1. Brethren, my heart's desire and prayer to God for Israel is, that they might be saved.
1. Frères, le voeu de mon coeur et ma prière à Dieu pour eux, c`est qu`ils soient sauvés.
1. Ry rahalahy, ny irin' ny foko sy ny vavaka ataoko amin' Andriamanitra ho an' ny Isiraely dia ny hamonjena azy.
2. For I bear them record that they have a zeal of God, but not according to knowledge.
2. Je leur rends le témoignage qu`ils ont du zèle pour Dieu, mais sans intelligence:
2. Fa vavolombelon' ireny aho fa mazoto ho an' Andriamanitra izy, saingy tsy araka ny fahalalana.
3. For they being ignorant of God's righteousness, and going about to establish their own righteousness, have not submitted themselves unto the righteousness of God.
3. "ne connaissant pas la justice de Dieu, et cherchant à établir leur propre justice, ils ne se sont pas soumis à la justice de Dieu;"
3. Fa satria tsy nahalala ny fahamarinana avy amin' Andriamanitra izy ka nitady hanamarina ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin' Andriamanitra.
4. For Christ is the end of the law for righteousness to every one that believeth.
4. car Christ est la fin de la loi, pour la justification de tous ceux qui croient.
4. Fa Kristy no faran' ny lalàna ho fahamarinana ho an' izay rehetra mino.
5. For Moses describeth the righteousness which is of the law, That the man which doeth those things shall live by them.
5. En effet, Moïse définit ainsi la justice qui vient de la loi: L`homme qui mettra ces choses en pratique vivra par elles.
5. Satria nanoratra Mosesy nilaza fa izay manao ny fahamarinana avy amin' ny lalàna no ho velona amin' izany
6. But the righteousness which is of faith speaketh on this wise, Say not in thine heart, Who shall ascend into heaven? (that is, to bring Christ down from above:)
6. "Mais voici comment parle la justice qui vient de la foi: Ne dis pas en ton coeur: Qui montera au ciel? c`est en faire descendre Christ;"
6. Fa ny fahamarinana izay avy amin' ny finoana kosa manao hoe: Aza milaza ao am-ponao hoe: Iza no hiakatra any an-danitra? (dia ny hampidina an' i Kristy avy any ambony izany),
7. Or, Who shall descend into the deep? (that is, to bring up Christ again from the dead.)
7. ou: Qui descendra dans l`abîme? c`est faire remonter Christ d`entre les morts.
7. Na: Iza no hidina any amin' ny lalina? (dia ny hampiakatra an' i Kristy indray avy any amin' ny maty izany).
8. But what saith it? The word is nigh thee, even in thy mouth, and in thy heart: that is, the word of faith, which we preach;
8. Que dit-elle donc? La parole est près de toi, dans ta bouche et dans ton coeur. Or, c`est la parole de la foi, que nous prêchons.
8. "Fa ahoana no lazainy? Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, dia ny teny ny amin' ny finoana izay torinay;"
9. That if thou shalt confess with thy mouth the Lord Jesus, and shalt believe in thine heart that God hath raised him from the dead, thou shalt be saved.
9. Si tu confesses de ta bouche le Seigneur Jésus, et si tu crois dans ton coeur que Dieu l`a ressuscité des morts, tu seras sauvé.
9. Satria raha manaiky an' i Jesosy Tompo amin' ny vavanao ianao, ary mino amin' ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin' ny maty, dia hovonjena ianao.
10. For with the heart man believeth unto righteousness; and with the mouth confession is made unto salvation.
10. Car c`est en croyant du coeur qu`on parvient à la justice, et c`est en confessant de la bouche qu`on parvient au salut, selon ce que dit l`Écriture:
10. Fa amin' ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin' ny vava no anekena hahazoana famonjena.
11. For the scripture saith, Whosoever believeth on him shall not be ashamed.
11. Quiconque croit en lui ne sera point confus.
11. Fa hoy ny Soratra Masina: Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy
12. For there is no difference between the Jew and the Greek: for the same Lord over all is rich unto all that call upon him.
