1. And he said unto them, Verily I say unto you, That there be some of them that stand here, which shall not taste of death, till they have seen the kingdom of God come with power.
1. Il leur dit encore: Je vous le dis en vérité, quelques-uns de ceux qui sont ici ne mourront point, qu`ils n`aient vu le royaume de Dieu venir avec puissance.
1. ARY hoy Izy taminy: Lazaiko marina aminareo: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan’Andriamanitra tonga amin-kery.

The Transfiguration

2. And after six days Jesus taketh with him Peter, and James, and John, and leadeth them up into an high mountain apart by themselves: and he was transfigured before them.
2. "Six jours après, Jésus prit avec lui Pierre, Jacques et Jean, et il les conduisit seuls à l`écart sur une haute montagne. Il fut transfiguré devant eux;"
2. Ary nony afaka henemana, Jesosy dia naka an’i Petera sy Jakoba ary Jaona, ka nitondra azy ireo nitokana niakatra ho any an-tendrombohitra avo anankiray, dia niova tarehy teo anatrehany Izy,
3. And his raiment became shining, exceeding white as snow; so as no fuller on earth can white them.
3. ses vêtements devinrent resplendissants, et d`une telle blancheur qu`il n`est pas de foulon sur la terre qui puisse blanchir ainsi.
3. Ary ny fitafiany niova nanelatrelatra sady fotsy indrindra toy ny orampanala, ka tsy nisy mpamotsy lamba ambonin’ny tany mahafotsy toy izany.
4. And there appeared unto them Elias with Moses: and they were talking with Jesus.
4. Élie et Moïse leur apparurent, s`entretenant avec Jésus.
4. "Ary Elia sy Mosesy niseho taminy; sady niresaka tamin’i Jesosy izy ireo."
5. And Peter answered and said to Jesus, Master, it is good for us to be here: and let us make three tabernacles; one for thee, and one for Moses, and one for Elias.
5. "Pierre, prenant la parole, dit à Jésus: Rabbi, il est bon que nous soyons ici; dressons trois tentes, une pour toi, une pour Moïse, et une pour Élie."
5. "Ary namaly Petera ka nanao tamin’i Jesosy hoe: Raby ô, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka hanao lay telo izahay, ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an’i Mosesy, ary ny anankiray ho an’i Elia."
6. For he wist not what to say; for they were sore afraid.
6. Car il ne savait que dire, l`effroi les ayant saisis.
6. Fa tsy fantany izay holazaina, satria efa raiki-tahotra izy rehetra.
7. And there was a cloud that overshadowed them: and a voice came out of the cloud, saying, This is my beloved Son: hear him.
7. Une nuée vint les couvrir, et de la nuée sortit une voix: Celui-ci est mon Fils bien-aimé: écoutez-le!
7. "Ary nisy rahona niseho nanarona azy; ary dia nisy feo avy tao amin’ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako, Izy no henoy."
8. And suddenly, when they had looked round about, they saw no man any more, save Jesus only with themselves.
8. Aussitôt les disciples regardèrent tout autour, et ils ne virent que Jésus seul avec eux.
8. Ary tampotampoka teo, nony nijery manodidina izy ireo, dia tsy nisy hitany intsony na iza na iza afa-tsy Jesosy irery ihany, Izay teo aminy.
9. And as they came down from the mountain, he charged them that they should tell no man what things they had seen, till the Son of man were risen from the dead.
9. Comme ils descendaient de la montagne, Jésus leur recommanda de ne dire à personne ce qu`ils avaient vu, jusqu`à ce que le Fils de l`homme fût ressuscité des morts.
9. "Ary nony nidina avy teo an-tendrombohitra izy ireo, dia nandidy azy Jesosy mba tsy hilazalaza amin’olona izay zavatra hitany mandra-pitsangan’ny Zanak’olona amin’ny maty;"
10. And they kept that saying with themselves, questioning one with another what the rising from the dead should mean.
10. Ils retinrent cette parole, se demandant entre eux ce que c`est que ressusciter des morts.
10. Ary nitana izany teny izany izy ireo ka nifampaka saina ny amin’izay hevitr’izany fitsanganana amin’ny maty izany.
11. And they asked him, saying, Why say the scribes that Elias must first come?
11. Les disciples lui firent cette question: Pourquoi les scribes disent-ils qu`il faut qu`Élie vienne premièrement?
11. Dia nanontany an’i Jesosy izy ireo ka nanao hoe: Nahoana no lazain’ny mpanoradalàna fa Elia tsy maintsy ho avy aloha?
12. And he answered and told them, Elias verily cometh first, and restoreth all things; and how it is written of the Son of man, that he must suffer many things, and be set at nought.
12. Il leur répondit: Élie viendra premièrement, et rétablira toutes choses. Et pourquoi est-il écrit du Fils de l`homme qu`il doit souffrir beaucoup et être méprisé?
12. "Ary Izy namaly ka nanao hoe: Ho avy mialoha tokoa Elia ka hampody ny zavatra rehetra; ary ahoana kosa no nanoratana ny amin’ny Zanak’olona, fa tsy maintsy miharitra zavatra maro Izy ka hatao tsinontsinona."
13. But I say unto you, That Elias is indeed come, and they have done unto him whatsoever they listed, as it is written of him.
13. Mais je vous dis qu`Élie est venu, et qu`ils l`ont traité comme ils ont voulu, selon qu`il est écrit de lui.
13. Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga tokoa Elia, sady efa nataon’ny olona taminy araka izay voasoratra ny aminy.

