Abimelech
1. And Abimelech the son of Jerubbaal went to Shechem unto his mother's brethren, and communed with them, and with all the family of the house of his mother's father, saying,
1. Abimélec, fils de Jerubbaal, se rendit à Sichem vers les frères de sa mère, et voici comment il leur parla, ainsi qu`à toute la famille de la maison du père de sa mère:
1. Ary Abimeleka, zanak' i Jerobala, dia nandeha nankany Sekema tany amin' ny anadahin-dreniny ka niresaka taminy sy tamin' izay rehetra isan' ny fianakavian-dreniny nanao hoe:
2. Speak, I pray you, in the ears of all the men of Shechem, Whether is better for you, either that all the sons of Jerubbaal, which are threescore and ten persons, reign over you, or that one reign over you? remember also that I am your bone and your flesh.
2. Dites, je vous prie, aux oreilles de tous les habitants de Sichem: Vaut-il mieux pour vous que soixante-dix hommes, tous fils de Jerubbaal, dominent sur vous, ou qu`un seul homme domine sur vous? Et souvenez-vous que je suis votre os et votre chair.
2. Masìna ianareo, mba mitenena ho ren' ny lehilahy rehetra eto Sekema hoe: Inona no tsara ho anareo: ny hanjakan' izy fitopolo lahy zanak' i Jerobala aminareo va, sa ny hanjakan' ny olona iray aminareo? Tsarovy koa, fa taolanareo sy nofonareo aho.
3. And his mother's brethren spake of him in the ears of all the men of Shechem all these words: and their hearts inclined to follow Abimelech; for they said, He is our brother.
3. Les frères de sa mère répétèrent pour lui toutes ces paroles aux oreilles de tous les habitants de Sichem, et leur coeur inclina en faveur d`Abimélec, car ils se disaient: C`est notre frère.
3. "Ary ny anadahin-dreniny dia nilaza azy teo anatrehan' ny lehilahy rehetra tao Sekema tamin' izany teny rehetra izany; koa ny fon' ireo dia te-hanaraka an' i Abimeleka, fa hoy izy: rahalahintsika izy."
4. And they gave him threescore and ten pieces of silver out of the house of Baalberith, wherewith Abimelech hired vain and light persons, which followed him.
4. Ils lui donnèrent soixante-dix sicles d`argent, qu`ils enlevèrent de la maison de Baal Berith. Abimélec s`en servit pour acheter des misérables et des turbulents, qui allèrent après lui.
4. Dia nomen' ireo sekely volafotsy fitopolo avy tao an-tranon' i Bala-berita izy, ary nanambazan' i Abimeleka olom-poana sy marivo salosana izany, ka dia nanaraka azy ireo.
5. And he went unto his father's house at Ophrah, and slew his brethren the sons of Jerubbaal, being threescore and ten persons, upon one stone: notwithstanding yet Jotham the youngest son of Jerubbaal was left; for he hid himself.
5. Il vint dans la maison de son père à Ophra, et il tua ses frères, fils de Jerubbaal, soixante-dix hommes, sur une même pierre. Il n`échappa que Jotham, le plus jeune fils de Jerubbaal, car il s`était caché.
5. "Dia nankany an-tranon-drainy tany Ofra izy ka namono ny rahalahiny fito-polo lahy, zanak' i Jerobala, teo ambonin' ny vato iray; fa i Jotama, faralahin' i Jerobala, no sisa velona, satria niery izy."
6. And all the men of Shechem gathered together, and all the house of Millo, and went, and made Abimelech king, by the plain of the pillar that was in Shechem.
6. "Tous les habitants de Sichem et toute la maison de Millo se rassemblèrent; ils vinrent, et proclamèrent roi Abimélec, près du chêne planté dans Sichem."
6. Dia nivory ny olona rehetra tao Sekema sy ny ankohonana rehetra tao Milo ka nandeha nampanjaka an' i Abimeleka teo amin' ny tany lemaky ny tsangambato izay any Sekema.
7. And when they told it to Jotham, he went and stood in the top of mount Gerizim, and lifted up his voice, and cried, and said unto them, Hearken unto me, ye men of Shechem, that God may hearken unto you.
7. Jotham en fut informé. Il alla se placer sur le sommet de la montagne de Garizim, et voici ce qu`il leur cria à haute voix: Écoutez-moi, habitants de Sichem, et que Dieu vous écoute!
