1. I made a covenant with mine eyes; why then should I think upon a maid?
1. J`avais fait un pacte avec mes yeux, Et je n`aurais pas arrêté mes regards sur une vierge.
1. "Efa nanao fanekena tamin' ny masoko aho; koa ataoko ahoana indray no hisaina zazavavy?"
2. For what portion of God is there from above? and what inheritance of the Almighty from on high?
2. Quelle part Dieu m`eût-il réservée d`en haut? Quel héritage le Tout Puissant m`eût-il envoyé des cieux?
2. Fa raha izany, dia inona no anjara avy amin' Andriamanitra any ambony, sy lova avy amin' ny Tsitoha any amin' ny avo?
3. Is not destruction to the wicked? and a strange punishment to the workers of iniquity?
3. La ruine n`est-elle pas pour le méchant, Et le malheur pour ceux qui commettent l`iniquité?
3. Moa tsy fandringanana va no manjo ny ratsy fanahy? ary tsy famaizana mahagaga no mahazo ny mpanao heloka?
4. Doth not he see my ways, and count all my steps?
4. Dieu n`a-t-il pas connu mes voies? N`a-t-il pas compté tous mes pas?
4. Moa tsy Andriamanitra va no mijery ny lalako, ka manisa ny diako rehetra?
5. If I have walked with vanity, or if my foot hath hasted to deceit;
5. Si j`ai marché dans le mensonge, Si mon pied a couru vers la fraude,
5. Raha niara-nandeha tamin-java-poana aho, na mailaka ho amin' ny fitaka ny tongotro,
6. Let me be weighed in an even balance that God may know mine integrity.
6. Que Dieu me pèse dans des balances justes, Et il reconnaîtra mon intégrité!
6. Enga anie ka holanjaina na dia amin' ny mizana aza aho, dia ho fantatr' Andriamanitra ny tsy fananako tsiny.
7. If my step hath turned out of the way, and mine heart walked after mine eyes, and if any blot hath cleaved to mine hands;
7. Si mon pas s`est détourné du droit chemin, Si mon coeur a suivi mes yeux, Si quelque souillure s`est attachée à mes mains,
7. Raha tàhiny nivily niala tamin' ny lalana ny diako, na nanaraka ny masoko ny foko, na nisy tsiny niraikitra tamin' ny tanako:
8. Then let me sow, and let another eat; yea, let my offspring be rooted out.
8. Que je sème et qu`un autre moissonne, Et que mes rejetons soient déracinés!
8. "Dia aoka hamafy aho, fa olon-kafa no hihinana; eny, aoka ho fongotra ny taranako."
9. If mine heart have been deceived by a woman, or if I have laid wait at my neighbour's door;
9. Si mon coeur a été séduit par une femme, Si j`ai fait le guet à la porte de mon prochain,
9. "Raha tàhiny voafitaky ny vehivavy ny foko, na namitsaka tao am-baravaran' ny namako aho;"
10. Then let my wife grind unto another, and let others bow down upon her.
10. Que ma femme tourne la meule pour un autre, Et que d`autres la déshonorent!
10. Dia aoka kosa ny vadiko halain' ny sasany, ary aoka olon-kafa no handry aminy.
11. For this is an heinous crime; yea, it is an iniquity to be punished by the judges.
11. "Car c`est un crime, Un forfait que punissent les juges;"
11. Fa halozana ratsy indrindra izany, eny, heloka tokony hofaizin' ny mpitsara.
12. For it is a fire that consumeth to destruction, and would root out all mine increase.
12. C`est un feu qui dévore jusqu`à la ruine, Et qui aurait détruit toute ma richesse.
12. Fa afo mandevona hatrany amin' ny fandringanana izany ka hanongotra ny vokatro rehetra.
13. If I did despise the cause of my manservant or of my maidservant, when they contended with me;
13. Si j`ai méprisé le droit de mon serviteur ou de ma servante Lorsqu`ils étaient en contestation avec moi,
13. Raha tàhiny aho nandà ny rariny izay an' ny mpanompolahiko, na ny mpanompovaviko raha nifamaly tamiko izy,
14. What then shall I do when God riseth up? and when he visiteth, what shall I answer him?
14. Qu`ai-je à faire, quand Dieu se lève? Qu`ai-je à répondre, quand il châtie?
14. Dia inona no hataoko, raha hitsangana Andriamanitra? Ary ahoana no havaliko Azy, raha manafay Izy?
15. Did not he that made me in the womb make him? and did not one fashion us in the womb?
15. Celui qui m`a créé dans le ventre de ma mère ne l`a-t-il pas créé? Le même Dieu ne nous a-t-il pas formés dans le sein maternel?
