1. And after these things I heard a great voice of much people in heaven, saying, Alleluia; Salvation, and glory, and honour, and power, unto the Lord our God:
1. Après cela, j`entendis dans le ciel comme une voix forte d`une foule nombreuse qui disait: Alléluia! Le salut, la gloire, et la puissance sont à notre Dieu,
1. Rehefa afaka izany zavatra izany, dia nahare ohatra ny feon’ny vahoaka betsaka tany an-danitra aho nanao hoe: Haleloia! Ny famonjena sy ny voninahitra sy ny haja ary ny hery dia an’ny Tompo Andriamanintsika.
2. For true and righteous are his judgments: for he hath judged the great whore, which did corrupt the earth with her fornication, and hath avenged the blood of his servants at her hand.
2. "parce que ses jugements sont véritables et justes; car il a jugé la grande prostituée qui corrompait la terre par son impudicité, et il a vengé le sang de ses serviteurs en le redemandant de sa main."
2. "Fa marina sy mahitsy ny fitsarana ataony; fa nitsara ilay vehivavy janga lehibe Izy, dia ilay nandoto ny tany tamin’ny fahavetavetany, ary namaly azy noho ny ran’ny mpanompony izay nalatsaky ny tanany."
3. And again they said, Alleluia. And her smoke rose up for ever and ever.
3. Et ils dirent une seconde fois: Alléluia! ...et sa fumée monte aux siècles des siècles.
3. "Dia niteny indray ireo hoe: Haleloia! Ary ny setroky ny tanàna dia miakatra mandrakizay mandrakizay;"
4. And the four and twenty elders and the four beasts fell down and worshipped God that sat on the throne, saying, Amen; Alleluia.
4. Et les vingt-quatre vieillards et les quatre êtres vivants se prosternèrent et adorèrent Dieu assis sur le trône, en disant: Amen! Alléluia!
4. "Ary ny loholona efatra amby roa-polo sy ny zava-manan' aina efatra dia niankohoka nivavaka tamin’Andriamanitra, Izay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana, ka nanao hoe: Amena; Haleloia!"
5. And a voice came out of the throne, saying, Praise our God, all ye his servants, and ye that fear him, both small and great.
5. Et une voix sortit du trône, disant: Louez notre Dieu, vous tous ses serviteurs, vous qui le craignez, petits et grands!
5. Ary nisy feo koa nivoaka avy teo amin’ny sezafiandrianana ka nanao hoe: Miderà an’Andriamanitsika ianareo mpanompony rehetra, dia ianareo izay matahotra Azy, na ny kely na ny lehibe.
6. And I heard as it were the voice of a great multitude, and as the voice of many waters, and as the voice of mighty thunderings, saying, Alleluia: for the Lord God omnipotent reigneth.
6. Et j`entendis comme une voix d`une foule nombreuse, comme un bruit de grosses eaux, et comme un bruit de forts tonnerres, disant: Alléluia! Car le Seigneur notre Dieu tout puissant est entré dans son règne.
6. Dia nahare feo tahaka ny an’ny vahoaka betsaka aho sy tahaka ny firohondrohon’ny rano be ary tahaka ny fikotroky ny kotroka mafy, nanao hoe: Haleloia! fa ny Tompo Andriamanitra Tsitoha no manjaka.
7. Let us be glad and rejoice, and give honour to him: for the marriage of the Lamb is come, and his wife hath made herself ready.
7. "Réjouissons-nous et soyons dans l`allégresse, et donnons-lui gloire; car les noces de l`agneau sont venues, et son épouse s`est préparée,"
7. "Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ka hanome voninahitra Azy; fa tonga ny fampakarambadin’ny Zanak’ondry, ka efa niomana ny vadiny."
8. And to her was granted that she should be arrayed in fine linen, clean and white: for the fine linen is the righteousness of saints.
8. et il lui a été donné de se revêtir d`un fin lin, éclatant, pur. Car le fin lin, ce sont les oeuvres justes des saints.
8. "Ary nasaina nitafy rongony fotsy madinika sady madio no mangatsakatsaka ravehivavy; fa izany rongony fotsy madinika izany, dia ny fahamarinan’ny olona masina."
9. And he saith unto me, Write, Blessed are they which are called unto the marriage supper of the Lamb. And he saith unto me, These are the true sayings of God.
9. Et l`ange me dit: Écris: Heureux ceux qui sont appelés au festin des noces de l`agneau! Et il me dit: Ces paroles sont les véritables paroles de Dieu.
9. Ary hoy koa izy tamiko: Soraty: Sambatra izay nantsoina ho amin’ny fanasana fampakaram-badin’ny Zanak’ondry. Ary hoy izy tamiko: Ireo dia teny marin’Andriamanitra.
10. And I fell at his feet to worship him. And he said unto me, See thou do it not: I am thy fellowservant, and of thy brethren that have the testimony of Jesus: worship God: for the testimony of Jesus is the spirit of prophecy.
10. "Et je tombai à ses pieds pour l`adorer; mais il me dit: Garde-toi de le faire! Je suis ton compagnon de service, et celui de tes frères qui ont le témoignage de Jésus. Adore Dieu. -Car le témoignage de Jésus est l`esprit de la prophétie."
10. "Dia niankohoka teo amin’ny tongony aho mba hivavaka aminy. Ary hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao, fa mpanompo namanao ihany aho sady naman’ireo rahalahinao izay mitana ny filazana an’i Jesosy; Andriamanitra ihany no ivavaho; fa ny filazana an’i Jesosy no fanahin’ny faminaniana."
11. And I saw heaven opened, and behold a white horse; and he that sat upon him was called Faithful and True, and in righteousness he doth judge and make war.