7. Ary rehefa nilazana izany Jotama dia nandeha izy ka nitsangana teo an-tampon' ny tendrombohitra Gerizima, ary nanandratra ny feony sy niantso ka nilaza taminy hoe: Mihainoa ahy ianareo mponina ao Sekema mba hihainoan' Andriamanitra anareo kosa.
8. The trees went forth on a time to anoint a king over them; and they said unto the olive tree, Reign thou over us.
8. Les arbres partirent pour aller oindre un roi et le mettre à leur tête. Ils dirent à l`olivier: Règne sur nous.
8. "Niainga, hono, ny hazo mba hanosotra mpanjaka hanjaka aminy; ka hoy izy tamin' ny hazo oliva: Manjakà aminay ianao."
9. But the olive tree said unto them, Should I leave my fatness, wherewith by me they honour God and man, and go to be promoted over the trees?
9. Mais l`olivier leur répondit: Renoncerais-je à mon huile, qui m`assure les hommages de Dieu et des hommes, pour aller planer sur les arbres?
9. Fa hoy ny hazo oliva taminy: Ho foiko va ny diloiloko, izay ankalazany an' Andriamanitra sy ny olona amin' ny alalako, ka handeha hatsingevaheva eny ambonin' ny hazo aho?
10. And the trees said to the fig tree, Come thou, and reign over us.
10. Et les arbres dirent au figuier: Viens, toi, règne sur nous.
10. Ary hoy ny hazo tamin' ny hazo aviavimbazaha: Avia ianao, ka manjakà aminay.
11. But the fig tree said unto them, Should I forsake my sweetness, and my good fruit, and go to be promoted over the trees?
11. Mais le figuier leur répondit: Renoncerais-je à ma douceur et à mon excellent fruit, pour aller planer sur les arbres?
11. Fa hoy ny hazo aviavimbazaha taminy: Ho foiko va ny hamamiako sy ny vokatro tsara ka handeha hatsingevaheva eny ambonin' ny hazo aho?
12. Then said the trees unto the vine, Come thou, and reign over us.
12. Et les arbres dirent à la vigne: Viens, toi, règne sur nous.
12. Dia hoy ny hazo tamin' ny voaloboka: avia ianao, ka manjakà aminay.
13. And the vine said unto them, Should I leave my wine, which cheereth God and man, and go to be promoted over the trees?
13. Mais la vigne leur répondit: Renoncerais-je à mon vin, qui réjouit Dieu et les hommes, pour aller planer sur les arbres?
13. Fa hoy ny voaloboka taminy: Ho foiko va ny ranomboaloboko, izay mahafaly an' Andriamanitra sy ny olona, ka handeha hitsingevaheva eny ambonin' ny hazo aho?
14. Then said all the trees unto the bramble, Come thou, and reign over us.
14. Alors tous les arbres dirent au buisson d`épines: Viens, toi, règne sur nous.
14. Ary hoy ny hazo rehetra tamin' ny tsilo: Avia ianao, ka manjakà aminay.
15. And the bramble said unto the trees, If in truth ye anoint me king over you, then come and put your trust in my shadow: and if not, let fire come out of the bramble, and devour the cedars of Lebanon.
15. "Et le buisson d`épines répondit aux arbres: Si c`est de bonne foi que vous voulez m`oindre pour votre roi, venez, réfugiez-vous sous mon ombrage; sinon, un feu sortira du buisson d`épines, et dévorera les cèdres du Liban."
15. "Fa hoy ny tsilo tamin' ny hazo: Raha amin' ny fahamarinana no hanosoranareo ahy ho mpanjakanareo, dia avia ianareo ka mialofa ato amin' ny alokaloko; fa raha tsy izany, aoka hisy afo hivoaka avy amin' ny tsilo ka handevona ny sederan' i Libanona."