15. Fa moa tsy Izay nanao ahy tany an-kibo ihany va no nanao azy koa? Ary tsy Iray ihany va no namorona anay tany am-bohoka?
16. If I have withheld the poor from their desire, or have caused the eyes of the widow to fail;
16. Si j`ai refusé aux pauvres ce qu`ils demandaient, Si j`ai fait languir les yeux de la veuve,
16. Raha tàhiny aho nandà izay nirin' ny mahantra, na nahapahina ny mason' ny mpitondratena,
17. Or have eaten my morsel myself alone, and the fatherless hath not eaten thereof;
17. Si j`ai mangé seul mon pain, Sans que l`orphelin en ait eu sa part,
17. Na nihinana ny sombin-kaniko irery, ka tsy mba nihinanan' ny kamboty,
18. (For from my youth he was brought up with me, as with a father, and I have guided her from my mother's womb;)
18. "Moi qui l`ai dès ma jeunesse élevé comme un père, Moi qui dès ma naissance ai soutenu la veuve;"
18. "(Fa tsy izany, fa hatry ny fony mbola tanora aho, dia notezaina teo amiko tahaka ny zanaka ny kamboty, ary nitondra ny mpitondratena hatrany an-kibon-dreniko aho);"
19. If I have seen any perish for want of clothing, or any poor without covering;
19. Si j`ai vu le malheureux manquer de vêtements, L`indigent n`avoir point de couverture,
19. Raha tàhiny aho nahita olona efa ho faty noho ny tsy fananan-damba, na mahantra tsy nanan-kitafy,
20. If his loins have not blessed me, and if he were not warmed with the fleece of my sheep;
20. "Sans que ses reins m`aient béni, Sans qu`il ait été réchauffé par la toison de mes agneaux;"
20. "Raha tsy nankasitraka ahy ny tao anatiny, ary tsy nanafàna azy ny volon' ondriko;"
21. If I have lifted up my hand against the fatherless, when I saw my help in the gate:
21. "Si j`ai levé la main contre l`orphelin, Parce que je me sentais un appui dans les juges;"
21. "Raha tàhiny aho naninjitra ny tanako hampahory ny kamboty, saingy hitako fa nisy mpanampy ahy teo am-bavahady;"
22. Then let mine arm fall from my shoulder blade, and mine arm be broken from the bone.
22. Que mon épaule se détache de sa jointure, Que mon bras tombe et qu`il se brise!
22. Dia aoka ny foto-tsandriko hitsoaka hiala amin' ny rangomainako ary aoka ny sandriko ho latsaka hiala amin' ny taolam-panaviko.
23. For destruction from God was a terror to me, and by reason of his highness I could not endure.
23. Car les châtiments de Dieu m`épouvantent, Et je ne puis rien devant sa majesté.
23. Fa mampahatahotra ahy ny fandringanana avy amin' Andriamanitra, ka tsy mahavita na inona na inona aho noho ny fahalehibiazany.
24. If I have made gold my hope, or have said to the fine gold, Thou art my confidence;
24. "Si j`ai mis dans l`or ma confiance, Si j`ai dit à l`or: Tu es mon espoir;"
24. Raha tàhiny aho nanao ny volamena ho fanantenako, na nanonona ny volamena tsara hoe: Ianao no tokiko.
25. If I rejoiced because my wealth was great, and because mine hand had gotten much;
25. "Si je me suis réjoui de la grandeur de mes biens, De la quantité des richesses que j`avais acquises;"
25. "Raha tàhiny aho nifaly noho ny haben' ny fananako sy noho ny nahazoan' ny tanako harena betsaka;"
26. If I beheld the sun when it shined, or the moon walking in brightness;
26. Si j`ai regardé le soleil quand il brillait, La lune quand elle s`avançait majestueuse,
26. Raha tàhiny aho nijery ny masoandro, raha namirapiratra izy, na ny volana, raha nandeha tamin' ny fangarangarany izy,
27. And my heart hath been secretly enticed, or my mouth hath kissed my hand:
27. "Et si mon coeur s`est laissé séduire en secret, Si ma main s`est portée sur ma bouche;"
