A Common Destiny for All
1. For all this I considered in my heart even to declare all this, that the righteous, and the wise, and their works, are in the hand of God: no man knoweth either love or hatred by all that is before them.
1. "Oui, j`ai appliqué mon coeur à tout cela, j`ai fait de tout cela l`objet de mon examen, et j`ai vu que les justes et les sages, et leurs travaux, sont dans la main de Dieu, et l`amour aussi bien que la haine; les hommes ne savent rien: tout est devant eux."
1. "Fa izany rehetra izany dia noraketiko tato am-poko, mba hanambarana ireto: fa ny marina sy ny hendry mbamin' ny asany dia eo an-tanan' Andriamanitra; tsy misy olona mahafantatra, na fitiavana, na fankahalana; eo anatrehan' izy ireo avokoa izany."
2. All things come alike to all: there is one event to the righteous, and to the wicked; to the good and to the clean, and to the unclean; to him that sacrificeth, and to him that sacrificeth not: as is the good, so is the sinner; and he that sweareth, as he that feareth an oath.
2. "Tout arrive également à tous; même sort pour le juste et pour le méchant, pour celui qui est bon et pur et pour celui qui est impur, pour celui qui sacrifie et pour celui qui ne sacrifie pas; il en est du bon comme du pécheur, de celui qui jure comme de celui qui craint de jurer."
2. "Mitovy avokoa ny manjò ny rehetra; eny, iray ihany no manjo ny marina sy ny ratsy fanahy, ny tsara sy madio ary ny tsy madio; ny manao fanatitra sy ny tsy manao fanatitra; mitovy ihany ny amin' ny tsara sy ny mpanota, ary ny amin' ny mianiana sy ny amin' izay matahotra hianiana."
3. This is an evil among all things that are done under the sun, that there is one event unto all: yea, also the heart of the sons of men is full of evil, and madness is in their heart while they live, and after that they go to the dead.
3. "Ceci est un mal parmi tout ce qui se fait sous le soleil, c`est qu`il y a pour tous un même sort; aussi le coeur des fils de l`homme est-il plein de méchanceté, et la folie est dans leur coeur pendant leur vie; après quoi, ils vont chez les morts. Car, qui est excepté?"
3. Izao no zava-dratsy amin' izay rehetra atao aty ambany masoandro: iray ihany no manjo ny rehetra, eny, feno faharatsiana koa ny fon' ny zanak' olombelona, ary fahadalana no ao am-pony mandritra ny ahavelomany, ka aorian' izany dia mankany amin' ny maty izy.
4. For to him that is joined to all the living there is hope: for a living dog is better than a dead lion.
4. "Pour tous ceux qui vivent il y a de l`espérance; et même un chien vivant vaut mieux qu`un lion mort."
4. "Fa izay isan' ny velona rehetra dia misy fanantenana; fa ny amboa velona no tsara kokoa noho ny liona maty."
5. For the living know that they shall die: but the dead know not any thing, neither have they any more a reward; for the memory of them is forgotten.
5. "Les vivants, en effet, savent qu`ils mourront; mais les morts ne savent rien, et il n`y a pour eux plus de salaire, puisque leur mémoire est oubliée."
5. "Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy."
6. Also their love, and their hatred, and their envy, is now perished; neither have they any more a portion for ever in any thing that is done under the sun.
6. "Et leur amour, et leur haine, et leur envie, ont déjà péri; et ils n`auront plus jamais aucune part à tout ce qui se fait sous le soleil."
6. Ary koa ny fitiavany, sy ny fankahalany sy ny fialonany, dia efa levona, sady tsy manana anjara intsony mandrakizay amin' izay atao aty ambany masoandro izy.
7. Go thy way, eat thy bread with joy, and drink thy wine with a merry heart; for God now accepteth thy works.
7. "Va, mange avec joie ton pain, et bois gaiement ton vin; car dès longtemps Dieu prend plaisir à ce que tu fais."
7. Mandehana, hano amin' ny fifaliana ny haninao, ary sotroy amin' ny fo falifaly ny divainao, fa efa nankasitrahin' Andriamanitra ny asanao.
8. Let thy garments be always white; and let thy head lack no ointment.
8. Qu`en tout temps tes vêtements soient blancs, et que l`huile ne manque point sur ta tête.
8. Aoka ho fotsy mandrakariva ny fitafianao, ary aoka tsy ho diso menaka ny lohanao.
9. Live joyfully with the wife whom thou lovest all the days of the life of thy vanity, which he hath given thee under the sun, all the days of thy vanity: for that is thy portion in this life, and in thy labour which thou takest under the sun.
9. "Jouis de la vie avec la femme que tu aimes, pendant tous les jours de ta vie de vanité, que Dieu t`a donnés sous le soleil, pendant tous les jours de ta vanité; car c`est ta part dans la vie, au milieu de ton travail que tu fais sous le soleil."
