain à Rhodes, et de là à Patara.
1. "Ary izao no niseho, rehefa tafasaraka tamin' ireo izahay, dia niondrana an-tsambo ka nizotra nankany Kosy, ary nony ampitso dia tonga tao Rodo, dia niala teo nankany Patara;"
2. And finding a ship sailing over unto Phenicia, we went aboard, and set forth.
2. Et ayant trouvé un navire qui faisait la traversée vers la Phénicie, nous montâmes et partîmes.
2. Ary nony nahita sambo nita ho any Foinika izahay, dia nifindra sambo teo ka lasa nandeha.
3. Now when we had discovered Cyprus, we left it on the left hand, and sailed into Syria, and landed at Tyre: for there the ship was to unlade her burden.
3. Quand nous fûmes en vue de l`île de Chypre, nous la laissâmes à gauche, poursuivant notre route du côté de la Syrie, et nous abordâmes à Tyr, où le bâtiment devait décharger sa cargaison.
3. "Ary nony nahatsinjo an' i Sypra izahay, dia nandalo azy tamin' ny ankavia ka nankany Syria, dia niantsona tao Tyro; fa tao no notaterina ny entan' ny sambo."
4. And finding disciples, we tarried there seven days: who said to Paul through the Spirit, that he should not go up to Jerusalem.
4. Nous trouvâmes les disciples, et nous restâmes là sept jours. Les disciples, poussés par l`Esprit, disaient à Paul de ne pas monter à Jérusalem.
4. "Ary nony nahita mpianatra izahay dia nitoetra teo hafitoana; ary voatsindrin' ny Fanahy izy ireo hilaza amin' i Paoly mba tsy hiakatra any Jerosalema."
5. And when we had accomplished those days, we departed and went our way; and they all brought us on our way, with wives and children, till we were out of the city: and we kneeled down on the shore, and prayed.
5. Mais, lorsque nous fûmes au terme des sept jours, nous nous acheminâmes pour partir, et tous nous accompagnèrent avec leur femme et leurs enfants jusque hors de la ville. Nous nous mîmes à genoux sur le rivage, et nous priâmes.
5. "Ary rehefa tapitra izany andro izany, dia niala izahay ka lasa nandeha; ary izy rehetra mbamin' ny vadiny aman-janany dia nanatitra anay hatrany ivelan' ny tanàna; ary nandohalika teo amoron-dranomasina izahay ka nivavaka;"
6. And when we had taken our leave one of another, we took ship; and they returned home again.
6. Puis, ayant pris congé les uns des autres, nous montâmes sur le navire, et ils retournèrent chez eux.
6. "Ary rehefa nifanao veloma izahay, dia nirotsaka an-tsambo; fa izy ireo kosa niverina nody."
7. And when we had finished our course from Tyre, we came to Ptolemais, and saluted the brethren, and abode with them one day.
7. Achevant notre navigation, nous allâmes de Tyr à Ptolémaïs, où nous saluâmes les frères, et passâmes un jour avec eux.
7. "Ary ny niafaran' ny nandehananay an-tsambo dia tany Tolemaia, rehefa avy tany Tyro; ary niarahaba ny rahalahy izahay ka nitoetra teo aminy indray andro."
8. And the next day we that were of Paul's company departed, and came unto Caesarea: and we entered into the house of Philip the evangelist, which was one of the seven; and abode with him.
8. Nous partîmes le lendemain, et nous arrivâmes à Césarée. Étant entrés dans la maison de Philippe l`évangéliste, qui était l`un des sept, nous logeâmes chez lui.
8. Ary nony ampitso dia niala teo izahay mpiara-dia tamin' i Paoly ka tonga tany Kaisaria ary niditra tao an-tranon' i Filipo evanjelistra, izay anankiray tamin' izy fito lahy, dia nitoetra tao aminy izahay.