The Healing of a Boy With and Evil Spirit

14. And when he came to his disciples, he saw a great multitude about them, and the scribes questioning with them.
14. Lorsqu`ils furent arrivés près des disciples, ils virent autour d`eux une grande foule, et des scribes qui discutaient avec eux.
14. Ary nony efa tonga teo amin’ny mpianany Izy, dia nahita vahoaka betsaka manodidina azy sy mpanoradalàna niady hevitra taminy.
15. And straightway all the people, when they beheld him, were greatly amazed, and running to him saluted him.
15. Dès que la foule vit Jésus, elle fut surprise, et accourut pour le saluer.
15. Ary niaraka tamin’izay, nony nahita Azy ny vahoaka rehetra, dia talanjona ka nihazakazaka nanatona sy niarahaba Azy.
16. And he asked the scribes, What question ye with them?
16. Il leur demanda: Sur quoi discutez-vous avec eux?
16. Ary Izy nanontany azy hoe: Inona no iadianareo hevitra amin’ireto?
17. And one of the multitude answered and said, Master, I have brought unto thee my son, which hath a dumb spirit;
17. Et un homme de la foule lui répondit: Maître, j`ai amené auprès de toi mon fils, qui est possédé d`un esprit muet.
17. "Ary ny anankiray tamin’ny vahoaka namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, nentiko ho ety aminao ny zanako lahy izay azom-panahy moana;"
18. And wheresoever he taketh him, he teareth him: and he foameth, and gnasheth with his teeth, and pineth away: and I spake to thy disciples that they should cast him out; and they could not.
18. "En quelque lieu qu`il le saisisse, il le jette par terre; l`enfant écume, grince des dents, et devient tout raide. J`ai prié tes disciples de chasser l`esprit, et ils n`ont pas pu."
18. "Ary na aiza na aiza no ahazoany azy, dia ampihinjitrinjiriny izy, ary mandoa vory, dia mikitro-nify sady valaka dia valaka; ary niteny tamin’ny mpianatrao aho mba hamoaka izany; fa tsy hainy."
19. He answereth him, and saith, O faithless generation, how long shall I be with you? how long shall I suffer you? bring him unto me.
19. Race incrédule, leur dit Jésus, jusques à quand serai-je avec vous? jusques à quand vous supporterai-je? Amenez-le-moi. On le lui amena.
19. Ary Jesosy namaly azy hoe: Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento ety amiko izy.
20. And they brought him unto him: and when he saw him, straightway the spirit tare him; and he fell on the ground, and wallowed foaming.
20. "Et aussitôt que l`enfant vit Jésus, l`esprit l`agita avec violence; il tomba par terre, et se roulait en écumant."
20. "Dia nentiny teo aminy izy; fa nony nahita an’i Jesosy izy, dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin’izay ny fanahy; dia lavo tamin’ny tany izy sady nitsinkasinkasina sy nandoa vory."
21. And he asked his father, How long is it ago since this came unto him? And he said, Of a child.
21. Jésus demanda au père: Combien y a-t-il de temps que cela lui arrive? Depuis son enfance, répondit-il.
21. Ary Jesosy nanontany ny rainy hoe: Hatramin’ny oviana izay no nahatongavan’izao taminy? Ary hoy izy: hatramin’ny fahazazany.
22. And ofttimes it hath cast him into the fire, and into the waters, to destroy him: but if thou canst do any thing, have compassion on us, and help us.
22. Et souvent l`esprit l`a jeté dans le feu et dans l`eau pour le faire périr. Mais, si tu peux quelque chose, viens à notre secours, aie compassion de nous.
22. "Ary nazerany matetika tao anaty afo sy tao anaty rano izy hamonoany azy; fa raha mba misy hainao, dia mamindrà fo aminay, ka ampio izahay."
23. Jesus said unto him, If thou canst believe, all things are possible to him that believeth.
