1. He that dwelleth in the secret place of the most High shall abide under the shadow of the Almighty.
1. Celui qui demeure sous l`abri du Très Haut Repose à l`ombre du Tout Puissant.
1. NY mitoetra ao amin' ny fierena izay an' ny Avo Indrindra dia monina eo ambanin' ny aloky ny Tsitoha.
2. I will say of the LORD, He is my refuge and my fortress: my God; in him will I trust.
2. Je dis à l`Éternel: Mon refuge et ma forteresse, Mon Dieu en qui je me confie!
2. Hilaza an' i Jehovah aho hoe: Fialofako sy batery fiarovana ahy Izy, Andriamanitro izay hitokiako.
3. Surely he shall deliver thee from the snare of the fowler, and from the noisome pestilence.
3. Car c`est lui qui te délivre du filet de l`oiseleur, De la peste et de ses ravages.
3. Hanafaka anao tokoa amin' ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza izy.
4. He shall cover thee with his feathers, and under his wings shalt thou trust: his truth shall be thy shield and buckler.
4. "Il te couvrira de ses plumes, Et tu trouveras un refuge sous ses ailes; Sa fidélité est un bouclier et une cuirasse."
4. "Ny volon' elany no hanaronany anao, ary ao ambanin' ny elany no hitokianao; ho ampinga kely sy ampinga lehibe ho anao ny fahamarinany."
5. Thou shalt not be afraid for the terror by night; nor for the arrow that flieth by day;
5. Tu ne craindras ni les terreurs de la nuit, Ni la flèche qui vole de jour,
5. Tsy hatahotra ny fampitahorana nony alina ianao, na ny zana-tsipìka manidina nony andro.
6. Nor for the pestilence that walketh in darkness; nor for the destruction that wasteth at noonday.
6. Ni la peste qui marche dans les ténèbres, Ni la contagion qui frappe en plein midi.
6. Na ny areti-mandringana mandeha amin' ny maizina, na ny fandringanana mandripaka amin' ny mitataovovonana.
7. A thousand shall fall at thy side, and ten thousand at thy right hand; but it shall not come nigh thee.
7. "Que mille tombent à ton côté, Et dix mille à ta droite, Tu ne seras pas atteint;"
7. "Hisy arivo ho lavo eo anilanao sy iray alina eo ankavananao; nefa tsy hanakaiky anao izany."
8. Only with thine eyes shalt thou behold and see the reward of the wicked.
8. De tes yeux seulement tu regarderas, Et tu verras la rétribution des méchants.
8. Hijery maso fotsiny ihany ianao, ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy.
9. Because thou hast made the LORD, which is my refuge, even the most High, thy habitation;
9. Car tu es mon refuge, ô Éternel! Tu fais du Très Haut ta retraite.
9. "Satria Jehovah no efa nataonao hoe: Fialofako; eny, ny Avo Indrindra ho fonenanao,"
10. There shall no evil befall thee, neither shall any plague come nigh thy dwelling.
10. Aucun malheur ne t`arrivera, Aucun fléau n`approchera de ta tente.
10. Dia tsy hisy loza hanjo anao, na areti-mandoza hanakaiky ny lainao.
11. For he shall give his angels charge over thee, to keep thee in all thy ways.
11. "Car il ordonnera à ses anges De te garder dans toutes tes voies;"
11. Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao, mba hiaro anao amin' izay alehanao rehetra.
12. They shall bear thee up in their hands, lest thou dash thy foot against a stone.
12. Ils te porteront sur les mains, De peur que ton pied ne heurte contre une pierre.
12. Eny an-tanany no hitondran' ireo anao, fandrao ho tafintohina amin' ny vato ny tongotrao.
13. Thou shalt tread upon the lion and adder: the young lion and the dragon shalt thou trample under feet.
13. Tu marcheras sur le lion et sur l`aspic, Tu fouleras le lionceau et le dragon.
13. "Hodiavinao ny liona sy ny vipera; hohitsahinao ny liona tanora sy ny dragona."
14. Because he hath set his love upon me, therefore will I deliver him: I will set him on high, because he hath known my name.
14. "Puisqu`il m`aime, je le délivrerai; Je le protégerai, puisqu`il connaît mon nom."
14. "Satria Izaho no niraiketan' ny fitiavany, dia hanafaka azy Aho; hanandratra azy ho any amin' ny avo Aho, satria mahalala ny anarako izy."
15. He shall call upon me, and I will answer him: I will be with him in trouble; I will deliver him, and honour him.
15. "Il m`invoquera, et je lui répondrai; Je serai avec lui dans la détresse, Je le délivrerai et je le glorifierai."
15. "Hiantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho; ho eo aminy Aho, raha ory izy; hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho."
16. With long life will I satisfy him, and shew him my salvation.
16. Je le rassasierai de longs jours, Et je lui ferai voir mon salut.
16. "Hovokisako fahelavelona izy; ary hasehoko azy ny famonjeko."