9. And the same man had four daughters, virgins, which did prophesy.
9. Il avait quatre filles vierges qui prophétisaient.
9. Ary izany lehilahy izany dia nanana zanakavavy virijina efatra izay naminany.
10. And as we tarried there many days, there came down from Judaea a certain prophet, named Agabus.
10. Comme nous étions là depuis plusieurs jours, un prophète, nommé Agabus, descendit de Judée,
10. Ary raha nitoetra tao andro maro izahay, dia nisy mpaminany anankiray atao hoe Agabo nidina avy tany Jodia.
11. And when he was come unto us, he took Paul's girdle, and bound his own hands and feet, and said, Thus saith the Holy Ghost, So shall the Jews at Jerusalem bind the man that owneth this girdle, and shall deliver him into the hands of the Gentiles.
11. et vint nous trouver. Il prit la ceinture de Paul, se lia les pieds et les mains, et dit: Voici ce que déclare le Saint Esprit: L`homme à qui appartient cette ceinture, les Juifs le lieront de la même manière à Jérusalem, et le livreront entre les mains des païens.
11. Ary rehefa tonga tao aminay izy, dia noraisiny ny fehikibon' i Paoly, ka namatorany ny tongotra aman-tanan' ny tenany, dia hoy izy: Izao no lazain' ny Fanahy Masina: Toy izao no hamatoran' ny Jiosy any Jerosalema ny lehilahy tompon' ity fehikibo ity, ka hatolony ho eo an-tanan' ny Jentilisa izy.
12. And when we heard these things, both we, and they of that place, besought him not to go up to Jerusalem.
12. Quand nous entendîmes cela, nous et ceux de l`endroit, nous priâmes Paul de ne pas monter à Jérusalem.
12. Ary raha vao renay izany, dia niangavy taminy izahay mbamin' izay nonina teo mba tsy hiakarany any Jerosalema.
13. Then Paul answered, What mean ye to weep and to break mine heart? for I am ready not to be bound only, but also to die at Jerusalem for the name of the Lord Jesus.
13. Alors il répondit: Que faites-vous, en pleurant et en me brisant le coeur? Je suis prêt, non seulement à être lié, mais encore à mourir à Jérusalem pour le nom du Seigneur Jésus.
13. Fa Paoly namaly hoe: Nahoana ianareo no mitomany ka mampangorakoraka ny foko? Fa vonona aho tsy ny hafatotra ihany,fa ny ho faty any Jerosalema koa noho ny anaran' i Jesosy Tompo.
14. And when he would not be persuaded, we ceased, saying, The will of the Lord be done.
14. Comme il ne se laissait pas persuader, nous n`insistâmes pas, et nous dîmes: Que la volonté du Seigneur se fasse!
14. Ary nony tsy nanaiky izy, dia nitsahatra izahay ka nanao hoe: Aoka ny sitrapon' ny Tompo no hatao.
15. And after those days we took up our carriages, and went up to Jerusalem.
15. Après ces jours-là, nous fîmes nos préparatifs, et nous montâmes à Jérusalem.
15. Ary rehefa afaka izany andro izany, dia nilanja ny entanay izahay ka niakatra nankany Jerosalema.
16. There went with us also certain of the disciples of Caesarea, and brought with them one Mnason of Cyprus, an old disciple, with whom we should lodge.
16. Quelques disciples de Césarée vinrent aussi avec nous, et nous conduisirent chez un nommé Mnason, de l`île de Chypre, ancien disciple, chez qui nous devions loger.
16. Dia niaraka taminay koa ny mpianatra sasany avy tany Kaisaria, izay nitondra anay ho any amin' i Menasona, olona avy any Sypra sady mpianatra maintimolaly, izay nokasainay hitoerana.
17. And when we were come to Jerusalem, the brethren received us gladly.
17. Lorsque nous arrivâmes à Jérusalem, les frères nous reçurent avec joie.
17. Ary nony tonga tany Jerosalema izahay, dia nandray anay tamin' ny fifaliana ny rahalahy.
18. And the day following Paul went in with us unto James; and all the elders were present.
18. Le lendemain, Paul se rendit avec nous chez Jacques, et tous les anciens s`y réunirent.
18. "Ary nony ampitso dia niara-niditra tany amin' i Jakoba izahay mbamin' i Paoly; ary vory teo ny loholona rehetra."