23. Jésus lui dit: Si tu peux!... Tout est possible à celui qui croit.
23. Fa hoy Jesosy taminy: Raha afaka mino ianao, ny zavatra rehetra dia hain’ny mino.
24. And straightway the father of the child cried out, and said with tears, Lord, I believe; help thou mine unbelief.
24. Aussitôt le père de l`enfant s`écria: Je crois! viens au secours de mon incrédulité!
24. Ary niaraka tamin’izay dia niantsoantso sady nandrotsa-dranomaso ny rain-drazazalahy ka nanao hoe: Tompo ô, mino aho: ampio aho ho afaka amin’ny tsy finoako.
25. When Jesus saw that the people came running together, he rebuked the foul spirit, saying unto him, Thou dumb and deaf spirit, I charge thee, come out of him, and enter no more into him.
25. Jésus, voyant accourir la foule, menaça l`esprit impur, et lui dit: Esprit muet et sourd, je te l`ordonne, sors de cet enfant, et n`y rentre plus.
25. Ary nony hitan’i Jesosy fa nihazakazaka nitangorona ny vahoaka, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy ka nanao hoe: Ry fanahy moana sy marenina! Mandidy anao Aho: Mivoaha aminy, ka aza miditra ao aminy intsony.
26. And the spirit cried, and rent him sore, and came out of him: and he was as one dead; insomuch that many said, He is dead.
26. Et il sortit, en poussant des cris, et en l`agitant avec une grande violence. L`enfant devint comme mort, de sorte que plusieurs disaient qu`il était mort.
26. "Ary ninananana ny fanahy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy, dia nivoaka taminy; ary efa toy ny maty izy, ka dia nataon’ny maro hoe: maty."
27. But Jesus took him by the hand, and lifted him up; and he arose.
27. Mais Jésus, l`ayant pris par la main, le fit lever. Et il se tint debout.
27. "Fa Jesosy nandray ny tanany ka nanarina azy; dia nitsangana izy."
28. And when he was come into the house, his disciples asked him privately, Why could not we cast him out?
28. Quand Jésus fut entré dans la maison, ses disciples lui demandèrent en particulier: Pourquoi n`avons-nous pu chasser cet esprit?
28. Ary rehefa tonga tao an-trano Jesosy, dia nanontany azy mangingina ny mpianany hoe: Nahoana izahay no tsy nahavoaka azy?
29. And he said unto them, This kind can come forth by nothing, but by prayer and fasting.
29. Il leur dit: Cette espèce-là ne peut sortir que par la prière.
29. Ary hoy Izy taminy: Iny karazany iny tsy mba azo avoaka na amin’inona na amin’inona, afa-tsy amin’ny vavaka sy ny fifadian-kanina ihany.
30. And they departed thence, and passed through Galilee; and he would not that any man should know it.
30. Ils partirent de là, et traversèrent la Galilée. Jésus ne voulait pas qu`on le sût.
30. Dia niala teo izy ka nizotra namaky an’i Galilia, ary tsy tian’i Jesosy ho fantatry ny olona izany.
31. For he taught his disciples, and said unto them, The Son of man is delivered into the hands of men, and they shall kill him; and after that he is killed, he shall rise the third day.
31. "Car il enseignait ses disciples, et il leur dit: Le Fils de l`homme sera livré entre les mains des hommes; ils le feront mourir, et, trois jours après qu`il aura été mis à mort, il ressuscitera."
31. "Fa nampianatra ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ny Zanak’olona dia hatolotra eo an-tanan’ny olona ka hovonoiny; ary rehefa voavono Izy, dia hitsangana indray rehefa afaka hateloana."
32. But they understood not that saying, and were afraid to ask him.
32. Mais les disciples ne comprenaient pas cette parole, et ils craignaient de l`interroger.
32. Fa izy ireo tsy nahafantatra izany teny izany sady natahotra hanontany Azy.

