1. They say, If a man put away his wife, and she go from him, and become another man's, shall he return unto her again? shall not that land be greatly polluted? but thou hast played the harlot with many lovers; yet return again to me, saith the LORD.
1. Il dit: Lorsqu`un homme répudie sa femme, Qu`elle le quitte et devient la femme d`un autre, Cet homme retourne-t-il encore vers elle? Le pays même ne serait-il pas souillé? Et toi, tu t`es prostituée à de nombreux amants, Et tu reviendrais à moi! dit l`Éternel.
1. Fa hoy ny olona: Raha misy lehilahy misao-bady, ka miala aminy ravehivavy ary tonga vadin' olon-kafa, moa mahazo miverina aminy indray va ralehilahy? Tsy haloto tokoa va izany tany izany? Fa ianao dia efa nijanganjanga tamin-tsakaiza maro, kanefa miverena amiko indray ianao, hoy Jehovah.
2. Lift up thine eyes unto the high places, and see where thou hast not been lien with. In the ways hast thou sat for them, as the Arabian in the wilderness; and thou hast polluted the land with thy whoredoms and with thy wickedness.
2. Lève tes yeux vers les hauteurs, et regarde! Où ne t`es-tu pas prostituée! Tu te tenais sur les chemins, comme l`Arabe dans le désert, Et tu as souillé le pays par tes prostitutions et par ta méchanceté.
2. "Andrandrao amin' ny toerana avo ny masonao, ka jereo taiza no tsy nandrian' olona taminao? Teny an-dalambe no niandrasanao azy, toy ny Arabo any an' efitra; ary ny fijangajanganao sy ny faharatsianao no nandotoanao ny tany,"
3. Therefore the showers have been withholden, and there hath been no latter rain; and thou hadst a whore's forehead, thou refusedst to be ashamed.
3. "Aussi les pluies ont-elles été retenues, Et la pluie du printemps a-t-elle manqué; Mais tu as eu le front d`une femme prostituée, Tu n`as pas voulu avoir honte."
3. "Ka dia voasakana ny orana mivatravatra, sady tsy tonga ny fara-orana; ary ny handrinao dia handrin' ny vehivavy janga ka tsy manan-kenatra."
4. Wilt thou not from this time cry unto me, My father, thou art the guide of my youth?
4. Maintenant, n`est-ce pas? tu cries vers moi: Mon père! Tu as été l`ami de ma jeunesse!
4. Moa tsy hitaraina amiko va ianao amin' izao sisa izao hoe: Ry Raiko ô, Ianao no mpitarika ny fahatanorako?
5. Will he reserve his anger for ever? will he keep it to the end? Behold, thou hast spoken and done evil things as thou couldest.
5. Gardera-t-il à toujours sa colère? La conservera-t-il à jamais? Et voici, tu as dit, tu as fait des choses criminelles, tu les as consommées.
5. Hitahiry fahatezerana mandrakizay va izy? Hitahiry izany hatramin' ny farany va izy? Indro, efa niteny sy nanao ratsy araka izay azonao natao ianao.

Unfaithful Israel

6. The LORD said also unto me in the days of Josiah the king, Hast thou seen that which backsliding Israel hath done? she is gone up upon every high mountain and under every green tree, and there hath played the harlot.
6. L`Éternel me dit, au temps du roi Josias: As-tu vu ce qu`a fait l`infidèle Israël? Elle est allée sur toute montagne élevée et sous tout arbre vert, et là elle s`est prostituée.
6. Ary hoy koa Jehovah tamiko tamin' ny andro nanjakan' i Josia mpanjaka: Moa efa hitanao va izay nataon' Isiraely mpiodina? Niakatra ho eny amin' ny tendrombohitra avo rehetra sy ho eny ambanin' ny hazo maitso rehetra izy ka nijanganjanga teny.
7. And I said after she had done all these things, Turn thou unto me. But she returned not. And her treacherous sister Judah saw it.
7. Je disais: Après avoir fait toutes ces choses, elle reviendra à moi. Mais elle n`est pas revenue. Et sa soeur, la perfide Juda, en a été témoin.
7. Dia hoy aho rehefa avy nanao izany rehetra izany izy: Miverena amiko, nefa tsy niverina izy. Ary Joda mpivadika rahavaviny dia nahita izany.
8. And I saw, when for all the causes whereby backsliding Israel committed adultery I had put her away, and given her a bill of divorce; yet her treacherous sister Judah feared not, but went and played the harlot also.
8. Quoique j`eusse répudié l`infidèle Israël à cause de tous ses adultères, et que je lui eusse donné sa lettre de divorce, j`ai vu que la perfide Juda, sa soeur, n`a point eu de crainte, et qu`elle est allée se prostituer pareillement.
8. Ary hitako fa na dia efa nisaorako aza Isiraely mpiodina ka nomeko taratasy fisaorana noho ny fijangajangany, dia tsy nety natahotra i Joda mpivadika rahavaviny na dia izany aza, fa nandeha nijangajanga koa izy.