19. And when he had saluted them, he declared particularly what things God had wrought among the Gentiles by his ministry.
19. Après les avoir salués, il raconta en détail ce que Dieu avait fait au milieu des païens par son ministère.
19. Ary rehefa niarahaba azy ireo Paoly, dia nilaza tsirairay ny zavatra rehetra izay efa nampanaovin' Andriamanitra azy tany amin' ny Jentilisa tamin' ny asa fanompoany,
20. And when they heard it, they glorified the Lord, and said unto him, Thou seest, brother, how many thousands of Jews there are which believe; and they are all zealous of the law:
20. Quand ils l`eurent entendu, ils glorifièrent Dieu. Puis ils lui dirent: Tu vois, frère, combien de milliers de Juifs ont cru, et tous sont zélés pour la loi.
20. "Ary rehefa nandre izany ireo, dia nankalaza ny Tompo; ary hoy koa izy ireo taminy: Hitanao, rahalahy, fa tsy omby alinalina ny Jiosy izay mino; ary fatra-pitana ny lalàna izy rehetra,"
21. And they are informed of thee, that thou teachest all the Jews which are among the Gentiles to forsake Moses, saying that they ought not to circumcise their children, neither to walk after the customs.
21. Or, ils ont appris que tu enseignes à tous les Juifs qui sont parmi les païens à renoncer à Moïse, leur disant de ne pas circoncire les enfants et de ne pas se conformer aux coutumes.
21. Sady efa novokisan' olona ny aminao, fa ianao dia mampianatra ny Jiosy rehetra izay any amin' ny Jentilisa hahafoy an' i Mosesy ka mandrara azy tsy hamora ny zaza na hanaraka ny fanaon-drazana.
22. What is it therefore? the multitude must needs come together: for they will hear that thou art come.
22. Que faire donc? Sans aucun doute la multitude se rassemblera, car on saura que tu es venu.
22. Ahoana àry no izy? Tokony hangonina ny vahoaka, satria tsy maintsy ho reny ny nahatongavanao.
23. Do therefore this that we say to thee: We have four men which have a vow on them;
23. "C`est pourquoi fais ce que nous allons te dire. Il y a parmi nous quatre hommes qui ont fait un voeu;"
23. "Ary noho izany dia ataovy izao lazainay aminao izao: Misy efa-dahy aty izay nivoady;"
24. Them take, and purify thyself with them, and be at charges with them, that they may shave their heads: and all may know that those things, whereof they were informed concerning thee, are nothing; but that thou thyself also walkest orderly, and keepest the law.
24. prends-les avec toi, purifie-toi avec eux, et pourvois à leur dépense, afin qu`ils se rasent la tête. Et ainsi tous sauront que ce qu`ils ont entendu dire sur ton compte est faux, mais que toi aussi tu te conduis en observateur de la loi.
24. Raiso ireo, ka manadiova ny tenanao miaraka amin' ireo, ary mandoava ny vola ho lany mba hanaratany ny lohany, ka dia ho fantatry ny olona rehetra fa tsinontsinona izay zavatra namokisana azy ny aminao, fa ianao aza mandeha sy manaraka ny lalàna koa.
25. As touching the Gentiles which believe, we have written and concluded that they observe no such thing, save only that they keep themselves from things offered to idols, and from blood, and from strangled, and from fornication.
25. A l`égard des païens qui ont cru, nous avons décidé et nous leur avons écrit qu`ils eussent à s`abstenir des viandes sacrifiées aux idoles, du sang, des animaux étouffés, et de l`impudicité.
25. Fa ny amin' ny Jentilisa izay efa mino, dia efa nanoratra izahay nandidy azy tsy hitandrina zavatra toy izany afa-tsy ny hifady ny zavatra aterina amin' ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fahavetavetana.