Who Is the Greatest?

33. And he came to Capernaum: and being in the house he asked them, What was it that ye disputed among yourselves by the way?
33. Ils arrivèrent à Capernaüm. Lorsqu`il fut dans la maison, Jésus leur demanda: De quoi discutiez-vous en chemin?
33. "Ary tonga tao Kapernaomy Izy; ary rehefa mby tao an-trano Jesosy, dia nanontany ny mpianany hoe: Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana?"
34. But they held their peace: for by the way they had disputed among themselves, who should be the greatest.
34. Mais ils gardèrent le silence, car en chemin ils avaient discuté entre eux pour savoir qui était le plus grand.
34. Fa tsy nahateny izy ireo, satria efa niady hevitra teny an-dalana ny amin’izay ho lehibe indrindra.
35. And he sat down, and called the twelve, and saith unto them, If any man desire to be first, the same shall be last of all, and servant of all.
35. Alors il s`assit, appela les douze, et leur dit: Si quelqu`un veut être le premier, il sera le dernier de tous et le serviteur de tous.
35. Ary rehefa tafapetraka Jesosy, dia niantso ny roa ambin’ny folo lahy Izy ka nanao taminy hoe: Raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin’izy rehetra sy ho mpanompon’izy rehetra izy.
36. And he took a child, and set him in the midst of them: and when he had taken him in his arms, he said unto them,
36. Et il prit un petit enfant, le plaça au milieu d`eux, et l`ayant pris dans ses bras, il leur dit:
36. "Ary nandray zaza Izy ka nametraka azy teo afovoany; ary raha notrotroiny ilay zaza, dia hoy Izy tamin’ny mpianany:"
37. Whosoever shall receive one of such children in my name, receiveth me: and whosoever shall receive me, receiveth not me, but him that sent me.
37. "Quiconque reçoit en mon nom un de ces petits enfants me reçoit moi-même; et quiconque me reçoit, reçoit non pas moi, mais celui qui m`a envoyé."
37. "Na zovy na zovy no mandray anankiray amin’ny zaza tahaka itony amin’ny anarako, dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no handray Ahy, dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy."

Whoever Is Not Against Us Is For Us

38. And John answered him, saying, Master, we saw one casting out devils in thy name, and he followeth not us: and we forbad him, because he followeth not us.
38. "Jean lui dit: Maître, nous avons vu un homme qui chasse des démons en ton nom; et nous l`en avons empêché, parce qu`il ne nous suit pas."
38. "Ary Jaona namaly Azy hoe: Mpampianatra ô, nahita olona anankiray namoaka devoly tamin’ny anaranao izahay; ka noraranay izy, satria tsy manaraka antsika."
39. But Jesus said, Forbid him not: for there is no man which shall do a miracle in my name, that can lightly speak evil of me.
39. Ne l`en empêchez pas, répondit Jésus, car il n`est personne qui, faisant un miracle en mon nom, puisse aussitôt après parler mal de moi.
39. Fa hoy Jesosy: Aza mandrara azy, fa tsy misy olona izay hanao fahagagana amin’ny anarako ka mora hiteny ratsy Ahy vetivety.
40. For he that is not against us is on our part.
40. Qui n`est pas contre nous est pour nous.
40. Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.
41. For whosoever shall give you a cup of water to drink in my name, because ye belong to Christ, verily I say unto you, he shall not lose his reward.
41. Et quiconque vous donnera à boire un verre d`eau en mon nom, parce que vous appartenez à Christ, je vous le dis en vérité, il ne perdra point sa récompense.
41. Fa na iza na iza no hanome anareo rano eran’ny kaopy hosotroinareo amin’ny anarako, satria an’i Kristy ianareo, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very ny valim-pitiany.

