Builders of the Wall

1. Then Eliashib the high priest rose up with his brethren the priests, and they builded the sheep gate; they sanctified it, and set up the doors of it; even unto the tower of Meah they sanctified it, unto the tower of Hananeel.
1. "Éliaschib, le souverain sacrificateur, se leva avec ses frères, les sacrificateurs, et ils bâtirent la porte des brebis. Ils la consacrèrent et en posèrent les battants; ils la consacrèrent, depuis la tour de Méa jusqu`à la tour de Hananeel."
1. "Dia nitsangana Eliasiba mpisoronabe sy ny mpisorona rahalahiny ka nandrafitra ny vavahadin' ondry; dia nanamasina azy izy ka nandatsaka ny lela-vavahadiny; hatramin' ny tilikambo Hamea ka hatramin' ny tilikambo Hananela no nohamasininy."
2. And next unto him builded the men of Jericho. And next to them builded Zaccur the son of Imri.
2. "A côté d`Éliaschib bâtirent les hommes de Jéricho; à côté de lui bâtit aussi Zaccur, fils d`Imri."
2. Ary manarakaraka ireo dia nandrafitra koa ny mponina tany Jeriko. Ary manarakaraka ireo dia nandrafitra koa Zakora, zanak' i Imry.
3. But the fish gate did the sons of Hassenaah build, who also laid the beams thereof, and set up the doors thereof, the locks thereof, and the bars thereof.
3. Les fils de Senaa bâtirent la porte des poissons. Ils la couvrirent, et en posèrent les battants, les verrous et les barres.
3. Ary ny vavahadin-kazandrano dia narafitry ny zanak' i Hasena, izy no nandatsaka ny rairainy sy ny lela-vavahadiny mbamin' ny hidiny sy ny vavombiny.
4. And next unto them repaired Meremoth the son of Urijah, the son of Koz. And next unto them repaired Meshullam the son of Berechiah, the son of Meshezabeel. And next unto them repaired Zadok the son of Baana.
4. "A côté d`eux travailla aux réparations Merémoth, fils d`Urie, fils d`Hakkots; à côté d`eux travailla Meschullam, fils de Bérékia, fils de Meschézabeel; à côté d`eux travailla Tsadok, fils de Baana;"
4. Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Meremota, zanak' i Oria, zanak' i Hakoza. Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Mesolama, zanak' i Berekia, zanak' i Mesezabela. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Zadoka, zanak' i Bana.
5. And next unto them the Tekoites repaired; but their nobles put not their necks to the work of their LORD.
5. à côté d`eux travaillèrent les Tekoïtes, dont les principaux ne se soumirent pas au service de leur seigneur.
5. "Ary manarakaraka ireo, dia namboatra koa ny Tekoita; nefa ny manankaja teo aminy dia tsy nampiondrika ny vozony ho amin' ny asan' ny Tompony."
6. Moreover the old gate repaired Jehoiada the son of Paseah, and Meshullam the son of Besodeiah; they laid the beams thereof, and set up the doors thereof, and the locks thereof, and the bars thereof.
6. Jojada, fils de Paséach, et Meschullam, fils de Besodia, réparèrent la vieille porte. Ils la couvrirent, et en posèrent les battants, les verrous et les barres.
6. "Ary ny vavahady taloha dia namboarin' i Joiada, zanak' i Pasea sy Mesolama, zanak' i Besodia; izy roa lahy no nandatsaka ny rairainy sy ny lela-vavahadiny mbamin' ny hidiny sy ny vavombiny."
7. And next unto them repaired Melatiah the Gibeonite, and Jadon the Meronothite, the men of Gibeon, and of Mizpah, unto the throne of the governor on this side the river.
7. "A côté d`eux travaillèrent Melatia, le Gabaonite, Jadon, le Méronothite, et les hommes de Gabaon et de Mitspa, ressortissant au siège du gouverneur de ce côté du fleuve;"
7. Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Melatia Gibeonita sy Jadona Meronotita mbamin' ny mponina tany Gibeona sy Mizpa, hatramin' ny sezafiandrianan' ny governora ety an-dafin' ny ony ety.
8. Next unto him repaired Uzziel the son of Harhaiah, of the goldsmiths. Next unto him also repaired Hananiah the son of one of the apothecaries, and they fortified Jerusalem unto the broad wall.
