1. And after these things I saw four angels standing on the four corners of the earth, holding the four winds of the earth, that the wind should not blow on the earth, nor on the sea, nor on any tree.
1. "Après cela, je vis quatre anges debout aux quatre coins de la terre; ils retenaient les quatre vents de la terre, afin qu`il ne soufflât point de vent sur la terre, ni sur la mer, ni sur aucun arbre."
1. Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy anjely efatra nitsangana teo amin’ny zorony efatry ny tany nihazona ny rivotra efatry ny tany, mba tsy hisy rivotra hitsoka amin’ny tany, na amin’ny ranomasina, na amin’ny hazo akory aza.
2. And I saw another angel ascending from the east, having the seal of the living God: and he cried with a loud voice to the four angels, to whom it was given to hurt the earth and the sea,
2. "Et je vis un autre ange, qui montait du côté du soleil levant, et qui tenait le sceau du Dieu vivant; il cria d`une voix forte aux quatre anges à qui il avait été donné de faire du mal à la terre et à la mer, et il dit:"
2. "Ary hitako, fa, nisy anjely hafa koa, niakatra avy tany amin’ny fiposahan’ny masoandro, nanana ny fitombo-kasen’Andriamanitra Velona; ary niantso ny anjely efatra tamin’ny feo mahery izy, izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina,"
3. Saying, Hurt not the earth, neither the sea, nor the trees, till we have sealed the servants of our God in their foreheads.
3. Ne faites point de mal à la terre, ni à la mer, ni aux arbres, jusqu`à ce que nous ayons marqué du sceau le front des serviteurs de notre Dieu.
3. Nanao hoe: Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase eo amin’ny handrin’ny mpanompon’Andriamanitsika.
4. And I heard the number of them which were sealed: and there were sealed an hundred and forty and four thousand of all the tribes of the children of Israel.
4. Et j`entendis le nombre de ceux qui avaient été marqués du sceau, cent quarante-quatre mille, de toutes les tribus des fils d`Israël:
4. Ary nahare ny isan’izay voaisy tombo-kase aho: efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy no voaisy tombo-kase avy tamin’ny fokon’ny Zanak’Isiraely rehetra.
5. Of the tribe of Juda were sealed twelve thousand. Of the tribe of Reuben were sealed twelve thousand. Of the tribe of Gad were sealed twelve thousand.
5. "de la tribu de Juda, douze mille marqués du sceau; de la tribu de Ruben, douze mille; de la tribu de Gad, douze mille;"
5. Avy tamin’ny fokon’i Joda roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase. Avy tamin’ny fokon’i Robena roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase. Avy tamin’ny fokon’i Gada roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase.
6. Of the tribe of Aser were sealed twelve thousand. Of the tribe of Nephthalim were sealed twelve thousand. Of the tribe of Manasses were sealed twelve thousand.
6. "de la tribu d`Aser, douze mille; de la tribu de Nephthali, douze mille; de la tribu de Manassé, douze mille;"
6. Avy tamin’ny fokon’i Asera roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase. Avy tamin’ny fokon’i Naftaly roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase. Avy tamin’ny fokon’i Manase roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase.
7. Of the tribe of Simeon were sealed twelve thousand. Of the tribe of Levi were sealed twelve thousand. Of the tribe of Issachar were sealed twelve thousand.
7. "de la tribu de Siméon, douze mille; de la tribu de Lévi, douze mille; de la tribu d`Issacar, douze mille;"
7. Avy tamin’ny fokon’i Simeona roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase. Avy tamin’ny fokon’i Levy roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase. Avy tamin’ny fokon’Isakara roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase.
8. Of the tribe of Zabulon were sealed twelve thousand. Of the tribe of Joseph were sealed twelve thousand. Of the tribe of Benjamin were sealed twelve thousand.
8. "de la tribu de Zabulon, douze mille; de la tribu de Joseph, douze mille; de la tribu de Benjamin, douze mille marqués du sceau."
8. Avy tamin’ny fokon’i Zebolona roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase. Avy tamin’ny fokon’i Josefa roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase. Avy tamin’ny fokon’i Benjamina roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase.
