Bildad

1. Then answered Bildad the Shuhite, and said,
1. Bildad de Schuach prit la parole et dit:
1. Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:
2. How long will it be ere ye make an end of words? mark, and afterwards we will speak.
2. Quand mettrez-vous un terme à ces discours? Ayez de l`intelligence, puis nous parlerons.
2. Mandra-pahoviana aloha no hamarana ny teny ianareo? Hevero tsara, dia hiteny izahay aorian' izany.
3. Wherefore are we counted as beasts, and reputed vile in your sight?
3. Pourquoi sommes-nous regardés comme des bêtes? Pourquoi ne sommes-nous à vos yeux que des brutes?
3. Nahoana no atao ho toy ny biby izahay, ary heverina ho tahaka ny maloto eo imasonareo,
4. He teareth himself in his anger: shall the earth be forsaken for thee? and shall the rock be removed out of his place?
4. O toi qui te déchires dans ta fureur, Faut-il, à cause de toi, que la terre devienne déserte? Faut-il que les rochers disparaissent de leur place?
4. Ry ilay mamiravira tena amin' ny fahatezerana: noho ny aminao va no hahatonga ny tany ho lao, ary ny vatolampy hafindra hiala amin' ny fitoerany?
5. Yea, the light of the wicked shall be put out, and the spark of his fire shall not shine.
5. La lumière du méchant s`éteindra, Et la flamme qui en jaillit cessera de briller.
5. Eny, ho faty ny jiron' ny ratsy fanahy, ary hilopilopy ny lelafony.
6. The light shall be dark in his tabernacle, and his candle shall be put out with him.
6. La lumière s`obscurcira sous sa tente, Et sa lampe au-dessus de lui s`éteindra.
6. Ny mazava hanjary maizina ao an-dainy, ary ny jirony ho faty miaraka aminy.
7. The steps of his strength shall be straitened, and his own counsel shall cast him down.
7. "Ses pas assurés seront à l`étroit; Malgré ses efforts, il tombera."
7. Hoterena ny diany, ary ny fisainany ihany no handavo azy.
8. For he is cast into a net by his own feet, and he walketh upon a snare.
8. Car il met les pieds sur un filet, Il marche dans les mailles,
8. Fa ny tongony ihany no nandatsaka azy eo amin' ny fandrika harato, ary mandeha eo ambony fandrika izy.
9. The gin shall take him by the heel, and the robber shall prevail against him.
9. "Il est saisi au piège par le talon, Et le filet s`empare de lui;"
9. Ho azon' ny fandrika ny ombelahin-tongony ary ny mpandroba handresy azy.
10. The snare is laid for him in the ground, and a trap for him in the way.
10. Le cordeau est caché dans la terre, Et la trappe est sur son sentier.
10. Miafina ao amin' ny tany ny fandrika haningotra azy sy ny tonta eny an-dalana.
11. Terrors shall make him afraid on every side, and shall drive him to his feet.
11. Des terreurs l`assiègent, l`entourent, Le poursuivent par derrière.
11. Horohoro no hampitahotra azy manodidina ka hampivezivezy azy amin' ny alehany.
12. His strength shall be hungerbitten, and destruction shall be ready at his side.
12. La faim consume ses forces, La misère est à ses côtés.
12. Ho lanin' ny mosary ny heriny, ary ny fandringanana dia ho vonona eo anilany.
13. It shall devour the strength of his skin: even the firstborn of death shall devour his strength.
13. Les parties de sa peau sont l`une après l`autre dévorées, Ses membres sont dévorés par le premier-né de la mort.
13. "Handresy tsikelikely ny herin' ny hodiny izany; ka ny matoan' ny fahafatesana no handany ny heriny."
14. His confidence shall be rooted out of his tabernacle, and it shall bring him to the king of terrors.
14. Il est arraché de sa tente où il se croyait en sûreté, Il se traîne vers le roi des épouvantements.
14. Hongotana hiala amin' ny lainy ny zavatra itokiany, ary hitondra azy ho amin' ny mpanjakan' ny fampitahorana izany.
15. It shall dwell in his tabernacle, because it is none of his: brimstone shall be scattered upon his habitation.
15. Nul des siens n`habite sa tente, Le soufre est répandu sur sa demeure.
15. "Izay tsy taranany no hitoetra ao amin' ny lainy; solifara no hafafy amin' ny fonenany."
16. His roots shall be dried up beneath, and above shall his branch be cut off.
16. "En bas, ses racines se dessèchent; En haut, ses branches sont coupées."
16. Ho maina ny fakany ary ho tapaka ny rantsany eo ambony.
17. His remembrance shall perish from the earth, and he shall have no name in the street.
17. Sa mémoire disparaît de la terre, Son nom n`est plus sur la face des champs.
17. Ny fahatsiarovana azy dia ho very tsy ho eo amin' ny tany, ary tsy hanana anarana eny an-dalambe izy.
18. He shall be driven from light into darkness, and chased out of the world.
18. Il est poussé de la lumière dans les ténèbres, Il est chassé du monde.
18. Roahina hiala amin' ny mazava ho any amin' ny maizina izy, ary enjehina hiala amin' izao tontolo izao.
19. He shall neither have son nor nephew among his people, nor any remaining in his dwellings.
19. Il ne laisse ni descendants ni postérité parmi son peuple, Ni survivant dans les lieux qu`il habitait.
19. Tsy hanana zanakalahy, na zanaky ny mpiray tam-po eo amin' ny fireneny izy, na hisy sisa tavela eo amin' ny fonenany.
20. They that come after him shall be astonied at his day, as they that went before were affrighted.
20. Les générations à venir seront étonnées de sa ruine, Et la génération présente sera saisie d`effroi.
20. Izay ho avy manaraka azy dia ho gaga ny amin' ny androny, toy ny nampahatahotra ireo teo alohany.
21. Surely such are the dwellings of the wicked, and this is the place of him that knoweth not God.
21. Point d`autre destinée pour le méchant, Point d`autre sort pour qui ne connaît pas Dieu!
21. Izany tokoa no fonenan' ny ratsy fanahy ary izany no toeran' izay tsy mahalala an' Andriamanitra.
<
>