16. Now therefore, if ye have done truly and sincerely, in that ye have made Abimelech king, and if ye have dealt well with Jerubbaal and his house, and have done unto him according to the deserving of his hands;
16. Maintenant, est-ce de bonne foi et avec intégrité que vous avez agi en proclamant roi Abimélec? avez-vous eu de la bienveillance pour Jerubbaal et sa maison? l`avez-vous traité selon les services qu`il a rendus? -
16. Koa ankehitriny, raha marina sy mahitsy ny nataonareo tamin' ny nampanjakanareo an' i Abimeleka, ary raha soa no nataonareo tamin' i Jerobala sy ny ankohonany, ka novalianareo araka izay nataon' ny tanany izy,
17. (For my father fought for you, and adventured his life far, and delivered you out of the hand of Midian:
17. "Car mon père a combattu pour vous, il a exposé sa vie, et il vous a délivrés de la main de Madian;"
17. "(Fa ny raiko niady ho anareo sady nanao ny ainy tsy ho zavatra ka nanafaka anareo tamin' ny tanan' ny Midiana;"
18. And ye are risen up against my father's house this day, and have slain his sons, threescore and ten persons, upon one stone, and have made Abimelech, the son of his maidservant, king over the men of Shechem, because he is your brother;)
18. et vous, vous vous êtes levés contre la maison de mon père, vous avez tué ses fils, soixante-dix hommes, sur une même pierre, et vous avez proclamé roi sur les habitants de Sichem, Abimélec, fils de sa servante, parce qu`il est votre frère. -
18. "Nefa ianareo kosa niodina tamin' ny taranaky ny raiko androany ka namono ny zanany fitopolo lahy teo ambonin' ny vato iray, ary Abimeleka, zanaky ny mpanompovaviny no nampanjakainareo tamin' ny mponina ao Sekema, satria rahalahinareo izy);"
19. If ye then have dealt truly and sincerely with Jerubbaal and with his house this day, then rejoice ye in Abimelech, and let him also rejoice in you:
19. Si c`est de bonne foi et avec intégrité qu`en ce jour vous avez agi envers Jerubbaal et sa maison, eh bien! qu`Abimélec fasse votre joie, et que vous fassiez aussi la sienne!
19. Koa raha marina sy mahitsy ny nataonareo androany tamin' i Jerobala mbamin' ny ankohonany, dia mifalia amin' i Abimeleka ianareo, ary aoka izy kosa hifaly aminareo.
20. But if not, let fire come out from Abimelech, and devour the men of Shechem, and the house of Millo; and let fire come out from the men of Shechem, and from the house of Millo, and devour Abimelech.
20. Sinon, qu`un feu sorte d`Abimélec et dévore les habitants de Sichem et la maison de Millo, et qu`un feu sorte des habitants de Sichem et de la maison de Millo et dévore Abimélec!
20. "Fa raha tsy izany kosa, dia aoka hisy afo hivoaka avy amin' i Abimeleka ka handevona ny mponina ao Sekema sy ny ankohonana ao Milo; ary aoka koa hisy afo hivoaka avy amin' ny mponina ao Sekema sy ny ankohonana ao Milo ka handevona an' i Abimeleka."
21. And Jotham ran away, and fled, and went to Beer, and dwelt there, for fear of Abimelech his brother.
21. "Jotham se retira et prit la fuite; il s`en alla à Beer, où il demeura loin d`Abimélec, son frère."
21. Dia rifatra nandositra Jotama ka nankany Bera ary nitoetra teo noho ny tahony an' i Abimeleka rahalahiny.
22. When Abimelech had reigned three years over Israel,
22. Abimélec avait dominé trois ans sur Israël.
22. Ary rehefa nanapaka telo taona tamin' ny Isiraely Abimeleka,
23. Then God sent an evil spirit between Abimelech and the men of Shechem; and the men of Shechem dealt treacherously with Abimelech:
23. Alors Dieu envoya un mauvais esprit entre Abimélec et les habitants de Sichem, et les habitants de Sichem furent infidèles à Abimélec,
23. "Andriamanitra dia naniraka fanahy ratsy tamin' i Abimeleka sy ny lehilahy tao Sekema; ary ny mponina tao Sekema dia nivadika nahafoy an' i Abimeleka,"
24. That the cruelty done to the threescore and ten sons of Jerubbaal might come, and their blood be laid upon Abimelech their brother, which slew them; and upon the men of Shechem, which aided him in the killing of his brethren.
24. afin que la violence commise sur les soixante-dix fils de Jerubbaal reçût son châtiment, et que leur sang retombât sur Abimélec, leur frère, qui les avait tués, et sur les habitants de Sichem, qui l`avaient aidé à tuer ses frères.
24. Mba hitsingerenan' ny loza natao tamin' ny zanak' i Jerobala fitopolo lahy, ka ny ràn' ireo dia hanody an' i Abimeleka rahalahiny, izay namono azy, sy hanody ny lehilahy tao Sekema, izay nampahery ny tanany hamono ny rahalahiny.