9. After this I beheld, and, lo, a great multitude, which no man could number, of all nations, and kindreds, and people, and tongues, stood before the throne, and before the Lamb, clothed with white robes, and palms in their hands;
9. Après cela, je regardai, et voici, il y avait une grande foule, que personne ne pouvait compter, de toute nation, de toute tribu, de tout peuple, et de toute langue. Ils se tenaient devant le trône et devant l`agneau, revêtus de robes blanches, et des palmes dans leurs mains.
9. "Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fianakaviana, sy ny olona ary ny samy hafa fiteny, nitsangana teo anoloan’ny sezafiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry, niakanjo akanjo fotsy lava, sady nitana sampan-drofia teny an-tanany;"
10. And cried with a loud voice, saying, Salvation to our God which sitteth upon the throne, and unto the Lamb.
10. Et ils criaient d`une voix forte, en disant: Le salut est à notre Dieu qui est assis sur le trône, et à l`agneau.
10. Dia niantso tamin’ny feo mahery izy ireo nanao hoe: Ny famonjena anie ho an’Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana, sy ho an’ny Zanak’ondry.
11. And all the angels stood round about the throne, and about the elders and the four beasts, and fell before the throne on their faces, and worshipped God,
11. "Et tous les anges se tenaient autour du trône et des vieillards et des quatre êtres vivants; et ils se prosternèrent sur leur face devant le trône, et ils adorèrent Dieu,"
11. Ary ny anjely rehetra nitsangana manodidina ny sezafiandrianana mbamin’ny loholona sy ny zava-manan' aina efatra, dia niankohoka teo anoloan’ny sezafiandrianana izy ireo ka nivavaka tamin’Andriamanitra,
12. Saying, Amen: Blessing, and glory, and wisdom, and thanksgiving, and honour, and power, and might, be unto our God for ever and ever. Amen.
12. en disant: Amen! La louange, la gloire, la sagesse, l`action de grâces, l`honneur, la puissance, et la force, soient à notre Dieu, aux siècles des siècles! Amen!
12. Nanao hoe: Amena! Ny dera sy ny voninahitra sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny faherezana anie ho an’Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay. Amena.
13. And one of the elders answered, saying unto me, What are these which are arrayed in white robes? and whence came they?
13. Et l`un des vieillards prit la parole et me dit: Ceux qui sont revêtus de robes blanches, qui sont-ils, et d`où sont-ils venus?
13. Ary ny anankiray tamin’ny loholona namaly ka nanao tamiko hoe: Iza moa ireo miakanjo akanjo fotsy lava? Ary avy taiza izy ireo?
14. And I said unto him, Sir, thou knowest. And he said to me, These are they which came out of great tribulation, and have washed their robes, and made them white in the blood of the Lamb.
14. "Je lui dis: Mon seigneur, tu le sais. Et il me dit: Ce sont ceux qui viennent de la grande tribulation; ils ont lavé leurs robes, et ils les ont blanchies dans le sang de l`agneau."
14. Fa hoy aho taminy: Tompoko, ianao no mahalala. Dia hoy izy tamiko: Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry.
15. Therefore are they before the throne of God, and serve him day and night in his temple: and he that sitteth on the throne shall dwell among them.
15. "C`est pour cela qu`ils sont devant le trône de Dieu, et le servent jour et nuit dans son temple. Celui qui est assis sur le trône dressera sa tente sur eux;"
15. "Ary noho izany dia mitoetra eo anoloan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra izy ireo ka manompo Azy andro aman’alina eo amin’ny tempoliny; ary Ilay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana dia hiara-monina aminy."
16. They shall hunger no more, neither thirst any more; neither shall the sun light on them, nor any heat.
16. ils n`auront plus faim, ils n`auront plus soif, et le soleil ne les frappera point, ni aucune chaleur.
16. "Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory."
17. For the Lamb which is in the midst of the throne shall feed them, and shall lead them unto living fountains of waters: and God shall wipe away all tears from their eyes.
17. Car l`agneau qui est au milieu du trône les paîtra et les conduira aux sources des eaux de la vie, et Dieu essuiera toute larme de leurs yeux.
17. "Fa ny Zanak’ondry izay eo afovoan’ny sezafiandrianana no hamahana azy ireo ka hitondra azy ho amin' ny loharanon’ny ranon’aina; ary hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony."
<
>