1. We then that are strong ought to bear the infirmities of the weak, and not to please ourselves.
1. Nous qui sommes forts, nous devons supporter les faiblesses de ceux qui ne le sont pas, et ne pas nous complaire en nous-mêmes.
1. Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany.
2. Let every one of us please his neighbour for his good to edification.
2. Que chacun de nous complaise au prochain pour ce qui est bien en vue de l`édification.
2. Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin’izay hahasoa azy ho fampandrosoana.
3. For even Christ pleased not himself; but, as it is written, The reproaches of them that reproached thee fell on me.
3. Car Christ ne s`est point complu en lui-même, mais, selon qu`il est écrit: Les outrages de ceux qui t`insultent sont tombés sur moi.
3. "Fa Kristy aza tsy nitady izay hahafaly ny tenany; fa araka ny voasoratra hoe: “Ny latsa nataon’izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko”"
4. For whatsoever things were written aforetime were written for our learning, that we through patience and comfort of the scriptures might have hope.
4. Or, tout ce qui a été écrit d`avance l`a été pour notre instruction, afin que, par la patience, et par la consolation que donnent les Écritures, nous possédions l`espérance.
4. Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin’ny faharetana sy ny fampiononana avy amin’ny Soratra Masina.
5. Now the God of patience and consolation grant you to be likeminded one toward another according to Christ Jesus:
5. Que le Dieu de la persévérance et de la consolation vous donne d`avoir les mêmes sentiments les uns envers les autres selon Jésus Christ,
5. "Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an’i Kristy Jesosy;"
6. That ye may with one mind and one mouth glorify God, even the Father of our Lord Jesus Christ.
6. afin que tous ensemble, d`une seule bouche, vous glorifiiez le Dieu et Père de notre Seigneur Jésus Christ.
6. Mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an’Andriamanitra, Izay Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika.
7. Wherefore receive ye one another, as Christ also received us to the glory of God.
7. Accueillez-vous donc les uns les autres, comme Christ vous a accueillis, pour la gloire de Dieu.
7. Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan’i Kristy antsika koa ho voninahitr’Andriamanitra.
8. Now I say that Jesus Christ was a minister of the circumcision for the truth of God, to confirm the promises made unto the fathers:
8. Je dis, en effet, que Christ a été serviteur des circoncis, pour prouver la véracité de Dieu en confirmant les promesses faites aux pères,
8. Fa lazaiko fa Kristy efa tonga mpanompon’ny voafora noho ny fahamarinan’Andriamanitra hahatò ny tenifikasana tamin’ny razana,
9. And that the Gentiles might glorify God for his mercy; as it is written, For this cause I will confess to thee among the Gentiles, and sing unto thy name.
9. tandis que les païens glorifient Dieu à cause de sa miséricorde, selon qu`il est écrit: C`est pourquoi je te louerai parmi les nations, Et je chanterai à la gloire de ton nom. Il est dit encore:
9. Ary mba hankalazan’ny Jentilisa an’Andriamanitra koa noho ny famindrampony, araka ny voasoratra hoe: “Izany no hanekeko Anao any amin’ny Jentilisa sy hihirako ny anaranao”.
10. And again he saith, Rejoice, ye Gentiles, with his people.
10. Nations, réjouissez-vous avec son peuple!
10. Ary hoy koa Izy: “Miravoravoa, ry Jentilisa, miaraka amin’ny olony”.
11. And again, Praise the Lord, all ye Gentiles; and laud him, all ye people.
11. Et encore: Louez le Seigneur, vous toutes les nations, Célébrez-le, vous tous les peuples!
11. Ary koa: “Miderà ny Tompo, ry Jentilisa rehetra, ary aoka hankalaza Azy ny firenena rehetra”
12. And again, Esaias saith, There shall be a root of Jesse, and he that shall rise to reign over the Gentiles; in him shall the Gentiles trust.
12. "Ésaïe dit aussi: Il sortira d`Isaï un rejeton, Qui se lèvera pour régner sur les nations; Les nations espéreront en lui."
12. Ary hoy koa Isaia: “Hisy Solofon’i Jese, dia Ilay hitsangana hanapaka ny Jentilisa: Izy no hitokian’ny Jentilisa”
13. Now the God of hope fill you with all joy and peace in believing, that ye may abound in hope, through the power of the Holy Ghost.
13. Que le Dieu de l`espérance vous remplisse de toute joie et de toute paix dans la foi, pour que vous abondiez en espérance, par la puissance du Saint Esprit!