9. "Miravoravoa amin' ny vady malalanao amin' ny androm-piainanao rehetra mandalo foana, izay efa nomeny anao aty ambany masoandro, dia ny andronao rehetra mandalo foana; fa izany no anjaranao amin' izao fiainana izao, sy amin' ny fisasarana izay isasaranao aty ambany masoandro."
10. Whatsoever thy hand findeth to do, do it with thy might; for there is no work, nor device, nor knowledge, nor wisdom, in the grave, whither thou goest.
10. "Tout ce que ta main trouve à faire avec ta force, fais-le; car il n`y a ni oeuvre, ni pensée, ni science, ni sagesse, dans le séjour des morts, où tu vas."
10. "Izay rehetra azon' ny tananao atao dia ataovy amin' ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena any amin' ny fasana izay alehanao."
11. I returned, and saw under the sun, that the race is not to the swift, nor the battle to the strong, neither yet bread to the wise, nor yet riches to men of understanding, nor yet favour to men of skill; but time and chance happeneth to them all.
11. "J`ai encore vu sous le soleil que la course n`est point aux agiles ni la guerre aux vaillants, ni le pain aux sages, ni la richesse aux intelligents, ni la faveur aux savants; car tout dépend pour eux du temps et des circonstances."
11. "Nitodika aho ka hitako aty ambany masoandro, fa tsy ho an' ny haingan-tongotra ny fihoarana, ary tsy ho an' ny mahery ny ady, ary tsy ho an' ny hendry ny hanina, tsy ho an' ny manantsaina koa ny harena, na ho an' ny manam-pahalalana ny fankasitrahana; fa ny fotoana sy ny anjara dia samy tonga amin' izy rehetra."
12. For man also knoweth not his time: as the fishes that are taken in an evil net, and as the birds that are caught in the snare; so are the sons of men snared in an evil time, when it falleth suddenly upon them.
12. "L`homme ne connaît pas non plus son heure, pareil aux poissons qui sont pris au filet fatal, et aux oiseaux qui sont pris au piège; comme eux, les fils de l`homme sont enlacés au temps du malheur, lorsqu`il tombe sur eux tout à coup."
12. "Fa tsy fantatry ny olona koa ny fotoanany; fa toy ny hazandrano azon' ny harato fahitan-doza izy, ary toy ny vorona izay voan' ny fandrika, dia voafandrika toy izany ny zanak' olombelona amin' ny fotoana mahory raha mahavoa azy tampoka izany."
Wisdom Better Than Folly
13. This wisdom have I seen also under the sun, and it seemed great unto me:
13. J`ai aussi vu sous le soleil ce trait d`une sagesse qui m`a paru grande.
13. Izao koa no fahendrena efa hitako taty ambany masoandro, ka dia nataoko ho lehibe izany:
14. There was a little city, and few men within it; and there came a great king against it, and besieged it, and built great bulwarks against it:
14. "Il y avait une petite ville, avec peu d`hommes dans son sein; un roi puissant marcha sur elle, l`investit, et éleva contre elle de grands forts."
14. Nisy vohitra kely sady vitsy olona, dia avy ny mpanjaka lehibe anankiray ka namely sy nanao fahirano azy ary nanao manda lehibe hamelezana azy.
15. Now there was found in it a poor wise man, and he by his wisdom delivered the city; yet no man remembered that same poor man.
15. Il s`y trouvait un homme pauvre et sage, qui sauva la ville par sa sagesse. Et personne ne s`est souvenu de cet homme pauvre.
15. Ary nisy lehilahy mahantra hendry hita tao, koa nahavonjy ny tanàna tamin' ny fahendreny ralehilahy, nefa tsy nisy olona mba nahatsiahy io lehilahy mahantra io.
16. Then said I, Wisdom is better than strength: nevertheless the poor man's wisdom is despised, and his words are not heard.
16. Et j`ai dit: La sagesse vaut mieux que la force. Cependant la sagesse du pauvre est méprisée, et ses paroles ne sont pas écoutées.
16. Koa hoy aho: Aleo fahendrena toy izay hery: kanjo hamavoina ny fahendren' ny mahantra, ary ny teniny tsy mba henoina.
17. The words of wise men are heard in quiet more than the cry of him that ruleth among fools.
17. Les paroles des sages tranquillement écoutées valent mieux que les cris de celui qui domine parmi les insensés.
17. Ny tenin' ny hendry henoina amim-pahatoniana dia mihoatra noho ny fitreron' izay manapaka ao amin' ny adala.
18. Wisdom is better than weapons of war: but one sinner destroyeth much good.
18. "La sagesse vaut mieux que les instruments de guerre; mais un seul pécheur détruit beaucoup de bien."
18. "Aleo fahendrena toy izay fiadiana; ary ny mpanota iray mahasimba ny soa be."