1. This is the third time I am coming to you. In the mouth of two or three witnesses shall every word be established.
1. Je vais chez vous pour la troisième fois. Toute affaire se réglera sur la déclaration de deux ou de trois témoins.
1. Izao no fanintelon’ny hankanesako aty aminareo. “Amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny rehetra”
2. I told you before, and foretell you, as if I were present, the second time; and being absent now I write to them which heretofore have sinned, and to all other, that, if I come again, I will not spare:
2. Lorsque j`étais présent pour la seconde fois, j`ai déjà dit, et aujourd`hui que je suis absent je dis encore d`avance à ceux qui ont péché précédemment et à tous les autres que, si je retourne chez vous, je n`userai d`aucun ménagement,
2. "Efa nambarako taminareo teo aloha, sady milaza mialoha koa aho, toy ny fony mbola teo aminareo fanindroany ihany; ary ankehitriny raha tsy eo kosa aho dia manoratra amin’izay nanota teo aloha sy amin’ny sisa rehetra, fa rehefa tonga indray aho, dia tsy hiantra,"
3. Since ye seek a proof of Christ speaking in me, which to you-ward is not weak, but is mighty in you.
3. puisque vous cherchez une preuve que Christ parle en moi, lui qui n`est pas faible à votre égard, mais qui est puissant parmi vous.
3. Satria ianareo mitady porofo fa miteny ato anatiko Kristy, Izay tsy malemy aminareo, fa mahery ao aminareo kosa.
4. For though he was crucified through weakness, yet he liveth by the power of God. For we also are weak in him, but we shall live with him by the power of God toward you.
4. "Car il a été crucifié à cause de sa faiblesse, mais il vit par la puissance de Dieu; nous aussi, nous sommes faibles en lui, mais nous vivrons avec lui par la puissance de Dieu pour agir envers vous."
4. Fa na dia voahombo tamin’ny hazofijaliana aza Izy noho ny fahalemena, dia velona kosa noho ny herin’Andriamanitra. Fa izahay koa dia malemy ao aminy nefa hiara-belona aminy ho anareo izahay noho ny herin’Andriamanitra.
5. Examine yourselves, whether ye be in the faith; prove your own selves. Know ye not your own selves, how that Jesus Christ is in you, except ye be reprobates?
5. "Examinez-vous vous mêmes, pour savoir si vous êtes dans la foi; éprouvez-vous vous-mêmes. Ne reconnaissez-vous pas que Jésus Christ est en vous? à moins peut-être que vous ne soyez réprouvés."
5. "Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ny finoana ianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va ny amin’ny tenanareo, fa ao anatinareo Jesosy Kristy, raha tsy olona nolavina ianareo?"
6. But I trust that ye shall know that we are not reprobates.
6. Mais j`espère que vous reconnaîtrez que nous, nous ne sommes pas réprouvés.
6. Nefa matoky aho fa ho fantatrareo fa izahay dia tsy olona nolavina.
7. Now I pray to God that ye do no evil; not that we should appear approved, but that ye should do that which is honest, though we be as reprobates.
7. Cependant nous prions Dieu que vous ne fassiez rien de mal, non pour paraître nous-mêmes approuvés, mais afin que vous pratiquiez ce qui est bien et que nous, nous soyons comme réprouvés.
7. Ary mivavaka amin’Andriamanitra aho mba tsy hanao izay ratsy ianareo, tsy ny hisehoanay ho olona voazaha toetra anefa, fa ny mba hanaovanareo izay marina, na dia ho toy ny olona nolavina aza izahay.
8. For we can do nothing against the truth, but for the truth.
8. "Car nous n`avons pas de puissance contre la vérité; nous n`en avons que pour la vérité."
8. Fa tsy mahavita na inona na inona hanohitra ny marina izahay, fa manaiky ny marina kosa.
9. For we are glad, when we are weak, and ye are strong: and this also we wish, even your perfection.
9. "Nous nous réjouissons lorsque nous sommes faibles, tandis que vous êtes forts; et ce que nous demandons dans nos prières, c`est votre perfectionnement."
9. "Fa faly izahay, raha malemy izahay, fa ianareo no mahery; ary izao koa no irinay, dia ny fanatanterahana anareo."
10. Therefore I write these things being absent, lest being present I should use sharpness, according to the power which the Lord hath given me to edification, and not to destruction.
10. C`est pourquoi j`écris ces choses étant absent, afin que, présent, je n`aie pas à user de rigueur, selon l`autorité que le Seigneur m`a donnée pour l`édification et non pour la destruction.
10. Izany no anoratako izany zavatra izany, raha tsy eo aminareo aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hanao izay mafy araka ny hery izay nomen’ny Tompo ahy ho fampiorenana fa tsy ho fandravana.
11. Finally, brethren, farewell. Be perfect, be of good comfort, be of one mind, live in peace; and the God of love and peace shall be with you.
11. "Au reste, frères, soyez dans la joie, perfectionnez-vous, consolez-vous, ayez un même sentiment, vivez en paix; et le Dieu d`amour et de paix sera avec vous."
11. "Farany, rahalahy, veloma, aoka ho tanteraka ianareo, mandraisa ny fampiononana, miraisa saina, mifampihavàna; ary Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana anie ho aminareo."
12. Greet one another with an holy kiss.
12. Saluez-vous les uns les autres par un saint baiser.
12. Mifanaova veloma amin’ny fanorohana masina.
13. All the saints salute you.
13. (13:12b) Tous les saints vous saluent.
13. Manao veloma anareo ny olona masina rehetra.
14. The grace of the Lord Jesus Christ, and the love of God, and the communion of the Holy Ghost, be with you all. Amen.
14. (13:13) Que la grâce du Seigneur Jésus Christ, l`amour de Dieu, et la communication du Saint Esprit, soient avec vous tous!
14. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan’Andriamanitra, ary ny firaisana amin’ny Fanahy Masina. Amena.(Nosoratan' i Titosy sy Lioka tany Filipy, tanàna iray any Masedonia, ny epistily faharoa ho an’ny Korintiana).