27. Ka voafitaka mangingina ny foko, ary nanoroka ny tanako ny vavako,
28. This also were an iniquity to be punished by the judge: for I should have denied the God that is above.
28. C`est encore un crime que doivent punir les juges, Et j`aurais renié le Dieu d`en haut!
28. Dia heloka hamaizan' ny mpitsara koa izany, fa ho nandà an' Andriamanitra Izay any ambony aho.
29. If I rejoiced at the destruction of him that hated me, or lifted up myself when evil found him:
29. Si j`ai été joyeux du malheur de mon ennemi, Si j`ai sauté d`allégresse quand les revers l`ont atteint,
29. "Raha tàhiny aho nifaly tamin' ny fandringanana izay nankahala ahy, na nanandra-tena aho nony nozoim-pahoriana izy;"
30. Neither have I suffered my mouth to sin by wishing a curse to his soul.
30. "Moi qui n`ai pas permis à ma langue de pécher, De demander sa mort avec imprécation;"
30. Fa tsy navelako hanota ny vavako hangataka ozona ho an' ny fanahiny.
31. If the men of my tabernacle said not, Oh that we had of his flesh! we cannot be satisfied.
31. Si les gens de ma tente ne disaient pas: Où est celui qui n`a pas été rassasié de sa viande?
31. Raha tàhiny ny olona tao an-daiko tsy nanao hoe: Iza moa no tsy voky tamin' ny henany?
32. The stranger did not lodge in the street: but I opened my doors to the traveller.
32. "Si l`étranger passait la nuit dehors, Si je n`ouvrais pas ma porte au voyageur;"
32. "Ny vahiny aza tsy nandry teny ala-trano; fa novohako ho an' ny mpandeha ny varavarako;"
33. If I covered my transgressions as Adam, by hiding mine iniquity in my bosom:
33. Si, comme les hommes, j`ai caché mes transgressions, Et renfermé mes iniquités dans mon sein,
33. Raha tàhiny aho mba nanarona ny fahadisoako tahaka an' i Adama, na nanafina ny heloko tato an-tratrako,
34. Did I fear a great multitude, or did the contempt of families terrify me, that I kept silence, and went not out of the door?
34. Parce que j`avais peur de la multitude, Parce que je craignais le mépris des familles, Me tenant à l`écart et n`osant franchir ma porte...
34. Natahotra ny vahoaka marobe va aho, ary nampihorohoro ahy va ny faneson' ny mpianakavy, ka nangina aho, sady tsy sahy nivoaka ny varavarana?
35. Oh that one would hear me! behold, my desire is, that the Almighty would answer me, and that mine adversary had written a book.
35. Oh! qui me fera trouver quelqu`un qui m`écoute? Voilà ma défense toute signée: Que le Tout Puissant me réponde! Qui me donnera la plainte écrite par mon adversaire?
35. Enga anie ka hisy hihaino ahy! Indro, ny faniriako dia ny hamalian' ny Tsitoha ahy, ka hanoratra boky ny fahavaloko.
36. Surely I would take it upon my shoulder, and bind it as a crown to me.
36. "Je porterai son écrit sur mon épaule, Je l`attacherai sur mon front comme une couronne;"
36. Hataoko eny an-tsoroko tokoa izany, ary hafehiko amiko ho satroboninahitra.
37. I would declare unto him the number of my steps; as a prince would I go near unto him.
37. Je lui rendrai compte de tous mes pas, Je m`approcherai de lui comme un prince.
37. Ny isan' ny diako dia hambarako aminy, ary hanatona Azy toy ny zanak' andriana aho.
38. If my land cry against me, or that the furrows likewise thereof complain;
38. "Si ma terre crie contre moi, Et que ses sillons versent des larmes;"
38. "Raha tàhiny mitaraina hiampanga ahy ny taniko, ka miara-mitomany ny vavasako ;"
39. If I have eaten the fruits thereof without money, or have caused the owners thereof to lose their life:
39. "Si j`en ai mangé le produit sans l`avoir payée, Et que j`aie attristé l`âme de ses anciens maîtres;"
39. "Raha tàhiny aho nihinana ny vokatra, nefa tsy nandoa ny vidiny, na nanao izay hahafaty ny ain' ny tompony;"
40. Let thistles grow instead of wheat, and cockle instead of barley. The words of Job are ended.
40. Qu`il y croisse des épines au lieu de froment, Et de l`ivraie au lieu d`orge! Fin des paroles de Job.
40. Dia aoka ny tsilo no haniry hisolo ny vary tritika, ary ny ahi-dratsy hisolo ny vary hordea. Tapitra ny tenin' i Joba.