25. And the men of Shechem set liers in wait for him in the top of the mountains, and they robbed all that came along that way by them: and it was told Abimelech.
25. Les habitants de Sichem placèrent en embuscade contre lui, sur les sommets des montagnes, des gens qui dépouillaient tous ceux qui passaient près d`eux sur le chemin. Et cela fut rapporté à Abimélec.
25. Ary nanaovan' ny lehilahy tao Sekema otrika tany an-tampon' ny tendrombohitra izy, dia norobain' ny otrika izay rehetra nandalo tamin' izany lalana izany ary nolazaina tamin' i Abimeleka izany.
26. And Gaal the son of Ebed came with his brethren, and went over to Shechem: and the men of Shechem put their confidence in him.
26. Gaal, fils d`Ébed, vint avec ses frères, et ils passèrent à Sichem. Les habitants de Sichem eurent confiance en lui.
26. "Ary Gala, zanak' i Ebeda sy ny rahalahiny dia nankany Sekema; ary ny lehilahy tao Sekema nametraka ny fitokisany taminy."
27. And they went out into the fields, and gathered their vineyards, and trode the grapes, and made merry, and went into the house of their god, and did eat and drink, and cursed Abimelech.
27. "Ils sortirent dans la campagne, vendangèrent leurs vignes, foulèrent les raisins, et se livrèrent à des réjouissances; ils entrèrent dans la maison de leur dieu, ils mangèrent et burent, et ils maudirent Abimélec."
27. Dia nivoaka ho any an-tsaha izy ka nioty ny voalobony sy nanosihosy azy, dia nifaly sy niravo ka niditra tao an-tranon' ny andriamaniny, dia nihinana sy nisotro, ary nanozona an' i Abimeleka.
28. And Gaal the son of Ebed said, Who is Abimelech, and who is Shechem, that we should serve him? is not he the son of Jerubbaal? and Zebul his officer? serve the men of Hamor the father of Shechem: for why should we serve him?
28. "Et Gaal, fils d`Ébed, disait: Qui est Abimélec, et qu`est Sichem, pour que nous servions Abimélec? N`est-il pas fils de Jerubbaal, et Zebul n`est-il pas son commissaire? Servez les hommes de Hamor, père de Sichem; mais nous, pourquoi servirions-nous Abimélec?"
28. "Ary hoy Gala, zanak' i Ebeda: Iza moa Abimeleka, ary iza moa Sekema, no hotompointsika? Tsy zanak' i Jerobala va izy? ary tsy Zebola va no lefiny? Manompoa ny olon' i Hamora, rain' i Sekema; fa nahoana no hanompo io isika?"
29. And would to God this people were under my hand! then would I remove Abimelech. And he said to Abimelech, Increase thine army, and come out.
29. Oh! si j`étais le maître de ce peuple, je renverserais Abimélec. Et il disait d`Abimélec: Renforce ton armée, mets-toi en marche!
29. Ary enga anie ka ho eo ambanin' ny tanako ireto olona ireto! dia hoesoriko Abimeleka. Dia hoy izy tamin' i Abimeleka: hamaroy ny miaramilanao ka mivoaha.
30. And when Zebul the ruler of the city heard the words of Gaal the son of Ebed, his anger was kindled.
30. Zebul, gouverneur de la ville, apprit ce que disait Gaal, fils d`Ébed, et sa colère s`enflamma.
30. Ary rehefa ren' i Zebola, komandin' ny tanàna ny tenin' i Gala, zanak' i Ebeda, dia nirehitra ny fahatezerany.
31. And he sent messengers unto Abimelech privily, saying, Behold, Gaal the son of Ebed and his brethren be come to Shechem; and, behold, they fortify the city against thee.
31. Il envoya secrètement des messagers à Abimélec, pour lui dire: Voici, Gaal, fils d`Ébed, et ses frères, sont venus à Sichem, et ils soulèvent la ville contre toi.
31. "Dia nandefa iraka mangingina tany amin' i Abimeleka izy hanao hoe: Indro, Gala, zanak' i Ebeda sy ny rahalahiny dia tonga ato Sekema; ary, indro, mandrendrika ny ato an-tanàna hiodina aminao izy."