26. Then Paul took the men, and the next day purifying himself with them entered into the temple, to signify the accomplishment of the days of purification, until that an offering should be offered for every one of them.
26. Alors Paul prit ces hommes, se purifia, et entra le lendemain dans le temple avec eux, pour annoncer à quel jour la purification serait accomplie et l`offrande présentée pour chacun d`eux.
26. Koa noraisin' i Paoly ireo lehilahy ireo, ary nony ampitso dia nanadio ny tenany niaraka tamin' ireo izy, ka niditra tao amin' ny tempoly, nanambara ny fahatanterahan' ny andro fahadiovana mandra-panatitra ny fanatitra ho an' ny tsirairay.
27. And when the seven days were almost ended, the Jews which were of Asia, when they saw him in the temple, stirred up all the people, and laid hands on him,
27. Sur la fin des sept jours, les Juifs d`Asie, ayant vu Paul dans le temple, soulevèrent toute la foule, et mirent la main sur lui,
27. Ary rehefa ho tapitra ny hafitoana, dia nahita an' i Paoly teo amin' ny tempoly ny Jiosy avy tany Azia, ka nampikotaba ny vahoaka rehetra, sady nisambotra an' i Paoly,
28. Crying out, Men of Israel, help: This is the man, that teacheth all men every where against the people, and the law, and this place: and further brought Greeks also into the temple, and hath polluted this holy place.
28. "en criant: Hommes Israélites, au secours! Voici l`homme qui prêche partout et à tout le monde contre le peuple, contre la loi et contre ce lieu; il a même introduit des Grecs dans le temple, et a profané ce saint lieu."
28. "Dia niantso hoe: Avia, ry lehilahy Isiraely, fa ity no lehilahy mampianatra ny olona rehetra ombieniombieny manohitra ny vahoaka, sy ny lalàna ary ity fitoerana ity; sady nampiditra Grika tato amin' ny tempoly ka nandoto ity fitoerana masina ity."
29. (For they had seen before with him in the city Trophimus an Ephesian, whom they supposed that Paul had brought into the temple.)
29. Car ils avaient vu auparavant Trophime d`Éphèse avec lui dans la ville, et ils croyaient que Paul l`avait fait entrer dans le temple.
29. (Fa efa hitany rahateo fa niaraka taminy tao an-tanàna Trofimo Efesiana, ka nataony fa nampidirin' i Paoly teo amin' ny tempoly izy).
30. And all the city was moved, and the people ran together: and they took Paul, and drew him out of the temple: and forthwith the doors were shut.
30. Toute la ville fut émue, et le peuple accourut de toutes parts. Ils se saisirent de Paul, et le traînèrent hors du temple, dont les portes furent aussitôt fermées.
30. "Dia nifanaritaka be ihany ny tao an-tanàna rehetra, ka nihazakazaka nivory ny olona, ary nosamborina Paoly ka nosarihany hiala teo amin' ny tempoly; ary niaraka tamin' izay dia narindrina ny varavarana."
31. And as they went about to kill him, tidings came unto the chief captain of the band, that all Jerusalem was in an uproar.
31. Comme ils cherchaient à le tuer, le bruit vint au tribun de la cohorte que tout Jérusalem était en confusion.
31. "Ary raha nitady hamono azy ny olona, dia nisy vaovao tonga tany amin' ny mpifehy arivo tamin' ny antokon' ny miaramila nilaza fa mikotaba avokoa Jerosalema rehetra;"
32. Who immediately took soldiers and centurions, and ran down unto them: and when they saw the chief captain and the soldiers, they left beating of Paul.
32. A l`instant il prit des soldats et des centeniers, et courut à eux. Voyant le tribun et les soldats, ils cessèrent de frapper Paul.
32. "Ary niaraka tamin' izay dia naka miaramila sy kapiteny izy ka nihazakazaka nidina nankeo aminy; ary raha nahita ny mpifehy arivo sy ny miaramila ny olona, dia nitsahatra tsy nikapoka an' i Paoly."
