1. After these things Paul departed from Athens, and came to Corinth;
1. Après cela, Paul partit d`Athènes, et se rendit à Corinthe.
1. Ary rehefa afaka izany, dia niala tany Atena i Paoly ka nankany Korinto.
2. And found a certain Jew named Aquila, born in Pontus, lately come from Italy, with his wife Priscilla; (because that Claudius had commanded all Jews to depart from Rome:) and came unto them.
2. "Il y trouva un Juif nommé Aquilas, originaire du Pont, récemment arrivé d`Italie avec sa femme Priscille, parce que Claude avait ordonné à tous les Juifs de sortir de Rome. Il se lia avec eux;"
2. Ary nahita Jiosy anankiray atao hoe Akoila izy, izay teraka tany Ponto, vao avy tany Italia ary Prisila vadiny (fa Klaodio efa nandidy ny Jiosy rehetra hiala tany Roma), dia nankeo amin' izy mivady Paoly.
3. And because he was of the same craft, he abode with them, and wrought: for by their occupation they were tentmakers.
3. et, comme il avait le même métier, il demeura chez eux et y travailla: ils étaient faiseurs de tentes.
3. "Koa satria nitovy raharaha fanao izy, dia nitoetra tao aminy ka niasa; fa ny manao lay no raharahany."
4. And he reasoned in the synagogue every sabbath, and persuaded the Jews and the Greeks.
4. Paul discourait dans la synagogue chaque sabbat, et il persuadait des Juifs et des Grecs.
4. Ary niady hevitra isan-tsabata tao amin' ny synagoga izy ka nampanaiky ny Jiosy sy ny Grika.
5. And when Silas and Timotheus were come from Macedonia, Paul was pressed in the spirit, and testified to the Jews that Jesus was Christ.
5. Mais quand Silas et Timothée furent arrivés de la Macédoine, il se donna tout entier à la parole, attestant aux Juifs que Jésus était le Christ.
5. Ary rehefa tafidina avy tany Masedonia Silasy sy Timoty, dia tery am-panahy Paoly ka nanambara tamin' ny Jiosy fa Jesosy no Kristy,
6. And when they opposed themselves, and blasphemed, he shook his raiment, and said unto them, Your blood be upon your own heads; I am clean: from henceforth I will go unto the Gentiles.
6. Les Juifs faisant alors de l`opposition et se livrant à des injures, Paul secoua ses vêtements, et leur dit: Que votre sang retombe sur votre tête! J`en suis pur. Dès maintenant, j`irai vers les païens.
6. Ary nony nanohitra sy nanao blasfemia ireo, dia nanopakopa-damba izy ka nanao taminy hoe: Aoka ho eo an-dohanareo ny ranareo! Afaka aho, ary amin' izao sisa izao dia hankany amin' ny Jentilisa aho.
7. And he departed thence, and entered into a certain man's house, named Justus, one that worshipped God, whose house joined hard to the synagogue.
7. Et sortant de là, il entra chez un nommé Justus, homme craignant Dieu, et dont la maison était contiguë à la synagogue.
7. "Ary raha niala teo izy, dia niditra tao an-tranon' ny lehilahy atao hoe Josto, izay nivavaka tamin' Andriamanitra; ary ny tranony nifanolotra tamin' ny synagoga."
8. And Crispus, the chief ruler of the synagogue, believed on the Lord with all his house; and many of the Corinthians hearing believed, and were baptized.
8. Cependant Crispus, le chef de la synagogue, crut au Seigneur avec toute sa famille. Et plusieurs Corinthiens, qui avaient entendu Paul, crurent aussi, et furent baptisés.
8. "Ary Krispo, mpanapaka ny synagoga, mbamin' ny ankohonany rehetra dia nino ny Tompo; ary maro tamin' ny Korintiana raha nandre, dia nino ka natao batisa."
9. Then spake the Lord to Paul in the night by a vision, Be not afraid, but speak, and hold not thy peace:
9. "Le Seigneur dit à Paul en vision pendant la nuit: Ne crains point; mais parle, et ne te tais point,"
9. "Ary niteny tamin' i Paoly ny Tompo tamin' ny fahitana nony alina ka nanao hoe: Aza matahotra, fa mitenena ihany, ka aza mangina;"
10. For I am with thee, and no man shall set on thee to hurt thee: for I have much people in this city.
10. Car je suis avec toi, et personne ne mettra la main sur toi pour te faire du mal: parle, car j`ai un peuple nombreux dans cette ville.