11. Puis je vis le ciel ouvert, et voici, parut un cheval blanc. Celui qui le montait s`appelle Fidèle et Véritable, et il juge et combat avec justice.
11. "Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, ka, indro, nisy soavaly fotsy; ary Izay nitaingina azy dia atao hoe Mahatoky sy Marina, ary amin’ny fahamarinana no itsarany sy iadiany."
12. His eyes were as a flame of fire, and on his head were many crowns; and he had a name written, that no man knew, but he himself.
12. "Ses yeux étaient comme une flamme de feu; sur sa tête étaient plusieurs diadèmes; il avait un nom écrit, que personne ne connaît, si ce n`est lui-même;"
12. Ary ny masony dia lelafo, ary tamin’ny lohany nisy diadema maro, ary nanana anarana voasoratra Izy, izay tsy nisy nahalala akory afa-tsy ny tenany ihany.
13. And he was clothed with a vesture dipped in blood: and his name is called The Word of God.
13. et il était revêtu d`un vêtement teint de sang. Son nom est la Parole de Dieu.
13. Ary nitafy akanjo voatsoboka tamin’ny rà Izy, ary ny anarany atao hoe: Ny Tenin’Andriamanitra.
14. And the armies which were in heaven followed him upon white horses, clothed in fine linen, white and clean.
14. Les armées qui sont dans le ciel le suivaient sur des chevaux blancs, revêtues d`un fin lin, blanc, pur.
14. Ary ny antokon’ny miaramila any an-danitra dia nanaraka Azy, samy nitaingina soavaly fotsy sy niakanjo rongony madinika sady fotsy no madio.
15. And out of his mouth goeth a sharp sword, that with it he should smite the nations: and he shall rule them with a rod of iron: and he treadeth the winepress of the fierceness and wrath of Almighty God.
15. "De sa bouche sortait une épée aiguë, pour frapper les nations; il les paîtra avec une verge de fer; et il foulera la cuve du vin de l`ardente colère du Dieu tout puissant."
15. "Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin’ny vavany mba hamelezany ny firenena; ary hanapaka azy amin’ny tehim-by Izy; ary Izy no manitsaka ny famiazana ny divain’ny firehetan’ny fahatezeran’Andriamanitra Tsitoha."
16. And he hath on his vesture and on his thigh a name written, KING OF KINGS, AND LORD OF LORDS.
16. Il avait sur son vêtement et sur sa cuisse un nom écrit: Roi des rois et Seigneur des seigneurs.
16. Ary manana anarana voasoratra amin’ny lambany sy ny feny Izy nanao hoe: Mpanjakan' ny Mpanjaka sy Tompon' ny tompo.
17. And I saw an angel standing in the sun; and he cried with a loud voice, saying to all the fowls that fly in the midst of heaven, Come and gather yourselves together unto the supper of the great God;
17. Et je vis un ange qui se tenait dans le soleil. Et il cria d`une voix forte, disant à tous les oiseaux qui volaient par le milieu du ciel: Venez, rassemblez-vous pour le grand festin de Dieu,
17. Ary hitako fa, indro nisy anjely anankiray koa nitsangana teo amin’ny masoandro, ary niantso tamin’ny feo mahery izy ka nanao tamin’ny voro-manidina rehetra teo afovoan’ny habakabaka hoe: Avia, ka miangòna ho amin’ny fanasan’Ilay Andriamanitra lehibe,
18. That ye may eat the flesh of kings, and the flesh of captains, and the flesh of mighty men, and the flesh of horses, and of them that sit on them, and the flesh of all men, both free and bond, both small and great.
18. afin de manger la chair des rois, la chair des chefs militaires, la chair des puissants, la chair des chevaux et de ceux qui les montent, la chair de tous, libres et esclaves, petits et grands.
18. Mba hihinananareo ny nofon’ny mpanjaka sy ny nofon’ny kapiteny sy ny nofon’ny lehilahy mahery sy ny nofon’ny soavaly mbamin’izay mitaingina azy ary ny nofon’ny olona rehetra, na andevo na tsy andevo, na ny kely na ny lehibe.
19. And I saw the beast, and the kings of the earth, and their armies, gathered together to make war against him that sat on the horse, and against his army.
19. Et je vis la bête, et les rois de la terre, et leurs armées rassemblés pour faire la guerre à celui qui était assis sur le cheval et à son armée.
19. Ary hitako ilay bibidia sy ny mpanjakan’ny tany mbamin’ny miaramilany tafangona mba hiady amin’Ilay mitaingina ny soavaly sy amin’ny miaramilany.
20. And the beast was taken, and with him the false prophet that wrought miracles before him, with which he deceived them that had received the mark of the beast, and them that worshipped his image. These both were cast alive into a lake of fire burning with brimstone.
20. Et la bête fut prise, et avec elle le faux prophète, qui avait fait devant elle les prodiges par lesquels il avait séduit ceux qui avaient pris la marque de la bête et adoré son image. Ils furent tous les deux jetés vivants dans l`étang ardent de feu et de soufre.
20. Ary nosamborina ilay bibidia mbamin’ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao fahagagana teo anatrehany, izay nentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibidia sady niankohoka teo amin’ny sariny. Natsipy velona ho any amin’ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa.
21. And the remnant were slain with the sword of him that sat upon the horse, which sword proceeded out of his mouth: and all the fowls were filled with their flesh.
21. "Et les autres furent tués par l`épée qui sortait de la bouche de celui qui était assis sur le cheval; et tous les oiseaux se rassasièrent de leur chair."
21. "Ary ny olona sisa dia matin’ny sabatra mivoaka avy amin’ny vavan’Ilay mitaingina ny soavaly; ary ny vorona rehetra dia voky ny nofony."