32. Now therefore up by night, thou and the people that is with thee, and lie in wait in the field:
32. Maintenant, pars de nuit, toi et le peuple qui est avec toi, et mets-toi en embuscade dans la campagne.
32. Koa ankehitriny, miaingà alina ianao sy ny vahoaka eo aminao, ka manotreha any an-tsaha.
33. And it shall be, that in the morning, as soon as the sun is up, thou shalt rise early, and set upon the city: and, behold, when he and the people that is with him come out against thee, then mayest thou do to them as thou shalt find occasion.
33. Le matin, au lever du soleil, tu fondras avec impétuosité sur la ville. Et lorsque Gaal et le peuple qui est avec lui sortiront contre toi, tu lui feras ce que tes forces permettront.
33. "Ary izao no hisy, raha maraina, raha vao miposaka ny masoandro, dia mifohaza maraina koa ianao, ka miroata hamely ny tanàna; ary, indro, raha mivoaka hiady aminao izy sy ny vahoaka eo aminy, dia ataovy aminy izay zakan' ny tananao."
34. And Abimelech rose up, and all the people that were with him, by night, and they laid wait against Shechem in four companies.
34. Abimélec et tout le peuple qui était avec lui partirent de nuit, et ils se mirent en embuscade près de Sichem, divisés en quatre corps.
34. Dia niainga alina Abimeleka sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nanao otrika efa-toko tandrifin' i Sekema.
35. And Gaal the son of Ebed went out, and stood in the entering of the gate of the city: and Abimelech rose up, and the people that were with him, from lying in wait.
35. Gaal, fils d`Ébed, sortit, et il se tint à l`entrée de la porte de la ville. Abimélec et tout le peuple qui était avec lui se levèrent alors de l`embuscade.
35. "Dia nivoaka Gala, zanak' i Ebeda, ka nijanona teo anoloan' ny vavahadin' ny tanàna; dia niroatra avy tao am-panotrehana Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy."
36. And when Gaal saw the people, he said to Zebul, Behold, there come people down from the top of the mountains. And Zebul said unto him, Thou seest the shadow of the mountains as if they were men.
36. Gaal aperçut le peuple, et il dit à Zebul: Voici un peuple qui descend du sommet des montagnes. Zebul lui répondit: C`est l`ombre des montagnes que tu prends pour des hommes.
36. Ary rehefa hitan' i Gala ny olona, dia hoy izy tamin' i Zebola: Indreo, misy olona midina avy eny an-tampon' ny tendrombohitra. Fa hoy Zebola taminy: Ny aloky ny tendrombohitra no hitanao ka toa olona.
37. And Gaal spake again and said, See there come people down by the middle of the land, and another company come along by the plain of Meonenim.
37. Gaal, reprenant la parole, dit: C`est bien un peuple qui descend des hauteurs du pays, et une troupe arrive par le chemin du chêne des devins.
37. Dia niteny indray Gala ka nanao hoe: Indreo, misy olona midina eo afovoan' ny tany, ary misy antokony hafa mandeha eo amin' ny tany lemaka Meonenima.
38. Then said Zebul unto him, Where is now thy mouth, wherewith thou saidst, Who is Abimelech, that we should serve him? is not this the people that thou hast despised? go out, I pray now, and fight with them.
38. Zebul lui répondit: Où donc est ta bouche, toi qui disais: Qui est Abimélec, pour que nous le servions? N`est-ce point là le peuple que tu méprisais? Marche maintenant, livre-lui bataille!
38. Dia hoy Zebola taminy: Aiza ankehitriny ny vavanao izay nitenenanao hoe: Iza moa Abimeleka no hotompointsika? Tsy ireo va no olona izay nohamavoinao? Mangataka anao aho, mivoaha ankehitriny, ka miadia aminy.
39. And Gaal went out before the men of Shechem, and fought with Abimelech.
39. Gaal s`avança à la tête des habitants de Sichem, et livra bataille à Abimélec.
39. Dia nivoaka teo anoloan' ny mponina tao Sekema i Gala ka niady tamin' i Abimeleka.
40. And Abimelech chased him, and he fled before him, and many were overthrown and wounded, even unto the entering of the gate.
40. Poursuivi par Abimélec, il prit la fuite devant lui, et beaucoup d`hommes tombèrent morts jusqu`à l`entrée de la porte.
40. Dia nanenjika azy Abimeleka, ary nandositra teo anoloany izy, ka maro no niampatrampatra sy naratra, na dia hatreny anoloan' ny vavahady aza.