8. à côté d`eux travailla Uzziel, fils de Harhaja, d`entre les orfèvres, et à côté de lui travailla Hanania, d`entre les parfumeurs. Ils laissèrent Jérusalem jusqu`à la muraille large.
8. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Oziela, zanak' i Hararia, isan' ny mpanefy volamena. Manarakaraka io dia namboatra koa Hanany, isan' ny mpangaroharo zava-manitra ary nanamafy an' i Jerosalema izy hatramin' ny manda lehibe.
9. And next unto them repaired Rephaiah the son of Hur, the ruler of the half part of Jerusalem.
9. A côté d`eux travailla aux réparations Rephaja, fils de Hur, chef de la moitié du district de Jérusalem.
9. Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Refaia, zanak' i Hora, komandin' ny antsasaky ny fehin' i Jerosalema.
10. And next unto them repaired Jedaiah the son of Harumaph, even over against his house. And next unto him repaired Hattush the son of Hashabniah.
10. A côté d`eux travailla vis-à-vis de sa maison Jedaja, fils de Harumaph, et à côté de lui travailla Hattusch, fils de Haschabnia.
10. Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Jedaia, zanak' i Haromafa, dia ny teo amin' ny tandrifin' ny tranony ihany. Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa hatosy, zanak' i Hasabnia.
11. Malchijah the son of Harim, and Hashub the son of Pahathmoab, repaired the other piece, and the tower of the furnaces.
11. Une autre portion de la muraille et la tour des fours furent réparées par Malkija, fils de Harim, et par Haschub, fils de Pachath Moab.
11. Ny sasany koa mbamin' ny tilikambo misy ny fatana fandoroana dia namboarin' i Malkia, zanak' i Harima sy Hasoba, zanak' i Pahata-moaba.
12. And next unto him repaired Shallum the son of Halohesh, the ruler of the half part of Jerusalem, he and his daughters.
12. A côté d`eux travailla, avec ses filles, Schallum, fils d`Hallochesch, chef de la moitié du district de Jérusalem.
12. Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Saloma, zanak' i Halohesy, komandin' ny antsasaky ny fehin' i Jerosalema, dia izy sy ny zanany vavy.
13. The valley gate repaired Hanun, and the inhabitants of Zanoah; they built it, and set up the doors thereof, the locks thereof, and the bars thereof, and a thousand cubits on the wall unto the dung gate.
13. Hanun et les habitants de Zanoach réparèrent la porte de la vallée. Ils la bâtirent, et en posèrent les battants, les verrous et les barres. Ils firent de plus mille coudées de mur jusqu`à la porte du fumier.
13. "Ny vavahady mankamin' ny lohasaha dia namboarin' i Hanona sy ny mponina tany Zanoa; ireo no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin' ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny arivo hakiho amin' ny manda hatramin' ny vavahadin-jezika."
14. But the dung gate repaired Malchiah the son of Rechab, the ruler of part of Bethhaccerem; he built it, and set up the doors thereof, the locks thereof, and the bars thereof.
14. Malkija, fils de Récab, chef du district de Beth Hakkérem, répara la porte du fumier. Il la bâtit, et en posa les battants, les verrous et les barres.
14. "Ary ny vavahadin-jezika dia namboarin' i Malkia, zanak' i Rekaba, komandin' ny fehin' i Beti-hakerema; izy no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin' ny hidiny sy ny vavombiny."
15. But the gate of the fountain repaired Shallun the son of Colhozeh, the ruler of part of Mizpah; he built it, and covered it, and set up the doors thereof, the locks thereof, and the bars thereof, and the wall of the pool of Siloah by the king's garden, and unto the stairs that go down from the city of David.
15. Schallum, fils de Col Hozé, chef du district de Mitspa, répara la porte de la source. Il la bâtit, la couvrit, et en posa les battants, les verrous et les barres. Il fit de plus le mur de l`étang de Siloé, près du jardin du roi, jusqu`aux degrés qui descendent de la cité de David.
15. "Ary ny vavahadin-doharano dia namboarin' i Saloma, zanak' i Kola-hoze, komandin' ny fehin' i Mizpa; izy no nandrafitra sy nanafo izany ary nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin' ny hidiny sy ny vavombony, ary narafiny koa ny mandan' ny farihy Siloa, teo anilan' ny sahan' ny mpanjaka, ka hatramin' ny ambaratonga midina avy any an-Tanànan' i Davida."
16. After him repaired Nehemiah the son of Azbuk, the ruler of the half part of Bethzur, unto the place over against the sepulchres of David, and to the pool that was made, and unto the house of the mighty.