10. "Fa momba anao Aho, ary tsy hisy olona hihazona anao hanisy ratsy anao; fa manana olona maro amin' ity tanàna ity Aho."
11. And he continued there a year and six months, teaching the word of God among them.
11. Il y demeura un an et six mois, enseignant parmi les Corinthiens la parole de Dieu.
11. Ary nitoetra tao herintaona sy enimbolana izy ka nampianatra ny tenin' Andriamanitra teo aminy.
12. And when Gallio was the deputy of Achaia, the Jews made insurrection with one accord against Paul, and brought him to the judgment seat,
12. Du temps que Gallion était proconsul de l`Achaïe, les Juifs se soulevèrent unanimement contre Paul, et le menèrent devant le tribunal,
12. Fa raha Galio no governora tany Akaia, dia niray tetika hanohitra an' i Paoly ny Jiosy ary nitondra azy nankeo amin' ny fitsarana.
13. Saying, This fellow persuadeth men to worship God contrary to the law.
13. en disant: Cet homme excite les gens à servir Dieu d`une manière contraire à la loi.
13. Ka dia nanao hoe: Ilehio mampanaiky ny olona hivavaka amin' Andriamanitra tsy mifanaraka amin' ny lalàna.
14. And when Paul was now about to open his mouth, Gallio said unto the Jews, If it were a matter of wrong or wicked lewdness, O ye Jews, reason would that I should bear with you:
14. "Paul allait ouvrir la bouche, lorsque Gallion dit aux Juifs: S`il s`agissait de quelque injustice ou de quelque méchante action, je vous écouterais comme de raison, ô Juifs;"
14. "Ary raha hiloa-bava Paoly, dia hoy Galio tamin' ny Jiosy: Ry Jiosy, raha misy heloka, na zavatra ratsy natao, dia mety raha mandefitra aminareo aho;"
15. But if it be a question of words and names, and of your law, look ye to it; for I will be no judge of such matters.
15. mais, s`il s`agit de discussions sur une parole, sur des noms, et sur votre loi, cela vous regarde: je ne veux pas être juge de ces choses.
15. "Fa raha ady teny sy anarana ary ny lalànareo, dia ataovinareo ihany; fa tsy te-hitsara izany raharaha izany aho."
16. And he drave them from the judgment seat.
16. Et il les renvoya du tribunal.
16. Ary nandroaka azy hiala teo anoloan' ny fitsarana izy.
17. Then all the Greeks took Sosthenes, the chief ruler of the synagogue, and beat him before the judgment seat. And Gallio cared for none of those things.
17. Alors tous, se saisissant de Sosthène, le chef de la synagogue, le battirent devant le tribunal, sans que Gallion s`en mît en peine.
17. Koa nisambotra an' i Sostena, mpanapaka ny synagoga ny Grika rehetra, dia nikapoka azy teo anoloan' ny fitsarana. Ary tsy nahoan' i Galio izany zavatra izany.
18. And Paul after this tarried there yet a good while, and then took his leave of the brethren, and sailed thence into Syria, and with him Priscilla and Aquila; having shorn his head in Cenchrea: for he had a vow.
18. Paul resta encore assez longtemps à Corinthe. Ensuite il prit congé des frères, et s`embarqua pour la Syrie, avec Priscille et Aquilas, après s`être fait raser la tête à Cenchrées, car il avait fait un voeu.
18. "Ary mbola nitoetra teo andro maromaro ihany Paoly taorian' izany, ary rehefa nanao veloma ny rahalahy izy, dia niondrana an-tsambo nankany Syria, ary Prisila sy Akoila koa niaraka taminy; ny volon-dohany nohetezany tany Kenkrea, satria efa nivoady izy."
19. And he came to Ephesus, and left them there: but he himself entered into the synagogue, and reasoned with the Jews.
19. Ils arrivèrent à Éphèse, et Paul y laissa ses compagnons. Étant entré dans la synagogue, il s`entretint avec les Juifs,
19. "Ary tonga tany Efesosy izy, dia nandao azy mivady teo; fa niditra tao amin' ny synagoga izy ary niady hevitra tamin' ny Jiosy."
20. When they desired him to tarry longer time with them, he consented not;
20. qui le prièrent de prolonger son séjour.