33. Then the chief captain came near, and took him, and commanded him to be bound with two chains; and demanded who he was, and what he had done.
33. Alors le tribun s`approcha, se saisit de lui, et le fit lier de deux chaînes. Puis il demanda qui il était, et ce qu`il avait fait.
33. Ary ny mpifehy arivo nanakaiky, dia nisambotra azy ka nandidy hamatotra azy tamin' ny gadra roa, dia nanontany hoe: Iza moa izy, ary inona moa no nataony?
34. And some cried one thing, some another, among the multitude: and when he could not know the certainty for the tumult, he commanded him to be carried into the castle.
34. "Mais dans la foule les uns criaient d`une manière, les autres d`une autre; ne pouvant donc rien apprendre de certain, à cause du tumulte, il ordonna de le mener dans la forteresse."
34. "Ary ny sasany tamin' ny olona maro niantso mafy nilaza zavatra iray, ary ny sasany kosa zavatra hafa; ary rehefa tsy azony nofantarina izay marina noho ny fikotranana, dia nasainy nentina ho any amin' ny lapa Paoly."
35. And when he came upon the stairs, so it was, that he was borne of the soldiers for the violence of the people.
35. "Lorsque Paul fut sur les degrés, il dut être porté par les soldats, à cause de la violence de la foule;"
35. "Ary rehefa tonga teo amin' ny ambaratonga izy, dia izao no zava-nisy, nobatain' ny miaramila izy noho ny fifanosehan' ny olona;"
36. For the multitude of the people followed after, crying, Away with him.
36. car la multitude du peuple suivait, en criant: Fais-le mourir!
36. Fa nanaraka ny olona maro ka niantso hoe: Vonoy ilehio!
37. And as Paul was to be led into the castle, he said unto the chief captain, May I speak unto thee? Who said, Canst thou speak Greek?
37. Au moment d`être introduit dans la forteresse, Paul dit au tribun: M`est-il permis de te dire quelque chose? Le tribun répondit: Tu sais le grec?
37. Ary rehefa hoentina any an-dapa Paoly, dia hoy izy tamin' ny mpifehy arivo: Mahazo miteny aminao va aho? Dia hoy izy: Mahay teny Grika va ianao?
38. Art not thou that Egyptian, which before these days madest an uproar, and leddest out into the wilderness four thousand men that were murderers?
38. Tu n`es donc pas cet Égyptien qui s`est révolté dernièrement, et qui a emmené dans le désert quatre mille brigands?
38. Moa tsy ianao va ilay Egyptiana, izay nampikomy ny olona tato ho ato ka nitarika ny lehilahy efatra arivo izay jiolahy tany an' efitra?
39. But Paul said, I am a man which am a Jew of Tarsus, a city in Cilicia, a citizen of no mean city: and, I beseech thee, suffer me to speak unto the people.
39. Je suis Juif, reprit Paul, de Tarse en Cilicie, citoyen d`une ville qui n`est pas sans importance. Permets-moi, je te prie, de parler au peuple.
39. "Fa hoy Paoly: Izaho Jiosy avy any Tarsosy, tanàna any Silisia, tompon-tany amin' izay tanàna tsy kely laza; koa trarantitra ianao, aoka aho mba hiteny amin' ny olona."
40. And when he had given him licence, Paul stood on the stairs, and beckoned with the hand unto the people. And when there was made a great silence, he spake unto them in the Hebrew tongue, saying,
40. Le tribun le lui ayant permis, Paul, debout sur les degrés, fit signe de la main au peuple. Un profond silence s`établit, et Paul, parlant en langue hébraïque, dit:
40. Ary Paoly, rehefa navelany, dia nitsangana teo amin' ny ambaratonga ka nanofa tanana tamin' ny olona.Ary rehefa nangina tsara ny olona, dia niteny tamin' ny teny Hebreo izy ka nanao hoe:
<
>