16. Après lui Néhémie, fils d`Azbuk, chef de la moitié du district de Beth Tsur, travailla aux réparations jusque vis-à-vis des sépulcres de David, jusqu`à l`étang qui avait été construit, et jusqu`à la maison des héros.
16. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Nehemia, zanak' i Azboka, komandin' ny antsasaky ny fehin' i Beti-zora, hatramin' ny teo amin' ny tandrifin' ireo fasan' i Davida ka hatramin' ny farihy izay natao ary hatramin' ny tranon' ny lehilahy mahery.
17. After him repaired the Levites, Rehum the son of Bani. Next unto him repaired Hashabiah, the ruler of the half part of Keilah, in his part.
17. Après lui travaillèrent les Lévites, Rehum, fils de Bani, et à côté de lui travailla pour son district Haschabia, chef de la moitié du district de Keïla.
17. Ary manarakaraka io dia namboatra koa ny Levita, dia Rehoma, zanak' i Bany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Hasabia, komandin' ny antsasaky ny fehin' i Keila, ho an' ny fehiny.
18. After him repaired their brethren, Bavai the son of Henadad, the ruler of the half part of Keilah.
18. "Après lui travaillèrent leurs frères, Bavvaï, fils de Hénadad, chef de la moitié du district de Keïla;"
18. Manarakaraka io dia namboatra koa ireo rahalahiny, dia Bavay, zanak' i Henadada, komandin' ny antsasaky ny fehin' i Keila.
19. And next to him repaired Ezer the son of Jeshua, the ruler of Mizpah, another piece over against the going up to the armoury at the turning of the wall.
19. et à côté de lui Ézer, fils de Josué, chef de Mitspa, répara une autre portion de la muraille, vis-à-vis de la montée de l`arsenal, à l`angle.
19. Ary manarakaraka io dia nisy namboarin' i Ezera, zanak' i Jesoa, komandin' i Mizpa, teo amin' ny tandrifin' ny fiakarana ho any amin' ny trano fitehirizam-piadiana eo amin' ny fiolahana.
20. After him Baruch the son of Zabbai earnestly repaired the other piece, from the turning of the wall unto the door of the house of Eliashib the high priest.
20. Après lui Baruc, fils de Zabbaï, répara avec ardeur une autre portion, depuis l`angle jusqu`à la porte de la maison d`Éliaschib, le souverain sacrificateur.
20. Manarakaraka io koa dia namboatra Baroka, zanak' i Zabay, izy no nazoto namboatra ny sasany hatramin' ny fiolahana ka hatramin' ny varavaran' ny tranon' i Eliasiba mpisoronabe.
21. After him repaired Meremoth the son of Urijah the son of Koz another piece, from the door of the house of Eliashib even to the end of the house of Eliashib.
21. Après lui Merémoth, fils d`Urie, fils d`Hakkots, répara une autre portion depuis la porte de la maison d`Éliaschib jusqu`à l`extrémité de la maison d`Éliaschib.
21. Manarakaraka io koa dia nisy namboarin' i Meremota, zanak' i Oria, zanak' i Hakoza, hatramin' ny varavaran' i Eliasiba, ka hatramin' ny faran' ny tranon' i Eliasiba.
22. And after him repaired the priests, the men of the plain.
22. Après lui travaillèrent les sacrificateurs des environs de Jérusalem.
22. Ary manarakaraka io dia namboatra koa ny mpisorona, dia ny olona avy tany amin' ny tany lemaka.
23. After him repaired Benjamin and Hashub over against their house. After him repaired Azariah the son of Maaseiah the son of Ananiah by his house.
23. Après eux Benjamin et Haschub travaillèrent vis-à-vis de leur maison. Après eux Azaria, fils de Maaséja, fils d`Anania, travailla à côté de sa maison.
23. Manarakaraka io dia namboatra koa Benjamina sy Hasoba teo amin' ny tandrifin' ny tranony ihany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Azaria, zanak' i Mahaseia, zanak' i Anania, teo anilan' ny tranony ihany.
24. After him repaired Binnui the son of Henadad another piece, from the house of Azariah unto the turning of the wall, even unto the corner.
24. Après lui Binnuï, fils de Hénadad, répara une autre portion, depuis la maison d`Azaria jusqu`à l`angle et jusqu`au coin.