9. And it came to pass through the lightness of her whoredom, that she defiled the land, and committed adultery with stones and with stocks.
9. Par sa criante impudicité Israël a souillé le pays, elle a commis un adultère avec la pierre et le bois.
9. Ary izao no niseho, tamin' ny tsy fiahotrahorany tamin' ny fijanganjangany no nandotoany ny tany, ka nijangajangany tamin' ny vato sy hazo.
10. And yet for all this her treacherous sister Judah hath not turned unto me with her whole heart, but feignedly, saith the LORD.
10. "Malgré tout cela, la perfide Juda, sa soeur, n`est pas revenue à moi de tout son coeur; c`est avec fausseté qu`elle l`a fait, dit l`Éternel."
10. Fa na dia izany rehetra izany aza dia tsy nety niverina tamiko tamin' ny fony rehetra Joda mpivadika rahavaviny, fa tamin' ny fihatsarambelatsihy ihany, hoy Jehovah.
11. And the LORD said unto me, The backsliding Israel hath justified herself more than treacherous Judah.
11. L`Éternel me dit: L`infidèle Israël paraît innocente En comparaison de la perfide Juda.
11. Ary hoy Jehovah tamiko: Isiraely mpiodina dia hita fa marimarina kokoa noho Joda mpivadika.
12. Go and proclaim these words toward the north, and say, Return, thou backsliding Israel, saith the LORD; and I will not cause mine anger to fall upon you: for I am merciful, saith the LORD, and I will not keep anger for ever.
12. "Va, crie ces paroles vers le septentrion, et dis: Reviens, infidèle Israël! dit l`Éternel. Je ne jetterai pas sur vous un regard sévère; Car je suis miséricordieux, dit l`Éternel, Je ne garde pas ma colère à toujours."
12. "Mandehana, ka torio manatrika ny avaratra izao teny izao hoe: Miverena ianao, ry Isiraely mpiodina, hoy Jehovah; tsy handatsaka ny fahatezerako aminareo Aho; fa mamindra fo Aho, hoy Jehovah, ka tsy hitahiry fahatezerana mandrakizay Aho."
13. Only acknowledge thine iniquity, that thou hast transgressed against the LORD thy God, and hast scattered thy ways to the strangers under every green tree, and ye have not obeyed my voice, saith the LORD.
13. Reconnais seulement ton iniquité, Reconnais que tu as été infidèle à l`Éternel, ton Dieu, Que tu as dirigé çà et là tes pas vers les dieux étrangers, Sous tout arbre vert, Et que tu n`as pas écouté ma voix, dit l`Éternel.
13. Kanefa ekeo ny helokao, fa tamin' i Jehovah Andriamanitrao no niodinanao, ary nivezivezy nankany amin' ny hafa ianao, teny ambanin' ny hazo maitso rehetra, ary tsy mba nankatò ny feoko ianareo, hoy Jehovah.
14. Turn, O backsliding children, saith the LORD; for I am married unto you: and I will take you one of a city, and two of a family, and I will bring you to Zion:
14. "Revenez, enfants rebelles, dit l`Éternel; Car je suis votre maître. Je vous prendrai, un d`une ville, deux d`une famille, Et je vous ramènerai dans Sion."
14. "Miverena, ry zaza mpiodina, hoy Jehovah, fa Izaho no vadinareo, ary hangalako iray isan-tanàna ianareo sy roa isaky ny ankohonana, ka hoentiko any Ziona ianareo;"
15. And I will give you pastors according to mine heart, which shall feed you with knowledge and understanding.
15. Je vous donnerai des bergers selon mon coeur, Et ils vous paîtront avec intelligence et avec sagesse.
15. Dia homeko mpiandry ondry araka ny foko ianareo, izay hiandry anareo amin' ny fahalalana sy ny fahendrena.
16. And it shall come to pass, when ye be multiplied and increased in the land, in those days, saith the LORD, they shall say no more, The ark of the covenant of the LORD: neither shall it come to mind: neither shall they remember it; neither shall they visit it; neither shall that be done any more.
16. "Lorsque vous aurez multiplié et fructifié dans le pays, En ces jours-là, dit l`Éternel, On ne parlera plus de l`arche de l`alliance de l`Éternel; Elle ne viendra plus à la pensée; On ne se la rappellera plus, on ne s`apercevra plus de son absence, Et l`on n`en fera point une autre."
16. "Ary izao no hiseho, rehefa mitombo sy mihamaro amin' ny tany ianareo, amin' izany andro izany, hoy Jehovah, dia tsy holazaina intsony hoe: Ny fiaran' ny faneken' i Jehovah; ary tsy hosaintsainina akory izany, sady tsy hahatsiaro na ho manina izany izy, na hanao izany intsony."
17. At that time they shall call Jerusalem the throne of the LORD; and all the nations shall be gathered unto it, to the name of the LORD, to Jerusalem: neither shall they walk any more after the imagination of their evil heart.
17. "En ce temps-là, on appellera Jérusalem le trône de l`Éternel; Toutes les nations s`assembleront à Jérusalem, au nom de l`Éternel, Et elles ne suivront plus les penchants de leur mauvais coeur."