41. And Abimelech dwelt at Arumah: and Zebul thrust out Gaal and his brethren, that they should not dwell in Shechem.
41. Abimélec s`arrêta à Aruma. Et Zebul chassa Gaal et ses frères, qui ne purent rester à Sichem.
41. "Ary Abimeleka nonina tany Aroma ; ary nandroaka an' i Gala sy ny rahalahiny i Zebola mba tsy honina any Sekema intsony."
42. And it came to pass on the morrow, that the people went out into the field; and they told Abimelech.
42. Le lendemain, le peuple sortit dans la campagne. Abimélec, qui en fut informé,
42. Ary izao no niseho, nony ampitso dia nivoaka ho any an-tsaha ny olona, ary nolazaina tamin' i Abimeleka izany.
43. And he took the people, and divided them into three companies, and laid wait in the field, and looked, and, behold, the people were come forth out of the city; and he rose up against them, and smote them.
43. prit sa troupe, la partagea en trois corps, et se mit en embuscade dans la campagne. Ayant vu que le peuple sortait de la ville, il se leva contre eux, et les battit.
43. "Dia naka ny vahoaka izy ka nizara azy ho telo toko ary nanotrika tany an-tsaha, dia nijery izy, ka, indreo, ny olona nivoaka avy tao an-tanàna; dia nitsangana hiady aminy izy ka namono azy."
44. And Abimelech, and the company that was with him, rushed forward, and stood in the entering of the gate of the city: and the two other companies ran upon all the people that were in the fields, and slew them.
44. "Abimélec et les corps qui étaient avec lui se portèrent en avant, et se placèrent à l`entrée de la porte de la ville; deux de ces corps se jetèrent sur tous ceux qui étaient dans la campagne, et les battirent."
44. "Ary Abimeleka sy ny antokony izay teo aminy dia niroatra ka nitsangana teo anoloan' ny vavahadin' ny tanàna; ary ny roa toko kosa niroatra namely ny vahoaka rehetra tany an-tsaha ka namono azy."
45. And Abimelech fought against the city all that day; and he took the city, and slew the people that was therein, and beat down the city, and sowed it with salt.
45. "Abimélec attaqua la ville pendant toute la journée; il s`en empara, et tua le peuple qui s`y trouvait. Puis il rasa la ville, et y sema du sel."
45. "Ary Abimeleka namely ny tanàna mandritra izany andro izany, dia nahazo ny tanàna ka namono ny olona tao; ary noravany ny tanàna sady nofafazany sira."
46. And when all the men of the tower of Shechem heard that, they entered into an hold of the house of the god Berith.
46. A cette nouvelle, tous les habitants de la tour de Sichem se rendirent dans la forteresse de la maison du dieu Berith.
46. Ary nony nandre izany ny lehilahy rehetra tao amin' ny tilikambo tao Sekema dia niditra tao amin' ny efitrano fierena tao an-tranon' i Berita andriamaniny.
47. And it was told Abimelech, that all the men of the tower of Shechem were gathered together.
47. On avertit Abimélec que tous les habitants de la tour de Sichem s`y étaient rassemblés.
47. Ary nolazaina tamin' i Abimeleka fa tafangona tao amin' ny tilikambo tao Sekema ny olona rehetra.
48. And Abimelech gat him up to mount Zalmon, he and all the people that were with him; and Abimelech took an axe in his hand, and cut down a bough from the trees, and took it, and laid it on his shoulder, and said unto the people that were with him, What ye have seen me do, make haste, and do as I have done.
48. Alors Abimélec monta sur la montagne de Tsalmon, lui et tout le peuple qui était avec lui. Il prit en main une hache, coupa une branche d`arbre, l`enleva et la mit sur son épaule. Ensuite il dit au peuple qui était avec lui: Vous avez vu ce que j`ai fait, hâtez-vous de faire comme moi.
48. "Ary Abimeleka sy ny vahoaka rehetra teo aminy dia niakatra tany an-tendrombohitra Zalmona; ary Abimeleka nitondra famaky teny an-tanany, dia nikapa sampan-kazo, ka nobetainy izany, dia nolanjainy teny an-tsorony, ary hoy izy tamin' ny vahoaka teo aminy: Izay hitanareo ataoko, dia mba manaova faingana toy izany koa ianareo."
49. And all the people likewise cut down every man his bough, and followed Abimelech, and put them to the hold, and set the hold on fire upon them; so that all the men of the tower of Shechem died also, about a thousand men and women.