24. Manarakaraka io koa, dia nisy namboarin' i Binoy, zanak' i Henadada, hatramin' ny tranon' i Azaria ka hatramin' ny fiolahana eo amin' ny zorony.
25. Palal the son of Uzai, over against the turning of the wall, and the tower which lieth out from the king's high house, that was by the court of the prison. After him Pedaiah the son of Parosh.
25. Palal, fils d`Uzaï, travailla vis-à-vis de l`angle et de la tour supérieure qui fait saillie en avant de la maison du roi près de la cour de la prison. Après lui travailla Pedaja, fils de Pareosch.
25. Ary Palala, zanak' i Ozay koa, dia ny teo amin' ny tandrifin' ny fiolahana sy izay mandroso eo amin' ny tilikambo ambony, eo amin' ny tranon' ny mpanjaka, eo akaikin' ny tokotanin' ny tranomaizina. Manarakaraka io koa dia Pedaia, zanak' i Parosy.
26. Moreover the Nethinims dwelt in Ophel, unto the place over against the water gate toward the east, and the tower that lieth out.
26. Les Néthiniens demeurant sur la colline travaillèrent jusque vis-à-vis de la porte des eaux, à l`orient, et de la tour en saillie.
26. Ary koa ny Netinima dia nonina tany Ofela hatreo amin' ny tandrifin' ny vavahadin-drano atsinanana sy ny mandroso eo amin' ny tilikambo.
27. After them the Tekoites repaired another piece, over against the great tower that lieth out, even unto the wall of Ophel.
27. Après eux les Tekoïtes réparèrent une autre portion, vis-à-vis de la grande tour en saillie jusqu`au mur de la colline.
27. Ary manarakaraka ireo dia nisy ampahany namboarin' ny Tekoita, teo amin' ny tandrifin' ny mandroso eo amin' ny tilikambo lehibe ka hatramin' ny mandan' i Ofela.
28. From above the horse gate repaired the priests, every one over against his house.
28. Au-dessus de la porte des chevaux, les sacrificateurs travaillèrent chacun devant sa maison.
28. Hatreo ambonin' ny vavahadin-tsoavaly dia namboarin' ny mpisorona, dia samy ny teo amin' ny tandrifin' ny tranony avy.
29. After them repaired Zadok the son of Immer over against his house. After him repaired also Shemaiah the son of Shechaniah, the keeper of the east gate.
29. Après eux Tsadok, fils d`Immer, travailla devant sa maison. Après lui travailla Schemaeja, fils de Schecania, gardien de la porte de l`orient.
29. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Zadoka, zanak' i Imera, dia ny teo amin' ny tandrifin' ny tranony ihany. Manarakaraka io dia namboatra koa Semaia, zanak' i Sekania mpiandry ny vavahady atsinanana.
30. After him repaired Hananiah the son of Shelemiah, and Hanun the sixth son of Zalaph, another piece. After him repaired Meshullam the son of Berechiah over against his chamber.
30. Après eux Hanania, fils de Schélémia, et Hanun, le sixième fils de Tsalaph, réparèrent une autre portion de la muraille. Après eux Meschullam, fils de Bérékia, travailla vis-à-vis de sa chambre.
30. Manarakaraka io dia nisy ampahany namboarin' i Hanany, zanak' i Selemia sy Hanona fahenin' ny zanak' i Zalafa. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Mesolama, zanak' i Berekia, dia ny teo amin' ny tandrifin' ny efitranony.
31. After him repaired Malchiah the goldsmith's son unto the place of the Nethinims, and of the merchants, over against the gate Miphkad, and to the going up of the corner.
31. Après lui Malkija, d`entre les orfèvres, travailla jusqu`aux maisons des Néthiniens et des marchands, vis-à-vis de la porte de Miphkad, et jusqu`à la chambre haute du coin.
31. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Malkia, zanaky ny mpanefy volamena, hatramin' ny tanin' ny Netinima sy ny mpandranto, dia ny teo amin' ny tandrifin' ny vavahady Mifikada ka hatramin' ny trano ambony teo an-jorony.
32. And between the going up of the corner unto the sheep gate repaired the goldsmiths and the merchants.
32. Les orfèvres et les marchands travaillèrent entre la chambre haute du coin et la porte des brebis.
32. Ary ny teo anelanelan' ny trano ambony teo an-jorony sy ny vavahadin' ondry no namboarin' ny mpanefy volamena sy ny mpandranto.
<
>