20. "Raha nangataka azy hitoetra elaela miaraka aminy ny olona, dia tsy nety izy;"
21. But bade them farewell, saying, I must by all means keep this feast that cometh in Jerusalem: but I will return again unto you, if God will. And he sailed from Ephesus.
21. Mais il n`y consentit point, et il prit congé d`eux, en disant: Il faut absolument que je célèbre la fête prochaine à Jérusalem. Je reviendrai vers vous, si Dieu le veut. Et il partit d`Éphèse.
21. Fa nanao veloma ireo izy ka nanao hoe: Tokony hitandrina ity andro firavoravoana ho avy ity any Jerosalema aho na manao ahoana na manao ahoana, nefa mbola hiverina hankaty aminareo indray aho, raha sitrapon' Andriamanitra.Dia niondrana an-tsambo niala tany Efesosy izy.
22. And when he had landed at Caesarea, and gone up, and saluted the church, he went down to Antioch.
22. Étant débarqué à Césarée, il monta à Jérusalem, et, après avoir salué l`Église, il descendit à Antioche.
22. Ary rehefa tody tany Kaisaria izy, dia niakatra ka niarahaba ny fiangonana, vao nidina nankany Antiokia.
23. And after he had spent some time there, he departed, and went over all the country of Galatia and Phrygia in order, strengthening all the disciples.
23. Lorsqu`il eut passé quelque temps à Antioche, Paul se mit en route, et parcourut successivement la Galatie et la Phrygie, fortifiant tous les disciples.
23. Ary rehefa nitoetra tao elaela ihany izy, dia lasa nandeha nitety ny tany Galatia sy Frygia ka nampahery ny mpianatra rehetra.
24. And a certain Jew named Apollos, born at Alexandria, an eloquent man, and mighty in the scriptures, came to Ephesus.
24. Un Juif nommé Apollos, originaire d`Alexandrie, homme éloquent et versé dans les Écritures, vint à Éphèse.
24. Ary tonga tany Efesosy ny Jiosy anankiray atao hoe Apolosy, izay teraka tany Aleksandria, lehilahy nahay nandaha-teny sady nahery tamin' ny Soratra Masina.
25. This man was instructed in the way of the Lord; and being fervent in the spirit, he spake and taught diligently the things of the Lord, knowing only the baptism of John.
25. Il était instruit dans la voie du Seigneur, et, fervent d`esprit, il annonçait et enseignait avec exactitude ce qui concerne Jésus, bien qu`il ne connût que le baptême de Jean.
25. "Efa nampianarina ny lalan' ny Tompo izany lehilahy izany; ary nafana fo izy, dia niteny sy nampianatra tamin-jotom-po ny amin' ny Tompo, fa ny batisan' i Jaona ihany no fantany."
26. And he began to speak boldly in the synagogue: whom when Aquila and Priscilla had heard, they took him unto them, and expounded unto him the way of God more perfectly.
26. Il se mit à parler librement dans la synagogue. Aquilas et Priscille, l`ayant entendu, le prirent avec eux, et lui exposèrent plus exactement la voie de Dieu.
26. "Ary nanomboka niteny tamin' ny fahasahiana tao amin' ny synagoga izy; ary rehefa nandre azy Prisila sy Akoila, dia nandray azy hankao aminy ka nanazava taminy feno kokoa ny amin' ny lalan' Andriamanitra."
27. And when he was disposed to pass into Achaia, the brethren wrote, exhorting the disciples to receive him: who, when he was come, helped them much which had believed through grace:
27. "Comme il voulait passer en Achaïe, les frères l`y encouragèrent, et écrivirent aux disciples de le bien recevoir. Quand il fut arrivé, il se rendit, par la grâce de Dieu, très utile à ceux qui avaient cru;"
27. "Ary rehefa te-handroso hankany Akaia izy, dia nampirisika azy ny rahalahy sady nanoratra taratasy ho any amin' ny mpianatra mba handray azy; ary rehefa tonga izy, dia nanampy betsaka izay efa nino noho ny fahasoavana;"
28. For he mightily convinced the Jews, and that publickly, shewing by the scriptures that Jesus was Christ.
28. Car il réfutait vivement les Juifs en public, démontrant par les Écritures que Jésus est le Christ.
28. Fa nahery nandresy lahatra ny Jiosy teo imason' ny olona izy ka naneho miharihary tamin' ny Soratra Masina fa Jesosy no Kristy.
<
>