13. Koa ny Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina.
14. And I myself also am persuaded of you, my brethren, that ye also are full of goodness, filled with all knowledge, able also to admonish one another.
14. Pour ce qui vous concerne, mes frères, je suis moi-même persuadé que vous êtes pleins de bonnes dispositions, remplis de toute connaissance, et capables de vous exhorter les uns les autres.
14. Fa izaho koa, ry rahalahiko, dia resy lahatra ny aminareo fa feno fahatsarana koa ianareo, dia feno ny fahalalana rehetra sady mahay mifananatra koa.
15. Nevertheless, brethren, I have written the more boldly unto you in some sort, as putting you in mind, because of the grace that is given to me of God,
15. Cependant, à certains égards, je vous ai écrit avec une sorte de hardiesse, comme pour réveiller vos souvenirs, à cause de la grâce que Dieu m`a faite
15. Kanefa amin’ny fahasahiana no anoratako ny teny sasany aminareo, toy ny mampahatsiaro anareo indray noho ny fahasoavana nomen’Andriamanitra ahy,
16. That I should be the minister of Jesus Christ to the Gentiles, ministering the gospel of God, that the offering up of the Gentiles might be acceptable, being sanctified by the Holy Ghost.
16. d`être ministre de Jésus Christ parmi les païens, m`acquittant du divin service de l`Évangile de Dieu, afin que les païens lui soient une offrande agréable, étant sanctifiée par l`Esprit Saint.
16. Mba ho mpanompon’i Kristy Jesosy ho an’ny jentilisa aho ka manao ny fanompoana amin’ny fitoriana ny filazantsaran’Andriamanitra, mba horaisina amin’ny fankasitrahana ny fanatitra, dia ny Jentilisa, rehefa nohamasinin’ny Fanahy Masina.
17. I have therefore whereof I may glory through Jesus Christ in those things which pertain to God.
17. J`ai donc sujet de me glorifier en Jésus Christ, pour ce qui regarde les choses de Dieu.
17. Ka dia manana izay hataoko rehareha ao amin’i Kristy Jesosy aho noho ny amin’Andriamanitra.
18. For I will not dare to speak of any of those things which Christ hath not wrought by me, to make the Gentiles obedient, by word and deed,
18. Car je n`oserais mentionner aucune chose que Christ n`ait pas faite par moi pour amener les païens à l`obéissance, par la parole et par les actes,
18. Fa tsy sahiko lazaina izay zavatra tsy nampanaovin’i Kristy ahy, na tamin’ny teny, na tamin’ny asa, mba hampanaiky ny Jentilisa,
19. Through mighty signs and wonders, by the power of the Spirit of God; so that from Jerusalem, and round about unto Illyricum, I have fully preached the gospel of Christ.
19. par la puissance des miracles et des prodiges, par la puissance de l`Esprit de Dieu, en sorte que, depuis Jérusalem et les pays voisins jusqu`en Illyrie, j`ai abondamment répandu l`Évangile de Christ.
19. "Tamin’ny famantarana lehibe sy fahagagana ary tamin’ny herin’ny Fanahin’Andriamanitra; koa dia hatrany Jerosalema ka manodidina an’i Ilyrikiona, no nahatanterahako ny fitoriana ny filazantsaran’i Kristy."
20. Yea, so have I strived to preach the gospel, not where Christ was named, lest I should build upon another man's foundation:
20. Et je me suis fait honneur d`annoncer l`Évangile là où Christ n`avait point été nommé, afin de ne pas bâtir sur le fondement d`autrui, selon qu`il est écrit:
20. "Eny, niezaka ny hitory ny filazantsara aho; tsy eo amin’izay efa niantsoana an’i Kristy anefa, fandrao hanovona eo ambonin’izay efa naorin’ny sasany aho;"
21. But as it is written, To whom he was not spoken of, they shall see: and they that have not heard shall understand.
21. Ceux à qui il n`avait point été annoncé verront, Et ceux qui n`en avaient point entendu parler comprendront.
21. Fa araka ny voasoratra hoe: “Izay tsy nilazana Azy no hahita, ary izay tsy nandre no hahafantatra”
22. For which cause also I have been much hindered from coming to you.
22. C`est ce qui m`a souvent empêché d`aller vers vous.
22. Ary izany koa no nahasampona ahy matetika tsy hankany aminareo.
23. But now having no more place in these parts, and having a great desire these many years to come unto you;
23. Mais maintenant, n`ayant plus rien qui me retienne dans ces contrées, et ayant depuis plusieurs années le désir d`aller vers vous,
23. Ankehitriny anefa dia tsy misy toerana tsy voatory intsony eto, sady efa naniry fatratra hatramin’ny taona maro hankany aminareo aho,
24. Whensoever I take my journey into Spain, I will come to you: for I trust to see you in my journey, and to be brought on my way thitherward by you, if first I be somewhat filled with your company.