17. "Amin' izany andro izany no hanononana an' i Jerosalema hoe: Sezafiandrianan' i Jehovah; ary hivory any ny firenena rehetra noho ny anaran' i Jehovah, any Jerosalema, ary tsy handeha intsony araka ny fisainan' ny fo ratsiny izy."
18. In those days the house of Judah shall walk with the house of Israel, and they shall come together out of the land of the north to the land that I have given for an inheritance unto your fathers.
18. "En ces jours, La maison de Juda marchera avec la maison d`Israël; Elles viendront ensemble du pays du septentrion Au pays dont j`ai donné la possession à vos pères."
18. Amin' izany andro izany ny taranak' i Joda sy ny taranak' Isiraely dia hiara-mandeha, ka hiara-tonga avy any amin' ny tany avaratra izy ho any amin' ny tany nomeko ny razanareo ho lovany.
19. But I said, How shall I put thee among the children, and give thee a pleasant land, a goodly heritage of the hosts of nations? and I said, Thou shalt call me, My father; and shalt not turn away from me.
19. Je disais: Comment te mettrai-je parmi mes enfants, Et te donnerai-je un pays de délices, Un héritage, le plus bel ornement des nations? Je disais: Tu m`appelleras: Mon père! Et tu ne te détourneras pas de moi.
19. Ary hoy Aho: Ahoana no hanaovako anao ho isan-janaka, ka hanomezako anao tany mahafinaritra, dia lova soa an' ny firenena maro? ary hoy Aho: Ianao hiantso Ahy hoe: Raiko, ka tsy hiala amin' ny fanarahana Ahy.
20. Surely as a wife treacherously departeth from her husband, so have ye dealt treacherously with me, O house of Israel, saith the LORD.
20. Mais, comme une femme est infidèle à son amant, Ainsi vous m`avez été infidèles, maison d`Israël, Dit l`Éternel.
20. Ka toy ny vehivavy mamitaka, misintaka miala amin' ny vadiny, dia toy izany tokoa no nisintahanareo niala tamiko, ry taranak' Isiraely, hoy Jehovah.
21. A voice was heard upon the high places, weeping and supplications of the children of Israel: for they have perverted their way, and they have forgotten the LORD their God.
21. "Une voix se fait entendre sur les lieux élevés; Ce sont les pleurs, les supplications des enfants d`Israël; Car ils ont perverti leur voie, Ils ont oublié l`Éternel, leur Dieu."
21. Nisy feo re teny amin' ny toerana avo, dia fitomaniana sy fitarainan' ny Zanak' Isiraely, fa efa nanimba ny lalany izy ary nanadino an' i Jehovah Andriamaniny.
22. Return, ye backsliding children, and I will heal your backslidings. Behold, we come unto thee; for thou art the LORD our God.
22. Revenez, enfants rebelles, Je pardonnerai vos infidélités. -Nous voici, nous allons à toi, Car tu es l`Éternel, notre Dieu.
22. Miverena ianareo, ry zaza mpiodina, fa hositraniko ny fiodinanareo. Indreto, manatona Anao izahay, fa Ianao no Jehovah Andriamanitray.
23. Truly in vain is salvation hoped for from the hills, and from the multitude of mountains: truly in the LORD our God is the salvation of Israel.
23. "Oui, le bruit qui vient des collines et des montagnes n`est que mensonge; Oui, c`est en l`Éternel, notre Dieu, qu`est le salut d`Israël."
23. "Foana tokoa no hanantenana famonjena avy amin' ny havoana sy ny tendrombohitra marobe; marina tokoa fa ao amin' i Jehovah Andriamanitray ny famonjena ny Isiraely."
24. For shame hath devoured the labour of our fathers from our youth; their flocks and their herds, their sons and their daughters.
24. Les idoles ont dévoré le produit du travail de nos pères, Dès notre jeunesse, Leurs brebis et leurs boeufs, leurs fils et leurs filles.
24. Fa lanin-kenatra ny fisasaran' ny razanay hatramin' ny fahazazanay, dia ny ondry aman' osy sy ny omby, ny zanany lahy sy ny zanany vavy.
25. We lie down in our shame, and our confusion covereth us: for we have sinned against the LORD our God, we and our fathers, from our youth even unto this day, and have not obeyed the voice of the LORD our God.
25. "Nous avons notre honte pour couche, Et notre ignominie pour couverture; Car nous avons péché contre l`Éternel, notre Dieu, Nous et nos pères, dès notre jeunesse jusqu`à ce jour, Et nous n`avons pas écouté la voix de l`Éternel, notre Dieu. -"
25. Mandry amin-kenatra izahay, ary manarona anay ny fahafaham-baràkanay, satria efa nanota tamin' i Jehovah Andriamanitray izahay, dia izahay sy ny razanay hatramin' ny fahazazanay ka ambaraka androany, sady tsy nankatò ny feon' i Jehovah Andriamanitray izahay.
<
>