12. Il n`y a aucune différence, en effet, entre le Juif et le Grec, puisqu`ils ont tous un même Seigneur, qui est riche pour tous ceux qui l`invoquent.
12. Fa tsy misy hafa, na Jiosy na Grika, fa iray ihany no Tompon' izy rehetra, sady manankarena homeny izay rehetra miantso Azy Izy.
13. For whosoever shall call upon the name of the Lord shall be saved.
13. Car quiconque invoquera le nom du Seigneur sera sauvé.
13. Fa izay rehetra miantso ny anaran' ny Tompo no hovonjena.
14. How then shall they call on him in whom they have not believed? and how shall they believe in him of whom they have not heard? and how shall they hear without a preacher?
14. Comment donc invoqueront-ils celui en qui ils n`ont pas cru? Et comment croiront-ils en celui dont ils n`ont pas entendu parler? Et comment en entendront-ils parler, s`il n`y a personne qui prêche?
14. Hataony ahoana àry no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitory?
15. And how shall they preach, except they be sent? as it is written, How beautiful are the feet of them that preach the gospel of peace, and bring glad tidings of good things!
15. Et comment y aura-t-il des prédicateurs, s`ils ne sont pas envoyés? selon qu`il est écrit: Qu`ils sont beaux Les pieds de ceux qui annoncent la paix, De ceux qui annoncent de bonnes nouvelles!
15. Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra hoe: Akory ny hatsaran' ny tongotr' ireo mitory ny filazantsaran' ny fiadanana, ary mitondra ny teny soa mahafaly!
16. But they have not all obeyed the gospel. For Esaias saith, Lord, who hath believed our report?
16. Mais tous n`ont pas obéi à la bonne nouvelle. Aussi Ésaïe dit-il: Seigneur, Qui a cru à notre prédication?
16. Nefa tsy izy rehetra no nankatò ny filazantsara. Fa hoy Isaia: Tompo ô, iza no nino ny toriteninay?
17. So then faith cometh by hearing, and hearing by the word of God.
17. Ainsi la foi vient de ce qu`on entend, et ce qu`on entend vient de la parole de Christ.
17. Koa ny finoana dia avy amin' izay heno, ary izay heno dia avy amin' ny tenin' Andriamanitra.
18. But I say, Have they not heard? Yes verily, their sound went into all the earth, and their words unto the ends of the world.
18. Mais je dis: N`ont-ils pas entendu? Au contraire! Leur voix est allée par toute la terre, Et leurs paroles jusqu`aux extrémités du monde.
18. Nefa hoy aho: Moa tsy nahare izy ireo? Eny tokoa, efa nivoaka ho any amin' ny tany rehetra ny feony, ary ny teniny hatrany am-paran' ny tany.
19. But I say, Did not Israel know? First Moses saith, I will provoke you to jealousy by them that are no people, and by a foolish nation I will anger you.
19. Mais je dis: Israël ne l`a-t-il pas su? Moïse le premier dit: J`exciterai votre jalousie par ce qui n`est point une nation, je provoquerai votre colère par une nation sans intelligence.
19. Fa hoy aho: Moa tsy mahalala Isiraely? Voalohany, hoy Mosesy: Hampialona anareo amin' izay tsy firenena Aho, dia amin' izay firenena adala no hampahasosorako anareo.
20. But Esaias is very bold, and saith, I was found of them that sought me not; I was made manifest unto them that asked not after me.
20. Et Ésaïe pousse la hardiesse jusqu`à dire: J`ai été trouvé par ceux qui ne me cherchaient pas, Je me suis manifesté à ceux qui ne me demandaient pas.
20. Fa sahy mihitsy Isaia ka nanao hoe: Hitan' izay tsy nitady Ahy Aho, ary niseho tamin' izay tsy nanontany Ahy.
21. But to Israel he saith, All day long I have stretched forth my hands unto a disobedient and gainsaying people.
21. Mais au sujet d`Israël, il dit: J`ai tendu mes mains tout le jour vers un peuple rebelle Et contredisant.
21. Fa ny amin' ny Isiraely dia hoy izy: Mandritra ny andro no efa naninjirako ny tanako tamin' izay firenena tsy mankatò sady mandà.
<
>