Causing to Sin

42. And whosoever shall offend one of these little ones that believe in me, it is better for him that a millstone were hanged about his neck, and he were cast into the sea.
42. Mais, si quelqu`un scandalisait un de ces petits qui croient, il vaudrait mieux pour lui qu`on lui mît au cou une grosse meule de moulin, et qu`on le jetât dans la mer.
42. Ary na iza na iza no hanafintohina na iray aza amin’ireo madinika mino Ahy ireo, dia tsara ho azy, raha anantonana vato lehibe fikosoham-barimbazaha ny vozony, ka hatsipy any anaty ranomasina izy.
43. And if thy hand offend thee, cut it off: it is better for thee to enter into life maimed, than having two hands to go into hell, into the fire that never shall be quenched:
43. "Si ta main est pour toi une occasion de chute, coupe-la; mieux vaut pour toi entrer manchot dans la vie,"
43. "Ary raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina any amin’ny fiainana noho ny manana tanana roa, nefa hariana any amin’ny helo, any amin' ny afo tsy hovonoina mihitsy,"
44. Where their worm dieth not, and the fire is not quenched.
44. que d`avoir les deux mains et d`aller dans la géhenne, dans le feu qui ne s`éteint point.
44. Any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina.
45. And if thy foot offend thee, cut it off: it is better for thee to enter halt into life, than having two feet to be cast into hell, into the fire that never shall be quenched:
45. "Si ton pied est pour toi une occasion de chute, coupe-le; mieux vaut pour toi entrer boiteux dans la vie,"
45. "Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra mandringa any amin’ny fiainana noho ny manana tongotra roa, nefa hariana any amin’ny helo, any amin’ny afo tsy hovonoina mihitsy;"
46. Where their worm dieth not, and the fire is not quenched.
46. que d`avoir les deux pieds et d`être jeté dans la géhenne, dans le feu qui ne s`éteint point.
46. Any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina.
47. And if thine eye offend thee, pluck it out: it is better for thee to enter into the kingdom of God with one eye, than having two eyes to be cast into hell fire:
47. "Et si ton oeil est pour toi une occasion de chute, arrache-le; mieux vaut pour toi entrer dans le royaume de Dieu n`ayant qu`un oeil, que d`avoir deux yeux et d`être jeté dans la géhenne,"
47. "Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy; fa tsara ho anao ny hiditra tokamaso amin’ny fanjakan’Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin’ny helo mirehitra afo;"
48. Where their worm dieth not, and the fire is not quenched.
48. où leur ver ne meurt point, et où le feu ne s`éteint point.
48. Any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina.
49. For every one shall be salted with fire, and every sacrifice shall be salted with salt.
49. Car tout homme sera salé de feu.
49. Fa samy ho voasira amin’ny afo izy rehetra, ary ny fanatitra rehetra samy ho voasira amin’ny fanasina.
50. Salt is good: but if the salt have lost his saltness, wherewith will ye season it? Have salt in yourselves, and have peace one with another.
50. "Le sel est une bonne chose; mais si le sel devient sans saveur, avec quoi l`assaisonnerez-vous? (9:51) Ayez du sel en vous-mêmes, et soyez en paix les uns avec les autres."
50. Tsara ny sira, fa raha tonga matsatso izy, inona no hoentinareo mampody ny tsirony? Aoka hisy sira ao anatinareo, ka mihavàna tsara ianareo.
<
>