24. j`espère vous voir en passant, quand je me rendrai en Espagne, et y être accompagné par vous, après que j`aurai satisfait en partie mon désir de me trouver chez vous.
24. "Raha mankany Espaina aho, dia ho any aminareo; satria manantena hahita anareo amin’ny alehako aho ka haterinareo ho any, rehefa afakafaka ny alaheloko anareo."
25. But now I go unto Jerusalem to minister unto the saints.
25. Présentement je vais à Jérusalem, pour le service des saints.
25. Fa ankehitriny dia hankany Jerosalema aho hanompo ny olona masina.
26. For it hath pleased them of Macedonia and Achaia to make a certain contribution for the poor saints which are at Jerusalem.
26. Car la Macédoine et l`Achaïe ont bien voulu s`imposer une contribution en faveur des pauvres parmi les saints de Jérusalem.
26. Fa efa sitrapon’i Masedonia sy Akaia ny hamory vola hiantrana ny mahantra amin’ny olona masina any Jerosalema.
27. It hath pleased them verily; and their debtors they are. For if the Gentiles have been made partakers of their spiritual things, their duty is also to minister unto them in carnal things.
27. "Elles l`ont bien voulu, et elles le leur devaient; car si les païens ont eu part à leurs avantages spirituels, ils doivent aussi les assister dans les choses temporelles."
27. Sitrany tokoa izany, sady mpitrosa aminy izy. Fa raha ny Jentilisa no niombona ny zava-panahy taminy, dia tokony hanompo azy kosa amin’ny zavatra momba ny nofo izy.
28. When therefore I have performed this, and have sealed to them this fruit, I will come by you into Spain.
28. Dès que j`aurai terminé cette affaire et que je leur aurai remis ces dons, je partirai pour l`Espagne et passerai chez vous.
28. Ary rehefa vitako izany, ka voatolotro azy soa aman-tsara izany vokatra izany, dia hihazo any aminareo aho, raha mankany Espaina.
29. And I am sure that, when I come unto you, I shall come in the fulness of the blessing of the gospel of Christ.
29. Je sais qu`en allant vers vous, c`est avec une pleine bénédiction de Christ que j`irai.
29. Ary azoko antoka fa raha mankany aminareo aho, dia ho tonga amin' ny fahafenoan’ny fitahian’ny filazantsaran’i Kristy.
30. Now I beseech you, brethren, for the Lord Jesus Christ's sake, and for the love of the Spirit, that ye strive together with me in your prayers to God for me;
30. Je vous exhorte, frères, par notre Seigneur Jésus Christ et par l`amour de l`Esprit, à combattre avec moi, en adressant à Dieu des prières en ma faveur,
30. "Ary miangavy anareo aho, ry rahalahy, noho ny amin’i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny fitiavan’ny Fanahy, mba hiarahanareo miezaka amiko amin’ny fivavahanareo amin’Andriamanitra ho ahy;"
31. That I may be delivered from them that do not believe in Judaea; and that my service which I have for Jerusalem may be accepted of the saints;
31. afin que je sois délivré des incrédules de la Judée, et que les dons que je porte à Jérusalem soient agréés des saints,
31. "Mba ho afaka amin’ny tsy mino any Jodia aho, ary mba hankasitrahan’ny olona masina izay fanompoana hataoko any Jerosalema;"
32. That I may come unto you with joy by the will of God, and may with you be refreshed.
32. en sorte que j`arrive chez vous avec joie, si c`est la volonté de Dieu, et que je jouisse au milieu de vous de quelque repos.
32. Mba hankanesako any aminareo amin’ny fifaliana, raha sitrapon’Andriamanitra, ka samy hovelombelomina ny fontsika.
33. Now the God of peace be with you all. Amen.
33. Que le Dieu de paix soit avec vous tous! Amen!
33. Ary Andriamanitry ny fiadanana anie ho aminareo rehetra. Amena.