49. "Et ils coupèrent chacun une branche, et suivirent Abimélec; ils placèrent les branches contre la forteresse, et l`incendièrent avec ceux qui y étaient. Ainsi périrent tous les gens de la tour de Sichem, au nombre d`environ mille, hommes et femmes."
49. Koa samy nikapa sampan-kazo avy ny vahoaka rehetra ka nanaraka an' i Abimeleka, dia nametraka izany teo an-trano fiarovana ka nandoro azy tamin' ny afo, raha mbola tao ny olona, ka maty koa ny olona rehetra tao amin' ny tilikambo tao Sekema, na lehilahy na vehivavy, tokony ho roa arivo no isany.
50. Then went Abimelech to Thebez, and encamped against Thebez, and took it.
50. Abimélec marcha contre Thébets. Il assiégea Thébets, et s`en empara.
50. Dia nandeha Abimeleka nankany Tebeza ary nitoby tandrifin' i Tebeza ka nahazo azy.
51. But there was a strong tower within the city, and thither fled all the men and women, and all they of the city, and shut it to them, and gat them up to the top of the tower.
51. "Il y avait au milieu de la ville une forte tour, où se réfugièrent tous les habitants de la ville, hommes et femmes; ils fermèrent sur eux, et montèrent sur le toit de la tour."
51. Fa nisy tilikambo mafy tao anatin' ny tanàna, ka nandositra tao ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra mbamin' izay rehetra tao an-tanàna, dia nihidy tao ireo, ka niakatra tao an-tampon' ny tilikambo.
52. And Abimelech came unto the tower, and fought against it, and went hard unto the door of the tower to burn it with fire.
52. "Abimélec parvint jusqu`à la tour; il l`attaqua, et s`approcha de la porte pour y mettre le feu."
52. Ary Abimeleka nankeo amin' ny tilikambo ka niady teo, dia nanatona ny varavaran' ny tilikambo izy handoro azy amin' ny afo.
53. And a certain woman cast a piece of a millstone upon Abimelech's head, and all to brake his skull.
53. Alors une femme lança sur la tête d`Abimélec un morceau de meule de moulin, et lui brisa le crâne.
53. Fa nisy vehivavy anankiray nanjera vato fikosoham-barimbazaha tamin' ny lohan' i Abimeleka ka nahavaky ny karan-dohany.
54. Then he called hastily unto the young man his armourbearer, and said unto him, Draw thy sword, and slay me, that men say not of me, A woman slew him. And his young man thrust him through, and he died.
54. Aussitôt il appela le jeune homme qui portait ses armes, et lui dit: Tire ton épée, et donne-moi la mort, de peur qu`on ne dise de moi: C`est une femme qui l`a tué. Le jeune homme le perça, et il mourut.
54. Dia nantsoin' i Abimeleka faingana ny zatovo, mpitondra ny fiadiany, ka hoy izy taminy: Tsoahy ny sabatrao, ka vonoy aho, mba tsy hanaovan' ny olona ahy hoe: Vehivavy no nahafaty azy. Dia namely azy miboroaka ilay zatovo, ka maty izy.
55. And when the men of Israel saw that Abimelech was dead, they departed every man unto his place.
55. Quand les hommes d`Israël virent qu`Abimélec était mort, ils s`en allèrent chacun chez soi.
55. Ary rehefa hitan' ny lehilahy amin' ny Isiraely fa maty Abimeleka, dia samy lasa nandeha ho any amin' ny fonenany avy izy.
56. Thus God rendered the wickedness of Abimelech, which he did unto his father, in slaying his seventy brethren:
56. Ainsi Dieu fit retomber sur Abimélec le mal qu`il avait fait à son père, en tuant ses soixante-dix frères,
56. Izany no namalian' Andriamanitra ny ratsy nataon' i Abimeleka, izay efa nataony tamin' ny rainy tamin' ny namonoany ny rahalahiny fitopolo lahy.
57. And all the evil of the men of Shechem did God render upon their heads: and upon them came the curse of Jotham the son of Jerubbaal.
57. et Dieu fit retomber sur la tête des gens de Sichem tout le mal qu`ils avaient fait. Ainsi s`accomplit sur eux la malédiction de Jotham, fils de Jerubbaal.
57. Ary ny ratsy rehetra nataon' ny mponina tao Sekema dia natsingerin' Andriamanitra tamin' ny lohany avokoa, ka dia nihatra taminy ilay fanozonana nataon' i Jotama, zanak' i Jerobala.